Port Lympia, Nice, France
Fihaonambe iraisam-pirenena momba ny ranomasina

Nifantoka tamin’ny resaka fiarovana ny tontolo andranomasina, ny velontena ao aminy indrindra ny jono ary ny fampandraisana anjara ny tsirairay amin’ny ady atao amin’ny fiovan’ny toetrandro ny lohateny izay nandraisan’i Madagasikara anjara anio. Nanambara i Madagasikara🇲🇬 fa ilaina ny fiarovana ny vatohara, ny ahitra anaty rano (phanérogames) ary ny lomotra. Ao ihany koa ny ala honko sy ny maro samihafa satria ireo no antoky ny fahasalaman’ny ranomasina. Ny resaka jono madinika kosa dia nanambara isika fa nametraka faritra mitokana ho an’ny Mpanjono madinika izay tsy azon’ny fanjonoana vaventy sy salantsalany idirana. Notsindriana mafy ihany koa ny momba ny fametrahana ihany drafitrasam-pirenena izay miompana amin’ny fanjonoana madinika. #UNOC3_Port_Lympia #Nice_France #MPEB_Madagasikara

Kaominina Ambonivohitra Morondava
𝐅𝐈𝐕𝐎𝐑𝐈𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐎𝐌𝐈𝐓𝐘 𝐌𝐀𝐑𝐎𝐋𝐀𝐅𝐘 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐑𝐈𝐌-𝐏𝐀𝐍𝐉𝐎𝐍𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐂𝟏

Tontosa androany 12 Jona 2025 tao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Morondava ny fivorian’ny Komity Marolafy ho an’ny #Farim_panjonoana_C1, izay ahitana ny Faritra Melaky sy Boeny. Ity fivoriana ity dia natao manokana mba hijerena ny zava-bita tamin’ny taona 2024 izay niarahana nanapaka sy ny famaritana ny lahatrasa ho an’ny taona 2025. Taorian’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy notarihin’Andriamatoa Talen’ny Jono avy amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena dia nisy ny fampatsiahivana ireo tapaka tamin’ny fivoriana farany nataon’ny Ekipa teknika miandraikitra ny fitantanana ny fanatanterahana ireo fanekena anatin’ny bokin’andraikitra (UGE) nitohy tamin’ny famelabelarana feno momba ny zava-bita nataon’ireo talem-paritra voakasika izay narahina ady hevitra momba ireo fanamby napetraka ho an’ireo faritra roa izay nojerena ny taham-pahavitan’ny asa sy ny fandrosoana sosokevitra raha nisy ny asa tsy tanteraka. Taorian’ny tatitra sy fankatoavana ny asa vita dia miisa 05 kosa ny lahatrasa tapaka fa hotanterahana ny taona 2025 dia ny fambolena honko ny fanohanana ireo mpanjono ifotony ny fitantanana sy fananganana ny AMP ny fanofanana sy fanamafisam-pahalalana ho an’ireo mpanjono ary ny fanohanana ny vadin’asa hoan’ireo mpanjono ifotony . Ho fanohanana ireo mpanjono madinika eny ifotony ary dia hisy ny fampitaovana maro samihafa avy amin’ireo orinasa lehibe manjono makamba amin’iny farim-panjonoana iny izay marihana fa fampitaovana arakarakin’ny filàny faritra voakasika. Nanamafy ny fahavononany hiasa miaraka ireo mpandray anjara rehetra mba hahazoana antoka fa ho tanteraka ny tanjona napetraka na dia misy ihany ireo olana sedraina. Ity fivoriana ity dia heverina ho dingana lehibe amin’ny fanatsarana hatrany ny fitantanana mahomby ny #Farim_panjonoana_C1 ho tombontsoan’ny rehetra ao amin’ny Faritra Melaky sy Boeny. #MPEB #DREDD #DRPEB_Melaky #DRPEB_Boeny #REFRIGEPECHE_OUEST #SOMAPECHE #PECHEXPORT #Komity_Marolafy #Faritra_C1 #Mpanjono #Makamba

Fokontany Ambolimailaka, Distrika Toliara II, Faritra Atsimo Andrefana
Fankalazana ny Andro Maneran-tany ho an’ny Ranomasim-be na « Journée Mondiale des Océans »

Ny 09 Jona 2025 no nanatontosana ny fankalazana rejionaly ny Andro Maneran-tany ho an’ny Ranomasim-be, fatao isaky ny 08 Jona. Natao tao amin’ny Fokontany Ambolimailaka , Kaominina ambanivohitra Manombo, Distrika Toliara II, Faritra Atsimo-Andrefana, ny hetsika. Nosokafana tamin’ny kabary nifandimbiasan’ireo manam-pahefana izay nampahatsiahy ny toerana lehibe tanan’ny Ranomasim-be eo anivon’ny tontolo iainana sy ny tombotsoa azon’ny olombelona avy aminy. Nasongandina ny tsindry zakainy izay mirona makany amin’ny fahasimbana izany ary nanentanana hatrany ny fandraisan’andraikitrin’ny tsirairay araka ny loha-hevitra tamin’ity dia ny « Mahafinaritra : Tohanana izay manohana antsika » na « Merveille : Soutenir ce qui nous soutient ». Manoloana an’izany dia hetsika 3 no nandraisan’ny #DRPEB_Atsimo_Andrefana anjara ho fanohanana ny Ranomasim-be, niarahana tamin’ny #ONG_VOIZO sy #FISHES_BAKING, ny « Beach cleaning-up » sy ny fandraofana ireo fako plastika eny amoron-dranomasina, ny fametrahana ny « pépinière de coraux » mba ho fanarenana ireo hara simba, ny adi-hevitra na « panel communautaire » izay nisarihana ireo sokajim-pisehatra voakasika mba haneho ny anjaran’andrakiny sy hampahafantatra ny tokony hatao na tsia ho amin’izay fitantanana maharitra ny fitratrandrahana. Isaorana ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanatanterahana izao hetsika manana ny lanjany manerantany izao : DREDD, Parlemantera Toliara II, Kaominina Ambanivohitra MANOMBO, Filohan’ny Fokontany Ambolimailaka sy ny vahoaka, FIMIHARA, SANSAFA, RENAFEP, REEF DOCTOR. #MPEB #JMO_2025

NICE FRANTSA
Miroso Makany amin’ny Toekarena Manga Maharitra i Madagasiakara

Anisan’ny manamafy indray ny fanoloran-tenan’i Madagasikara Hiroso Makany amin’ny Toekarena Manga maharitra ny fandraisana anjara nataon’A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert Nandritra ny Side Event tao amin’ny Green Zone mahakasika ny «  » Fihaonamben’ny Firenena Mikambana momba ny Ranomasina » » Eto Madagasikara, an-tapitrisany ny olona miankina amin’ny harena an-dranomasina, ka zava-dehibe ny fifandanjana eo amin’ny fampiasana sy fiarovana izany . Vokatry ny fandraisan’anjaran’ireo vondrom-piarahamonina ao an-toerana, izay efa misy ankehitriny satria 280 ireo Faritra Arovana Tantanin’ny Vondrom-piarahamonina indrindra amin’ny faritra ahitana #haran_dranomasina izay mandrakotra manodidina ny 2 230 km². Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fiarovana faritra manan-danja hafa toa ny #ahidrano sy ny #honko. Miara-miasa akaiky amin’ireo vondrom-piarahamonina ny Minisitera ny Jono sy ny Toekarena Manga amin’ny #fitantanana_maharitra sy #mitovy_lenta ny harena an-dranomasina. Na izany aza, mbola maro ny fanamby sedraina toy ny : tsy fahampian’ny fahalalana ara-teknika sy ara-tsiansa, Ny fahasahiranana ara-bola satria tsy misy fiarovana maimaim-poana ary ny fanamafisana ny fampiarana ny lalana eny ifotony Isika rehetra dia #manana_anjara_andraikitra amin’ny fanomezana ho avy #maharitra ho an’ny #ranomasintsika. Aoka isika hiara-hiasa amin’ny fanorenana toekarena manga maharitra , ara-drariny ary tompon’andraikitra, satria « Isika no Ranomasina. » #MPEB #FIAROVANA_NY_RANOMASINA #TOEKARENA_MANGA_MAHARITRA #MADAGASIKARA #NICE_FRANTSA #SIDE_EVENT

Port Lympia, Nice France
Fifanakalozana momba ny traikefa amin’ny fikarohana anaty ranomasina

Ny sambo mpanao fikarohana RV METEOR izay Alemana dia isan’ireo sambo mpikaroka lehibe manerantany izay manana halavana 96m ary afaka mitondra Mpikaroka maro. Betsaka ireo Mpikaroka Malagasy nahazo tombotsoa amin’ity sambo ity ka isan’izany Atoa Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert izay nandray anjara tamin’ny fikarohana natao avy ao La Reunion ka hatrany Walvis Bay, Namibia, ny taona 2014. Nanambara Atoa Minisitra fa tokony hitovy ny fahalalana azon’ny Firenena rehetra (équité dans la connaissance) mba hahafahana samy miatrika ireo fanamby ara-tontolo iainana atrehina. Tsy tokony hisy ny Firenena miasa mitokana satria iray ihany ny ranomasina ka izany indrindra no tokony hifanomezana tànana hatrany avy amin’ny Mpiantsehatra rehetra. Mamonjy ny Fihaonam-be Iraisampirenena momba ny Ranomasina andiany faha-3 any Nice Frantsa ireo Mpiaramiasa avy eto amin’ny Minisiteran’ny Jono sy Toekarena Manga ny alatsinainy faha 09 ka hatramin’ny zoma faha 13 ny volana jona 2025. #UNOC3_Nice_France #METEOR_Oceanographie_Recherche #MPEB_Madagasikara

Nosy Be, Faritra Diana
Fitsidihana ireo mpanodim-bokatra

Nidina ifotony ny avy ao amin’ny #CirPEB Nosy Be sy ny Filoha ny Fikambanana Mpanjono eny an-toerana, ny faha 05 Jona 2025, nijery ny fomba fitahirizana sy ny fomba fanodinana ny hazan-dranomasina azo toy ny fanamainana na « séchage » ary ny fomba fitanterana ireo vokatra ireo. Novangiana ihany koa Rtoa Yasmine, izay mpanangona sy mpanodina vokatra hazan-dranomasina ao Ambatozavavy, Nosy Be, izay mifototra amin’ny mahaloky ny vokatra ataony. #MPEB #DRPEB_Diana #Fédération_de_Pêcheur #fanodinana_vokatra

Mahajanga, Faritra Boeny
Sambo mpanjono an-tsokosoko « Srilankais », Ruth Baba 6, no tratran’ny sambo mpanara-maso ny Jono Atsantsa avy ao amin’ny CSP nahitana Atsantsa milanja 16Taonina mahery

Fahombiazana tsara indray no azo ambara ny iraka regionaly (Mission Régionale) faha-65 notanterahan’ny sambo mpanara-maso (Patrouilleur) ny jono Atsantsa ny faha 28 May hatramin’ny 08 Jona 2025 tamin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara sy Kaomoro (Zones exclusives). Sambo mpanjono iray vahiny « Srilankais » mitondra ny anarana « Ruth Baba 6 », nahitana tantsambo miisa 08 mizaka ny zom-pirenena « Srilankais », indray no tratra nangalatra nanjono an-tsokosoko, nandika lalàna, tao avaratr’i « Cap St André » (Tanjona Vilamatsa), Faritra Besalampy. Tsy fanarahan-dalàna maro moa no hanenjehana azy ireo anisan’izany ny tsy fananan’izy ireo fahazoan-dalana manjono aty amin’ny Fari-dranomasin’i Madagasikara sy ny tsy fahafan’ny sambo manjono « au large » ary ny fihazan’izy ireo biby arovana tsy avelan’ny làlana jonoina dia ny Atsantsa (Requin) izany. Atsantsa milanja 16Taonina mahery (Atsantsa lena milanja 12Taonina mahery miampy atsantsa maina sy vombony na aileron) no tratra tao anatin’ity sambo ity nandritra ny fisavana natao ka avy hatrany dia nogiazana ary nentina namonjy an’i Mahajanga ny sambo sy ireo tatsambo tao aminy. Marihana fa izao dia tafiditra ao anatin’ny ezaka tanterahan’ny CSP (Centre de Surveillance de Pêche) na ny ivon-toerana mpanara-maso ny jono eto Madagasikara hamongorana sy hiadina amin’ny jono tsy manara-dalana. Raha tsiahivina dia nahitana sivily avy ao amin’ny CSP toy ireo « inspecteur de pêche » avy eto Madagasikara sy Kaomoro, zandary ary miaramila avy amin’ny Tafika an-dranomasina nanamory ity sambo mpanara-maso ny jono Atsantsa ity nandritra ity iraka ity. Marihana fa ny COI (Commission de l’Océan Indien) tamin’ny alalan’ny PRSP (Plan Régional de Surveillance des Pêches) sy ny Ecofish, vatsian’ny Vondrona Eoropeanina (UE) no nahafana nanatanteraka izao iraka regionaly faha-65 notanterahan’ny sambo mpanara-maso ny jono Atsantsa izao. Efa nisy moa ny sambo « Srilankais » miisa roa tratra toy izao ihany koa tamin’ny iraka faha 62 ny taona 2024 ary sambo Kenyana. Nisy noho izany ny fandalovan’ny solotena manokan’ny COI tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny fahatongavan’ny sambo Atsantsa natrehan’ireo olona ambony ao Mahajanga notarihan’Atoa Governora, solotenan’ny Kaominina Ambonivohitra Mahajanga, sivily sy Miaramila ka nanomezana taratasy fankasitrahana (Certificat de reconnaissance) ireo ekipa rehetra nanatanteraka ny iraka. #MPEB #CSP #PRSP #UE #COI #ECOFISH #PECHE_INN #Atsantsa #RuthBaba6 #Requin

09 -13 Jona 2025 – UNOC 3
Madagasikara miara-mientana ho fiarovana ny ranomasina

Misokatra androany 09 Jona 2025 ao Nice, Frantsa ny Fihaonambe faha-3 an’ny Firenena Mikambana momba ny Ranomasina (UNOC 3), hetsika manan-danja ho an’ny fiarovana sy fitantanana maharitra ny ranomasina maneran-tany Ny delegasiona Malagasy dia tarihin’Atoa Andry RAJOELINA, Filohan’ny Repoblika, miaraka amin’ny Minisitra misahana ny Jono sy Toekarena Manga A/toa MAHATANTE PAUBERT sy ny Ministry ny Tontolo iainana sy Fampandrosoana Lovain-jafy A/toa Max Fontaine Andonirina . Amin’ny maha-nosy azy dia miankina betsaka amin’ny ranomasina sy ny vokatra entiny i Madagasikara, satria mahatratra 5 603 Km ny morontsiraka manodidina azy ary tena mbola manana harena anaty rano ihany koa. Noho izany, zava-dehibe ny fiarovana ireo harena an-dranomasina sy ny fanamafisana ny toekarena manga, ho tombontsoan’ny vahoaka sy ny taranaka ho avy. Mihoatra ny 3 miliara ny olona maneran-tany mivelona amin’ny vokatra an-dranomasina. Mihoatra ny 600 tapitrisa no miankina amin’io sehatra io ho loharanon’asa sy fivelomana. Trondro 1 amin’ny 5 dia avy amin’ny jono tsy manaradalana, tsy voafanambara ary tsy voafehin’ny lalàna (peche INN). 20 tapitrisa taonina amin’ny plastika no manimba ny ranomasina isan-taona. Ny fiarovana ny ranomasina dia tsy haitraitra, fa adidy iombonana. #MPEB #MEDD #UNOC3 #FIAROVANA_NY_RANOMASINA #MADAGASIKARA #NICE_FRANCE

𝐃𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚𝐧’𝐢 𝐅𝐞𝐧𝐨𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨 𝐀𝐭𝐬𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚, 𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐧𝐚𝐥𝐚𝐧𝐣𝐢𝐫𝐨𝐟𝐨
𝐅𝐢𝐳𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐳𝐚𝐧𝐚-𝐭𝐫𝐨𝐧𝐝𝐫𝐨

Mitohy hatrany ny ezaka sy fampandrosoana ho an’ny sehatra fiompiana trondro ato anatin »ny Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, Faritra Analanjirofo ka notolorana zana-trondro ireo mpiompy trondro nahazo fiofanana ara-teknika ka ny faha 7 Jona 2025 teo no nanolorana ny zana-trondro tilapia miisa 10 000 teto amin’ny Fokontany Ambodihasina, Kaominina Ambanivohitra Ambatoharanana, Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, ireo mpiompy trondro izay nahazo fiofanana ara-teknika Tonga nanatrika izany ny Talem-paritry ny Jono sy ny Toe-karena Manga Analanjirofo sy Mpandrindram-paritra ny tsy Fifanjarian-tsakafo Analanjirofo ary ny Ben’ny Tanana Lefitry ny Kaominina Ambanivohitra Ambatoahanana.Tao anatin’ny tetik’asa HAFA VELONTEGNA izay vatsian’i UNICEF vola no nazahoana nanantontosa izany. Ankoatra ny fanomezana zana-trondro, dia nisy ihany koa ny fanolorana fahazoan-dàlana hiompiana trondro ho an’ny mpiompy miisa 10 izay nahafeno ny fepetra sy nahavita ny fiofanana ilaina. Ireo fahazoan-dàlana ireo dia manan-danja mba hanamafisana ny asan’ny mpiompy sy hiantohana ny fampandrosoana maharitra ny sehatry ny fiompiana trondro ao amin’ny faritra. #MPEB #DRPEB_Analanjirofo #UNICEF #Zana_trondro #Fiompiana_trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga

Kaominina Ambonivohitra Ambatondrazaka, Distrikan’Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro
Atrikasa Fankatoavana ny Drafi-Panajariana ny Jono ho an’ny Farihin’Alaotra.

Tontosa tao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Ambatondrazaka ny 05 Jona 2025 teo ny atrikasa fankatoavana ny drafi-panajariana ny jono ho an’ny farihin’Alaotra izay entina hamerenana indray ny lazan’ity farihy ity ao anatin’ny dimy taona ho avy. Ity drafitra ity dia mampiditra ireo vahaolana stratejika isan-karazany novolavolaina mba hiantohana ny fampandrosoana maharitra ny jono sy ny tontolo iainana manodidina ny farihy. Nandritra ity fotoana ity, mpisehatra maro avy amin’ny distrika roa dia ny Distrikan’Amparafaravola sy Ambatondrazaka no tonga nanatrika sy nandray anjara tamin’ny adihevitra sy nanome ny heviny momba ity drafitra ity. Anisan’ny nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra isan-karazany toy ny mpanjono, ny fiarahamonina eo an-toerana, ary ny manampahefana ihany koa ity atrikasa ity mba hahazoana antoka fa hahomby ny fampiharana ny drafitra. Ity drafi-panajariana ity dia vokatry ny fiaraha-miasa akaiky teo amin’ireo teknisianina avy ao amin’ny mpanamahay MAMIA ary tafiditra ao anaty fandaharan’asa RINDRA, izay mikendry ny hampandroso ny sehatry ny jono eto Madagasikara. Naneho ny fahafaham-pony tamin’ity atrikasa ity ireo mpandray anjara sady nanantitrantitra ny tokony hisian’ny fanaraha-maso akaiky sy fiaraha-miasa mitohy mba hahatanteraka ny tanjona napetraka. #MPEB #DRPEB_Alaotra_Mangoro #PAP_Farihin_Alaotra #MAMIA #RINDRA