Tontosa ny faha 31 Mey 2025 teo tao aminโny lapanโny tanร nanโi Sarobaratra Ifanja, ao aminโny Distrikanโi Miarinarivo, Faritra Itasy, ny fampiofanana momba ny fiompiana trondro, notanterahanโny ekipa avy aminโny Fitaleavana misahana ny famokarana ny anaty rano (DA) sy ny Fitaleavanam-Paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) Itasy.
Ity fampiofanana ity dia natao hanohanana sy hampiroborobo ny fambolena sy fiompiana trondro an-tanimbary ho fampandrosoana ny toekarena eo an-toerana.
Miisa 25 ireo mpiofana, izay tena liana sy vonona tanteraka hirotsaka aminโny fiompiana trondro an-tanimbary ary naneho ny fahavononany hampihatra ny fahalalana azo mandritra ny fiofanana. Ny tanjona dia ny hampiasa ny rano azo fehezina mandavan-taona, izay mety indrindra ho anโny fiompiana trondro, mba hiantohana ny vokatra tsy tapaka sy ny fampitomboana ny fidiram-bolanโny tantsaha.
Namporisika ny mpiofana ny tomponโandraikitra mba hampiasa ny fahalalana azo sy hizara izany aminโny mpiara-monina aminy mba hiroborobo bebe kokoa ity sehatra ity.
