Nandritra ny andro fahatelo ny COFI 37 dia noraisin’ny Tale Jeneraly ny FAO sy ireo ekipa teknika miara-miasa aminy ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Pr MAHARAVO Jean, izay mitarika ny delegasiona Malagasy tao aminy foibe ny FAO ao Roma, Italia.

Nifantoka tamin’ireo laharam-pahamehana efatra napetrak’i Madagasikara ny fifanakalozan-kevitra: ny Jono Madinika, ny fampamokarana maharitra ny atirano, ny fampandrosoana ny rojom-pihariana (chaines de valeurs), ary ny fanatsarana ny fitantanana ny sehatra jono.

Nanamafy ny fahavononany hanohana an’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana ireo laharam-pahamehana ireo ny Tale Jeneraly ny FAO. Ity fihaonana ity dia manamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ho fampandrosoana maharitra ny jono, ny fampamokarana ny atirano ary ny Toekarena Manga eto Madagascar.

#MPEB #COFI37 #FAO #PPSPAS #Jono #Fiompiana_Anaty_Rano #JonoMadinika #ToekarenaManga

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *