Tontosa ny faha 07 Novambra 2025 teo tao Mahajanga ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ireo Komity mpanatanteraka izay hanatanteraka ny vinan’asa araka ny voarakitra ao amin’ny « Plan d’aménagement de la Pêcherie »na ny Drafi-panajarian’ny Jono hoan’ny helidranon’i Mahajamba. Nisy ihany koa ny fandaniana ny lahatrasa hotanterahan’izy ireo mandritra ny enim-bolana .Nahatonga solontena niatrika izany avokoa ireo mpanjono madinika sy vaventy,ny solontenan’ny VOI ,ny Oniversite ny mpanangom-bokatra sy mpanao kinanga ary ny fiarahamonim-pirenena sy mpiaramiombon’ antoka.
Nitarika ny fivoriana ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Boeny sy SOFIA ary notronin’ny ny DREDD,ny CSP ary ireo ben’ny tanàna maromaro any an-toerana. Nanome ny tantsoroka nahatontosana izao hetsika izao ny ONG Bleue Ventures sy ny orinasa Aqualma.
#MPEB #DRPEB #PAP #BOENY #ONG_Beu_Ventures #Aqualma.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *