Ilaina ny fanentanana ireo tantsaha amin’ny alalan’ny fantson-tserasera isan-karazany hisorohana ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro eo amin’ny sehatry ny Jono, ny fambolena ary ny tontolo iainana.
Ny radio no isan’ireo mitana anjara toerana lehibe amin’ny fanentanana mipaka eny ifotony.Nisy araka izany ny fandaharana niarahana tamin’ny « Radio Plus » tao amin’ny efitrano fivorian’ny DRAE Alaotra Mangoro ny faha 4 Novambra 2025 teo.Fotoana nahafan’ireo tantsaha niadi-hevitra tamin’ireo ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga #DRPEB,ny fambolena sy ny Fiompiana #DRAE ary ny avy ao amin’ny DREDD faritra Alaotr Mangoro.
Voasolotena avokoa ny mpanjono,ny mpamboly ary ny Vondron’olona ifotony VOI ka ny ONG Tafomiaavo no nanohana ka nahafahana nanatanteraka izany. Noresahina manokana nandritra izany ny fahatotofan’ny farihin’alaotra,ny fitotonganan’ny kalitaon’ny vokatra trondro izay anisan’ny fisehon’ny fiatraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro eo amin’ny sehatry ny Jono. Efa misy ny vahaolana voarakitra ao amin’ny Drafi-panajariana ny Jono PAP hoan’ny farihin’alaotra hampihenana izany loza mitatao izany.Tanjona ny hisian’ny jono maharitra sy ho lovain-jafy any an-toerana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *