Kaominina Andriamena sy Manakana ; Distrikan’i Tsaratanàna ; Faritra Betsiboka. Akon’ny fampiofana mikasika ny fiompiana trondro.

Miroso hatrany amin’ny fanatratrarana ny tanjony ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga # MPEB# amin’ny alalan’ ireo teknisiana ao aminy. Porofon’izany ny fampiofanana maimaimpoana mikasika ny fiompiana trondro manerana ny Nosy. Nisitraka izany tamin’ny alalan’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy Toekarena manga #DRPEB Betsiboka niaraka tamin’ny ekipa avy ao amin’ny Fitaleavana misahana ny fampamokarana ny aty rano # DA avy any amin’ny Ministera foibe. Ireo mponina tao amin’ny Kaominina roa samy tao anatin’ny Distrikan’i Tsaratanàna ny faha 12 sy 14 Septambra 2025 teo. Nitotaly 108 ireo tonga nisitraka ny fiofanana momba ireo tsara ho fantatra sy ireo pitsopitsony amin’ny teknikam-piompiana trondro. Nisy ihany koa ny fitsidihana dobo izay nanaovana fampiharana sy fanomezana toromarika ara-teknika avy hatrany. Nankasitraka ny fitondram-panjakana ireo vahoaka any an toerana ary maniry ny hitohizan’izany hatrany noho ireo tombontsoa maro azo avy amin’ny fiompiana trondro no sady asa mahavelona ihany koa. #MPEB#DRPEB#Betsiboka#Fampiofanana_fiompiana_trondro# Asa Manga# Toekarena Manga
Planification Spatiale Marine (PSM) : Hivoaka tsy ho ela ny drafi-panajariana momba ny ranomasina ho an’ny Kaominina Ambanivohitra Anakao.

Mitohy hatrany ny ezaka atao amin’ny fametrahana ny drafi-panajariana momba ny ranomasina na ny « PSM » izay anisan’ny fitaovana iray hanampy amin’ny famahana ny fifandirana amin’ny fampiasana ny ranomasina sady andry anankiray antoka amin’ny fampandrosoana ara-toekarena eo amin’ny vondrom-piaraha-monina amorontsiraka. Napetraka arak’izany ny dingana fametrahana ny Planification Spatiale Marine (PSM) tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Anakao izay hiarahan’ny Ministera maromaro izay voakasika toy ny MPEB (Ministère de la Pêche et de l’Économie Bleue), ny MDAT (Ministère de l’Aménagement du Territoire) ary MEDD (Ministère de l’Environnement et du Développement Durable). Hetsika izay natao ny faha 11 – 12 Septambra 2025 teo raha toa ka tamin’ny faha 15 Novambra 2024 no nanombohana izany. Tanjon’ ny fivoriana ny fanombanana ny atontan’isa sy ireo atontan-kevitra (diagnostic maritime) mahakasika ireo mpisehatra sy ny sehatr’asany an-dranomasina ka hijerena ireo fototry ny olana sy ny firindrana misy eo amin’ny fampiasana miaraka (cohabitation) ny fari-dranomasina mba hisorohana ny fifanitsahana ary hiantohana ihany koa ny fampiasana mahomby sy maharitra ny harena an-dranomasina. Ireo atontan-kevitra voangona mandritra izao fihaonana izao dia ho harafitra mba hamokarana ny FFOM izay hitarika amin’ny famolavolana drafitra hampirindra ny fampiasana ny fari-dranomasina ao amin’ny Kaominina Anakao. Velom-bolo sahady arak’izany ireo mpisehatra sy ny solontenam-panjakana tao an-toerana, satria io drafitra io dia hantenaina ho fitaovana mahomby hitondra vahaolana maharitra sy hampiroborobo ny Toekarena eny ifotony sy ho tombontsoan’ny maro izay maintsehatra eo amin’ny ranomasina. Izao no tontosa dia noho ny tantsoroka avy amin’ny Tetikasa MIONJO. #MPEB_MEDD_MDAT #DRPEB_Atsimo_Andrefana #MIONJO #TOEKARENA_MANGA #PSM
Antsohihy, Faritra SOFIA Sampan-draharaha ny fangaraharana sy ny ady @ kolikoly

Nanatanteraka fitsidihana ara-pombam-panajana an’ Atoa Sekretera Jeneraly ny Faritra Sofia ny avy ao amin’ny #STAC_MPEB na ny sampan-draharaha ny fangaraharana sy ny ady amin’ny Kolikoly eo anivon’ny MPEB sy ny solon-tenan’ny BIANCO avy any Mahanjanga ny 15 septambra 2025. Betsaka ny zavatra noresahana ka tafiditra anatin’izany ny dinika hijerena akaiky momba ny ady amin’ny Kolikoly sy ny fangaraharana atao amin’ny Faritra ary niresaka momba ny fanofanana mandritrany roa andro ireo mpiara-miasa eo anivon’ny fitaleavam-paritra ny ministera ny jono sy ny toekarena manga. #DRPEB_SOFIA #STAC #MPEB #BIANCO #ADY_KOLIKOLY
Nosy Be,Faritra DIANA :Fanamafisana ny firaisankina’ireo Fikambanana Union GEC Arrondissement Dzamandzar.

Zava-dehibe ao anatin’ny fikambanana ny fanokanana fotoana iray hahafahana mifampizara sy mifanakalo traikefa mba entina hanatsarana ny fikambanana.Nifamotoana arak’izany ireo mpikambana ao anatin’ny Union GEC Arrondissement Dzamandzar Nosy Be ny faha 13 Septambra 2025 teo ary nanatanteraka ny zaika fanao eo anivon’ny fikambanana. Fikambanana GEC miisa 43 izay hahitana mpikambana miisa 1 250 no tonga nanatrika ity zaika ity ary marihina fa ny Hetsika dia fihaonana sy fanehoana ny 3F (Fifankatiavana, Fahendrena, Fandiferana) ary fampahalalana ireo olona mpitantana mandrafitra ny VONDRONA GEC vaovao, izay vao avy nofidian’ireo mpikambana . Izany dia nialohavan’ny Diabe nitety ny Tanana Dzamandzar fanehoana izany firaisankina izany. Tonga nanotrona izany ny solontenam-panjakana isan-tsokajiny izay manaporofo hatrany ny fahombiazana napetraky ny Tetikasan’ny Ministera na efa nifarana tamin’ny taona 2023 aza ny tetikasa SWIOFish2. #MPEB #DRPEB_DIANA #CirPEB_Nosy_Be #GEC #La_Clé_3
Fanatsarana ny seha-pihariana drakaka. Notolorana Fampiofanana momba ny fampiasana fitaovam-panjonoana sy fanazavana ny lalàna mifehy ny jono ireo mpanjono.

Nandritra ny andro roa nisesy dia nisy fampiofanana manokana natolotra ho an’ny mpanjono tao amin’ny Distrikan’Antsohihy, Faritra SOFIA mba hanatsarana ny fomba fampiasana ireo fitaovam-panjonoana drakaka sy trondro. Ny faha 10 Septambra 2025 no natao izany fampiofanana izany tao amin’ny Fkt Ankingalalotra, Kaominina Ambanivohitra Ambodimandresy, Distrikan’Antsohihy ka Mpanjono miisa 25 no nanatrika ny fiofanana raha ny 11 Septambra 2025 kosa ny tao amin’ny Fkt Antafiampatsa, ao amin’ny Kaominina sy Distrikan’Antsohihy ihany, no nanatanterahana ny fampiofanana faharoa ary mpanjono miisa 30 no tonga nanatrika. Fanampin’izay dia nisy koa ny fampatsiahivana natao momba ireo lalàna mifehy ny jono toy ny fitsipika mifandraika amin’ny vanim-potoana voafetra fihidin’ny jono sy ny faritra azo anjonoana mba hampiroboroboana ny fanjonoana maharitra sy hanajana ny fitsipika napetraky ny fanjakana. #MPEB #DRPEB_Sofia #Jono_Madinika #Toekarena_Manga
Nosy Maorisy, 09-10 Septambra 2025: Famaranana ny fandaharanasa ECOFISH.

Taorian’ny enin-taona nanaovana nisiany, dia nofaranana ny fandaharanasa ECOFISH, izay novatsian’ny Vondrona Eoropeana ary notanterahin’ny COI niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-potoana (COMESA, EAC, IGAD, SADC, LVFO, LTA), dia nifarana amin’ny 12 Septambra 2025. Firenena 18 ao amin’ny faritra Atsinanana sy Atsimo amin’i Afrika ary ny Ranomasimbe Indiana ny mpahazo tombotsoa. Napetraka ho fototra ny hampaharitra ny sehatr’asa jono, ka nahitana vokatra matanjaka toy ny fampiasana fitaovana vaovao manaraka ny toetr’andro, fanamafisana ny fiaraha-miasa, ary fanohanana ireo vondrom-piarahamonina fa indrindra ireo mpanjono eny ifotony. Tanjona ny hiantohana fa hitohy ny lova navelan’ny ECOFISH amin’ny alalan’ny rafitra, fitaovana, fiaraha-miasa ary fotodrafitrasa maharitra », io no nambaran’Andriamatoa Edgard Razafindravahy, Sekretera Jeneralin’ny COI tamin’ny lahateny nataony. Nankasitrahana manokana ny asa nataon’ireo ekipa sy ny fandraisan’anjaran’ny mpiara-miombon’antoka rehetra. Fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny fitantanana ny jono, ny fampidirana fitaovana manavao amin’ny fanaraha-maso sy fanangonana antotan’isa, ary ny fanohanana ny vondrom-piarahamonina amoron-dranomasina amin’ny alalan’ny tetikasa ifotony, ireo no nisitrahan’i Madagasikara tao anaty ny Fanadaharanasa. Ankoatra izany, ECOFISH dia nanampy betsaka amin’ny fampiroboroboana ny toekarena manga eto Madagasikara. Tafiditra tanteraka amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ireo rafitra toy ny COI, SADC, sy ny hafa, izay manamafy ny fandraisana anjara sy ny fahaiza-manao nasionaly amin’ny fitantanana maharitra ny jono sy ny tontolo an-dranomasina. #MPEB #COI #ToekarenaManga #Jono #ECOFISH #UE
Kaominina Ambanivohitra Ankily, Distrikan’Ihosy, Faritra Ihorombe. Famoahana ireo tanora tantsaha nahazo fiofanana.

Manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro izay miantraika mivantana amin’ny seha-pamokarana eny ambanivohitra dia ilaina ny fampiofanana ny tantsaha. Paikadin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB ny mizara ny teknikam-piompiana trondro manerana ny faritra rehetra eto Madagasikara.Navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny faha 12 Septambra 2025 teo ireo tanora 33 mianadahy niofana nandritra ny 03 volana tao amin’ny Foibe Fanofanana Tanora Tantsaha ao Ampandratokana Distrikan’Ihosy. Isan’ny nizara ny teknikam-piompiana trondro tamin’izy ireo nandritra izany ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Ihorombe.Nozaraina hanampamokarana ihany koa izy ireo tao aorian’ny fiofanana ahafahana manomboka ny fihariany.Ny ONG Tsimoka no nanome ny tantsoroka nahafahana nanao izao fampiofanana izao hatramin’ny farany. #MPEB #DRPEB #ONG_Tsimoka #Fampiofanana_tantsaha #Fiompiana_Trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga
Taolagnaro Faritra Anôsy : Fampiofanana fiompiana trondro.

Mpianatra avy ao amin’ny Oniversite #IES_Anôsy miisa 20 no nahazo fiofanana fiompiana trondro tao amin’ny #DRPEB_Anôsy ny 09 Septambra 2025. Novelabelarina tamin’izy ireo ny karazam-piompiana trondro an-tanety, an-tanimbary ary anaty vovo mitsingevana. Teo ihany koa ny fomba amin’ny fanamboarana dobo, ny fiompiana sy famokarana zanatrondro ary ny fanamboarana sakafo mifangaro. Natao izao fampiofanana izao mba hifameno amin’ny fianarana izay tanterahin’izy ireo ny sehatry ny fiompiana trondro ho asa mahavelona. Nisy ihany koa ny fidinana an-kianja tao amin’ny toeram-piompiana trondro izay tantanin’ny Fikambanana #TANAMAITSO eny Manantantely. Samy afa-po ny rehetra nahita ny ezaka vitan’ny Fikambanana TANAMAITSO. #MPEB #Fampamokarana_ny_Atirano
Fiaraha-mientan’ireo Mpisehatra ho Fampiroboroboana ny Asa Manga amin’ny Fampamokarana Anaty Rano.

Nitohy ny faha-11 Septambra 2025, tao amin’ny Faritr’i Matsiatra Ambony, ny fivoriana ara-teknika niarahana tamin’ireo mpisehatra amin’ny sehatry ny fiompiana trondro. Ity fivoriana ity dia natao hanamafisana ny fiaraha-miasa sy hampiroboroboana ny asa manga amin’ny alalan’ny fampamokarana anaty rano, mba hiantohana ny fampandrosoana maharitra sy ny fahombiazan’ity seha-pihariana ity. Nandritra ny asam-baomiera no nandinihina ireo lohahevitra heverina ho tena mana-danja ka anisan’izany ny momba ny olana mifandraika amin’ny tsy fisian’ny teknisiana ampy eo anivon’ny faritra ary ny sakana eo amin’ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa mahomby eo amin’ireo mpisehatra rehetra. Teo ihany koa ny fepetra tokony horaisina mba hiatrehana ireo olana voalaza. Nisy ny fandrafetana ireo asa manokana ho tanterahina, toy ny fanofanana teknisiana vaovao, ny fanatsarana ny fotodrafitrasa ho an’ny fiompiana trondro. Ary farany dia ny fe-potoana hanatanterahan’ireo tompon’andraikitra mba hahazoana antoka fa hiroso amin’ny fomba voarindra ny tetikasa rehetra. Ny fikambanana MIARISOA eto dia efa voafidy ho anisan’ireo ho mpisehatra anatin’ity fampiroboroboana ny famokarana anaty rano ity ka voafantina hitantana ny ZEP (Zone d’Emergence Piscicole) ao Ampamaherana. Ity fikambanana ity dia hanana andraikitra lehibe amin’ny fanaraha-maso sy fampandrosoana ny asa manga ao amin’io faritra io ka anisan’izany ny fanohanana ny mpiompy trondro sy ny fiantohana ny kalitaon’ny vokatra. #MPEB #DRPEB_Matsiatra_Ambony #MIARISOA #ZEP #Toekarena_Manga
FAO : NANOLOTRA MILINA FANAMBOARANA LAGILASY » HO AN’NY RENAFEP MADAGASIKARA

Ho fampiroboroboana ny sehatry ny Jono madinika eto amin’ny Faritra Atsimo Andrefana hatrany dia Nisy fanolorona amin’ny fomba ofisialy ny « machine à glace » na Milina fanamboarana lagilasy ho an’ny RENAFEP MADA eto Toliara . Fampitaovana avy amin’ny Mpiara-miombon’antoka #FAO Izay mamokatra lagilasy 1 taonina isan’andro. Nisy ihany koa ny trano vaovao avy amin’ny MPEB izay nohajarian’ny FAO hatrany nentina nametrahana ity Milina ity. Izy ity izay manampy ihany koa amin’ny fampihenana ny vokatra Simba manoloana ny fanjonoana miompampana mba hisian’ny Jono maharitra ho Lovain-jafy. Hisy fiantraikany mivantana amin’ny lafiny ara-pahasalamana satria vokatra tsara kalitao sy madio ihany koa no mivoaka ao aminy . Ho any fikambanan’ny vehivahy ao amin’ny Renafep Manokana dia Anisan’ny hanatsara ny foto-piveloman’izy ireo ny fisian’ity Milina ity. Ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert no nanolotra izany tamin’ny fomba ofisialy Ary natrehin’ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny sy Tompon’andraikitram-panjakana isan’ambaratongany. « Hampiasao amin’ny fahendrena sy firaisan-kina tanteraka ireo fitaovana ireo ary aoka hifanampy sy hifampizara zavatra tsara ho fampandrosoana ity firenentsika ity » hoy kosa ny nambaran’ny avy ao anivon’ny FAO nandritra ny fandraisam-pitenenany. Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert #FAO #RENAFEP_MADA #MACHINE_A_GLACE
