Kaominina Ambanivohitra Ambondromamy, Distrikan’Ambatoboeny Faritra Boeny. Akon’ny Fampiofanana fiompiana trondro.

     Fototra ny fahombiazan’ny fiompiana trondro ny fifehezana ny teknika ka izany indrindra no imasoan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB mizara maimaimpoana ireo fahalalana fototra mikasika ny fiompiana trondro.Nisitraka izany ny tantsaha 42 mianadahy ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambondromamy, Distrikan’Ambatoboeny ny faha 25 Septambra 2025 teo.     Nampita ny fahaizana nandritra izany ny ekipan’ny Fitaleavanaparitry Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Boeny. Resy lahatra tanteraka izy ireo fa hifototra amin’ny fampiharana ny fiofanana azony ka hanao atompivelomana ny fiompiana trondro noho ireo tombontsoa maro azo avy aminy. #MPEB #DRPEB #BOENY #fiompiana_trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga

Fanohizana ny Fanohanana Ara-Teknika ho an’ny Mpiompy Trondro ao amin’ny Distrikan’i Manakara, Faritra Fitovinagny.

    Tantsaha mpiompy trondro efatra (04) ao amin’ny distrikan’i Manakara, ao amin’ny Kaominina Mizilo, Anosiala, ary Sahasinaka, ary koa ny ivontoerana iray ny Centre FIHAONANA (SEFAFI) ao Vohipeno no notsidihan’ny ekipa avy ao amin’ny DRPEB Fitovignany mba hanome toromarika sy fanohanana ara-teknika. Nandritra ny 25 sy 26 Septambra 2025 no nanaovana ireo fitsidihana ireo.     Naseho nandritra ny fitsidihana fa ny fomba fanamasahana rano sy ny lafiny sakafon-trondro no tena olana fototra amin’ny mpiompy trondro. Mba hamahana ireo olana ireo dia nomena toromarika sy fanohanana ara-teknika mifanaraka amin’izany ny tantsaha. Ireo toromarika ireo dia mikendry ny hanatsara ny fomba fiasa sy hiantoka ny fahombiazan’ny asa fiompiana trondro, indrindra amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny rano sy ny fitantanana ny sakafon-trondro mba hahazoana vokatra tsara kokoa.       Na izany aza dia tsy nahitana olana ny mahakasika ny tsy fahampian-drano satria mbola milatsaka tsy tapaka ny orana ao amin’ny faritra. Izany dia mamela ny mpiompy trondro hanohy ny asany tsy misy olana amin’ny resaka famatsiana rano. #MPEB #DRPEB_Fitovinagny #Asa_Manga #Toekarena_Manga

Kaominina Ambanivohitra Ambatolahy, Distrikan’Ihosy Faritra Ihorombe. Akon’ny fampiofanana mikasika ny fiompiana trondro.

Ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB dia tsy nitsahatra manofana ireo tantsaha hisehatra amin’ny fiompiana trondro.Nanolotra fampiofanana mikasika ny fiompiana trondro an-tanimbary sy fomba fanamboarana dobo trondro hoan’ ireo tantsaha miisa 10 ao Menalafika, Distrikan’Ihosy ireo ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga# DRPEB Ihorombe#. Nifampizarana tamin’izany ihany koa ny teknika fanamboarana sakafo trondro sy fotoana sy ny fomba fanomezana azy mba tsy ho very fotsiny.Ankoatra ny fampiofanana an-tsoratra dia nisy ihany koa ny fampiharana teny ankianja noentina hanamafisana izany. #MPEB #DRPEB #IHOROMBE #fampiofanana_fiompiana_trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga

Ambinagny Managnano, Kaominina Ambanivohitra Anosiala, Distrikan’i Manakara, Faritra Fitovinagny. Fanentanana ny Mpanjono madinika manoloana ny ICAM sy Fisorohana ny Doro ala.

     Miditra ao anatin’ny vanim-potoana mafana isika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, arak’izany dia nisy ny hetsika fanentanana natao ny DRPEB Fitovinagny tao amin’ny kaominina Ambanivohitra Anosiala, distrikan’i Manakara ny faha 24 Septambra 2025 teo.Hetsika izay nifantoka tamin’ny fanentanana ny vahoaka sy ny mpanjono madinika mba hiara-hiasa amin’ny ady vokatry ny fihinanana hazan-dranomasina mitondra poizina eto Madagasikara na ny tranga ICAM (Intoxication Alimentaire par la Consommation d’Animaux Marins) sy ny fisorohana ny doro ala sy doro tanety indrindra amin’izao vanim-potoana maina izao.      Nanolotra fanazavana sy toro-làlana ho an’ny vahoaka ny ekipa mba hampahafantarana ny maha-zava-dehibe ny fitandremana amin’ny fihinanana ireny hazan-drano mampiahiahy ireny sy voarara ireny. Nampahafantarina ny mpanjono sy ny vahoaka ihany koa ny loza ateraky ny doro ala sy dorotanety, izay miteraka fahavoazana goavana amin’ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary. Marihina fa ny faritra Ambinagny Managnano dia manakaiky ny toeram-pambolena voankazo, ka mahatonga azy ho marefo indrindra amin’ny loza ateraky ny afo.       Noho izany, namporisika ny mpanjono sy ny mponina ny DRPEB mba handray anjara mavitrika amin’ny fiarovana ny ala sy ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fampihenana ny fampiasana afo tsy voafehy sy ny fanarahana ny fepetra fisorohana. Tsy mijanona eto ny asa satria mbola hitohy any amin’ny distrikan’i Vohipeno ity hetsika fanentanana ity #MPEB #DRPEB_Fitovinagny #Ady_amin_ny_ICAM_sy_doro_Ala

Kaominina Ambanivohitra Amporoforo, Distrikan’i Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana.Fitsidihana ny mpiompy trondro sy fanjohiana ireo mpamokatra zana-trondro karpa.

      Tsy mijanona amin’ny fampiofanana fa mitohy hatrany amin’ny fanjohiana ny asa atao eny ankianja ny ezaka ataon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB #ho fampiroboroboana ny fiompiana trondro manerana ny Nosy.Nisy araka izany ny fitsidihana nataon’ny ekipa eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena #DRPEB Atsimo Atsinanana# niaraka tamin’ny tetikasa #ASAM ny dobon’ny kaoperativa Miray hina sy an’olotsotra ao Ampasipotsy sy Ambohitrabo samy anatin’ny Distrikan’i Farafangana ny faha 22 Septambra 2025 teo.       Narahi-maso nandritra izany ny fanajana ireo teknika mampahomby ny fampanatodizana karpa hahazoana zana-trondro maro noho ny fisian’ ireo renitrondro sasany efa avy nanatody.Noentanina ihany koa izy ireo nandritra izany mba hivondrona ao anaty fikambanana sy ny tokony hananany karatra maha mpiompy ary ny fanaovana tatitra mikasika ny famokarana. #MPEB #DRPEB_Atsimo_Atsinanana #ASAM #mpamokatra_zana_trondro #Asa_Manga

FKT Bekijoly, Kaominina Ambanivohitra Sakalalina, Distrikan’Ihosy, Faritra Ihorombe. Fanohanana ny Tantsaha sy Fampandrosoana ny sehatry ny fampamokarana ny atirano.

        Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny tompon’andraikitra eny ifotony amin’ny fanantonana ireo tantsaha. Ny faha 24 Septambra 2025 teo ny ekipan’ny #DRPEB Ihorombe # dia nanao fitsidihana toerana roa tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Sakalalina, ao anatin’ny Distrikan’Ihosy, Faritra Ihorombe. Toerana izay fantatra amin’ny asa fampandrosoana ny fiompiana trondro ao amin’ny faritra.       Ny tanjon’ny fidinana ifotony natao dia nizara roa lehibe, izay samy mikendry ny fampitomboana ny vokatra sy ny fahombiazan’ny fiompiana trondro ao amin’ny faritra.       Fanjohina, Fanaraha-maso ary Fanomezana Tantsoroka Ara-teknika: Ny ekipa dia nanome fanohanana mivantana ho an’ireo tantsaha mpiompy trondro. Izany dia ahitana ny fanaraha-maso ny fomba fitantanana ny toeram-piompiana, ny fanomezana torohevitra momba ny teknika moderina amin’ny fiompiana, toy ny fanatsarana ny kalitaon’ny rano, ny fomba fanomezana sakafo ho an’ny trondro.       Ny fitiliana trondro karpa lehibe sy salama, izay hatao ray amandrenin-trondro na « géniteurs ». Ireo trondro voafantina ireo dia hamatsiana ny Zone d’Emergence Pisicole (ZEP) Ihorombe, izay toerana manokana hamokarana zana-trondro tsara kalitao ka hanampy amin’ny fampitomboana ny vokatra amin’ny ankapobeny.       Ireo tantsaha notsidihina dia naneho ny hafaliany tamin’ny fanohanana voaray, ary nanantena fa hitohy ity fiaraha-miasa ity mba hahafahana miatrika ireo fanamby mbola ho hatrehana. #MPEB #DRPEB_IHOROMBE #ASA_MANGA #TOEKARENA_MANGA

Hôtel Baobab Three, Mahajanga, Faritra Boeny.

      Atrikasa fifanakalozan-kevitra nasionaly andiany faha-3 ho fanatsarana ny politikam-panjakana momba ny Jono makamba handrindrana ny vina voarakitra ao amin’ny politika nasionaly momba ny fiarovana ireo karazan-java-manan’aina.        Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy androany faha 25 septambra 2025 tao amin’ny Baobab Three Mahajanga, Faritra Boeny, ny atrikasa fifanakalozan-kevitra nasionaly andiany faha-3 ho fanatsarana ny politikam-panjakana momba ny fitantanana ny Jono makamba eto Madagasikara izay hoentina handrindrana sy hanomezan-danja bebe kokoa ny vina izay voafaritra ao amin’ny politika nasionaly misahana ny fiarovana ireo karazan-javamanan’aina.        Tonga nanokatra izany ny Filohan’ny Kaomision’ny Jono sy ny Toekarena Manga eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, ny Solombavam-bahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny Distrikan’i Soanierana Ivongo, Atoa MENAVOLO Alban ary notronin’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana isan-tsokajiny. Nohamafisiny teo amin’ny fandraisana anjara fitenena ny fanohanana sy ny fahavononan’izy ireo amin’izao ezaka fanatsarana tiana hapetraka izao ho amin’ny fitantanana sy ny haitondra mikasika ny sehatry ny jono makamba.        Izao atrikasa izao dia hanohizana ireo ezaka izay hataon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga# MPEB# sy ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy #MEDD# ireo mpiantsehatra rehetra eo amin’ny sehatry ny jono makamba toy ireo orinasa tsy miankina, ireo fikambanan’ny mpanjono sy ireo VOI avy amin’ny faritra maro manerana ny nosy, ireo solontenan’ny firaisamonim-pirenena ary ireo mpiara-miombon’antoka.        Ny tanjona dia ny hampihenana ireo tsindry isan-karazany mahazo ireo karazan-javamanan’aina eo am-panatanterahana izany fanjonoana makamba izany mba hampaharitra azy ho lovainjafy. Tsara ny manamarika fa mitana ny laharana voalohany i Madagasikara eto anivon’ny Kaontinanta Afrikanina eo amin’ny sehatry ny fanondranana makamba izay manodidina ny 12% ny vokatra aondrana amin’ny ankapobeny ary nahatratra 3500 taonina ny makamba naondran’i Madagasikara ho an’ny taona 2024.        Izao hetsika izao no tontosa dia nohon’ny tantsoroka avy amin’ny WWF, ny IUCN ary ny AFD amin’ny alalan’ny tetikasa BIODEV 2030 andiany faha-2. MPEB#MEDD #Fanatsarana_Politikam-panjakana_Jono Makamba_maharitra #BIODEV 2023_Phase 2# AFD# IUCN# WWF

Fiangonana Loterana, Fokontany Talata Andraikiba, Distrika Antsirabe I, Faritra Vakinankaratra. « Fiompiana trondro ho an’ny rehetra »

     Nisitraka fiofanana fiompiana trondro ny vahoaka manodidina an’Andraikiba vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny #DRPEB_Vakinankaratra sy ny #FANILO #FAFAFI/SPAM.      Miisa 63 mianadahy no nanatrika hatramin’ny farany. Nampiavaka ity andiany ity ny fahalianana sy ny hamaron’ireo renim-pianakaviana ka nifantohana bebe kokoa ny momba ny « système Aquaponie » izay mifanaraka amin’ny filan’izy ireo.      Tafita ny teknika fototra ahafahan’ireo mpisitraka hiompy trondro avy hatrany ka tena afapo sy velom-pisaorana ny rehetra. Mitohy amin’ny fanaraha-maso ny ezaka. #MPEB #Fampamokarana_ny_Atirano

Fanokafana Tahiry Horita Tsy Maharitra Fkt Maromena, Kaominina Ambanivohitra Anakao, Distrika Toliara II, Faritra Atsimo Andrefana.

       Tontosa ny 22 sy 23 septambra 2025 teo ny fanokafana ny tahiry horita tsy maharitra tao amin’ny Fkt Maromena, ao anatin’ny Kaominina Ambanivohitra Anakao, Distrika Toliara II. Toerana manana velarana 46 hektara no natokana ho an’ity fitehirizana ity izay tantanin’ny Fikambanana LMMA VATOHARA SOA.          Naharitra telo volana teo ho eo ny fitehirizana, nanome fahafahana ny horita hitombo tsara ka nahazahoana vokatra vonjy maika toy izao : ny Totalim-bokatra dia mahatratra 1,5 taonina eo ho eo ; ny Vokatra amin’ny ankapobeny azonisan’olona kosa dia manodidina ny 4 kg eo ; ny Vokatra isan’olona ambony indrindra azo dia nahatratra 13 kg eo ary ny Lanjan’ny horita lehibe indrindra azo dia manodidina ny 8 kg.          Tsy natokana ho an’ny Fkt Maromena fotsiny ity fanokafana ity fa nosokafana tamin’izany fotoana izany ihany koa ny tahiry horita tao amin’ny tapany atsimo amin’ny Distrika Toliara II, tantanin’ny LMMA ao amin’ny kaominina Befasy, Besambay, Ambola, Karapona, ary Ampiambaza. Ary ny fanokafana tahiry horita tao amin’ny tapany avaratr’i Distrika Ampanihy, izay notantanin’ny LMMA ao Tariboly sy Antsakoa.          Tonga nanatrika ny fotoana ireo manampahefana sy mpiara-miombon’antoka maro, anisan’izany ny Ben’ny Tanàna lefitra faharoan’ny Kaominina Ambanivohitra Anakao, ny CirPEB Toliara II, ny avy ao amin’ny DREDD Atsimo Andrefana, ny rantsan’ny CSP, ny Solontenan’ny MNP ary ny avy ao amin’ny IHSM Toliara . Ny WWF kosa no naao ny tantsoraka nahafahana nanatontosa izao hetsika izao.          Ny vokatra azo tamin’ity fitehirizana ity dia porofo mazava ny fahombiazan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny vondrom-piarahamonina, ny fanjakana ary ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanohanana ny fiveloman’ny mponina amorontsiraka sy ny fiarovana ny harena voajanahary ao amin’ny faritra Atsimo Andrefan’i Madagasikara ary maneho ny ezaka ataon’ny LMMA sy ireo mpiara-miombon’antoka mba hampiroborobo ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina. ka ahafahan’ny mponina ao an-toerana mahazo tombony ara-toekarena sy ara-tsosialy sady miaro ny tontolo iainana. #MPEB #DRPEB #DREDD #ATSIMO_ANDREFANA #LMMA #JONO_HORITA #MNP #IHSM #WWF