β Ny LalΓ na laharana faha-2015-053 taminβny 03 Febroary 2016, novaina sy nofenoinβny LalΓ na laharana faha-2018-026 taminβny 26 Desambra 2018, mikasika ny Fehezan-dalΓ na no mifehy ny Jono sy ny Fiompiana anaty Rano. π¨ππππππππππ, miroso aminβny fanavaozana izany ny Minisiteranβny Jono sy ny Toekarena Manga mba hamolavola fehezan-dalΓ na maoderina, maharitra ary afaka mamaly ny filΓ nβny sehatra hatraminβny 50 taona ho avy, sady mifanaraka aminβny zava-misy eto aminβny firenena sy ireo fifanarahana iraisam-pirenena noraisinβi Madagasikara.
π Zava-dehibe ny fanavaozana ny fehezan-dalΓ na mba hanamafisana ny fitantanana maharitra, ny mangarahara, ny fandrindrana ary ny fifandanjanβny tombontsoa eo aminβireo mpisehatra manoloana ny fivoaranβny sehatry ny jono sy ny fiompiana anaty rano, ary ny lanjany ara-toekarena izay ahitana mpisehatra mivantana sy ankolaka.Arak’izany dia tanterahina eny amin’ny Motel Anosy-Antananarivo mandritra ny roa andro ny atrikasa fandravonana ny fanavaozana ny fehezan-dalΓ na mifehy ny Jono sy ny Fiompiana anaty rano.
π Anisanβny fanavaozana lehibe ny fitantanana iarahana sy ny fandraisanβanjaranβny vondrom-piarahamonina, ny mangarahara eo aminβny sehatry ny jono, ny fanaraha-maso sy ny ady aminβny jono tsy ara-dalΓ na, ary ny fanamorana ny dingana ara-pitantanana aminβny fiompiana anaty rano. Hamafisina ihany koa ny rafitra momba ny fanaraha-maso ara-pahasalamana ny vokatra sy ny fahasalamanβireo zava-manan’aina anaty rano, indrindra aminβny alalanβny « biosΓ©curité » sy ny fepetra fisorohana ny aretina.

#MPEB #PPSPAS #FAO #GIZ #WCS #WWF #BLUE_VENTURES #APDRA #MIONJO #DAJC #Fanavaozana #LalΓ na #Jono #Fiompiana_anaty_rano
