Ambositra, Faritra Amoron’i Mania
Tsenabe « TANTSAHA MIAVOTRA »

Notanterahina ny faha 16 Jona 2025 tao amin’ny kaominina Tsarasaotra Distrika Ambositra, Faritra Amoron’i Mania ny tsenabe « TANTSAHA MIAVOTRA » izay nokarakarain’ny Vovonan’ny Mpiompy Trondro sy ny Tranoben’ny Tantsaha Kaominaly, Tsenabe izay nahitana ireo vokatry ny seham-pihariana rehetra amin’ny fambolena sy fiompiana ary indrindra ireo trondro matavy. Tantsaha efa mivondrona ao anatina fikambanana avokoa ireo nandray anjara. Nahitana trano heva miisa 12, izay avy amin’ny Fokontany eo anivon’ny kaominina. Nandray anjara tamin’izany ny #DRPEB_Amoron_i_Mania niaraka tamin’ny #APDRA, ny Vovonan’ny mpiompy trondro Rejionaly #VMR, ny Vovonan’ny mpiompy trondro kaominaly #VMK Tsarasaotra ary ireo mpianatra avy ao amin’ny « College Agricol » avy ao amin’ny #FERT_FIFATA. Fahombiazana tanteraka ity tsenabe ity ho an’ny seha-pihariana fiompiana trondro. #MPEB

Farihy Anony, Kaominina Tanandava, Distrikan’Amboasary Atsimo Faritra Anôsy
Fanamarihana ny Andro Manerantany ho an’ny Ranomasimbe taona 2025 na ny Journée Mondiale de l’Océan (JMO)

Notanterahina ny 15 Jona 2025 tao amin’ny Fariny Anony ny fankalazana ny JMO ao amin’ny Faritra Anosy. Hetsika maro no notanterahina nandritra ity fankalazana ity ka isan’izany ny famelabelarana ny mahazavadehibe ny Ranomasina, narahana fanentanana ho amin’ny fiarovana azy, fifaninanana hazakazana an-dakana, fifaninana lomano amin’ny alalan’ny fisamboarana ganagana, fanandraman-tsiro ilay trondro malaza atao hoe « angera » na Pristipoma operculare izay mampiavana ity Lac Anony ity noho izy tsy fahita amin’ny toerana hafa ary nofaranana tamin’ny fitsidihana ny torapasika “Dobay” eo amin’ny Vinany Lac Anosy izay anisan’ny kanto dia kanto tokoa. Nifanindran-dalana tamin’ny fanatanerahana ny « Festival Caméléon » izay notanterahina nandritra telo andro aty amin’ny Distrikan’ny Amboasary Atsimo ny fankalazana. Tonga niara-nanamarika sy nanome voninahitra ity fotoana ity ny Solombavam-bahoaka mirahalahy izay voafidy tato amin’ny Distrikan’ny Amboasary Atsimo, Atoa RAKOTONIRINA Richard Joseph sy ANDRIAMAMONJY Olivier, ny Governoran’ny Faritra Anosy, Rtoa RAKOTOVELOMANANTSOA Voahary, ny Tale Jeneraly misahana ny tontolo iainana #MEDD, ny Talem-paritra rehetra izay nahitana ihany koa ny #DRPEB_Androy, ny mpiaramiombonantoka maro samihafa toy ny Tetikasa #PIC, ny #ONG_Caméléon, ny Yas Madagascar, ireo fikambanana tanora, ny fikambanan’ny mpanjono sy ny Olobe an-tanàna. Afapo ny rehetra ary mampita ny fisaorana sy ny fankasitrahana ho an’ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga amin’izao hetsika notanterahina izao. #MPEB

Farihy Andranobe Atsinanana, Fokontany Ambohitsokina, Antsirabe, Faritra Vakinankaratra
« PETITE PECHE RESPONSABLE »

Ho fanohizana hatrany ny ezaka dia notolorana fitaovana manaraka ny fenitra ara-teknika toy ny « Filet » 516 isa, « montage » 860 isa, « plomb » 51,6kg, ireo mpanjono mpikambana ao amin’ny #VOI_TAMIA, miisa 172 ny 14 Jona 2025. Ampahany amin’ireo tohana atolotry ny #tetikasa_TANY_MEVA ho azy ireo izao mba ho fikojakojana hatrany ny Farihy Andranobe Atsinanana sy ireo sahan-driaka manodidina azy ho fiatrehana ny Fiovaovan’ny toetrandro. Nampahatsiahivina fa mandray anjara betsaka amin’ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana « bonne gouvernance » sy ny fanajana ny lalana mifehy ity sehatry ny Jono ity ny VOI TAMIA ka midera sy matoky azy ireo ny Ministeran’ny Jono sy Toekarena Manga. Ankasitrahana hatrany ihany koa ny fanohanan’ireo mpiara-miombon’antoka. #MPEB #DRPEB_Vakinankaratra

Hôtel Tombotsoa Fianarantsoa, Faritra Matsiatra Ambony
Atrikasa iraisam-paritra ho fakan- kevitra momba ny famatsiam- bola iatrehana ny vokadratsin’ny fiovaovan’ny toetrandro

Notanterahina ny faha 13 Jona 2025, ny atrikasa iraisam-paritra ho fakan- kevitra momba ny famatsiam- bola iatrehana ny vokadratsin’ny fiovaovan’ny toetrandro. Samy nanohana ny heviny eo amin’ny sehampihariany avy ny rehetra ka anisan’izany ny FItaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Matsiatra Ambony ny amin’ireo asa laharampahamehana ho fampiroboroboana atrany ny fihariany anaty rano sy ny Toekarena Manga aty amin’ny Faritra manoloana ny fiovan’ny toetrandro. Aorian’izao dia hivoaka ny  » Document Cadre » izay angatahana fankatoavana famatsiambola avy amin’ny FMI. Faritra Atsimo Andrefana, Ihorombe ary Matsiatra Ambony no niaraka nikaondo, ny #MEDD sy ny #MEF nanantanteraka ary ny #UNICEF no namatsy vola. #MPEB

Port Lympia, Nice, France
Fametrahana ny Global Task Force momba ny lomotra na ny algue

I Madagasikara sy Indonezia dia Firenena roa lehibe izay samy manao ny fampivoarana ny fambolena lomotra ho vaindohan-draharaha. 36,4 tapitrisa taonina ny vokatra maneran-tany. 30.000 taonina ny avy ao Madagasikara izay mitetina USD 04 tapitrisa ny vola azo avy amin’izany. Ny tanjona ankehitriny dia ny hampitombo izany ho 300.000 taonina isan-taona. Mpiantsehatra maro no manampy amin’ny fametrahana izany Vovonana maneran-tany izany. Ny Global Seaweed Coalition, ny FAO, ny UNIDO, ny IOC/UNESCO, ny UNCTAD, ireo sehatra tsy miankina maro dia mifandrimbona avokoa amintsika. Mbola olana atrehina hatreto ny resaka kalitaon’ny vokatra izay mbola tsy misy Fenitra mazava tsara arahana, ny resaka fikarohana momba ny fanodinana ny vokatra, ny resaka lalam-barotra tsaratsara kokoa… Nanambara Atoa Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga, Paubert MAHATANTE sy Atoa Minisitry ny Raharaham-bahiny lefitra Indonezianina fa fotoana izao ny hahafahantsika mametraka ity rafitra ity ary vonona ireo Firenena roa ireo hitarika ny rehetra. Nanao fanambarana ireo Firenena hafa toy Frantsa, Cape Vert, Tanzania sns fa hanatevim-boho ity rafitra ity. #Global_Task_Force_Seaweed #UNOC3_Nice_France #MPEB_Madagascar

𝐾𝑎𝑜𝑚𝑖𝑛𝑖𝑛𝑎 𝐴𝑚𝑏𝑜𝑛𝑖𝑣𝑜ℎ𝑖𝑡𝑟𝑎 𝑀𝑜𝑟𝑜𝑛𝑑𝑎𝑣𝑎
𝐅𝐈𝐓𝐒𝐈𝐃𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐀𝐊𝐀𝐋𝐎𝐙𝐀𝐍-𝐊𝐄𝐕𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐈𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐉𝐎𝐍𝐎

Taorian’ny fivorian’ny komity marolafy ho an’ny farim-panjonoana C2 dia nisy avy hatrany ny fitsidihana sy fifanakalozan-kevitra notarihin’A/toa Fitaleavana ny Jono, niaraka tamin’ny solontenan’ny mpanjono vaventy, ny talem-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga voakasika,ny DREDD ary ny solontenan’ny mpanjono avy amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy Melaky ity hetsika ity dia natao hifanakalozan-kevitra sy hakana ny hetahetan’ny mpanjono ary hanaovana fanentanana samy hafa. Toerana telo ao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Morondava no nanaovana ny fitsidihana, dia ny Fkt Sans Fil, ny Fkt Nosy Kely ary ny Fkt Betania. Nizotra tsara amin’ny ankapobeny ny fifanakalozan-kevitra. Maro ny sosokevitra sy hetaheta naroson’ny mpanjono, indrindra mikasika ny fanatsarana ny fitaovana entin’izy ireo manjono izay avy amin’ireo orinasa mpanjono vaventy. Nisy ihany koa ny resaka momba ny vadin’asa ho an’ny mpanjono sy ny asa mety ho ataon’ny vadin’izy ireo, mba hahazoana fidiram-bola fanampiny. Ny tanjona lehibe dia ny hisian’ny fiaraha-monina mirindra sy milamina eo amin’ireo mpisehatra rehetra amin’ny sehatry ny jono, na ireo mpanjono vaventy na ireo mpanjono madinika ka arakan’ny tetiandro voafaritra dia hisy ny fampitaovana ho an’ny mpanjono madinika alohan’ity farana’ny taona 2025 ity. Ankoatran’izay dia tsy adino ny fanentanana ireo mpanjono mba hanajan’izy ireo an-tsakany sy an-davany ny lalana mifehy ny jono izay zava-dehibe amin’ny fitantanana ny harena an-dranomasina mba ho lovain-ny taranaka ho avy. Izao fifanakalozan-kevitra izao dia manamafy ny fiaraha-miasa matanjaka eo amin’ny mpanjono, ny orinasa ary ny Minisitera hiantohana ny fahombiazan’ny sehatry ny jono. #MPEB #DRPEB_Atsimo_Andrefana #DRPEB_Menabe #DRPEB_Melaky #DREDD #Refrigepeche_Ouest #SOMAPECHE #Les_Pecheries_de_nossi_be #farim_panjonoana_C2 #KomityMarolafy #Mpanjono #Makamba

Port Olympia, Nice, France
Fifanakalozan-kevitra tamin’ireo Tetikasa NoCaMo sy ny BIODEV30 eo anivon’ ny Ranomasimbe Indianina

Notanterahana tao amin »ny Blue Panda sambon’ny WWF ny fifanakalozan-kevitra tamin’ireo Tetikasa NoCaMo sy ny BIODEV30 eo anivon’ ny Ranomasimbe Indianina. Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny « Comité de l’Ocean Indien » (COI), ny « Nairobi Convention Secretariat », ireo solotena avy amin’ny fitondram-panjakana Tanzanianina, Fijianina, Malagasy, Mozambikianina ary ny Senegalianina, tao ihany koa ireo avy amin’ny mpiara-miombona antoka amin’ny fanantaterahana ny Biodev30 toy ny « CORDIO East Africa », ny avy amin’ny Sehatra tsy miankina (Groupe Refrigepeches Madagascar, SOGEDIPROMA). Mba nahafahana namoaka ny fifandraisana amin’ireo tetikasa roa lehibe ireo dia nisy ny asam-baomiera izay nahitana lohahevitra telo lehibe : 1- Ny fifamatorana misy eo anivon’ny fitantanana ny ranomasina sy ny fitrandrahana maharitra ny jono. 2- Ny fampidirana ny « Biodiversité » ao anatin’ny seham-pihariana rehetra mba ho fampivoarana ny fandraisan’andraikitry ny sehatra tsy miankina amin’ny fanjakana. 3- Ny fijerena ireo fanatsarana ilaina mba ahafahana mamaha ireo famatsiana ara-bola mifandraika amin’ny fahatratrarana ny fanatanterahana ireo fanamby rehetra. Nohon’ny fandraisan’anjara mavitriky ny rehetra dia afaka nifampizara traikefa ny tsirairay ka hita fa samy nizara ireo ezaka tsara efa nisy tamin’ny sehetra rehetra izay nanokatra lalana amin’ny fiaraha- miasa matotra eo anivon’ireo tetikasa roa ireo manerana ny faritra rehetra. Fisaorana mitafotafo no atolotra ho an’ireo mpandray anjara rehetra tamin’ity fihaonana ity ary indrindra ho an’ireo tompon’andraikitra sy mpiara-miasa rehetra tao amin’ny sambo « Blue Panda » nohon’ny fifandraisana nafinaritra. #MPEB #UNOC3 #BIODEV30 #NoCaMo #BluePanda #WWF #COI #NairobiConventionSecretariat #CORDIOEastAfrica

Nice, France
Systèmes alimentaires aquatiques durables et global food security

Notanterahana ny 10 Jona 2025 tao Nice, France, teo ambonin’ny sambo METEOR ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny rafitra ara-tsakafo sy fahanjarian-tsakafo amin’ny alalan’ny hazandrano. Hetsika nokarakarain’ny BMZ (Bundesministerium für wirtschaftliche Zusammenarbeit und Entwicklung) na ny Ministera Alemana misahana ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy fandrosoana ka nahitana ny fandraisan’anjaran’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toenkarena Manga, ny WorldFish, ny BMZ sy ny solontenan’ny CAOPA (Confédération d’organisations professionnelles de la pêche artisanale maritime et continentale d’Afrique) na ny fikambanan’ny mpanjono salatsalany matianina aty Afrika. Nivoitra tamin’izany fa maro ireo ezaka tokony ho atao, indrindra eo amin’ny : Fametrahana jono madinika tsara tantana, Fiadina amin’ny jono tsy voambara sy tsy manara-dàlana, Fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombona antoka rehetra, Fampamokarana ny atirano mamaly ireo filàna eny ifotony, Fijerevana ireo fiatraikany ara-tontolo iainana mba hiarovana ho fandrosoana lovain-jafy no hoavelantsika hoan’ireo taranaka faramandimby. #MPEB_Madagascar #METEOR #Fahanjariantsakafo #Hazandrano #BMZ #WorldFish #CAOPA

𝘒𝘢𝘰𝘮𝘪𝘯𝘪𝘯𝘢 𝘈𝘮𝘣𝘰𝘯𝘪𝘷𝘰𝘩𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘔𝘰𝘳𝘰𝘯𝘥𝘢𝘷𝘢
𝐅𝐈𝐕𝐎𝐑𝐈𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐎𝐌𝐈𝐓𝐘 𝐌𝐀𝐑𝐎𝐋𝐀𝐅𝐘 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐑𝐈𝐌-𝐏𝐀𝐍𝐉𝐎𝐍𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐂2

Ny jono makamba dia anisan’ny sehatra mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny sehatry ny jono eto Madagasikara ary iray amin’ireo loharanon-karena manan-danja ho an’ny mpanjono sy ny toekarena eto an-toerana. Mba hitantanana tsara ity sehatra ity ny Ministeran’ny Jono sy ny Toe-karena Manga dia namaritra farim-panjonoana miisa dimy (5) manerana ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Ho an’ny Farim-panjonoana A dia ao amin’ny Faritra Diana no iasany, ny Farim-panjonoana B kosa dia miasa ao amin’ny Faritra Sofia sy Boeny, ny farim-panjonoana C1 indray dia ao amin’ny Faritra Melaky sy Boeny no iasany, ny Farim-panjonoana C2 miasa ao amin’ny Faritra Melaky, Atsimo Andrefana, Menabe, ary ary ny farim-panjonoana D dia ao amin’ny Faritra Analanjirofo sy Atsinanana. Ireo mpanjono vaventy manjono ao amin’ireo farim-panjonoana voalza ireo dia manana ny bokin’andarikitra mazava izay mamaritra ny tamberin’andraikitra ny amin’ny fanohanana ny mpanjono madinika ao anatin’ireo faritra ireo. Taorian’ny fivorianan’ny komity marolafy ho an’ny farim-panjonoana C1, izay natao tao Morondava, dia nisy ihany koa ny fivorian’ny komity marolafy ho an’ny #farim_panjonoana_C2 izay natao anio 13 Jona 2025 tao amin’ny Kaominina Ambonivohitrta Morondava,Faritra Menabe izay nijerena ny drafitr’ asa voafaritra teo aloha,nanombanana ny fahatanterahan’ireo asa ireo sy ireo asa mbola an-dalam-pahavitana ary ny famolavolana sy fankatoavana ny lahatr’asa vaovao izay atao amin’ny taona ho avy ka tonga nanokatra sy nitarika izany amin’ny fomba ofisialy A/toa RAZAFIMANDIMBY Jean Chrysostophe Tale Jeneralin’ny Jono sy ny fampamokarana ny atirano eto anivon’ny Ministera. Raha ny voarakitr’ity lahatrasa ho amin’ny taona ity dia ao ny mahasika ny fambolena honko izay efa misy velaran-tany nofaritana ho volena, ny fanohanana sy fampitaovana ireo mpanjono madinika , ny fametrahana ny ala arovana izay hiarahana amin’ny DREDD ary fanohanana ny vadin’asa hoan’ireo mpanjono. Tanjona ny hanatsarana hatrany ny fitrandrahana ny makamba sy ny hanajana izay voarakitry ny bokin’andraikitra mba hahazoan’ny rehetra tombontsoa, na ny mpanjono madinika na ny mpandraharaha lehibe ary ny hitantanana ny harena an-dranomasina sy ny fampandrosoana maharitra ho an’ny faritra. #MPEB #DRPEB_Atsimo_Andrefana #DRPEB_Menabe #DRPEB_Melaky #DREDD #Refrigepeche_Ouest #SOMAPECHE #Les_Pecheries_de_nossi_be #farim_panjonoana_C2 #KomityMarolafy #Mpanjono #Makamba

Port Lympia, Nice-France
Andro fahadimy sady farany ho an’ny UNOC3 na Fikaonan-doha fahatelon’ny Firenena Mikambana mikasika ny Ranomasina

Voasa ary nandray anjara feno tamin’ny hetsika manokana nokarakarain’ny “Vondron’ireo Nosy Madinika Andalam-pandrosoana” sy ireo “Fanjakana Nosy” i Madagasikara. Niompana tamin’ny fomba hanamafisana ny fiaraha-miasa hampiroboroboana ny toekarena miompana amin’ny ranomasina na koa hoe ny Toekarena Manga ny adihevitra sy fifanakalozana. Teboka telo no nasongadin’i Madagasikara nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon’ny Sekretera Jeneraly izay nisolo tena ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga: Fanamafisana ny fiaraha-miasa misy ary iraisan’ny rehetra. Fanavaozana ireo fomba fanatanterahana ny paikady enti-miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro. Fanetsehana ny famatsiam-bola maharitra sy mitombina. Firenena sivy no voa-solontena sy nandray anjara ary anisan’izay i Madagasikara. Antenaina araka izany ny hiroboroboan’ny fiaraha-miasa eo amin’ireo nosy manodidina sy ny famatsiam-bola mifanentana amin’izany hampandrosoana ny toekarena miompana amin’ny ranomasina. #MPBEB_Madagascar #UNOC3 #ToekarenaManga #EconomieBleue #UN #FirenenaMikambana