Narafitra sy vita tanteraka amin’ny teny malagasy ny tetikasa fananganana, fandrindrana sy fampandehanana ny jono makamba eto Madagasikara (PNPCDM) izay iraisan’ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (Mpeb) sy ny ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy (Medd), nandritra ny atrikasa famaranana ara-teknika ny tolo-kevitra fanavaozana ny politikam-pirenena mikasika ny jono makamba, natao tao Antsirabe izay notohanan’ny tetikasa BIODEV 30/30. Nivoitra tao anatin’izay ny fanapahan-kevitra lehibe enti-manavao ity seha-pihariana ity ary ny drafitr’asa iaraha-manatanteraka ny tetikasa.
Marihina fa nandray anjara tamin’ny atrikasa ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny toa ireo mpahay lalàna sy teknisianina avy amin’ny ministera roa tonta, ny APMF, ny avy amin’ireo orinasa misehatra eo amin’ny jono makamba. Toy ny sehatra SOMAPECHE, REFRIGEPECHE OUEST, REFRIGEPECHE, ireo vondrona toy ny GAPCM, ny ONG ary ny avy ao amin’ny firaisamonim-pirenena.
 Dingana lehibe araka izany no vita enti-manatsara ny fitantanana maharitra ny jono makamba ho tombontsoan’ny besinimaro, hikajiana amn’ny fomba maharitra ny rohivoahary ary hampiroboroboana ny toekarena manga.
Tsiahivina fa mbola mikatona ny jono makamba eto Madagasikara. Hiverina hisokatra kosa izany ny 01 martsa 2026.
 
Économie bleue : Vers une gestion responsable de la pêche à la crevette.
 Le gouvernement malgache a présenté un projet pour améliorer la gestion de la pêche crevettière. Ce projet, élaboré par le ministère de la Pêche et de l’Économie bleue et le ministère de l’Environnement, a été discuté lors d’un atelier technique à Antsirabe avec l’appui du projet BIODEV 30/30.
 Différents acteurs ont participé à cet atelier : des techniciens et juristes des ministères, des associations comme l’APMF, des sociétés de pêche crevettiere comme SOMAPECHE, REFRIGEPECHE OUEST, REFRIGEPECHE des groupements comme le GAPCM, des partenaires nationaux et internationaux ainsi que ceux de l’organisation de la société civile.
Ensemble, ils ont défini des décisions importantes pour moderniser ce secteur et protéger l’environnement.
Actuellement fermée, la pêche à la crevette rouvrira le 1er mars 2026. Cette réforme vise à mieux gérer la ressource et à soutenir l’économie bleue à Madagascar.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *