Natao teto amin’ny Foiben’ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Sakafo sy ny Fambolena (FAO), Roma, Italia, ny 4 ka hatramin’ny 6 Septambra 2026, ny Fihaonambe Iraisam-pirenena andiany fahatelo momba ny Jono Madinika (Small-Scale Fisheries Summit – SSF).
🔶Ny tanjon’ity fihaonambe ity dia ny hampandrosoana ny fampiharana ireo Torolalana momba ny Jono Madinika maharitra, mba hiarovana sy hanatsarana ny fiveloman’ireo mpanjono madinika, ary hanamafisana ny anjara toeran’ny jono madinika amin’ny fiarovana ara-tsakafo maneran-tany.
👉Nandray anjara tamin’ity fihaonambe ity ireo solontena avy amin’ny firenena sy fikambanana maro, ka anisan’ny nisongadina ireo Minisitra efatra avy amin’ny firenena samihafa. Anisan’izany ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Profesora MAHARAVO Jean, izay nitarika ny delegasiona Malagasy.
🔸Nandritra ny fandraisam-pitenenany, dia nampahafantarin’ny Minisitra ireo ezaka sy dingana efa nataon’i Madagasikara ho fampandrosoana ny jono madinika, indrindra amin’ny alalan’ny fampiharana ny Paikady Nasionaly momba ny Jono Madinika (PAN-PP). Notsindriany ihany koa ireo fanamby mbola atrehin’ny sehatra, ka nanamafisany ny antso amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola mba hanamafisana ny fanohanana ny fampiharana mivaingana ny PAN-PP.

🔸Ankoatra izany, dia nisy ny fihaonana sy fifanakalozan-kevitra tamin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena tohiny GIZ, WWF ary ireo rafitra sy tambajotra Afrikana hafa tohin’ny FISHNET, ORCA ary AU- IBAR.
👉 Nifantoka tamin’ny fifampizarana traikefa, ny zava-bita sy ny asa atao any Madagasikara, ary ny famantarana ireo sehatra vaovao ahafahana manohy sy manamafy ny fiaraha-miasa ireo fifanakalozan-kevitra ireo.
Nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny 6 Septambra 2026 ny Fihaonambe, izay nanome sehatra lehibe ho an’i Madagasikara hampahafantarana ny ezaka ataony amin’ny fampandrosoana ny jono madinika sy hanamafisana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena ho fanohanana izany.
#MPEB
#ROME_ITALIA
#FIHAONAMBE_IRAISAM_PIRENENA_ANDIANY_FAHATELO_MOMBA_NY_JONO_MADINIKA
