Ambositra, Faritra Amoron’I Mania
Fitsidihana nataon’ny DRPEB Amoron’i Mania ny Sekolin’ny Gendarimariam-Pirenena Ambositra

Araka ny resaka nifanaovan’ny Talem-paritra sy Kolonely Komandin’ny Zandarimariam-Pirenena Ambositra ny Alatsinainy teo, dia nidina ifotony teny an-toerana ny ekipa fa misy ny hetaheta hiompy trondro izay ho tanterahina ao amin’ny sekoly, efa misy ny toerana ary mety tsara ho amin’ny fiompiana trondro fa mila fanajariana (aménagement) goavana izay azo havadika hatao Dobo. Tapaka tamin’izany fa hanao kisary ny ekipa teknikan’ny DRPEB dia hanomboka ny fanajariana izy ireo, izay hotanterahina tsy ho ela. Rehefa hanomboka ny fanajariana dia hanara-maso ny ekipa teknikan’ny DRPEB mba hanaraka ny fenitra ny fanajariana. Nisy sahady ny fanomezana fisy teknika hitarihan-dalana mialohan’ny hanomezana fampiofanana andiany faharoa taorian’ny andiany voalohany izay efa natao tamin’ny 23 Martsa 2024. #MPEB #DRPEB #AMM #Fiompiana_trondro #Sekolin_ny Zandarimariam_Pirenena

Hôtel de Ville ao Taolagnaro, Faritra Anôsy
Fampiofanana fiompiana trondro.

Mpiofana miisa 120 mianadahy no tonga nandray fiofanana fiompiana trondro ny 07 sy 08 Aprily 2025 izay notanterahin’ny Fitalevam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Anôsy tao amin’ny efitrano malalakiny Hôtel de Ville, Kaominina Ambonivohitra Taolagnaro, Faritra Anôsy. Nomena nandritra ny fiofanana ireo teknika rehetra mahakasika ireo karazana fiompiana azo atao ny fiompiana, ny fanamboarana sy fanomanana ny dobotrondro, ny fanamboarana sakafo trondro na « provende » ka hatrany amin’ny famoahana ny vokatra. Azo ivelomana tsara ny fiompiana trondro ary mbola malalaka ny tsena indridnra ho an’ny trondro an-dranomamy ary maro no resy lahatra ary vonona ny hiroso amin’izany seham-pihariana izany. #MPEB #DRPEB_Anôsy #Fampamokarana_ny_Atirano

J08_FOJAEB, Toliara du 17-19 Avril 2025
Conference : famelabelaran-kevitra momba ny #FOJAEB izay niarahana tamin’ny Filohan’ny #OPJEB sy ireo mpianatra avy eto Maninda

Nosokajina manokana ny mpianatra aty @ anjeri- manontolo ato Maninday, Toliara ny @ maha zava-dehibe #FOJAEB. Valo andro mialohan’ny hetsika Fihaonamben’ny Tanora Afrikanina momba ny Toekarena Manga dia nisy ny famelabelaran-kevitra momba izany #FOJAEB izany izay niarahana tamin’ Atoa Ernest TINDO, Filohan’ny #OPJEB sy ireo mpianatra avy eto Maninday, Toliara ny 09 Avril 2025. Tombony ho an’ireo tanora ny fanazavana izany Toekarena Manga izany ary indrindra ny zava-misy eto Madagasikara ary ho fahampafantarana azy ireo ny maha zava-dehibe ny hetsika toy izao. Miisa 54 ny Firenena mpikambana ao anatin’izany ka anisany izany ny Madagasikara izay niditra ho mpikambana ary niara-nanao sonia izany ny 06 septembra 2024 nandritran’ny fankalazana ny andro nationaly momban’ny Toekarena Manga andiany faharoa natao tao Toamasina. Marihina hatrany fa tsy hitsahatra ny #MPEB hampafantatra izany tontolon’ny Toekarena Manga izany amin’ny Tanora sy vahoaka Malagasy. #FOJAEB #CONFERENCE #UNIVERSITE_MANINDAY #OPJEB #MPEB #FARITRA_ATSIMO_ANDREFANA

Kaominina Andrenivohitra Manakara, Faritra Fitovinagny
Fampiofanana fiompiana trondro

Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny ny #DRPEB_Fitovinagny sy ny Fitaleavana misahana ny fampianarana ara-teknika sy Fanofanana arakasa #DRTFP_Fitovinagny dia olona tsy an’asa 19 no nahazo fampiofanana momba ny fiompiana trondro ny faha 09 Aprily 2025 tao amin’ny Lycée sileny Paul Manakara. Izany dia tafiditra ao anatin’ny hetsika #FIJERY_HAFA izay karakarain’ny #METFP. Roa andro ny faharetany fiofanana ka ny 16 Aprily 2025 izao ny tohiny. Hisy ny fampiharana ankianja mandritra io andro farany io. #MPEB #Fampamokarana_ny_Atirano

Ampandrianomby-Antananarivo, Faritra Analamanga
Fanolorana ny Drafitrasa Nasionaly amin’ny ady amin’ny Jono tsy manara-dalàna, tsy voafanambara, ary tsy voafehin-dalàna eto Madagasikara 2025-2029.

Manamafy hatrany ny ezaka amin’ny ady amin’ny Jono tsy manara-dalàna, tsy voafanambara, ary tsy voafehin_dalàna ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Tafiditra anatin’izany fampitomboana ireo sambo ampiasain’ny CSP hanara-maso ny sisin-dranomasin’i Madagasikara. Teo aloha dia sambo roa ihany no nampiasain’i Madagasikara iady amin’izany Jono INN izany, Ankehitriny dia efa tafakatra 23 izany ary mbola hiampy 02 ireo. Anatin’ny fanamafisana ny ady amin’ny Jono INN dia zava-dehibe ny fananana ny Drafitrasa Nasionaly iadiana amin’izany. Notanterahina teny Ampandrianomby Antananarivo ny 07 Avrily 2025 arak’izany ny fanolorana ny Drafitrasa Nasionaly amin’ny ady amin’ny Jono tsy manara-dalàna, tsy voafanambara, ary tsy voafehin-dalàna eto Madagasikara 2025-2029. Mandrafitra ity Drafitrasa Nasionaly ity ireo zavatra mila hatsaraina rehetra iadiana amin’ny Jono INN, ny firesahana ny ho avin’i Madagasikara manoloana ity fitaovana ampiasaintsika ity amin’izao, ny fampisehoana amin’izao tontolo izao fa i Madagasikara dia vonona hatrany ny hiatrika ireo fanamby hatrehantsika indrindra aty amin’ny Faritra misy antsika indrindra miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Nitarika ny fotoana Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert miaraka amin’Atoa Alexander Kefi Solontenan’ny SADC, ary ny Solontenan’ny WWF eto Madagasikara. Marihina moa fa nanampy an’ny Ministera namolavola izao ny WWF. #MPEB #SADC #CSP #Jono #INN #WWF

‎HETSIKA FANADIOVANA FAOBE

Ho fiaraha-mientana amin’ireo Ministera amin’ny hetsika fanadiovana faobe indrindra ho fiomanana amin’ny fihaonana iraisam-pirenena hatao eto Madagasikara dia nandray anjara tamin’izany hetsika izany ihany koa ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. ‎Nodiovina nanomboka teo amin’ny « rond point rocade » Ambohimahitsy ary nifarana teo amin’ny « abris Bus » akaikin’ny tetezana miampita eny Andralanitra. Hetsika izay notarihan’Atoa Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga Atoa TILAHY Désiré ary notronin’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Ministera. #MPEB #Fanadiovana

Antsiranana, Faritra Diana
Fampiofana ireo mpanaramaso ny jono na « Inspecteur de Pêche »

Ho fanamafisina ny ady amin’ny jono tsy ara-dalàna, tsy voafanambara, ary tsy voafehindalana na « pêche INN » eto Madagascar dia nisy fampiofana ireo mpanaramaso ny jono na « Inspecteur de Pêche » izay natao tao Antsiranana tamin’ny alalan’ny Tetikasan’ny #MCSCC , avy ao amin’ny SADC, antsoina hoe “OCEANS VIGILANCE/ Stop Illegal fishing”. Tetikasa izay manampy amin’ny fanovàna maharitra sy fitondrana mangarahara eo amin’ny sehatry ny jono. Notanterahina nandritra ny 04 andro ity fiofanana ity izay nanomboka ny faha 02 Aprily 2025 ka hatramin’ny 05 Aprily 2025, tao amin’ny Hôtel de la poste Antsiranana. Ny #WWF Madagascar sy ny observatoire #FITSINJO no nifanampy nifanome tanana tamin’ny fikarakara ity fiofanana ity. Ankoantran’ny fampihofanana dia nisy ny fitsirihana ireo sambo zay natao teo amin’ny Port, Antsiranana. Mpandray anjara miisa 25 no nahazo fiofanana izay avy amin’ny #DRPEB_Diana, #APMF, ny #Tafika_an_dranomasina, Douane, ny WWF, ny FITSINJO ary ny #CSP avy any Toliara, Morombe, Toamasina, Majunga, Antananarivo, Nosy Be, Taolanaro, Farafangana ary Antsiranana. Marihina fa ity hetsika ity dia mandray anjara amin’ny ezaka ataon’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny jono tsy ara-dalàna, tsy voafanambara ary tsy voafehindalana, izay tafiditra ao anatin’ny Drafi-pihetsika Nasionaly hiadiana amin’ny jono INN (PAN-INN) ho an’ny taona 2025–2029 et Madagasikara. #MPEB

Kaomina Ambonivohitra Toamasina, Distrikan’I Toamasina I, Faritra Atsinanana
Fampitaovana ny mpanjono

Tontosa androany 05 Aprily 2025 ny fanolorana « voile » miisa 30 izay fitaovana hoan’ireo mpanjono madinika eto amin’ny Fokontany Analankininina Hopital bé. Izao fampitapovana izao dia tafiditra anatin’ny fankalazana ny andron’ny Frankofonia ka teny miisa 10 mirakitra ny tontolo iainana an- dranomasina no niaingana ary napetraka tamin’ireo « voile » ireo .Ny mpianatra eo anivon’ny sekoly marolafy misy eto Toamasina no nanao ny fanaingoana izany. Marihina fa fiaraha- miasa eo amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy Toekarena Manga Atsinanana sy ny Alliance Française de Tamatave ary ny Faritra Normandie (France) no nahafahana nanatontosa izao fizarana izao. #MPEB #DRPEB_ATSINANANA #Alliance_Française_de_Tamatave #Région_Normandie_France #Fanentanana_Mpianatra

Fokontany Ampivarotanomby, Kaominina Ambanivohitra Ambositra, Distrika Ambositra
Fitsidihana dobo trondro

Nanao fitsidihana ifotony ny #DRPEB_Amoron_i_Mania nijery ny toeram-piompian’i Atoa Arsène izay misy dobo miisa 08 aty amin’ny Fokontany Ampivarotanomby. Nitondra fanampiana ny fitaleavana ary nanome toromarika ny hanatsarana bebe kokoa ny teknikam-piompiana ary nanao fanjonoana fanarahamaso. Atoa Arsène dia manome sakafo toy ny provandy ny trondro ary manao fanamasahana dobo ihany koa. Manana karazana trondro maro ity mpiompy toy ny Tilapia Nilojica, tilapia fotsy, tilapia bory vava sy tilapia marakely ary karpa. #MPEB #Fampamokarana_ny_Atirano