Raha tsiahivina dia ny faha 11 Novambra 2025 lasa teo no nananganana ity vondrona matihanina
Zava-dehibe ho an’ny Ministera ny fananana vondrona matihanina toy izao hahafahana hanampy Ireo mpandraharaha vaovao izay hisehatra ao anatin’ity fanondranana drakaka ity mba hisorohana amin’ny mety hisian’ny fatiantoka . Politika ankapoben’ny ministera rahateo ny fametrahana ny fahalalahana amin’ny fitrandrahana amin’ny sehatry ny Jono izay efa voasoratra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana ankehitriny (PGE-R). Omena alalana avokoa ireo rehetra izay vonona hanondrana izany eto Madagasikara fa anatin’ny #fangaraharana lavitry ny #kolikoly no hanaovana izany ho tombontsoan’ny maro sy hanatsarana ny fidirnam-bola ao amin’ny kitampom-bolam-panjakana.
Marihina ihany koa fa Ity fifanarahana ity dia hanamafy ny fandraisan’andraikitry ny rehetra amin’ny fanatsarana sy hahamatihanina ny sehatry ny drakaka eto Madagasikara anatin’ny fitantanana mangarahara tanteraka ary hametraka fiaraha-miasa hentitra eo amin’ny Fanjakana sy ireo mpandraharaha hanamora ny fandrindrana sy hampivelatra ny sehatry ny drakaka ho an’ireo rehetra izay hiantsehatra amin’izany.
Vonona ny hifanome tànana miaraka amin’ireo mpandraharaha vaovao te-hisehatra araka izany ny GPEC ; ny Ministera kosa dia hiantoka ny fanaraha-maso hentitra sy tsy mitanila amin’ny fanantaterahana izany ary ho hatao ao anatin’ny mangarahara ihany koa ny mahakasika ny fitsinjarana ny « quotas ».
Nisaorana manokana ny Filohan’ny GPEC, Atoa Andriamiarisatrana Rocco, sy ireo mpikambana rehetra noho ny ezaka nataon’izy ireo sy ny finiavany hanatsara ny sehatry ny drakaka mba hifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena.
————————————————-
Signature de la convention entre le MPEB et le GPEC ou Groupement Professionnel des Exportateurs de Crabe » : Vers une gestion professionnelle, transparente, équitable de la filière crabe à Madagascar.
Cette convention vient concrétiser une volonté partagée : professionnaliser la filière crabe à Madagascar et instaurer une gestion transparente, équitable et responsable de cette ressource stratégique. Elle établit un cadre de collaboration solide entre l’État et les opérateurs, afin d’impulser un développement durable et mieux structuré du secteur.
À travers cet accord, le GPEC s’engage à renforcer les bonnes pratiques professionnelles au sein de ses membres, à veiller au respect des normes et à faciliter l’intégration des nouveaux acteurs. De son côté, le Ministère assure un suivi impartial, mettra à disposition les informations nécessaires et encouragera l’adhésion de tous ceux souhaitant s’investir dans la filière.
La convention souligne également un engagement fort : garantir l’égalité de traitement et la transparence dans l’attribution des quotas d’exportation. L’objectif est clair : permettre à chaque acteur, ancien ou nouvel entrant, de contribuer de manière équitable à la croissance du secteur et aux recettes en devises du pays.
Le Président du GPEC, Monsieur Andriamiarisatrana Rocco, ainsi que l’ensemble de ses membres, ont été chaleureusement remerciés pour leur engagement en faveur de la profession et leur volonté d’aligner la filière sur les standards internationaux.
