Vitrine du Vakinankaratra andiany faha 27 Antsirabe.

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny faha 11 Septambra 2025 teo ny Vitrine du Vakinankaratra izay ahitana trano heva manodidina ny 340 eo izay samy nampiranty ireo vokatra vokarina ao amin’ny faritra Vakinankaratra.Ny lohahevitra noraisina tamin’ity hetsika ity dia ny hoe: « La croissance des Entreprises, conditions essentielles pour un développement intégré et durable de la région. » Araka io lohahevitra io dia tsy diso anjara fa omena tantsoroka ihany koa mpandraharaha misehatra amin’ny Toekarena Manga mandritra ity andiany faha 27 ity ny # DRPEB Vakinankaratra # no misolotena ny sehatry ny Jono sy ny Toekarena Manga ao anatin’izao hetsika goavana izao. Amin’ny ankapobeny dia misy tsy tapaka ny hazan-drano isan-karazany amin’ny kalitao tsara sy amin’ny vidiny mirary mandritra ny hetsika. Teo ihany koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny ONG APDRA izay nahafahana nanome tantsoroka ireo mpiompy trondro ka Sady mivarotra zana-trondro izy ireo no mampiranty ireo karazana karpa fakana taranaka. Tsy hadino ny fampirantiana ireo paikady, ireo antontan’isa sy ny asa vita ny Ministera ary ny fampahafantarana ny lalana mifehy ity sehatra ity. Marihina fa haharitra 3 andro eo ity hetsika ity #MPEB #DRPEB_Vakinankaratra #ONG_APDRA #Vitrine_du_Vakinankaratra
Transparence et Lutte contre la corruption Diego-Suarez, Faritra DIANA

Sampan-draharaha ny fangaraharana sy ny ady @ kolikoly Ny governemanta sy ny fikambanana iraisam-pirenena dia manao asa maro, indrindra amin’ny alalan’ny BIANCO, izay misahana ny fanadiovana sy ny famafisana ny lalàna momba ny ady amin’ny kolikoly. Paikady iray izay mitondra ny fanavaozana ny lalàna, fanabeazana ny olona (indrindra ny tanora sy ireo manam-pahaizana) ary fanamafisana ny lafiny fanaraha-maso. Nitohy ny faha-12 Septambra 2025, tao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy Toekarena Manga # DRPEB DIANA# ny fampahafantarana sy ny fivoriana niarahana tamin’ireo solon-tenan’ny BIANCO tao amin’ny Faritra momba ny sehatra ady amin’ny Kolikoly mba hanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fitondrantena tokony ananan’ny mpiara-miasa tsirairay ary nahafahana nametraka ny lamin’asa momban’ny fangaraharana sy ny ady amin’ny Kolikoly. #DRPEB_DIANA #STAC_MPEB #BIANCO #ADY_KOLIKOLY
FANATSARANA NY VOKATRA AVY AMIN’NY JONO: NISITRAKA « CAMION FRIGORIFIQUE » NY FIKAMBANAM-BEHIVAVY RENAFEP MADAGASIKARA;Mahavatsy II ,Toliara , Faritra Atsimo Andrefana.

Fiara lehibe « Camion frigorifique » iray no natolotra tamin’ny fomba ofisialy ho an’ireo fikambanan’ny vehivahy vadina mpanjono #RENAFEP_MADA eto Toliara Anio 12 septambra 2025. Fanomezana avy amin’ny Tetikasa #PROFISH_BLUE ao amin’ny Vondrona #SADC Izay vatsian’ny #BAD ity fiara lehibe ity izay entina hanampiana azy ireo amin’ny fitateram-bokatra avy amin’ireo toerana lavitra mba ho ara-pahasalamana hatrany. Marihina fa Tafiditra anatin’ny fankalazan’izy ireo ny 5 taona nijoroan’ny fikambanana ity Hetsika ity. Izany dia hanampy betsaka amin’ny fanatsarana sy fitazomana ny kalitaon’ny vokatra izay miainga avy eny an-driaka mandra-pahatonga eny amin’ny an-toerana ivarotana azy ary mampihena ihany koa ireo vokatra simba na very raha betsaka loatra. Hiriana arak’izany fa hitondra fanovana lehibe eo amin’ny sehatry ny lalam-barotra ho azy ireo ny fisian’ity fitaovana ity Ary hiroborobo hatrany ny sehatry ny Jono ao an-toerana. Teny an-toerana ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert nanolotra izany tamin’ny fomba ofisialy izay natrehin’ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny sy ireo olom-panjakana rehetra an-toerana Ary ireo mpanjono sy vadina mpanjono . Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert #PROFISH_BLUE #BAD #SADC #CAMION_FRIGORIFIQUE #TOLIARA #ATSIMO_ANDREFANA
Fascene,Kaominina ambanivohitra Bemanondrobe,Distrikan’i Nosy Be,Faritra DIANA.

Fampiofanana mikasika ny fanatavezana drakaka. Maro ireo karazana teknika fiompiana sy fomba fanjonoana izay zarain’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB# mba hampitomboana ny famokarana anaty rano ka isan’izany ny teknika momba nyy fanatavezana drakaka.Nisitraka izany ireo mpanjono miisa 30 izay notarihin’ny filohan’ny fivondronan’ny mpanjono MANONGALAZA ao Fascene ,distrikan’i Nosy Be ny faha 11 Septambra 2025 teo. Ny ekipa avy ao amin’ny Fari-piadidian’ny Jono sy ny Toekarena Manga #CirPEB Nosy Be# tao an-toerana no nizara ny traikefany nandritra izany. Tanjona ny hampihenana ny fitrandrahana tafahoatra ny vokatra sy hampitomboana ny fidiram-bolan’ireo mpanjono. #MPEB#CirPEB#Nosy Be#Fiofanana_Fanatavezana_drakaka.
Kaominina Ambanivohitra Andasibe sy Ambatovola,Distrikan’i Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro.

Fampitaovana ireo Vondron’olona eny Ifotony. Miantoka ny fahombiazana amin’ny asa fiompiana trondro ny hatsaran’ny fitaovana ampiasaina.Arak’izany dia tanora miisa 08 ao amin’ny kaominina Andasibe sy Ambatovola samy ao anatin’ny Distrikan’i Moramanga no nahazo fampitaovana maro samihafa avy amin’ny Ministeran’ny Jono sy nyToekarena Manga# MPEB# ny faha 10 Septambra 2025 teo izay vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny « Jeunes Actifs pour le Developpement Durable »JADD. Tanjona ny hampiroboroboana ny sehatry ny fiompiana trondro ao an-toerana.Natao ihany koa izao hanamafisana ny fiarovana ny tontolo iainana sy hiatrehana ny vokatry ny fiovaovan’ny Toetrandro. #MPEB#DRPEB# Alaotra Mangoro #Fampitaovana_VOI#JADD#Fiompiana_trondro# Asa Manga #Toekarena Manga
Ampandrianomby Antananarivo,Faritra Analamanga.10 Septembre 2025

Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ny delegasiona avy amin’ny « Global Fishing Watch » GFW izay tarihin’Atoa Dame Mboup ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB. Nihaona tamin’A/toa MAHATANTE Paubert Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga ny delegasiona avy amin’ny GFW izay ONG iraisampirenena mpiara-miombon’antoka amin’ny Ministera manoloana ny ady atao amin’ny Jono tsy manaradalana tsy voafanambara ary tsy voafehindalana Peche INN. Nankasitraka hatrany ireo ezaka tsara izay vitan’i Madagasikara ny ONG GFW izay manome tatitra isan-telo volana momba ny zava-miseho mahakasika ny resaka jono ao anatin’ny ranomasina izay iadidian’i Madagasikara na ny zone économique exclusive. Marihina fa ny GFW dia iray amin’ireo Mpiaramiombonantoka amintsika amin’ny ady atao amin’ny peche INN toy an’ny ONG Sea Shepherd, ny Ocean Mind sns #MPEB #GFW #Peche_INN #ONG_Sea_shepherd #Ocean_mind.
Diego-Suarez, Faritra DIANA: Sampan-draharaha hoan’ny fangaraharana sy ny ady @ kolikoly #STAC#

Tonga eto Antsiranana ny #STAC_MPEB na ny sampan-draharaha hoan’ny fangaraharana sy ny ady amin’ny Kolikoly eo anivon’ny MPEB ka nanatanteraka ny fitsidihana ara-pomba fanajana ireo tompon-andraikitra eo anivon’ny sampan-draharaham-paritra Bianco teto Antsiranana an’io faha 11 septambra 2025. Nisy ny fifanakalozan-kevitra sy ny dinika hifantohana bebe kokoa amin’ny fiaraha-mientana ho famahana sy ny ezaka tokony hitohizana momba ny ady amin’ny Kolikoly sy ny fametrahana ny fangaraharana eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny Jono eo anivon’ny Faritra. #DRPEB_DIANA #MPEB #BIANCO #ADY_KOLIKOLY #PPSPAS
Centre FOFAJA , Fokontany Miaramasoandro, Distrikan’ Antsirabe, Faritra Vakinankaratra.

Nidina ifotony, nitsidika ity ivon-toeram-panofanana Jamba ao Antsirabe ity ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Vakinankaratra ny faha 10 Septambra 2025. Tanora manana olana amin’ny fahitana avy amin’ny lafy valon’ny Nosy no raisina an-tanana ao. Araka ny fangatahana voaray dia hametrahana tobim-piompiana trondro manaram-penitra ny eo anivon’ny #FOFAJA ka ny #DRPEB_Vakinankaratra no hitondra ny tantsorina ara-teknika ilaina amin’izany. Ny avy ao amin’ny #ENSOA kosa no manome tanana ara-kolona ho amin’ny fanarenana ny dobo. Afaka mamokatra trondro matavy manodidina ny 1,5T isan-taona ity toerana ity raha manao « cycle » roa. Isan’ny anjara biriky hoentin’ny FOFAJA kosa ny hamadika ireo « fiche technique » fiompiana trondro efa navoakan’ny Ministera ny Jono sy Toekarena Manga ho amin’ny soratra « Braille » hisitrahan’ny Malagasy rehetra. #MPEB #Fampamokarana_ny_Atirano
AO & MPEB : HIARA-HIASA HANAMAFY NY FANATSARANA NY FAMOKARANA NY FANJARIAN-TSAKAFON’IREO MPANJONO MADINIKA

Anisan’ny laharam-pamehana hapetraky ny fitondram-panjakana ankehitriny ny fanovana ny rafim-pamokarana na ny « transformation agricole » Tafiditra ao anatin’izany ny sehatry ny fanjonoana izay ao anatin’ny Agriculture « A ». 97% ny vokatra vokarintsika eto Madagasikara dia avy amin’ny sehatry ny #Jono_madinika avokoa ary manodidina 1 500 000 isa ireo olona mivelona aminy raha 150 000 kosa ireo mpanjono miantsehatra amin’izany. Ho hamafisina arak’izany ny #fanatsarana ity sehatry ny Jono madinika amin’ny alalan’ny #fametrahana #Tetikasa vaovao ho fanatsarana ny fanjarian-tsakafon’ireo mpanjono madinika izay iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka #FAO. Hiara-hitady vahaolana maro #hampaharitra izany ho #Lovain_jafy ,anisan’izany ny fahafahan’izy ireo miatrika ny fiovaovan’ny toetrandro sns .. Faritra 4 eto Madagasikara no hametrahan’ny FAO ny Tetikasa hanatsarana ity sehatra ity dia ny Faritra #Atsimo_Andrefana , #Faritra_Boeny , #Faritra_Androy Ary ny #Faritra_Alaotra_Mangoro. Misy arak’izany ny atrikasa ho fanaingana ity Tetikasa ho fanatsarana ny Jono madinika iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka FAO ity izay tanterahina eto Toliara ,Faritra Atsimo Andrefana. Ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert no nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy Ary hita mandray anjara ao avokoa ireo mpanamahay , mpiara- miombon’antoka, ny Ministera sns…. Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue #FAO #JONO_MADINIKA #JONO_MAHARITRA #TOLIARA_FARITRA_ATSIMO_ANDREFANA
Akon’ny Fampiofanana momba ny Fiompiana Trondro, Distrikan’i Tsaratanana, Faritra Betsiboka.

Anjaran’ny Kaominina Ambakireny indray no nisitraka ny fampiofanana fiompiana trondro ny faha 09 Septambra 2025 ary ny faha-10 Septambra 2025 kosa ho an’ny Kaominina Brieville izay samy ao amin’ny Distrikan’i Tsaratanana, Faritra Betsiboka ka miisa 160 eo no nanatrika ity fampiofanana ity izay nahitana mpiofana 120 avy any Ambakireny ary 40 kosa avy any Brieville. Nifantoka manokana tamin’ny fiompiana trondro an-dobo sy ny fiompiana trondro any an-tanimbary ny lohahevitra nozaraina nandritra ny fampiofanana izay mifanaraka amin’ny zavamisy any an-toerana sy ho famaliana ny fangatahan’ireo mpandray anjara ary nampifanarahana tamin’ny filan’ny faritra ireo teknika nampianarina. Anisan’ny zava-nisongadina nandritra ny fampiofanana ny fitsidihana ny dobon’i Atoa Jafary tao Ambakireny. Nandritra io fitsidihana io dia afaka nijery mivantana ny fomba fiasa mahakasika ny fiompiana trondro ny mpandray anjara. Fanampin’izany dia nisy ihany koa ny fitsidihana ny toerana izay kasain’i Atoa Jafary hampiasaina ho fiompiana trondro vaovao. Tena resy lahatra ny amin’ny hasarobidin’ny fiompiana trondro i Atoa Jafary, ka vonona izy hamadika ny tanimbariny ho dobo fiompiana trondro mba hanamafisana ity sehatra ity. Tonga nanohana izao hetsika izao ireo manampahefana isan-tsokajiny tao an-toerana, anisan’izany ny Lehiben’ny Fkt maromaro, ny Ben’ny Tanàna, ary ny Lefitry ny lehiben’ny Distrika misahana ny faritra Tsaratanana Atsimo. Ny fanatrehan’ireo manampahefana ireo dia nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fampiofanana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny vahoaka sy ny tompon’andraikitra eo an-toerana mba hampiroborobo ny fiompiana trondro ao amin’ny faritra. #MPEB #DRPEB_Betsiboka #Fiompiana_Trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga
