Tontosa ny zoma faha 07 novambra 2025 teo ny fihaonana teo amin’A/toa CHAN KIT WAYE Jaco, Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ireo Tompon’andraikitra ambony avy eo anivon’ny ESSA (Ecole Supérieure des Sciences Agronomique) na ny Sekoly Ambony misahana ny siansa agronomika/Oniversiten’ Antananarivo izay notarihin’Profesora RAZAFIMAHATRATRA Hery.
Fihaonana izay niompana tamin’ny fanamafisan’ ireo solontenan’ny ESSA momba ireo anjara andraikiny toy ny fanatanterahana ireo asa fikarohana maro izay hahafahana manao tantsoroka ny Ministera amin’ny fampandrosoana maharitra ny sehatry ny jono sy ny toekarena Manga eto Madagasikara.
Nampatsiahivina nandritra izao fihaonana izao ihany koa fa efa maro ireo voka-pikarohana izay azo trandrahina eo anivon’ny ESSA ary azo antoka fa hitera-bokatsoa ho fanatsarana ny haitondra eo amin’ny fomba fitantanana ireo harena voahajanahary sy ireo rohivoahary samihafa.
Resy lahatra ny roa tonta tao aorian’ny fifanakalozana ka hiroso amin’ny fametrahana fifanaraham-piaraha- miasa voarafitra sy mirindra hanamorana ny fihaonana sy ny fifanakalozana matetika izay hahafahana maneho ampahibemaso ireo voka-pikarohana ary hahafahana ihany koa hamaritra ireo vinam-pikarohana vaovao izay hiompana sy hifanindran-dalana ka hamaly ireo filana fototry ny Ministera mba hampisy fiantraikany mivantana ho amin’ny fampandrosoana ny eo amin’ny lafiny ara-toekarena sy hoan’ny mpiara-belona.
