Tontosa soamantsara ny faha 04 Novambra 2025 teo ny fanoloran’ny tetikasa MAMATSY ny fitaovam-panjonoana sy salotra vonjy aina, Fanolorana vata fapangatsiahina nasiam-panamboarana ary Fanolorana tsena vaovao ny trondro ka kaoperativan’ny mpanjono miisa 3 no nisitraka izany dia ny kaoperativa Soamanakavana ao Fenoambany, ny kaoperativa Zadoa avy aoTsaramandroso ary ny Kaoperativa Soamiray ao Masianaka.
Amin’ireto fitaovana notsinjaraina ireto dia ahitana harato miisa 136 sy kojakoja miaraka aminy,salotra vonjy aina miisa 68, ny « Palangre » miisa 68 sy ireo kojakoja miaraka aminy, vata fapangatsiahina nasiam-panamboarana ka 4 napetraka tao Fenoambany ary 10 kosa hoan’ny Masianaka ary farany dia ny tsena hivarotana ny hazan-drano .
Marihina fa ny tetikasa MAMATSY dia tetikasa taterahin’ny ONG AIM ary vatsian’ny banky Alimanina BMZ.
