Nihaona sy nifampidinika tamin’Atoa CHAN KIT WAYE Jaco, Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga tao amin’ny efitrano fivorian’ny Ministera tao Ampandrianomby-Antananarivo ireo ny solontenan’ny GAPCM na ny « Groupement des Armateurs à la Pêche Crevettiere de Madagascar » ny 06 Novambra 2025 lasa teo.
Fihaonana natao indrindra ho fifanakalozan-kevitra sy fifampizaràna amin’ny fanatsarana ny seha-pihariana makamba eto Madagasikara. Nandritra ny dinika dia noresahana manokana ireo olana sedrain’ireo mpandraharaha sy ny vahaolana hanatsarana ity seha-pihariana ity.
Namporisihin’Atoa Minisitra ity vondrona miantsehatra eo amin’ny sehatry ny Jono makamba ity mba haneho hatrany ny amin’ny maha matihanina azy ireo amin’ny asa fandraharahana izay efa nananany traikefa ampolotaonany maro.
Nanamafy ihany koa Atoa Ministra fa misokatra hatrany ny Ministera amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo sehatra tsy miankina maniry handray anjara amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny makamba sy ny jono amin’ny ankapobeny mba ho tombontsoan’ny maro fa indrindra ireo mpanjono madinika eny ifotony izay tsy afa-misaraka amin’ireto fikambanana ireto.
