βœ… Ny LalΓ na laharana faha-2015-053 tamin’ny 03 Febroary 2016, novaina sy nofenoin’ny LalΓ na laharana faha-2018-026 tamin’ny 26 Desambra 2018, mikasika ny Fehezan-dalΓ na no mifehy ny Jono sy ny Fiompiana anaty Rano. π‘¨π’π’Œπ’†π’‰π’Šπ’•π’“π’Šπ’π’š, miroso amin’ny fanavaozana izany ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga mba hamolavola fehezan-dalΓ na maoderina, maharitra ary afaka mamaly ny filΓ n’ny sehatra hatramin’ny 50 taona ho avy, sady mifanaraka amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena sy ireo fifanarahana iraisam-pirenena noraisin’i Madagasikara.

πŸ‘‰ Zava-dehibe ny fanavaozana ny fehezan-dalΓ na mba hanamafisana ny fitantanana maharitra, ny mangarahara, ny fandrindrana ary ny fifandanjan’ny tombontsoa eo amin’ireo mpisehatra manoloana ny fivoaran’ny sehatry ny jono sy ny fiompiana anaty rano, ary ny lanjany ara-toekarena izay ahitana mpisehatra mivantana sy ankolaka.Arak’izany dia tanterahina eny amin’ny Motel Anosy-Antananarivo mandritra ny roa andro ny atrikasa fandravonana ny fanavaozana ny fehezan-dalΓ na mifehy ny Jono sy ny Fiompiana anaty rano.

πŸ‘‰ Anisan’ny fanavaozana lehibe ny fitantanana iarahana sy ny fandraisan’anjaran’ny vondrom-piarahamonina, ny mangarahara eo amin’ny sehatry ny jono, ny fanaraha-maso sy ny ady amin’ny jono tsy ara-dalΓ na, ary ny fanamorana ny dingana ara-pitantanana amin’ny fiompiana anaty rano. Hamafisina ihany koa ny rafitra momba ny fanaraha-maso ara-pahasalamana ny vokatra sy ny fahasalaman’ireo zava-manan’aina anaty rano, indrindra amin’ny alalan’ny « biosΓ©curité » sy ny fepetra fisorohana ny aretina.

#MPEB #PPSPAS #FAO #GIZ #WCS #WWF #BLUE_VENTURES #APDRA #MIONJO #DAJC #Fanavaozana #LalΓ na #Jono #Fiompiana_anaty_rano

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiΓ©e. Les champs obligatoires sont indiquΓ©s avec *