Antsarorobe, Kaominina Ambanivohitra Anketrakabe Distrika Antsiranana II, Faritra Diana
Fanaovana dobo miisa 07 no andalam- pahavitana raha folo no tanjona ho tratrarina

Taorian’ny fanentanana sy ny fiofanana dia resy lahatra fa hisehatra amin’ny fiompiana trondro Atoa Ruffin mipetraka ao Anketrakabe. Ka avy hatrany dia niroso amin’ny fanaovana dobo. Miisa 07 ny dobo andalam- pahavitana raha folo no tanjona ho tratrarina. Nidina ifotony ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Diana ny faha 22 Marsa 2025, nijery sy nanome toromarika hanatsarana ny fomba fanorenana sy fiompiana trondro amin’ity toerana ity. Izao no atao mba ho fampiroboroboana ny sehapihariana fiompiana trondro any amin’ny Faritra avaratra, hiteraka asa mahavelona sy hanatsarana ny velonten’izy ireo ary hanafoana ny tsy fanajarian-tsakafo. #MPEB #DRPEB_Diana #Fampamokarana_ny_Atirano

Ambanja, Faritra Diana
Atrikasa famolavolana ny fametrahana DINABE Tsimipaika.

Tontosa ny faha 21 Marsa 2025 tao Ambanja ny atrikasa nandrafetana ny Dinabe Tsimipaika taorian’ny fanadihadihana fidinana ifotony tao amin’ny Helodrano Tsimipaika. Ho fampaharetana ny harena an-dranomasina ho lovain-jafy dia tapaka fa nandrafetana Dina ka izay toerana tsy Mbola misy famindrampitantana TGRH sy TGRN ka DINABE TSIMIPAIKA no hampiharina. Ho hentitra ny rehetra amin’ny fampiharana ny lalàna napetraka. Tonga nanatrika ny fivoriana ireo avy amin’ny DREED, #DRPEB_Diana, #CSP, #CirPEB, ny Ben’ny Tanàna voakasika sy Sefo Fokontany. Teo ihany koa ny Fikambanana mpanjono, ny VOI, ny fiaramonim-pirenena. Tsy adino ny ray aman-dreny ara-drazana, ny Mpanjaka ny Ambanja Tsiaraso IV sy Mpanjaka Nosy Be, izay samy mandala ny ny fomba netim-paharazana amin’ny fiarovana ny harena voajanahary. Nararaotina tamin’io atrikasa io ny fampahafantarana ny lalàna sy ny andraikitry ny tsirairay, ny hitantanana ireo harena amorontsiraka sy andranomasina izay sarota fehezina noho ny jono tsy ara-dalàna, ny fampiasana fitaovana tsy manara-penitra, ny tsy fanajana ny fotoana fikatonan’ny jono, ny fifindramonina tsy voafehy,sns. Isaorana ny ONG #Blue_Ventures, angady sy vy nahitana an’izao atrikasa izao. #MPEB

Antananarivo, Faritra Analamanga
Fivorian’ireo Minisitra eo anivon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana mahakasika ny fiahiana ara-tsakafo sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Nandritra ny telo andro no nanatanterahana ny Fikaonan-dohan’ireo Komity mpandrindra ny fivorian’ny Filankevitry ny Minisitra iraisan’ireo Firenena eo anivon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana izay nifantoka tamin’ny famolavolana ireo paikady iraisan’ireo Firenena eo anivon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana amin’ny hampajariana ny fiahiana ara-tsakafo. Izany fikaonan-doha izany ihany koa dia nahafan’ireo Ministra miandraikitra ny sehatry ny Fambolena , ny fiompiana , ny Jono ary ny fanjariana ara-tsakafo niresaka sy nifanakalo hevitra amin’ny hametrahana ny fanamby sy ny paikady hahafahana manatratra ny tanjona amin’ny fahavitantena ara-tsakafo. Androany 21 Martsa 2025 no namaranana izany tamin’ny alalan’ny fivorian’ireo Minisitra eo anivon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana, anisan’ny nanotrona izany moa Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert. Nanohana tamin’ny fanatanterahana izao fihaonana izao ny avy amin’ny FAO, Vondrona Eropeanina ary ny AFD. #MPEB # FAO #UE #COI #AFD #PRESAN #Fahavitantena_ara_tsakafo #fiantohana_ara_tsakafo

TOLAGNARO, FARITRA ANÔSY
FANAMAFISANA NY FAHALALAN’IREO MPANJONO MAHAKASIKA NY « SYSTÈME D’ALERTE PRÉCOCE » SY NY ANDRAIKITRA MANANDRIFY IREO TOMPON’ANDRAIKITRA ENY IFOTONY

Rehefa misy ny andro ratsy dia ireo mpanjono Madinika no tena lasibatraba Voalohany amin’ny loza an-dranomasina. Raha eto amin’ny Distrikan’ny Faradofay dia manodidina ny iray alina izy ireo no misehatra amin’izany ato amin’ny Faritra. Dimy ny rivodoza nisesy Teto Madagasikara hatreto ka ny roa tamin’ireo no tena nahery vaika izay anisan’ny namely ny Faritra Androy sy Anôsy ka zava-dehibe ho azy ireo arak’izany ny fanamafisana ny fampahafantarana mahakasika ny fampahalalana ny mety ho toetry ny andro sy ny toetry ny ranomasina mialoha hisorohana ny loza Ary koa tsy hahatompotrano mihono azy ireo . Eo ihany koa ny Fanatsarana ny fifandraisana mivantana amin’ireo Tompon’andraikitra izay mampita ny vaovao any amin’izy ireo. Tsy fantatra izay hitranga rahampitso ka aleo misoroka mialoha hoy A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert mila fantatra ny anjara asantsika rehetra ary Iza no hiaraha-miasa Ary amin’ny fotoana toy ny ahoana Raha ny nambarany hatrany. Notanterahina Anio 20 Martsa 2025 ny atrikasa nampahafatarina izany ka nanatrika tao avokoa ireo hery velona rehetra misehatra amin’izany . Ny atrikasa izay tohanan’ny tetikasa MIONJO izay miasa aty amin’ny Faritra Anôsy . #MPEB #SAP #TETIKASA_MIONJO #AQUATICSERVICE #TOLAGNARO #FARITRA_ANOSY.

Akoradava, Faritra Anôsy
Nidina ifotony ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Ihorombe nijery akaiky ny fahavitan’ny dobon-trondro namboarin’ny tantsaha

Nidina ifotony ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Ihorombe ny faha 19 Marsa 2025, tao Akoradava, Fokontany Andriandampy, Kaominina Ambanivohitra Andriandampy, Distrikan’i Betroka, Faritra Anôsy. Nijery akaiky ny fahavitan’ny dobon-trondro namboarin’ny tantsaha iray tapa-kevitra hisehatra amin’ny fiompiana trondro taorian’ny fiofanana izay nampanaovin’ny #DRPEB_Ihorombe tao Andriandampy tamin’ny faha 16 Novambra 2024 lasa teo. Nomena toromarika mikasika ny fiompiana trondro an-tanimbary na « rizipisciculture » sy ny fitantanana ny rano ary ny sakafon-trondro ity mpiompy ity. Nisy ihany koa fandrotsahana zanatrondro tilapia miisa 1200 izay narotsaka tao amin’ny dobo mirefy 312m2 (39m x 8m), vokatry ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny #DRPEB sy ny #MPEB ary ny mpiompy trondro ao amin’ny Faritra Ihorombe. #Fampamokarana_ny_Atirano

Besorohitra Fianarantsoa, Faritra Matsiatra Ambony
Fivoriana niarahana tamin’ireo mpivarotra trondro an-dranomamy sy an-dranomasina anaty trano na « Poissonnerie ».

Toy ny fanao isan-taona dia tontosa ny faha 19 Marsa 2025 ny fivoriana niarahana tamin’ireo mpivarotra trondro an-dranomamy sy an-dranomasina anaty trano na  » Poissonnerie » rehetra ato anatin’ny Distrikan’ny Fianarantsoa l. Natao izao mba handrindrana ny asa eo amin’izy ireo indrindra ny fahazoana ny antotan’isa aram-potoana. Nijerena vahaolana miaraka amin’ny olana sedrain’izy ireo. Nisy ny fanentanana alohan’ny fandraisana andraikitra entitra ho an’ireo izay mandika ny lalàna. #MPEB #DRPEB_Matsiatra_Ambony

MAROALOMAINTY, AMBOVOMBE ANDROY
FIDINANA IFOTONY NIARAHANA TAMIN’NY TETIKASA MIONJO

Nanantateraka fidinana ifotony ho fitsirihana ireo asa fampandrosoana ny seham-pihariana Jono ny Teto anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga izay notarihin’A toa Minisitra MAHATANTE Paubert niaraka tamin’ny mpandrindra nasionalin’ny Tetikasa MIONJO sy ny delegasionina miaraka aminy Ary ny solontena avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena izay mamatsy vola ny Tetikasa. Ho fampiroboroana ny Jono ao an-toerana dia nisy ny fisitrahan’ireo mpanjono ny Tracteur 4×4 (BELARUS) misy « remorque isotherme » lehibe entina eny amin’ny sisin- dranomasina ao an-toerana ahafahana mampiditra ireo vokatra izay manaraka ny fenitra tsara amin’ny fitehirizana ireo vokatra mandritra ny fitanterana azy, izy ity izay manamora ihany koa ny fakana ny vokatra manomboka eny amin’ny fakana azy mandram- pahatonga any amin’ny toeram-pivarotana izany. Mahatsiaro afa-pahasahiranana izy ireo Raha Nolanjaina sy nandehanana tongotra izany Teo aloha . Efa eny an-toerana ihany koa ny Fanampiana ireo fikambanan’ny mpanjono miisa 12 izay nisitraka « fumoir » miisa 11 ,Marihina fa Efa miasa avokoa ireo fitaovana ireo ankehitriny. Ankoatr’izay Dia Efa Nisy ihany koa ireo fampitaovana maro entina hampiasa’izy ireo amin’ny fiainana an-davanandro eny an-dranomasina Nandritra ny fitsidihana dia ho Nisy ny fijerena ny toerana izay hametrahana ny « chambre froide » ho azy ireo izay ahafahana mitahiry ireo vokatra rehetra tsy ho simba Ho fisorohana ny loza an-dranomasina hatrany dia nohamafisin’A/toa Minisitra ny fampahafantarana misimisy kokoa ny mahakasika « Système D’alerte Précoce » izay fiaraha miasa amin’ny orinasa MITAO FORECAST. Mitohy arak’izany ny fanohanana ireo mpanjono izay tohanan’ny Tetikasa entina hanovàna ny farim-piainan’izy ireo ho amin’ny tsratsara Kokoa #MPEB #TETIKASA_MIONJO #BANQUE_MONDIALE #MPANJONO #AMBOVOMBE #FANJONIANA

AMBOVOMBE , ANDROY
VONJY RANO VAKY HO AN’IREO TRABOINA 2000 MAHERY

Kojakoja ao an-tokatrano , sakafo ,akanjo mafana ,sns no natolotra ho an’ireo traboina izay mitoby eny amin’ny Sacré Cœur Ambovombe amin’izao andiany Voalohany izao. alohan’ny hodian’izy ireo amin’ny tokatranony tsirairay avy. Herinandro mahery Teo no nitazomana azy ireo Teto ho fitsinjovana ny ain’izy ireo nandritra ny Fandalovan’ny rivodoza farany Teo. Teny an-toerana ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert no Sady mpiahy ny Faritra Androy nisolotena ny fitondram-panjakana izay tarihin’A toa Filoham-pirenena Andry Rajoelina notron’ireo sampan -draharaham-panjakana eny ifotony . Santatra ambavarano ity hoy ny Minisitra fa Mbola ho avy ny fanampiana hafa ,anisan’izany ny Vary ho zaraina amin’izy ireo sy amin’ny toerana hafa. Hisaorana ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka rehetra Mifanome tanana tamin’ny fikarakarana ireo traboina nandritra izay dimy Andro izay. #VONJYRANOVAKY #AMBOBOMBE

FIAROVANA NY AIN’IREO MPANJONO
NOHAMAFISINA NY FAHALALANA MAHAKASIKA NY « SYSTÈME D’ALERTE PRÉCOCE » SAP.

Ny mpanjono no marefo Voalohany refaha misy ny Fandalovan’ny Andro Ratsy toy izao, very eo amin’ny 2 herinandro na iray volana mihitsy ireo mpanjono satria mijanona an-tanety avokoa hisorohana ny loza an-dranomasina. Anisan’ny asa sarotra ny asa fanjonoana ary mihatra aman’aina raha nambaran’A toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert . Izany indrindra no nanaovana ny atrikasa entina hanamafisana ny fahalalana rehetra mahakasika ny fiarovana ny ain’izy ireo amin’ny alalan’ny fampahafantarana mialoha ny mety ho toetry ny andro na ny « Système d’alerte précoce »niarahana tamin’izy ireo sy ireo sampan -draharaham-panjakana voakasika eny ifotony sy ireo mpiara-miombon’antoka , hampahalalana bebe kokoa ireo an-totambaovao sns… Ny tetikasa MIONJO kosa no manohana izao atrikasa atao izao ,Tetikasa Anisan’ny miasa ho an’ny sehatry ny Jono aty amin’ny Faritra #MPEB #MIONJO #SAP #AMBOVOMBE #ANDROY.

Ambodihady, Ambohimanarina
Voamarina fa tafiditra ao anatin’ny fianakaviamben’ny karaza-trondro atao hoe gogo ilay hita teny an-toerana.

Azo ompiana tsara ny karazan-trondro gogo, na poisson chat na catfish toy ny hita amin’ireo Firenen-dehibe maro manerantany fa atao ao anatin’ny fanarahan-dalàna  » hoy ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Andriamatoa MAHATANTE Paubert. Voamarina fa ao anatin’ny fianakaviamben’ireo trondro ireo ilay karazan-trondro hita tetsy Ambodihady Ambohimanarina ny herinandro lasa teo. Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny ekipan’ny MPEB, ny MEDD, ary ny tetikasa AMPIANA ny faha 17 martsa 2025 teo. Nandritra izany no nitafàna mivantana tamin’ireo mpanarato, ny mpanihika, ny mpiompy trondro ary ny avy ao amin’ny Fokontany. Nohazavaina tao anatin’izany fa azo hoanina tsara io karaza-trondro io. Natao izany mba hanalàna ny ahiahin’ny maro satria tsy dia mahazatra ny olona loatra ny manjifa azy. Nankasitraka ireo tompon’andraikitry ny ministera tonga teny an-toerana ireo fokonolona eny an-toerana noho ny fampahafantarana sy fanazavana nentin’izy ireo. Nambara ry zareo eny ifotony izay notarin-dRamatoa lehiben’ny fokontany fa vonona ny hifanome tànana, hitrandrahana ny lafin’ny mahasoa, sy hiarovana ny mety ho lafy ratsy eo amin’ity sehatra ity. ‎Ireo ekipa marolafy kosa dia manohy hatrany ny fanaraha-maso, mizara ireo torohevitra mahasoa, ary miara-miasa hatrany amin’ny mpikaroka ao anatin’izany rehetra izany mba hafahana mifehy an’izany ara-tekinika ary hamadika azy ho tombon-tsoa azo trandrahina. Nitarika ireo ekipa marolafy ireo, Atoa TILAHY Désiré, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. MPEB# MEDD# Tetikasa_AMPIANA # Fidinana_ifotony # Poisson_chat