Hôtel Azura, Tolagnaro, Faritra AnôsyFamoahana ireo mpampiofana momba ny “Outil GERME”, niarahana tamin’ny OIT
Notanterahana ny 24 Mey 2024 teo, tao amin’ny Hotel Azura, Tolagnaro ny lanonana namoahana ireo mpampiofana miisa 17 mianadahy vao avy nofanina mahakasika ny “Outil GERME”, niarahana tamin’ny OIT (Organisation Internationale du Travail) na ny Fikambanana Iraisam-pirenena misahana ny Asa. Izao no tanteraka dia nohon’ny ezaka avy amin’ny Tetikasa « Ecolangouste Sud » sy ny « Pro Agro Youth » avy ao amin’ny OIT. Ny “Outil GERME” izay halavaina amin’ny hoe “Gérer au Mieux Votre Entreprise” dia fitaovana iray hahafahana mampahomby amin’ny fitantanana orinasa anankiray. Nofanina araka izany izy 17 mianadahy ireto izay avy amin’ny faritra maro manerana ny nosy mba ho tonga mpampiofana matihanina mahakasika ity “Outil GERME” ity ary hampita izany amin’ireo tanora eny anivon’ny Faritra misy azy avy ao aorian’izao. Anisan’ny zava-kendrena amin’izao hetsika izao ny mba hampiroboroboana ny asa mahavelona sy ny eo amin’ny fomba fitantanana orinasa ho an’ny tanora sy ho an’ireo izay manana vina sy tetikasa hanangana orinasal mahavelona. Tao aorian’ny fampiofanana dia nozarana “Certificat” ireo mpandray anjara ho fanamarinana ny fanatrehan’izy ireo izany fiofanana izany. Tonga nanome voninahitra ity lanonana ity moa Atoa Tale Jeneralin’ny Toekarena Manga, ny solontenan’ny Faritra Anôsy sy ireo olo-manankaja maro tao an-toerana ary ny solontena avy ao amin’ny OIT.
Fkt Cité Ouvrière, Kaomina Ambonivohitra Antsiranana, Faritra DIANAFanolorana ny Birao vaovaon’ny DRPEB DIANA sy ny PISPPA Antsiranana/ASH
Fotodrafitrasa lehibe vaovao miisa 02 no natolotr’Atoa Filoham-pirenena Andry RAJOELINA hoan’ny ratsa-mangaikan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ao amin’ny Faritra DIANA androany 24 Mey 2024 tao Antsiranana vokatrin’ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana Malagasy. Voalohany amin’izany ny Birao sady toeram-ponenanan’ny Fitaleovam-paritrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga vaovao ao amin’ny Fkt Cité Ouvrière ahitana rihana 02, misy efitrano 16 : Birao fiasana 05, Efitrano fiandrasana 02, Efitrano fitehirizana 03, Efitrano fivoriana 02, Efitrano fatoriana 03 ary Efitrano fihinana miampy lakozia 01. Ny faharoa kosa dia ny Birao sady toeram-ponenanan’ny PISPPA Antsiranana, ratsa-mangaikan’ny ASH (Autorité Sanitaire Halieutique) vaovao ao amin’ny Fkt Cité Ouvrière ihany ahitana rihana 01, misy efitrano 13 : Birao fiasana 02, Efitrano fivoriana 01, Efitrano fikirakirana ara-teknika 01, Efitrano fiandrasana 01, Efitrano fitehirizana 01, Toerana fipetrahan’ny fiara 01, Efitrano fatoriana 03, Efitrano fandraisam-bahiny 01, Efitrano fihinana 01 ary Lakozia 01. Izao no natao dia mba hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny asam-panjakana, tamberin’andraikitra hoan’ny vahoaka eny ifotony ary hahafahana manakaiky kokoa azy ireo. Marihana fa ity Birao vaovaon’ny DRPEB DIANA ity dia anisan’ireo fotodrafitrasa lehibe miisa 23 naorin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ary faharoa kosa raha hoan’ny Faritra DIANA tao aorian’ny biraon’ny CirPEB Ambanja. Tonga nanome voninahitra sy nisolotena an’Atoa Ministra izay namita iraka any ivelany ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, notronin’ireo tompon’andraikitra avy any Antananarivo sy ny tao an-toerana ary indrindra ireo Fikambanan’ny mpanjono miisa 10 manodidina ny Renivohitr’Antsiranana izay anisan’ny hahazo tombotsoa amin’izao Fotodrafitrasa izao.
Tolagnaro, Faritra Anôsy Fitokanana ny “Station marégraphique”
Notanterahana ny faha 23 Mey 2024 teo ny fitokanana ny « Station marégraphique » tao Tolagnaro, Faritra Anôsy, fotodrafitrasa natao handrefesana ireo atontam-baovao ara-tsiantifika maro isan-karazany mahakasika ny ranomasina sy ny manodidina azy . Tonga nanome voninahitra izany Atoa Sekretera Jeneralin’ny Faritra Anôsy, nisolotena and-Rtoa Governora, ny Lehiben’ny Fitaleovana Tolagnaro, ny Talen’ny Ivotoeram-pampianarana Ambony na ny IES Anôsy, ny Tale Jeneralin’ny Toekarena Manga, notronon’ireo Talem-paritra sy Olo-manankaja maro avy ao an-toerana. Zava-dehibe ity toby vao naorina ity satria dia natao hanangonana ireo atontam-baovao ara-tsiantifika isan-karazany izay hanampy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra toy ny eo amin’ny lafiny fiarovana ny morontsiraka, ny momba ny fiakaran’ny ranomasina, ny fitaterana an-dranomasina, ny mahakasika ny jono sy ny fialam-boly an-dranomasina, ny fisorohana ny mety ho fisian’ny tondra-drano ary ireo maro hafa. Minisitera telo no niara-nisalahy nahafahana nanatontosa ny fametrahana izao fotodrafitrasa izao dia ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES), ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro ary ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB) sy ireo mpiara-miombon’antoka maro fa indrindra ny Ivotoerana Voalohany ho an’ny Ranomasina (First Institute of Oceanography na FIO) izay ratsa-mangaikan’ny Minisitera Sinoa misahana ny Harena Voajanahary izay angady nananana sy vy nahitana izao hetsika izao. Natao hoan’ny rehetra ny angom-baovao azo avy ao amin’io « Station marégraphique » io ary azon’ny daholobe hampiasana fa indrindra ho amin’ny asa fikarohana. Mbola i Toliara sy Tolagnaro ihany no manana ity fotodrafitrasa ity saingy ao aoriana kely dia hitatra any amin’ny toerana hafa ny fametrahana ny “Station marégraphique » toy ny any Nosy Be, Toamasina, Morondava ary Vangaindrano.
Antaninarenina, Antananarivo, Faritra Analamanga Fivorian’ireo mpitantana ny « Aires marines protégées »aty amin’ny Ranomasimbe Indianina Andrefana
Nifarana androany rehefa notontosana nandritran’ny telo andro teto Madagasikara ny Fivorian’ireo mpitantana ny « Aires marines protégées » aty amin’ny Ranomasimbe Indianina Andrefana. Miisa 21 mianadahy izy ireo no nandray anjara tamin’izany fivoriana izany, nahitana ny avy any Tanzania, Afrika Atsimo, Kenia, Seychelles, Kaomaoro, Mozambika ary Madagasikara. Tanjona tamin’izany fivoriana izany moa ny nijerena ny hanatsarana ireo « Aires marines protégées » ireo izay ao anatin’ny lisitra maintson’ny IUCN, nojerena ihany koa ny mety hanampiana ireo mpitantana eo amin’ny lafiny atontan-kevitra, ara-bola sy amin’ny fitantanana. Ho antsika eto Madagasikara manokana dia miisa 15 ireo « Aires marines protégées » tafiditra ao anatin’io lisitra maintso io. Tonga namarana izany tamin’ny fomba ofisialy Atoa Ministran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Paubert, notronin’Atoa Tale Jeneralin’ny Toekarena Manga eo anivon’ny Ministera.
Ivandry, Antananarivo, Faritra Analamanga Fanaingana ny tetikasa telo vaovaon’ny USAID
Notanterahina anio 16 Mey 2024 teny Ivandry, Antananarivo, ny fanaingana ireo tetikasa telo vaovaon’ny USAID dia ny Tetikasa ny HARENA (Projet de conservation terrestre), Tetikasa RIAKE (Projet de conservation marine et côtière) ary ny Tetikasa MIZANA (Projet de gouvernance environnementale). Ireto tetikasa vaovao nosokafan’ny USAID ireto dia famatsiam-bola mitetina 41 Tapitrisa Dolara ho an’ny fiarovana sy ny fitantanana ny tontolo iainana eto Madagasikara mandritra ny dimy taona manaraka. Amin’ireo tetikasa vaovao ireo dia ny RIAKE no tafiditra amin’ny fampiroboroboana ny Jono sy ny Toekarena Manga izay mifantoka amin’ny fanatsarana sy ny fitantanana maharitra ireo harena an-dranomasina sy ny fanatsarana ny velotenan’ireo mpanjono madinika any ifotony. Faritra hiasan’ny tetikasa moa ny Faritra Atsimo Andrefana, Menabe, DIANA ary ny helo-dranon’ny Antongil. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ity lanonana ity Atoa Ministran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Paubert, niaraka tamin’Atoa Ministrin’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy ary Rtoa Masoivohon’i Firenena Amerikanina monina sy miasa eto Madagasikara.
MPEB Ampandrianomby, Antananarivo Fitsidihan-Rtoa SEM PARK Jihyun, Masoivohon’i Korea Atsimo (Corée du Sud)
Fitsidihana fanintelony an’Atoa Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert androany 13 Mey 2024, ny fitsidihan-Rtoa SEM PARK Jihyun, Masoivohon’i Korea Atsimo (Corée du Sud) tao amin’ny Biraony tao Ampandrianomby, Antananarivo. Niompana indrindra tamin’ny lafiny Toekarena Manga ny votoatin-dresaka satria Korea Atsimo dia voadidina ranomasina ihany koa. Noresahana tamin’izany ny fomba hananantsika indostria na ozinina mpanamboatra ireny karazam-panjonoana ireny toy ny harato, « palangre » sy ireo fitaovana rehetra ilaina amin’ny fanjonoana. Voaresaka tao ihany koa fa mitady mpiasa izy ireo mahakasika ny fiasana an-dranomasina. Teo ihany koa ny mahakasika ny fambolena lomotra (Algoculture) izay anisan’ny hafantarana azy ireo sy ananan’izy ireo traikefa. Ary farany ny « Coopération bilatérale » hafahantsika mandefa entana mankany Korea Atsimo satria izy ireo ihany koa dia mihinana trondro sy vokatra an-dranomasina isanandro. Afa-po tanteraka Atoa Ministra tamin’ny fifampiresahana ary manantena fa hody vetiny tsy hoela izao fihaonana izao.
Ampandrianomby, Antananarivo Faritra Analamanga Fihaonana tamin’ny Ambasadaoro Robert Scott avy amin’ny Departemantam-panjakana Amerika
Noraisin’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert teny amin’ny birao fiasany teny Ampandrianomby Antananarivo anio 13 Mey 2024 ny Ambasadaoro Robert Scott avy amin’ny Departemantam-panjakana Amerika, izay Lefitry ny Komandy Misahana ny Fiaraha-miasa Sivily sy Miaramila miaraka amin’ireo delegasionina izay notarihiny. Noresahina mandritra ny fihaonana ny fanamafisana ny ady amin’ny Jono tsy manara-dalàna, tsy voafanam-bara ary tsy voafehin-dalana. Eo ihany koa ny amin’ny tokony hananatsika « vision régionale » ato amin’ny fari-dranomasina misy antsika iarahana amin’ireo Firenena manodidina sy ny fiaraha-miasa mahakasika izany mba ho ranomasina afaka hamelona vahoaka. Tsy adinon’Atoa Minisitra moa no nitondra teny fisaorana ho an-dry zareo Amerikanina amin’izao fandalovany eto amintsika izao, fanintelony amin’ity taona ity tokoa mantsy izy ireo no nandalo tato amin’ny Ministera, midika izany fa misy zavatra mandeha ato amintsika ary isika koa tsy afaka ny hiteny hoe mahavita tena samirery fa tsy maintsy mitady hatrany ny tohana avy amin’izy ireo eo amin’ny traikefa hananany.
MPEB Ampandrianomby, Antananarivo Fitsidihan’Atoa Dr Zbigniew Kasprzyk, Masoivohon’i Pologne
Tonga nitsidika an’Atoa Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, tao amin’ny birao fiasany tao Ampandrianomby, Antananarivo, androany 13 Mey 2024, ny Masoivohon’i Pologne, Atoa Dr Zbigniew Kasprzyk, sady mpikaroka no mpampianatra ihany koa, miara-miasa amin’ny IHSM sy ny MPEB ankehitriny. Ny resaka jono sy ny famokarana anaty rano no tena nahafantarana azy, anisan’ireo mpikaroka niara-niasa tamintsika tamin’ny fametrahana ny Fiompiana « Truite » tao Manjakatompo hatramin’ny taona 2010-2011. Ankehitriny dia mieritreritra ny hamerina io fiompiana « Truite » io isika noho ity farany izay anisan’ny vokatra lafo vidy sy betsaka mpitady ary mifanaraka amin’ny fizahantany ka ry zareo « Polonais » no manana traikefa amin’izany. Eo ihany koa ny tombatombana ny tahiry an-dranomasina izay ananan’izy ireo ihany koa ny traikefa mahakasika izany. Noresahana nandritra ny fotoana ny fomba hanatanterahana ny fanjarian-tsakafo any Atsimo mba haleo tena ara-tsakafo sy hizaka tena amin’ny asa rehetra izay ataony ny olona satria ny tenany dia efa mpandeha matetika any. Nisaotra an’Atoa Dr Zbigniew Kasprzyk, Masoivohon’i Pologne, Atoa Ministra noho izao fitsidihany izao ary mbola hisy ny fidinana ifotony hiarahana any Manjakatompo ao aoriana, hamerenana haingana ity fiompiana « Truite » ity, sady efa vonona ny hanome atody « fécondé » sy hanampy ihany koa izy ireo.
Toby miaramila Antanimeva , Faritra Atsimo andrefana Fiompiana trondro : Sady asa no fialamboly
Ankoatry ny sehatr’asa izay ataon’ireo ao amin’ny toby miaramila Dia Vonona ny hiditra amin’ny asa fiompiana trondro ihany koa izy ireo. Ahitana dobo trondro miisa 16 ao ity toerana ity izay afaka mamokatra trondro indroa isan-taona Rehefa vita ny fanajariana Sy ny fanadiovana rehetra, mamokatra trondro manodidina ny 12t ka hatrany amin’ny 25 taonina ihany koa ny vokatra hivoaka ao an-toerana. Mety tsara ny hiompiana trondro ao an-toerana noho izy ahitana loharano tsy mety ritra no ahafahana ihany koa mamboly tsako isan-karazany hatao sakafon-trondro. Izany rehetra izany no atao Dia ahafahana hatrany miady amin’ny tsy fanjariantsakafo. Afaka manome asa mivantana ihany koa ho an’ireo tanora amam-behivavy ao an-toerana . Nitsidika izany A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert ny 9 mai 2024 izay nanome ny toromarika rehetra ahafahana mamelona ireo Dobo ireo.
Betsinefo , Fkt Antateza ,kaominina Milenaky , Toliara II, Faritra Atsimo andrefana Azo hiompiana trondro avokoa izay toerana ahitana loharano sy tohodrano rehetra
Mitombo hatrany ireo olona Liana amin’ity seham-pihariana fiompiana trondro ity , Anisan’izany A/toa Feno Veloson , namorona ny fikambanana fenomaintso izay manana toerana Mirefy 19ha Ankehitriny Ary tiany ho avadika dobo fiompiana trondro . Marihina fa Efa manana dobo trondro ny tenany fa tiany hampiroboroboana hatrany izany amin’ny alalan’ny fanampiana dobo amin’io velaran-tany Io. Efa nisy ihany koa ny fampiofanana nataony teny an-toerana ho an’ireo izay Liana amin’izany. Tafiditra anatin’ny vinan’ny Ministeran’ ny Jono sy ny Toekarena manga ihany koa ny Hametrahana dobo fiompiana trondro amin’ny Toerana misy tohadrano Sy loharano eto Madagasikara . Nijery ny toerana hametrahana izany A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert izay toerana ahitana loharano tsy mety ritra. Nomen’A/toa Minisitra avokoa ireo Tombotsoa azo avy amin’ny fiompiana trondro miaraka amin’ny toro-marika ara-teknika rehetra ahafahana mamboatra ireo Dobo -trondro izay ho apetraka ao an-toerana