Ambilobe, Faritra Diana
Fizarana fitaovana ho an’ny tantsaha

Tontosa tao amin’ny antampon- tanànan’ny Distrikan’ny Ambilobe ny faha 04 Aprily 2025, ny lanonana ara- panjakàna fanolorana ny fitaovam- pamokarana ho an’ireo fikambanan’ny tantsaha na ny « Organisation Paysane » miisa 45. Nahazo anjara ny fikambanana mpiompy trondro miisa 02 izay nahitana « Broyeur de provende, Broyeur combiné avec granuleuse, Kit aérateur, projecteurs solaires, Glacières, balances, épuisettes », sns. Marihina fa fitaovana izay novatsian’ny programme #AFAFI_NORD, ary iarahana amin’ny #Tetikasa_MIP/PEA. Nanome Voninahitra izao lanonana izao ny Governora ny Faritra Diana, ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’ny Ambilobe, ny Mpanjakan’i Ankarambe TSIMIARO III, ny Talemparitra sy lehiben’ny sampan-draharahampanjakàna isankarazany, ka anisan’izany ny solontena avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga, tao koa ireo Be ny Tanàna maro, ary ireo avy ao amin’ny AFAFI NORD. Velom- pisaorana ny fitondram-panjakàna sy ny avy amin’ny AFAFI NORD ireo izay nisitraka fampitaovana, ary nanome toky fa hikojakoja sy hampiasa azy ireo arakany ny tokony ho izy. #MPEB #DRPEB_Diana

Ankidonana-Ambatomirahavavy, Distrikan’Arivonimamo, Faritra Itasy
Fitsidihina an’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga

Hitodi-doha any amin’ny Distrikan’Arivonimamo indray Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert rehefa avy namangy ny tapany Avaratry ny Nosy.Arak’izany dia ny fitsidihina ny dobo fiompiana trondro ao Ankidonana-Ambatomirahavavy no nanombohany ny fitsidihina. Ity fiompiana trondro ity izay tohanan’ny tetikasa AMPIANA3. Toerana natolotry ny Kaominina Ambatomirahavavy ho an’ny fikambanan’ny mpiompy trondro FMTA natao hanatavezana Tilapia sy karpa sy famokarana zana-trondro Tilapia miisa hatrany amin’ny 15 000 isam-bolana. Ho fanatsarana ity toeram-piompiana ity mba ahitan’ireo fikambanana vokatra tsara kokoa dia nitondra ny toro-hevitra ara-teknika ho an’ireo mpikambana Atoa Minisitra toy ny toetry ny rano, ny « aménagement de territoire », ny famadihana ny fomba fiompiana anaty fefy mitsingevana. Ity farany izay manampy an’ireo mpiompy hiatrika ny fiovaovan’ny toetrandro izay anisan’ny olana sedrain’izy ireo. Tanjon’ireo fikambanan’ny mpiompy amin’ity toeram-piompiana ity moa ny isintomana mpizahantany sy hanavaona azy ho toerana fanofanana fiompiana trondro ho an’ireo tantsaha liana amin’izany fiompiana trondro izany. #MPEB #DRPEB #ITASY #Tetikasa #AMPINA3 #FMTA #Fiompiana_Trondro

Andrainarivo , Antananarivo
Atrikasa ho fankatoavana ny fitaovana vaovao entina hanaraha-maso sy fanaovana tomban’ezaka amin’ireo TGRH

Manodidina any amin’ny 80 any ny famindram-pitantanana ireo harena sy rohy voahary anaty rano na ny (TGRH) no efa vita izay nafindra tamin’ireo Vondron’Olona Ifotony sy ireo mpanjono. Hatreto dia mbola tsy voafaritra mazava tsara ny mety ho fahombiazan’ny fitantanan’izy ireo izany harena sy rohy voahary izany. Nisy arak’izany ny atrikasa ho fankatoavana ny fitaovana vaovao izay entina hanaovana tombana sy fanaraha-maso ny fahombiazan’ny famindran-mpitantanana ny harena sy ny rohy voahary anaty rano izany izay niarahan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga,ny mpiara miombon’antoka ary ireo solontenan’ny mpanjono, izay notanterahina teny Andrainarivo-Antananarivo ny 03 Aprily 2025. Tanjona amin’izao atrikasa izao ny hampiharana ity paikady vaovao ity mba ho fanatsarana hatrany ny fomba fitantan’ireo mpisehatra eny ifotony ary hampaharitra ireo harena anaty rano ireo. Marihina fa tohana avy amin’ny WWF no nahafahana nanao ity paikady ity ka ny mpanamahay BE LONATANY no nanatanteraka ny asa teny an-kianja. #MPEB #DRPEB #WWF #BE_LONATANY #TGRH #mpanjono_madinika

AMBALAMANGA , NOSY BE , FARITRA DIANA
FITSIDIHANA NY COMPLEXE DE PECHE

Efa miasa tsara ankehitriny ny « complexe de pêche izay Foto-drafitrasa entina hampivoarana Sy hampandrosoana ny tanana Ary indrindra hampiroboroboana ny sehatry ny Jono. Zava-dehibe ny fananana azy ity satria Tsy misy intsony ireo trondro very fa afaka atao ny mitahiry azy ao anatiny Ary Vokatra #madio Sy #mahasalama Sy #vokarakara avokoa no mivoaka ao . Foto-drafitrasa ahitana Machine de glace, toerana hivarotana ireo vokatra , Biraon’ny koperativa izay izy ireo ihany no hitantanana azy sns…. Azo lazaina fa Anisan’ny Foto-drafitrasa Manova ny tantaran’ny Jono manerana an Madagasikara ny fisian’ny fotodrafitrasa toy itony. Nitsidika izany ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert nandritra ny fitsidihany Teto an-toerana. #MPEB #COMPLEXEDEPECHE #AMBALAMANGA #NOSY BE #DIANA

Andranobe , Nosy be , Faritra Diana

Efa Telo taona Teo no eo i Mme Tatie Chris no niompy trondro izay nihitatra tsikelikely izany ka nahafahana nametraka ireo Dobo mirefy 700 metatra toradroa . Manodidina ny 2, 8 taonina kosa ny tombam-bokatra eritreretina anatin’ny « cycle » iray (6 a 7 mois eo ho eo ) .Ahitana Dobo fiompiana zana-trondro ao an-toerana Ary bodo fanalehibiazana ihany koa . Ankoatry ny fiompiana trondro dia ahitana ireo karazana fambolena ihany koa ao an-toerana ,miaraka amin’ireo voankazo fihinamboa samihafa izay manome endrika an’ny tanana sy mifameno ihany koa amin’ny asa Fiompiana trondro Nanararaotra nifampizarana tamin’A/toa Minisitra izy ireo amin’ireo teknika rehetra ahafana mampiakatra sy manatsara hatrany ny vokatra . #MPEB #FIOMPIANA_TRONDRO

NOSY FALY , FARITRA DIANA
Fisokafan’ny fanjonona mahaloky

Tamin’ny 5 ora maraina dia Efa nanainga ireo mpanjono handeha hanjono mahaloky izay Marihina fa Anio 01 Aprily no fisokan’izany raha nihidy nandritran’ny 3 volana . Teny an-toerana niara-dalana tamin’izy ireo hatrany ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert #MPEB #JONO_MAHALOKY #NOSYFALY

NOSY FALY , AMBANJA , FARITRA DIANA
VONDRON’NY MPANJONO ATY AMIN’NY TAPANY AVARATRY NY NOSY : VONONA NY HIFANOME TANANA HISIAN’NY FITANTANANA MAHARITRA

Nanantateraka #fifampizarana sy #fifanakalozan_kevitra niarahan’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert tamin’ireo Filohan’ny fikambanan’ny mpanjono miisa 30 aty amin’ny Faritry Diana izay miara-miasa amin’ny #TetikasaReSea izay tantanin’ny #UICN. Hampiofanina izy ireo hisian’ny fahaiza-mitarika eny anivon’ny fiaraha-monina indrindra ny fiaraha-monin’ny mpanjono . Ankoatr’izay Dia anisan’ny nomen’ireo mpanjono fitokisana izy ireo ka Mila mahafehy izany hai-tarika izany indrindra amin’ny Fiarovana ny tontolo an-dranomasina sy ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary anaty ranomasina mba ho Lovain-jafy. Anisan’ny nampatsiahivan’A/toa Minisitra ny Maha zava-dehibe ny fanajana ireo lalàna mifehy ny Jono eto Madagasikara, ny fanajana ny fitaovam-panjonoana rehetra , ny antony ihany koa mampihena ny vokatra ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro, ireo dina isan-karazany hanatsarana ny tontolon’ny fanjonoana, Nisy ihany koa ny fametrahana ireo fanontaniana izay manitikitika azy ireo amin’ny mahakasika ny asan’ny Ministera sy ny andrasan’ny Ministera amin’izy ireo . #MPEB #PROJET_RESEA #UICN #MPANJONO #FARITRA_DIANA #NOSY_FALY.

Baie de Tsimipaika , Nosy Faly ,Faritra DIANA
Toerana Anisan’ny malaza hatramin’izay amin’ny fanjonoana mahaloky

Toerana Anisan’ny malaza hatramin’izay amin’ny fanjonoana mahaloky ity toerana ity, trondro izay anisan’ny tsara tsiro indrindra . Raha tsiahivina,tamin’ny 3 taona lasa dia mahatratra 30 taonina ny vokatra azo , nidina 18 taonina kosa izany tamin’ny 2 taona nohon’ny Fandalovan’ny rivodoza gamane ka ny taona lasa teo dia niakatra 30 taonina indray. Inoana kosa fa ho amin »ity taona ity dia hitombo mihoatra lavitra amin’ izany raha ny vokatra hita nandritra ny fanjonoana teny an-toerana ho an’ny Andro voalohany fanampin’izay ny habehin’ireo trondro. Hirariana fa hihinana finaritra Isika malagasy satria Mbola ho aparitaka amintsika ity mahaloky ity ,Isika ao analamanga,sava , Vakinankaratra sns… Izao no porofo fa ireo mpanjono dia Anisan’ny mampisakafo ara-pahasalamana ho antsika . #MPEB #MAHALOKY #NOSYFALY