Distrikan’i Beloha,Faritra Androy. Fampiofanana sy Fidinana Ifotony ary Fampiroboroboana ny Teknikam-panjonoana sy Fiarovana ny Akio.

Ny faha 16 ka hatramin’ny faha 18 Septambra 2025 teo dia nisy fidinana natao tany amin’ny Distrikan’i Beloha sy Tsihombe ao amin’ny Faritra Androy izay notarihin’i Atoa Talen’ny Jono avy amin’ny Ministera foibe. Ity hetsika ity dia nifantoka tamin’ny fampiofanana ireo mpanjono madinika momba ny teknika vaovao amin’ny fampiasana “palangre de surface” sy “palangre du fond” . Ny tanjona kendrena amin’izany dia ny hanatsarana ny fomba fanjonoana sy maharitra izay ahafahana mahazo vokatra betsaka sy trondro lehibe ary miantoka ny faharetan’ny harena an-dranomasina.Ankoatra izany dia nisy ihany koa ny fanentanana manokana momba ny fiarovana ny Akio (Requin Marteau), karazana biby an-dranomasina arovana sy tandindomin-doza ho lany tamingana. Ny fampiofanana dia nahitana mpanjono avy amin’ny faritra telo samihafa ao amin’ny Distrikan’i Beloha sy Tsihombe dia ny avy ao amin’ny Fkt Mahabo, Kaominina Ambonaivo, Distrikan’i Beloha,ny tao amin’ny Fkt Lavanono, Kaominina Tranovaho, Distrikan’i Beloha ary ny tao amin’ny Fkt Befeha, Kaominina Marovato, Distrikan’i Tsihombe Tsapa fa tena mavitrika sy vonona tanteraka ireo mpanjono niofana hampihatra ny fahalalana vaovao azon’izy ireo. Fanampin’izany fia naneho ny fahavononany ihany koa izy ireo hanaja ny lalàna mifehy ny jono indrindra ny fanjonoana ny Akio sy ny karazana biby an-dranomasina arovana. #MPEB #DP #Teknika_Fanjonoana_Maharitra #Asa_Manga #Fitrandrahana_maharitra
Ankazomborona, Kaominina Ambilobe, Faritra DIANA

Ny fiaraha miasa eo amin’ny sehatra isan-karazany dia antoka ho an’ny mpanjono hiatrika ny fanamby amin’ny famokarana sy ny fitantanana ny vokatra avy amin’ny ranomasina. Nisy ny fampiofanana izay haharitra 5 andro eo sy ny fanohizana ny hetsika eny amin’ny toerana samihafa notanterahina tao amin’ny Faritra DIANA. Nanomboka ny faha18 Septambra 2025 teo arak’izany tao Ankazomborona, Kaominina Ambilobe, Faritra DIANA, ny fanokafana ny fampiofanana natokana ho an’ny mpanjono, izay natrehan’ny RFO (Refrigepeche Ouest), Solontena avy amin’ny MPEB, ny Ekipan’ny DREDD DIANA, ireo solontenam-panjakana isan-tsokajiny, ary ny Ekipan’ny CirPEB Ambilobe. Ity fampiofanana ity dia natao hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fahalalan’ny mpanjono mba hampandrosoana ny sehatry ny jono ao amin’ny faritra. Nandritra ity hetsika ity, nisy fampiofanana maromaro no nozaraina izay mikendry ny fanatsarana ny fomba fiasan’ny mpanjono sy ny fitantanana ny vokatra avy amin’ny ranomasina. Toy ny Fampiofanana fiompiana trondro ho an’ny mpanjono momba ny fomba fiompiana trondro sy ny teknika fanamboarana ny DCP# Dispositif de Concentration des Poissons# , izay fitaovana manampy amin’ny fanangonana trondro eny amin’ny ranomasina mba hanamora ny fahazoana vokatra betsaka. Fanomanana sy fitehirizana ny vokatra avy amin’ny rano. Nampianarina ireo mpanjono ihany koa ny fomba fanomanana sy fitehirizana tsara ny trondro sy ny vokatra avy amin’ny ranomasina mba hiantohana ny kalitao sy ny faharetany. Ka Mpanjono miisa 50 no nandray anjara tamin’ity fampiofanana ity. Fampahafantarana ny lalàna momba ny ady amin’ny doro-tanety sy motro izay anisan’ny fomba fanjonoana tsy ara-dalàna manimba ny tontolo iainana an-dranomasina. Ny mpanjono rehetra dia nandray anjara tamin’ity resaka ity. Fampiofanana momba ny C4D (Communication for Development) izay natokana ho an’ny lehiben’ny Fkt, ny Filohan’ny TGRN, Filohan’ny TGRH, Filohan’ny Kaoperativa ary ny Filohan’ny Fikambanan’ny Mpanjono. #MPEB #DRPEB_DIANA #RSE #Refrigepeche_Ouest #Jono_Maharitra #Asa_Manga
Analatsakoa, Fokontany Soamanitse I, CT Tranovaho, Dist Beloha, Faritra Androy.

Nidina ifotony, ny faha 17 Septambra 2025, ny Tale misahana ny Jono eo anivon’ny Ministera ny Jono sy ny Toekarena Manga, nijery sy nanadihady ny fomba fampiasan’ny #Fikambanana_Milavara mpanjono ny lakana « en fibre de verre » misy « moteur » izay notoloran’ny #MPEB azy ireo. Hita fa mitombo ny vokatra azo sy ny vola miditra amin’ny fikambanana araka ny ny « Fiche de pêche ». Nitsidika ny « Complexe pêche » izay tantanan’ny #Koperativa_FIANDROY ihany koa ny Tale misaha ny Jono, izay nahita ny fahasimbana noho ny fandalovan’ny rivodoza HONDE tamin’ny volana Marsa 2025 sy ny fanamboarana izay ataon’ny mpikambana eo anivon’ny Koperativa. #DP #DRPEB_Androy
Kaominina Ambanivohitra Ankarana, Distrikan’i Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana. Fampiofanana fampiharana mikasika ny famokarana zana- trondro.

Ny trondro tomady tsara no tokony hosafidiana hakana taranaka.Ilaina araka izany ny fanaraha-maso ireo natokana hatao raiamandreny trondro mba hahazoana zana-trondro tsara kalitao.Mpiompy karazan-trondro karpa miisa 15 tao Analameloka, Distrikan’i Farafangana izay miara-miasa amin’ny Tetikasa ASAM sy ny ONG HIH no notsidihin’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Atsimo Atsinanana # izay rantsamangaikan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB tany an-toerana ny faha 17 Septambra 2025 teo. Nandritra izany no nanaovana fampiharana ny fiofanana famokarana zana-trondro karpa izay efa nomena azy ireo teo aloha.Nampatsiahivina ihany koa ny tokony hananan’izy ireo karatra maha mpiompy trondro sy ny fanarahana ny lalàna mifehy ny fiompiana trondro ary ny tokony hivondronana ao anaty fikambanana hahafahana mahazo tohana.Noentanina ihany koa izy ireo hanao tatitry ny vokatra hanatevenana ireo antotan’isa eo anivon’ny Ministera. #MPEB #DRPEB #Atsimo_Atsinanana #ASAM #ONG_HIH #Famokarana_zana_trondro_karpa #Asa_Manga
TEAM BUILDING MPEB : FOTOANA HIFAMPIZARANA TRAIKEFA, HIFAMPIHAINOANA ARY HIFANANKALOZAN-KEVITRA HO AN’NY MPIASA TSIRAIRAY; ENSOA Antsirabe ,18 SEPTAMBRA 2025 .

Ankoatry ny fanatsarana ny asa dia Anisan’ny tanjona lehibe amin’ny fanatanterahana ny hetsika toy izao ny Tsy hampisy intsony ny elanelana eo amin’ny Mpiasa sy ireo lehibe eo anivon’ny toeram-piasana mba hanatrarana ny tanjona iraisana. Izany indrindra no antom-pisian’ny fihaonam-be toy izao ka ho an’ity andiany faharoa ity dia ny teo anivon’ny #ENSOA hatrany no nandray ny fianakaviamben’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga manerana ny Faritra 24 eto Madagasikara . Hetsika maro arak’izany no ho tanterahina mandritra ity fihaonana ity toy ny Hetsika #Ara_panatanjahatena , ny fifampizarana #fahaiza_manao , #Fitadiavam_bahaolana , #fifampihainoana sy ny maro hafa. Manamafy hatrany ihany koa ny fifandraisana eo amin’ny samy mpiasa mba hisian’ny #fijery_Mitovy mba hitondra fampandrosoana ho an’ny Ministera ka ho tena ho kitro hifaharan’ny fampandrosoana ho an’ny Madagasikara tokoa ity sehatry ny Jono sy ny Toekarena Manga ity . Nitondra ny teny firariantsoa ho azy ireo ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert Ary nanamafy fa samy manana ny anjara birikiny Ary samy hijoro ho Tompon’andraikitra avy Isika rehetra amin’ny fampandrosoana an’ity firenentsika ity ENSEMBLE ON IRA LOIN
Andranonanakova, Fkt Sahave, Kaominina Ivato Centre, Distrikan’Ambositra, Faritra Amoron’i Mania

Tontosa ny Alarobia 17 Septambra 2025 ny fidinana ifotony niarahan’ny ekipan’ny DRPEB Amoron’i Mania sy ireo avy amin’ny tetikasa APDRA 4F/ASAM Amoron’i Mania tao Andranonanakova, Fkt Sahave izay natao indrindra hanamafisana ny fampandrosoana ny sehatry ny fiompiana trondro ao amin’ny faritra. Nandritra ity fivoriana ity dia nisy ny jery todika momba ny famokarana zana-trondro ho an’ny taom-pamokarana 2024-2025. Nohamafisina ny maha-zava-dehibe ny fitanana an-tsoratra ny asa rehetra mifandraika amin’ny fiompiana trondro, toy ny fanaraha-maso ny habetsaky ny zana-trondro, ny sakafo omena, ary ny fitantanana ny dobo. Io fitanana an-tsoratra io dia manampy amin’ny fanatsarana ny vokatra sy ny fanaraha-maso ny fivoaran’ny famokarana. Ankoatra izay dia nampahafantarina ireo tantsaha ny amin’ny tokony hananana karatry ny mpiompy trondro izay fitaovana ilaina amin’ny fanarahan-dalàna. Eo ihany koa ny fampahafantarana ny lalàna sy fehezan-dalàna mifandraika amin’ny halatra trondro sy ny fisomparana satria ireo no anisan’ny sakana lehibe atrehin’ny sehatry ny fiompiana trondro. Nohamafisina ny sazy sy ny famaizana ho an’ireo izay manao ireo fihetsika tsy ara-dalàna ireo, mba hampihenana ny fatiantoka sy hiarovana ny vokatra. Miisa 31 ny tantsaha nanatrika ity fivoriana ity, ary naneho ny fahavononany tanteraka hanatsara sy hampitombo ny vokatra .Taorian’ny fivoriana, nisy ny fitsidihana ny dobo famokarana zana-trondro an’Atoa R. Fulgence sy Atoa R. Jean R. izay samy monina ao Andapa. Ireo fitsidihana ireo dia nanome fahafahana ho an’ny tantsaha hanatsara ny fomba fiasan’izy ireo. #MPEB #DRPEB_AMORON_I_MANIA #APDRA_4F_ASAM #Zana_trondro #Toekarena_Manga
MORONDAVA( 27 et 28 septembre): CÉLÉBRONS ENSEMBLE LA JOURNÉE MONDIALE DU TOURISME 2025
Morondava , Faritra Menabe.ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FIZAHANTANY : HAMPIAKATRA AMBONY NY FAHITAN’IZAO TONTOLO IZAO AN’I MADAGASIKARA

Tanterahina ny 27 – 28 septembre 2025 ho avy izao ny Fankalazana ny Andro manerantany ho an’ny Fizahantany izay nampitondraina ny lohahevitra hoe « #Fizahantany_miaraka_amin_ny_fiovana_maharitra« . Miara-misalahy mandritra ity Fankalazana ity ny Ministeran’ny Fizahantany sy ny asa tanana ( #MTA ) ,Ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ( #MPEB ) Ary ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana Lovain-jafy ( #MEDD ) Nosafidiana manokana ny Faritra Menabe nohon’ny fananany ireo #Harena_Voajanahary na eo amin’ny sehatry ny #Toekarena_Maintso na #Toekarena_Manga anisan’izany ny fananantsika ny tsingy de Bemaraha, kirindy ,ny ala Honko , ny Belo sur mer izay Faritra arovana ahitana ireo harena anaty rano , ny allée des baobabs izay anisan’ny mahasarika mpizahantany amin’ny hatsarany sns … Raha ho an’ny Toekarena Manga dia iray amin’ireo singa izay mamorona izany #Fizahantany_Manga ( Tourisme bleue) izay iarahana miasa amin’ny MTA amin’ny fampiroboroboana izany . Ho an’ny Morondava dia ahitana ireo vatohara na récif Coralien maro ankoatr’ireo resaka fanjonoana sy vokatry ny Jono maro izay hananany , ao ihany koa ny Fizahantany siantifika. Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue #MTA #MEDD #TOURISME_BLEU #TOURISME_VERT #MORONDAVA #FARITRA_MENABE
FANATSARANA NY SEHAMPIHARIAN’NY MPANJONO : HO HAMPIROBOROBOANA NY VOKATRA HORITA & ANGISY AO AMIN’NY FARI-DRANOMASIN’NY FARITRA ANDROY.

Fandalinana ny habetsahany « Horita » sy « Angisy » ao anivon’ny fari-dranomasin’ny Faritra Androy izay tanterahan’ny #Fikambanana_VOIZO_Madagascar amin’ny alalan’ny famatsiam-bola avy amin’ny Tetikasa MIONJO. Fokontany fito anatin’ny Distrika telo, izay ao Ambovombe, Zanavo, Ikotoala; ao Tsihombe, Andranokotsa, Bevala, Edoha; ary ao Beloha, Lavanono, Analatsakoabno hatanterahana izany. Fanadihadiana sy fanarahamaso ny vokatra azon’ny mpanjono mandritra ny telo volana no natao, nanomboka ny faha 13 sept 2025 lasa teo. Ny tanjona dia ny hamantarana ny toerana misy Horita sy Angisy ary hitondrana sosokevitra sy paikady hampiroboroboana ny sehatra Horita sy Angisy, hitondra fampandrosoana ho an’ny mpanjono sy ny Faritra Androy. #MPEB #DRPEB_Androy
ONG Hay Riake : Teknolojia sy vahaolana ho an’ny ranomasina.

Madagasikara : « Ho modely amin’ny haitondra tena izy, hanome antoka ny faharetan’ny harena an-dranomasina sy amoron-tsiraka ». Ny Hay Riake no ONG malagasy voalohany izay mifantoka amin’ny hay tondran’ny ranomasina, ny morontsiraka ary ny fampiroboroboana ny sehatry ny Toekarena Manga izay manam-pahaizana amin’ny sehatra marolafy avy eto an-toerana no nanangana azy. Anisan’ny tanjon’ity fikambanana ity ny fanampiana ny fiaraha-monina, ny vehivavy, ary ny tanora mba hahay mitantana tsara ny harena sy ny rohivoahary an-dranomasina, sy hiaro ny tontolo iainana eny amoron-tsiraka. Manohana ny Toekarena Manga mba haharitra izy ary miady amin’ny fandotoana an-dranomasina. Ny teknolojia maoderina toy ny fampiasana « drône » sy ireo « logiciel » manokana no hampiasainy amin’izany, ankoatra ny fampiharana ireo fahaiza-manao sy traikefa maro ahafahana mandrindra ny fampiasana maharitra ny harena an-dranomasina. Manome fiofanana hoan’ireo mponina eny ifotony ihany koa ny ONG ary mamorona sehatra fifanakalozan-kevitra mba hahafahan’ny mpandray anjara ao an-toerana sy eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena izay hahafahana miara-miasa ihany koa. Hitondra vahaolana sy hevi-baovao maharitra izy, toy ny « Blue Bond » sy « Source to Sea », ary mizara fahalalana amin’ny alalan’ny fanadihadiana ireo antontan’isa sy ireo antontan-kevitra voangona. Tanjona lehibe ho an’i Hay Riake noho izany ny hampitodika misimisy ny malagasy any amin’ny ranomasina, noho ny maha firenena nosy azy, ary koa hanomana ireo taranaka hahafehy ny fitantanana mirindra io harem-be ananantsika io. Miantso ireo Andrim-panjakana, ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika, ary ireo manam-pahaizana i Hay Riake mba hifanome tànana aminy ho amin’ny fiarovana ny ranomasina, hanome lanja ny harena sy ny rohivoahary an-dranomasina mba hahafahan’ny mponina eny amoron-tsiraka hahay miara-miaina ao anatin’ny tontolo iainana andranomasina sy amorontsiraka maharitra ka afaka hiatrika ny vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro. Ny Ministeran’ny Jono dia miara-miasa amin’ny sehatra rehetra ary mirary fahombiazana tanteraka ho an’i Hay Riake. #ONG_Hay_Riake Madagasikara : « Ho modely amin’ny haitondra tena izy, hanome antoka ny faharetan’ny harena an-dranomasina sy amoron-tsiraka ». Ny Hay Riake no ONG malagasy voalohany izay mifantoka amin’ny hay tondran’ny ranomasina, ny morontsiraka ary ny fampiroboroboana ny sehatry ny Toekarena Manga izay manam-pahaizana amin’ny sehatra marolafy avy eto an-toerana no nanangana azy. Anisan’ny tanjon’ity fikambanana ity ny fanampiana ny fiaraha-monina, ny vehivavy, ary ny tanora mba hahay mitantana tsara ny harena sy ny rohivoahary an-dranomasina, sy hiaro ny tontolo iainana eny amoron-tsiraka. Manohana ny Toekarena Manga mba haharitra izy ary miady amin’ny fandotoana an-dranomasina. Ny teknolojia maoderina toy ny fampiasana « drône » sy ireo « logiciel » manokana no hampiasainy amin’izany, ankoatra ny fampiharana ireo fahaiza-manao sy traikefa maro ahafahana mandrindra ny fampiasana maharitra ny harena an-dranomasina. Manome fiofanana hoan’ireo mponina eny ifotony ihany koa ny ONG ary mamorona sehatra fifanakalozan-kevitra mba hahafahan’ny mpandray anjara ao an-toerana sy eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena izay hahafahana miara-miasa ihany koa. Hitondra vahaolana sy hevi-baovao maharitra izy, toy ny « Blue Bond » sy « Source to Sea », ary mizara fahalalana amin’ny alalan’ny fanadihadiana ireo antontan’isa sy ireo antontan-kevitra voangona. Tanjona lehibe ho an’i Hay Riake noho izany ny hampitodika misimisy ny malagasy any amin’ny ranomasina, noho ny maha firenena nosy azy, ary koa hanomana ireo taranaka hahafehy ny fitantanana mirindra io harem-be ananantsika io. Miantso ireo Andrim-panjakana, ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika, ary ireo manam-pahaizana i Hay Riake mba hifanome tànana aminy ho amin’ny fiarovana ny ranomasina, hanome lanja ny harena sy ny rohivoahary an-dranomasina mba hahafahan’ny mponina eny amoron-tsiraka hahay miara-miaina ao anatin’ny tontolo iainana andranomasina sy amorontsiraka maharitra ka afaka hiatrika ny vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro. Ny Ministeran’ny Jono dia miara-miasa amin’ny sehatra rehetra ary mirary fahombiazana tanteraka ho an’i Hay Riake. #ONG_Hay_Riake
