Fokontany Andriamasoandro, Distrika Betafo, Faritra Vakinankaratra. Ady amin’ny halatra trondro sy Fikatonan’ny jono 2025.

Notanterahina ny faha 23 Septambra 2025 ny fivoriambe niarahana tamin’ny vahoakan’ny Betafo. Nivoitra nandritra ny loabary andasy ireo lesoka mbola mahatonga ny halatra trondro sy ny tsy fanaran-dalana. Novakiana ampahibemaso ny didim-pitondrana misahana ny fikatonan’ny taom-panjonoana 2025, ny fehezan-dalàna mananatra ny « CoPA » sy manasazy na ny « Code pénal » mifandraika amin’izany.     Harafitra ny dina izay hihatra avy hatrany alohan’ny didy havoakan’ny Fitsarana mahefa ary hatsangana isam-pokotany ny komity mpanantateraka ny dina.     Isaorana ny #ONG_APDRA, ny #OMC_Betafo tarin-dRamatoa Lehiben’ny Distrika amin’ny fiaraha-miasa indrindra amin’ny fanatanterahana izay tapaka. #MPEB #DRPEB_Vakinankaratra

NEW YORK : FIFANAKALOZAN-KEVITRA MIKASIKA NY FANJONOANA « KRILL »

Notanterahina ny 22 septambra 2025 tao New York (Etats Unis d’Amérique), tao amin’ny Goals House, Tavern on the Green, New York, ny fifanakalozankevitra mikasika ny fanjonoana krill any amin’ny ranomasibe manamorina ny Antarktika.       Hetsika izay nokarakarain’ny the Antarctica Avengers na ireo mpiaro ny Antarktika izay misy ny mpikaroka avy amin’ny firenena maro, ny mponina amin’ny faridranomasina Atsimo mifandray amin’ny Antarktika.       Ny trozona izay mandalo sy miteraka aty amin’ny ranomasimbe Indianina dia mivelona amin’ny biby tsy hita maso voaantso hoe krill. Any amin’ny ranomasina manamorona ny Antartika ihany no misy an’izy io ka fisian’io no mandrindra ny fiveloman’ny biby maro fa indrindra dia ny trozona sy ny zanany haterany.       Madagasikara dia anisan’ireo firenena nanena ny ezaka fanjonoana mba tsy ahalany tamingana ireo hazandranomasina sy ny mba ahitan’ny taranaka faramandimby ireo trozona izay manome laza ny tanindrazantsika. Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert #Newyork #Fanjonoana_krill

Ankorikihely, Kaominina Ambanivohitra Ramena, Distrikan’Antsiranana II,Faritra DIANA. Fikambanan’ny Vehivavy Mandroso (FVM) : Nahazo tohana ara-bola sy ara- pitaovana .

   Nahampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy androany faha 23 Septambra 2025 ny fahazoan’ny Fikambanan’ny Vehivavy Mandroso (FVM) ao Ankorikihely ny famatsiana ara-bola izay mitentina 9 tapitrisa ariary sy finday izay avy amin’ny Tambazotra MIHARI ao amin’ny tetikasa « PAR4C-Ouest ».Izao no natao dia entina hanohanana ny tetikasan’ny fikambanana momba ny hametrahana ny Toby famokarana zanaka hônko biolojika sy ivon-toerana fanodinana laoko sira « transformation des produits halieutiques (séchage) « .     Arak’izany dia natolotra ny fikambanana sahady ny ampahany amin’io vola io miaraka amin’ny taratasy fanamarihana na « attestation » manamarina ny fahazoana ny famatsiana,etsy andaniny zay ihany koa ny fanolorana ny finday iray ho entiny ampiasaina amin’ireo tetikasany ireo.     Ny FVM dia manana ny vina maty paika amin’ny asa fivelomana sy fitadiavam-bola sady tia mikaroka momba ny fiarovana ny tontolo iainana ary hoentina miatrika ny vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro. Tsapa izany amin’ny harona vita amin’ny satrana ho solon’ny harona plastika rehefa manao « empotage » na fampidirana ireo zana-kazo na ny pépinière ireo anaty « pot ».Tsy ho ela dia ho mpamatsy zanaka hônko (propagule) matihanina sy maro an’isa ireto fikambanana ireto ary ho matihanina amin’ny sehatra famokarana sy fivarotana trondro maina.      Ity lanonana ity dia natrehin’ny avy ao amin’ny DRPEB sy ny DREDD DIANA, ny Sefompokontany Ankorikihely miaraka amin’ny Tambanjotra MIHARI foibe avy any Antananarivo sy ny C3 Madagascar avy ao Antsiranana. #MPEB #DRPEB #DREDD #DIANA #Réseau_MIHARI #PAR4C_Ouest #C3_Madagascar

Fkt Ankotika, Kaominina Ambanivohitra Antranonkarany,Distrikan’Ambanja,Faritra DIANA.Famaranana ny fampiofanana nozarain’ny CirPEB sy ny Orinasa Réfrigepeche Ouest (RFO)

    Nofaranana ny faha 22 Septambra 2025 teo tao amin’ny FKT Ankotika, Kaominina Ambanivohitra Antranokarany, ny fampiofanana momba ny fiompiana trondro tilapia, ny fanatavezana drakaka, ny fomba fanjonoana mampiasa fitaovana antsoina hoe DCP (Dispositif de Concentration de Poissons), ny fampiasana palanky (Palangre) ary ny fanombanana ny lanjam-bidy ny vokatra.Marihina fa ny faha 18 Septambra teo no nanomboka ity fampiofanana ity izay niarahana niasa tamin’ny orinasa “Réfrigepeche Ouest,” izay orinasa misehatra amin’ny jono makamba. Mpiofana miisa 48 no nanatrika sy nandray anjara tamin’ity famaranana ity izay nanamarika ny fahavitan’ny fiofanana naharitra andro maromaro.     Nandritra izay andro maromaro nanaovana ny fampiofanana izay dia nahazo fahalalana feno ilaina mba hanatsarana ny fomba fiasa sy ny fidirambola izy ireo .Ity hetsika ity dia porofo ny fanantanterahin’ny orinasa Réfrigepeche Ouest ny volazan’ny bokin’andraikitra RSE amin’ny fanomezana fampiofanana ireo mpanjono sy ny vadina mpanjono ho amin’ny fampiroboroboana ny fampandrosoana maharitra ny sehatry ny jono sy fampamokarana ny anaty rano ao Ambanja.      Antenaina fa hitombo ny fahaiza-manao sy ny fidiram-bolan’ireo mpandray anjara, ka hitondra fampandrosoana ho an’ny fiarahamonina eo an-toerana, ny fampiofanana amin’ny sehatra ny fiompiana trondro dia mitohy hatrany ao amin’ny Distrikan’ny Ambanja. #MPEB #DRPEB_DIANA #CirPEB_Ambanja #Fikamban_ny_mpanjono #Asa_Manga #Toekarena_Manga

Kaominina ambanivohitra Ambodibonara, Distrikan’ Ambilobe, Faritra DIANA. Fampiofanana ireo mpanjono madinika.

     Mifameno tanteraka ny fiompiana trondro sy ny asa fanjonoana ho fanomezana fahafahampo ireo mpanjifa ny vokatra hazandrano eto Madagasikara.Izany no mahatonga ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB manohy hatrany ny fampiofanana mitety tanana ireo mpanjono madinika hisehatra amin’ny fampamokarana ny anaty rano amin’ny alalan’ny tantsoroka maro samihafa avy amin’ny mpiara-miombon’antoka aminy.      Araka izany dia tontosa ny faha 21 Septambra 2025 tao Ambodibonara, Distrikan’Ambilobe, ny fampiofanan’ny ekipan’ny avy amin’ny Sampandraharahan’ny ny Jono sy ny Toekarena Manga CirPEB Ambilobe ireo mpanjono madinika tao an-toerana.Izany dia tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny tamberinandraikitra avy amin’ny REFRIGEPECHE OUEST RFO izay miantsehatra amin’ny jono makamba izay miasa ao amin’ny fari-panjonoana A.      Miisa 182 ireo mpanjono tonga niatrika ny fampiofanana mikasika ny fampiofanana momba ny fiompiana trondro sy famoronana « Dispositif de concentration des Poissons »DCP « ny fikirakirana sy ny fitehirizana ny vokatra ary fanangonana ny filàn’ireo voaofana ny zana-trondro. #MEPEB #CirPEB_Ambilobe #RSE #RFO #JONO_MAKAMBA_MAHARITRA

NEW YORK: MANARAKA IREO FANAMBY AMIN’NY FANATSARANA NY FITANTANANA NY RANOMASINA I MADAGASIKARA

    Notanterahina ny 22 septambra 2025 tao New York (Etats Unis d’Amérique), tao amin’ny Westin Grand Central, ny fifanakalozankevitra mikasika ny #ranomasina sy ny lalana makany amin’ny #COP30.     ‎Ny ranomasina no manome ny 54% rivotra iainan’olombelona ary izy ihany koa no mandrindra ny hafanan’ny tany. Hany ka rariny raha ny fiarovana sy ny fampiasana amin’ny fomba tsaratantana ny ranomasina dia manampy amin’ny fiadivana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro.     ‎Raha ampatsiahivina dia alohan’ny COP30, izay atao any Brésil ny Novembre 2025 izao, no tokony handrafitra ny lamin’asa hiadivana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro ny firenena tsirairay ka nanome fanamby ny firenena frantsay sy brézilianina ny hampidirana ireo vahaolana miankina amin’ny ranomasina ao amin’izay, toy ny fametrahana rindrandamina amin’ny fampiasana ny ranomasina (PSM), fanjonoana sy fampamokarana ny atirano mifantenana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro, ny fampiasana angovo azo havaozina eo amin’ny sehatry ny Jono, sns      ‎Anisan’ny nanaraka an’izay fanamby izay ihany koa Madagascar toy ny firenena hafa toy ny Australia, Fiji, Kenya, Mexique, Palau, Seychelles. Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert #NEWYORK

Fanohizana ny Fampiofanana momba ny Fiompiana Trondro sy ny fomba fanatavezana Drakaka tao Ankigny, Distrikan’Ambanja, Faritra DIANA.

     Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny eo anivon’ny CirPEB Ambanja # amin’ny fanomezana fampiofanana maro samihafa. Tontosa ny faha 19 Septambra 2025 tao Fkt Ankigny Kaominina Ambanivohitra Maherivaratra, ao amin’ny Distrikan’Ambanja, Faritra DIANA ny fanohizana ny fampiofanana momba ny fiompiana trondro, ny fanatavena drakaka, ny fanomezan-danja ara-bidy ny vokatra anaty rano, ny fomba fanjonoana mampiasa ny DCP (Dispositif de Concentration de Poissons) na “rongatra” ary ny fampiasana palanky na « Palangre ».      Nisy mpandray anjara miisa 125 no tonga nanatrika ity fampiofanana ity izay naneho ny fahavononany amin’ny fampiharana ny fahalalana izay vao noratovina.      Ny tena nahaliana ny mpandray anjara dia ny fampiofanana momba ny fampiasana ny DCP, izay fitaovana manampy amin’ny fanangonana trondro any an-dranomasina mba hanamora ny fanjonoana.     Nandritra ny fampiofanana dia nisy koa ny teknika telo nomen’ny mpampiofana ho an’ny mpanjono sasantsany izay liana ary ny tsirairay amin’izy ireo dia afaka nisafidy ny teknika mety aminy indrindra amin’ny fomba fanjonoana ataony. Araka izany dia nomena toromarika izy ireo mba hanao tatitra amin’ny mpampiofana ao anatin’ny iray volana, mba hahahana manaramaso ny fampiharana ireo teknika ireo sy ny vokatra azo.      Mba ho fampiharana ireo teknika vaovao, nisy mpanjono sasany nahazo “kit de plongée” (fitaovana fitsirihana anaty rano) sy “kit de sécurité en mer” (fitaovana fiarovana eny an-dranomasina). Ireo fitaovana ireo dia manamora ny fanaraha-maso ny fampiasana ny DCP sy ny fiarovana ny mpanjono rehefa miasa any an-dranomasina. #MPEB #DRPEB_DIANA #CirPEB_Ambanja #Mpanjono_madinika_matihanina

Fokontany Antanamitarana, Arrondissement Dzamandzar, Kaominina Ambanivohitra Nosy Be, Faritra DIANA.

      Anisan’ny ezaka lehibe entin’ny Kaominina Ambonivohitra Nosy Be mba hanohanana ny mpanjono sy hampandroso ny toekarena mifototra amin’ny jono ao amin’ny faritra ny fanomezana fampiofanana azy ireo .Ny faha 18 Septambra 2025 teo no nanomezana ny fampiofanana natokana ho an’ny mpanjono sy ho an’ireo vadin’ny mpanjono tao Nosy Be, Faritra DIANA. Izao no natao dia ny hampiofana azy ireo momba ny fomba fitehirizana sy fikirakirana ny vokatra laoko ankoatra ny fiofanana momba ny fiompiana laoko.Mpiofana miisa 30 no tonga nanatrika ity fiofanana ity, izay natao tao amin’ny Fkt Antanamitarana, Arrondissement Dzamandzar, ao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Nosy Be.       Ny tanjon’ity hetsika ity dia ny hampitombo ny fahaiza-manao sy ny fahalalahan’ireo mpanjono amin’ny fitantanana tsara kokoa ny vokatra azony avy amin’ny ranomasina, mba hahazoana tombony betsaka sy hiantohana ny kalitaon’ny vokatra eny an-tsena. Ankoatra izany, ny fiofanana momba ny fiompiana laoko dia mikendry ny hampiroborobo ny fampandrosoana maharitra eo amin’ny sehatry ny fiompiana trondro #MPEB #DRPEB_DIANA #CirPEB_Nosy_Be #Mpanjono_madinika #Jono_Maharitra #Toekarena_Manga #Asa_Manga

Nosy Be, Faritra DIANA. Fampiofanana momba ny fikirakirana ny DCP ,ny fitehirizana laoko ary fiompiana trondro.

       Notanterahina ny faha 20 Septambra 2025 teo tao Fascene, ao amin’ny Arrondissement Bemanondrobe, Kaominina Ambonivohitra Nosy Be ny fampiofanana manokana momba ny fiompiana trondro, ny fomba famoronana ny RIVA na DCP (Dispositif de Concentration de Poissons), ary ny fomba fikirakirana sy fitehirizana vokatra laoka avy amin’ny ranomasina. Fampiofanana izay notarihin’ny ekipa avy ao amin’ny CirPEB Nosy Be ka efa tafiditra amin’ny andro faha-3 amin’ireo hetsika fiaraha-miasa miaraka amin’ny orinasa « Refrigepeche Ouest », orinasa mpamokatra sy mpanjono makamba ao amin’ny fari-panjonoana A na » Zone A ».         Nandray anjara tamin’ity fiofanana ity ny mpiofana miisa 87 izay avy ao amin’ny Fkt efatra ao amin’ny faritra, dia ny Fokontany Bemanondrobe, Antafianambitry, Andimakabo, ary Fascene Ampasy. Ny tanjon’ity fiofanana ity dia ny hanomezana fahalalana sy fahaizana vaovao ho an’ny mponina eo an-toerana mba hahafahany manatsara ny fomba fiasa amin’ny fiompiana trondro, mampitombo ny vokatra azo avy amin’ny jono, ary manamafy ny fahaizana mitahiry sy mikarakara tsara ny vokatra an-dranomasina mba hiantohana ny kalitao sy ny faharetany.         Ny fiaraha-miasa sahala amin’izao dia manome fanantenana ho an’ny fampandrosoana ny sehatra ara-toekarena sy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina ao amin’ireo fokontany ireo. #MPEB #DRPEB_DIANA #CirPEB_Nosy_Be #RSE #RFO #Mpanjono_madinika #Jono_Maharitra #Toekarena_Manga #Asa_Manga