« Zéro tolérance » ho an’izay rehetra Manao kolikoly hoy A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga CHAN KIT WAYE JACO Raha nitafa tamin’ireo mpandraharaha malagay mpisehatra rehetra ny tenany Anio. Ho diovina tanteraka ny eo amin’ity seha-pihariana ity ary miverina amin’ny ara-dalana daholo ny rehetra araky ny nambarany hatrany. Misokatra tanteraka ho an’ny mpandraharaha Malagasy arak’izany manomboka izao ny fitrandrahana drakaka na #crabe # eto Madagasikara.
Ity no fikaonan-doha voalohany niarahan’ireo mpandraharaha Malagasy sy ny avy eto anivon’ny minisiteran’ny jono sy ny toekarana manga hamaritana ireo fitsipika hifampifehezana amin’ity seha-pihariana drakaka ity mba tsy hisian’ny kolikoly fa hitsinjovana ny tombontsoa iombonana . Anisan’ny notsindriana mafy fa mila #matihanina ireo mpandraharaha hitsinjovana ny Tombotsoan’ny Firenena indrindra amin’ny lafiny vidim-bokatra mba ho tsaratsara kokoa .
Mila Mivondrona izy ireo ary manolotra soso-kevitra amin’ny fitsinjarana ireo « quotas » rehetra izay manaja ny lanjan’ny drakaka azo alaina izay 4 250T ary ny refy kely indrindra amin’izay dia 11cm.
Marihina fa ny 15 desambra 2025 ho avy izao ny fisokafan’ny taom-panjonoana drakaka manerana ny Nosy Ary Tsy ny drakaka irery ihany hoy izy fa na ny makamba sy ireo hafa dia ho sokafana amin’ny rehetra avokoa Ary ho alamina izay mety ho sakatsakana misy .
