Fkt Atalata Andraikiba, Kaominina Ambonivohitra Antsirabe, Distrikan’Antsirabe I, Faritra Vakinankaratra. Fanadiovana ny Farihin’ Andranobe ho fampandrosoana ny Jono.

Bemiridana izay zava-maniry mitsingevana ka manakana ny fampandrosoana ny sehatry ny jono ao amin’ny faritr’i Vakinankaratra noho ny fitomboany haingana sy ny fandrakofany ny rano. Izany tranga izany dia miteraka fahasahiranana lehibe amin’ny fampiasana ny farihin’ Andranobe no sady manakana ny fidiran’ny hazavana sy ny oksizenina ao anaty rano ka mampihena ny vokatra azo avy amin’ny jono, izay tena zava-dehibe ho an’ny fiainan’ny mponina ao an-toerana. Mba hamahana an’io olana io dia mitohy ny ezaka fanadiovana ny farihy indrindra fa ny Farihin’ Andranobe Atsinanana izay natao ny faha 29 Jolay 2025 teo. Izao no tanteraka dia vokatry ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) Vakinankaratra sy ireo Vondron’Olona Ifotony (VOI) mivondrona ao amin’ny Koperativa FIFIMPAVA. Mba hanamafisana sy hanafainganana ny asa fanadiovana dia nanomboka nanatevin-daharana ihany koa ny ekipa avy ao amin’ny École Nationale des Sous-Officiers d’Active (ENSOA). Manomboka izao dia vata-miaramila zazavao miisa 50 isan’andro no hanampy amin’ny asa fanadiovana mandritra ny dimy andro ary ny tetikasa TANY MEVA kosa no nanome tohana lehibe tamin’ity ezaka ity, ka nahatonga ny fandrosoana haingana sy ny fahombiazan’ny asa. Izao hetsika izao dia anisan’ny ohatra mazava amin’ny fahaizan’ny fiarahamonina sy ny mpandray anjara rehetra miara-miasa ho amin’ny tombontsoa iombonana. #MPEB #DRPEB_Vakinankaratra #VOI_FIFIMPAVA #ENSOA #Tetikasa_TANY_MEVA
Kaominina Tanandava Atsimo sy Sampona, Disitrikan’Amboasary Atsimo,Kaominina andranobory , Distrikan’i Taolagnaro, Faritra Anosy

Fampiofanana mahakasika ny fanodinana ny hazadrano ho azo tehirizina. Tontosa tao amin’ny Fkt Maroloha nandritra ny hateloana ny faha 26 ka hatramin’ny 28 Jolay 2025 teo ny fampiofanana ireo mpanjono sy mpanao kinanga miisa 18 avy amin’ny saha sekoly ao amin’ny Kaominina Tanandava Atsimo sy Sampona distrikan’Amboasary Atsimo sy ireo avy ao amin’ny Kaominina Andranobory Distrikan’i Taolagnaro, Faritra Anosy. Nozaraina tamin’ireo mpiofana ny teknika fanamboarana lakana simba,ny fanatsarana ny fitaovana enti-manjono toy ny mpalangy sy ny harato ZZ narahin’ny fizarana teknika fanodinana ny trondro ho lasa trondro sira,saly ary ny masakemboka.Nisy ihany koa ny fanentanana azy ireo hanaja hatrany ny lalana mifehy ny jono sy ny hisorohana ny loza vokatry ny fihinanana ny hazandranomasina misy poizina amin’ny vanimpotoana tsy azo hihinanana izany na ny « Intoxication par la consomation d’animaux Marins »ICAM. Tanjona ny hamporisihana azy ireo hisehatra amin’ny ara-dalàna sy hanatsarana ny fomba fiasa mba hialana amin’ny fahasimban’ny vokatra sy hanatsarana ny fidiram-bolan’ny isan- tokantrano. Tao aorian’ny fiofanana dia nozaraina mari-pankasitrahana ireo mpiofana mba hamporisihana azy ireo amin’ny asa izay hataony. Angady nanana sy vy nahitana izao fampiofanana izao ny fiarahamiasan’i Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Anosy sy ny tetikasa MIONJO,nyAD2M ary ny FAO. #MPEB #DRPEB #ANOSY #FAO #MIONJO #AD2M #mpanjono #Fanodinana_vokatra.
ZEP Ivakoana, Kaominina Ambanivohitra Marofarihy, Distrika Manakara, Faritra Fitovinagny : fiotazana ampahambokatra voalohany.

Efa-bolana eo izay no nampihodina ny ZEP na « Zone d’Emergence Piscicole » ao Ivakoana, Marofarihy, Manakara. Ankehitriny dia efa Miakatra ny ampaham-bokatra voalohany. Dobo iray mirefy 1 ara mahery kely no nakana trondro hamidy ny 28 Jolay 2025 teo. Araka ny antso nataon’Atoa Armand, izay mpitatana-mpanofa ny ZEP dia nanampy azy amin’ny fanaratovana ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Fitovinagny no sady naka antontanisa ihany koa. Trondro Tilapia sahabo ho 60 kg no niakatra tao, ary manodidina ny 200-500g eo ny hangeza ny trondro iray. Namidy amin’ny vidiny 20.000Ar isan-kilao ny trondro ka lany avokoa izany. Velombolo tanteraka ny mpitatana ity ankehitriny noho izao vokatra azo izao. #MPEB #DRPEB_Fitovinagny #ZEP_Ivakoana
Distrikan’i Jiangsu – Province Wuxi, Repoblika entim-bahoaka ny Chine : Fikaonan-doha ho fampiroboroboana ny sehatry ny fihariana anaty rano ho an’ireo firenena Afrikanina miteny frantsay na « Séminaire sur la promotion de l’Aquaculture pour les Pays Africains Francophones »

Notanterahina ny faha 11 ka hatramin’ny 31 jolay 2025 teo ny « Séminaire sur la promotion de l’Aquaculture pour les Pays Africains Francophones ».Nandefa solontena efatra (04) ary nandray anjara tamin’izany ny Firenena Malagasy taminy alalan’ ny Ministeran’ ny Jono sy ny Toekarena Manga, raha dimy ny firenena niatrika izany dia i Bénin, République Centre Afrique, Congo ary i Gabon. 🔸Ny ivotoeram-pikarohana anisany goavana ao Chine, miompana manokana eo amin’ny tontolo anaty rano, dia ny FFRC (Freshwater Fisheries Reaserch Center) no niantsoroka ny fampianarana, ny fizarana traikefa ary ny fifanakalozana nadritra izao fikaonan-doha izao. Nisy ihany koa ny fahampafantarana isaky ny Firenena tsirairay avy ny sehatry ny Jono amin’ny endriny rehetra ka nisongadina ny firenena Malagasy raha ny tsikaritr’ireo namana hafa fa efa mihoatra lavitra noho izy ireo eo amin’ny sehatry ny famokarana anaty rano sy ny jono. Tanjona nandritra izao fihaonana izao ihany koa ny hitohizan’ny fiaraha-miasa akaiky kokoa eo amin’ny resaka famokarana anaty rano, indrindra ny fahitana ny ambaindain’ny fikarohana izay efa vita ao Chine, izay afaka hanatsarana ny antsika eto Madagasikara… Ny Tale Jeneraly lefitra teo anivon’ny FFRC moa no nanokatra sy nanakatona tamin’ny fomba ofisialy ny lanonana ary samy nanantena ireo mpandray anjara ny amin’ny hitohizan’ny fiaraha-miasa SINO-AFRIQUE eo amin’ny fampiroboroboana ny tontolon’ny Jono aamin’ny endriny rehetra. #MPEB #Wuxi #FFRC #Fiaraha_miasa #SINO_AFRIQUE
ECOFISH: FORUM FOR MOBILISING SUSTAINABLE FINANCING AND PARTNERSHIPS FOR FISHERIES AND AQUACULTURE IN MADAGASCAR

Vers une économie bleue inclusive et durable : Echanges, engagements, et feuille de route Accéder à l’article complet ici
Kaominina Anosy Tsararafa, distrika Farafangana: Tohana ara teknika ho an’ny mpiompy trondro.

Iray amin’ireo mpiompy trondro nisitraka ny fiofanana amin’ny fiompiana trondro nomen’ny ekipan’ny DRPEB Atsimo Atsinanana Atoa Fabrice izay mipetraka ao amin’ny Kaominina Anosy. Resy lahatra tanteraka amin’ny fiompiana trondro izy ka vonona ny hiroso amin’ny sehatry ny matihanina kokoa. Maniry ny hanitatra sy hatsara ny toeram-piompiana izy ary nangataka toro-hevitra ka tonga nitsidika ny toeram-piompiana ny ekipa DRPEB Atsimo Atsinanana ny 25 Jolay 2025. Ny famokarana zana-trondromoa tena mahaliana azy mba hamatsiana ireo mpiompy eny amin’ny manodidina. Miisa 9 moa ankehitriny ny dobony taorian’ny fanitarana izay ataony. #MPEB #DRPEB #Atsimo_Atsinanana
𝗙𝗮𝗻𝗸𝗮𝗹𝗮𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗠𝗮𝗻𝗲𝗿𝗮𝗻-𝘁𝗮𝗻𝘆 𝗺𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗻𝘆 𝗔𝗹𝗮 𝗛𝗼𝗻𝗸𝗼 ( #JIM ) 𝟮𝟬𝟮𝟱 𝘁𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗔𝘁𝘀𝗶𝗺𝗼 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗲𝗳𝗮𝗻𝗮.

Zava-dehibe sy manandanja amin’ny seha-pihariana Jono sy ny Toekarena Manga ny ala Honko satria dia tsy vitan’ny manome toeram-ponenana ho an’ny karazana zava-manan’aina maro, fa manampy ihany koa amin’ny fanalefahana ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’ny alàlan’ny fitehirizana karbaona sy ny fiarovana ny morontsiraka. Noho izany ny fiarovana azy dia zava-dehibe ho an’ny tontolo iainana sy ny hoavin’ny taranaka. Tontosa tamin’ny fomba ofisialy ny 26 Jolay 2025 teo tao amin’ny Fkt Ambondrolava, ao anatin’ny Kaominina Ambanivohitra Belalanda, ny fankalazana ny « Andro Maneran-tany ny Ala Honko. Ny lohahevitra nentina nankalazana izany tamin’ity taona 2025 ity dia ny hoe » 𝑯𝒐𝒏𝒌𝒐🌱 𝒗𝒂𝒉𝒂𝒕𝒓𝒚 𝒏𝒚 𝒂𝒊𝒏𝒂 𝒎𝒊𝒂𝒓𝒐 𝒏𝒚 𝒛𝒂𝒗𝒂-𝒎𝒂𝒏𝒂𝒏’𝒂𝒊𝒏𝒂 𝒎𝒃𝒂 𝒉𝒂𝒉𝒂𝒇𝒂𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒊𝒂𝒅𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒐𝒗𝒂𝒐𝒗𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒕𝒐𝒆𝒕𝒓𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐 ». Io lohahevitra io dia nanamafisana ny anjara toerana lehibe hananan’ny ala Honko amin’ny fitazonana ny fifandanjan’ny tontolo iainana sy ny fiarovana ny zava-manan’aina isan-karazany. Manodidina ny 400 ha eo eo ny velarana ala honko ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Belalanda ankehitriny ary tamin’ny faha 04 Jona 2010 tany ho any no nanaovana ny famindram-pitantanana io ala io amin’ireo mponina eny ifotony ka ny ONG HONKO SALAMA sy MIHARI no mpitarika sy mpanohana ny VOI MAMELO HONKO amin’ny fitantanana izany. Na izany aza dia misy ihany ny olana indrindra eo amin’ny fihenan’ny rano manondraka ny ala Honko noho ny fihenan’ny lalan-drano izay miteraka fiantraikany ratsy amin’ny fahasalaman’ny ala, satria ny rano no singa fototra ilaina amin’ny fitomboan’ny Honko .Noho izany nanaitra ny fitondrana sy ny mpiara-miombon’antoka rehetra ny filohan’ny VOI MAMELO HONKO mba hifanome tanana handray amin’ny fanalalana ireo lalan-drano ireo. Nandray anjara tamin’ity fankalazana ity ireo tompon’andraikitra isan-karazany, anisan’izany ny Lefitry ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Belalanda, ny Filohan’ny Fkt Ambondrolava, ny DRPEB ny DREDD, ary ny fikambanana tsy miankina toy ny Reef Doctor, VARUNA, ACB, ary ACH. Ny fanatrehan’ireo mpandray anjara ireo dia nanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny fitondrana, ny fiaraha-monina, ary ny sehatra tsy miankina amin’ny fiarovana ny ala Honko. #MPEB #JIM #DRPEB #DREDD #Atsimo_Andrefana #ONG_HONKO_SALAMA #MIHARY #VOI_MAMELO_HONKO #Reef_Doctor #VARUNA #ACB #ACH
JIM 2025 : FIZARANA FAMPITAOVANA MARO ISAN-KARAZANY / FAMINDRAM-PITANTANANA TGRN / FIZARANA MARIM-PANKASITRAHANA 26 Jolay 2025 . Maintirano, Faritra Melaky

Nandritra ny Fankalazana ny Andro manerantany ho an’ny Rohivoary ala Honko hatrany dia nozaraina fampitaovana maro ireo mpanjono eny ifotony AVY amin’ny orinasa misehatra amin’ny Jono makamba entina hanatsarana ny foto-piveloman’ireo ireo ,ireo izay manantateraka ny fanaraha-maso sy fanarenana ny ala Honko ary ho an’ireo Tompon’andraikitra isan-tsokajiny eny ifotony manantateraka ny asa fampandrosoana ao an-toerana. Isaorana arak’izany ireo orinasa izay nanome ny fampitaovana toy ny PEX ,SMP ,RFO, PNB … Tanteraka soamatsara tsara nandritra izany koa ny Famindram-pitantanana ny ala Honko eo amin’ireo Vondron’olona ifotony #TGRN Teo anatrehan’ny Minisitra mirahalahy mianaka A/toa MAHATANTE Paubert sy A/toa ANDONIRINA Max Fontaine. Farany ny fanomezana Marim-pankasitrahana ho an’ireo izay nandray anjara mavitrika tamin’ny fanarenana ny ala Honko izay tena zava-dehibe amin’ny fampaharetana ireo zava-manan’aina rehetra anaty rano Ary amin’ny fanamafisana ny fahafahantsika miatrika ny fiovaovan’ny toetrandro. #MPEB #MEDD #JIM2025 #FIZARANA_FITAOVANA. #MAINTIRANO_FARITRA_MELAKY.
Befotaka, Kaominina Nosy Be,Faritra DIANA.Tahiry iombonana « GEC na « Groupe d’Epargne Communautaire » La cle telo.

Ho fanatsarana ny velon-tenan’ireo mpanjono sy hisorohana ny fahasahiranana ara bola mahazo azy ireo mandritra ny fotoana hikatonan’ny rano sy ny tsy fahafahana manao ny asa dia namorona ny tahiry iombonana na G.E.C izy ireo.Sehatra natao hifampitaizana amin’ny fahaizana mitantam-bola.Fomba iray ihany koa natao hifampitsinjovana amin’ny lafiny sosialy sy hahafahana miaro sy manatsara ny tontolo iainana.Arak’izany dia nanao ny zaikabe tao Befotaka, kaominina Nosy Be, Faritra DIANA ireo mpikambana GEC miisa 38 tao an-toerana ny faha 23 Jolay 2025 lasa teo. Nandritra izany no nanehoany ny firaisankina sy fifankatiavana niaraka tamin’ireo solontenam-panjakana any an-toerana.Teny filamatr’izy ireo rahateo ny hoe »Fitiavana Fahendrena,Fandeferana. » #MPEB #CirPEB_NosyBe #Zaikabe #GEC_La_Clé_Telo
JIM 2025 : FANARENANA NY ALA HONKO TAO AMIN’NY FONKOTANY AMPASIMANDORO

Tafiditra anatin’ny Fankalazana hatrany ny Andro manerantany ho an’ny rohivoary ala honko (#Jim) dia nitohy tamin’ny fanarenana ny ala Honko tao amin’ny Fokontany Ampasimandroso izany Anio 27 Jolay ka Zanaka Honko antsoina hoe #Tangambavy ( Ceriops tagal) miisa 30 000 no voavoly tamin’izany . zava-dehibe ny Fanarenana indray ireo Ala honko satria miantoka tanteraka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina no toerana fanatodizana sy fitomboan’ny hazandrano toy ny makamba, drakaka sy ny sisa izay miantoka ny velontenan’ireo mpanjono ifotony no ahitan’ireo mpanjono madinika na vaventy sy ny Faritra tombontsoa. Fa indrindra ny hampaharitra izany ho an’ny taranaka fara-mandimby . Ity Hetsika fanarenana ala Honko ity ihany koa no nentina namaranana ny Fankalazana ny Andro manerantany ho an’ny rohivoary ala honko izay Notanterahina Teto Maintirano. Nifandrimbona nanatanteraka izany ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga (#𝗠𝗣𝗘𝗕) MAHATANTE Paubert, ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (#𝗠𝗘𝗗𝗗) ANDONIRINA Max Fontaine, ny mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny, ny sivily sy miaramila ,ireo Tompon’andraikitram-panjakana eny an-toerana, ireo fikambanan’ny mpanjono, ireo Tanora rehetra sns…. « HONKO , VAHATRY NY AINA , MIARO IREO ZAVAMANANAINA, MANAMAFY NY FAHAFAHANTSIKA MIATRIKA NY FIOVAOVAN’NY TOETRANDRO » #MPEB #MEDD #JIM2025 #MAINTIRANO #FARITRA_MELAKY #FANARENANA_ALA_HONKO