Mpanjono madinika ao amin’ny kaominina Maria rano , Distrikan’i Mahajanga II, Faritra Boeny no navondrona anaty fikambanana mba hahafahana mandrindra ny asa fanjonoana izay foto-piveloman’izy ireo.Hita ao avokoa ireo tompon-tany sy ireo mpanjono mpiavy (vezo) izay miara-miasa ao an-toerana.Nisy ihany koa ny fizarana karatra maha mpanjono hoan’ireo mpanjono madinika miisa 153 izay nataon’ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Fitaleavam-paritra ny Jono sy ny Toekarena Manga @DRPEB Boeny niaraka tamin’ny lehiben’ny sampandraharahan’ny Jono sy ny Toekarena Manga CirPEB ary notronin’ny lehiben’ny Fkt Marosakoa.
Tanjona tamin’izao hetsika izao ny fandrindrana ny asa fanjonoana ao an-toerana mba hisian’ny fiarahamiasa sy fiaraha- monina mirindra ho an’ny rehetra.
