Tontosa ny faha 05 Novambra 2025 tao amin’ny Hôtel VINTANA, Taolagnaro, Faritra Anôsy, ny atrikasa fanombanana ny fandrosoan’ny asa iarahana amin’ny #FAO, izay tohanan’ny #tetikasa_MIONJO.
Nandray anjara ny Faritra Anôsy sy ireo solontena avy amin’ny sehatry ny Jono sy ny Toekarena Manga ary ny Fambolena ary Fiompiana.
Ho an’ny sehatry ny Jono manonkana, dia noresahana ny fandrosoan’ny fanamboarana trano fitehirizam-bokatra izay hametrahana vatafampangatsiahana sy fanadiova trondro ao Tanandava sy Andranobory, izay eo amin’ny dingan’ny fiantsoana tolotra amin’izao fotoana izao.
Taorian’ny fanitarana nomena ny FAO vokatry ny fanaraha-maso izay nataon’ny Banky Iraisam-pirenena, dia fantatra fa ny 30 Jona 2026 no daty famaranana ofisialy ny tetikasa.
Nasehon’ny FAO ihany koa ny tetiandro sy ny fandaharam-potoana vaovao momba ny asa sisa hatao, izay hozaraina amin’ny DRPEB ho fanamafisana ny fandrindrana sy ny fanatanterahana.
