ππ―ππ§ππ«π²-ππ§πππ§ππ§ππ«π’π―π¨: ππ ππ€ππ¨ππ«π ππππ
Tanterahina eny Ivandry, Antananarivo, ny 21 ka hatraminβny 23 Oktobra 2026, ny atrikasa fakan-kevitra ho fanamasinana ny politikam-paritry ny Jono sy ny Fiompiana anaty rano eo anivon’ny SADC. Atrikasa tanterahinβny GIZ ao anatinβny Tetikasa maneran-tany Β« Aliments Aquatiques Durables Β», izay tohananβny Vondrona Eoropeanina sy ny Minisiteran’i Alemana (BMZ) ara-bolaΒ Β».
Tanjona ny hanangonana ny hevitra sy ny tolo-kevitry ny mpisehatra eto Madagasikara mba hampifanaraka ny laharam-pahamehana ho an’ny Firenena aminβny paikady isam-paritra ho an’ny Jono sy ny Fiompiana anaty rano. Arak’izany dia hodinihina mandritra ny telo andro ireo loha-hevi-dehibe miisa telo dia: ny fifanarahanβny OMC ny fanampiana ara-bola aminβny jono izay hanamafisana ny ady aminβny jono INN sy ny fitrandrahana tafahoatra ny harena anaty rano, ny torolalana avy amin’ny FAO amin’ny famapaharetana ny jono madinika, ary ny fanavaozana ny paikady sy ny drafitrβasanβny SADC momba ny fiompiana anaty rano ho anβny taona 2026β2036.
Nanokatra ity atrikasa ity tamin’ny fomba ofisialy moa Atoa Simon RAHARIMANDIMBY, Tale Jeneralinβny Jono sy ny Fiompiana anaty Rano eo anivon’ny MPEB , notroninβAtoa Masoivohonβny Repoblika Federalinβi Alemana eto Madagasikara sy ireo solontenanβny SADC.
#MPEB #GIZ #BMZ #SADC #OMC #Jono #Fiompiana_anaty_rano #paikady
