Kaominina Ambanivohitra Antanambao Manampotsy, Faritra Atsinanana: Akon’ny Fiofanana momba ny Fiompiana Trondro.

     Azo antoka fa hitombo ny isan’ny mpiompy trondro ao amin’ny Distrikan’i Antanambao Manampotsy indrindra taorian’ny fandraisana anjara mavitrika sy ny fahavononan’ireo mponina tamin’ny alalan’ny fampiofanana fiompiana izay natao ny faha-11 Septambra 2025, tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Antanambao Manampotsy, Distrikan’i Antanambao Manampotsy, Faritra Atsinanana ;125 no tonga nanatrika tamin’ity fiofanana ity ka ny 43 amin’izy ireo dia efa mpiompy trondro izay tonga mba hanatevina ny traikefany sy hizara ny fahalalany.      Nisy ihany koa ny fifanakalozan-kevitra sy fizarana traikefa teo amin’ireo mpiompy efa za-draharaha sy ireo vao hiditra amin’ity sehatra ity. Natao ihany koa ity fiofanana mba hanomezana fahalalana sy teknika fototra ilaina amin’ny fiompiana trondro, indrindra ny fomba fiompiana mifanaraka amin’ny zavamisy ao an-toerana sy ny filan’ny mpiompy, manome tombony ihany koa ho an’ny mponina ao Antanambao Manampotsy ary antenaina fa hitondra fiovana tsara eo amin’ny fampandrosoana ny distrika izao hetsika natao izao. #MPEB #DRPEB_Atsinanana #Antanambao_Manampotsy #Fiompiana_Trondro #Toekarena_Manga

Kaominina Ambonivohitra Toliara, Fivorian’ny COS na Comité d’Orientation et de Suivi (COS) ho an’ny faritra arovana Amoron’i Onilahy.

    Notanterahina tao amin’ny Restaurant GASS’KALY Sanfily, ao an-tanànan’i Toliara, ny fivorian’ny Comité d’Orientation et de Suivi (COS) ny faritra arovana Amoron’i Onilahy ny 04 Septambra 2025 lasa teo. Io fivoriana io dia natao mba hanohizana ny fanaraha-maso misy an’ity faritra arovana ity, izay manana velaran-tany 100 482 hektara eo. Ny faritra arovana Amoron’i Onilahy dia ao anatin’ny Kaominina ambanivohitra miisa 15 manamorona ny Renirano Onilahy manomboka amin’ny Kaominina ambanivohitra Antohabato ka hatrany amin’ny Soalara-Sud.     Anisan’ny lohahevitra nojerena tamin’izany ny tatitra momba ny asa vita tamin’ny taona 2024 izay azo lazaina fa nahitana vokatra tsara, naseho nandritra izany koa ny valiny tamin’ny fanombanana ny METT 2024 ho an’ny faritra arovana Amoron’i Onilahy, izay nahitana fiakarana niakatra hatrany amin’ny 79,5%.Naseho teto ihany koa ny Drafitr’Asa hoan’ny taona 2025 na ny PTA 2025, izay efa mandeha ny asa amin’izao fotoana izao. Ny PTA 2025 dia mifantoka amin’ny fiarovana ny zava-manan’aina sy ny zava-boahary ao amin’ny faritra arovana Amoron’i Onilahy, ny fanamafisana ny fanaraha-maso eny ifotony , ny fanentanana ny olona momba ny lalàn’ny faritra arovana sy ny famporisihina ny fambole-kazo. Tsy adino ny nanamafy ny famolavolana ny Dinan’ny faritra arovana, izay manampy amin’ny fanaraha-maso tsara kokoa ny faritra.Ary farany dia ny fanomezana tombotsoa fanampiny ho an’ireo mpitantana eny an-toerana ny COS, mba hanohizana ny ezaka efa vita.     Marihina fa ny ONG WWF no nanohana ara-bola nafahana nanatontosa ity hetsika ity ary tonga nandray anjara tamin’ny fivoriana ireo sehatra rehetra voakasika toy ny tompon’andraikim-panjakana eo an-toerana , ny DREDD, DRPEB, Mines, Transport, Sécurité Public, CB Toliara II sy Betioky, APMF, TOPO, DOMAINE, DRAE, Aménagement, COBA, WWF. #MPEB #ONG_WWF #COS

Kaominina Ambanivohitra Anosiala, Analavory ary Ampasimanjeva, Distrikan’i Manakara, Faritra Fitovinagny. Fitsidihana asa fanamboarana Dobo trondro.

    Tsy mijanona amin’ny fampiofanana fa misy ihany koa ny fanaraha-maso ny fampiharana ataon’ireo nahazo fiofanana mikasika ny fiompiana trondro omen’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga# MPEB#. Tantsaha 03 eo andalam-panamboarana dobotrondro ao amin’ny kaominina 03 samihafa anatin’ny Distrikan’i Manakara no notsidihin’ny ekipa eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga# DRPEB #Fitovinagny ny faha 09 Septambra 2025 teo.     Fotoana nanomezana toromarika ara-teknika mikasika ny fanamboarana dobo hampahomby ny fiompiana kasaina hatao.Nankasitraka ny finiavana ananan’izy ireo ny DRPEB ary nanome toky fa vonona hatrany hiara-miasa amin’izy ireo hampiakarana ny vokatry ny fiompiana trondro any an toerana. #MPEB#DRPEB#Fitovinany#Fiompiana_trondro#Asa_manga.

Ampandra, Distrikan’Ihosy, Faritra Ihorombe.

     Nidina ifotony ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Ihorombe ny faha 09 Septambra 2025, tao Ampandra, Fokontany Ankily, Kaominina Ambanivohitra Ankily, Distrikan’Ihosy, Faritra Ihorombe.      Taorian’ny fampiofanana fiompiana trondro nataon’ny #DRPEB_Ihorombe dia maro ny tantsaha maniry ny hisehatra amin’ity fihariana trondro ity ary isan’izany ireo tantsaha efa nanana dobo trondro namboarin’ny #AROPA sy ny #PNUD izay miisa 350 tao anatin’ny Faritra Ihorombe kanefa tsy miasa noho ny olana famatsiana rano.       Tanjona amin’izao fidinana ifotony izao ny hikaroham-bahaolana hampihodinana sy hamelomana indray ireny dobo ireny indrindra amin’ny famatsiana rano azy ireny satria tsy simba ny foto-drafitrasa fa ny rano no tsy misy.        Teo ihany koa ny fanentanana ireo tantsaha amin’ny fanaovana fiompiana trondro an-tanimbary eny amin’ny toerana izay mbola tsy tapaka rano toy ny hita teny an-toerana. #MPEB #Fampamokarana_ny_Atirano

09 Septambra 2025 , Novotel Alarobia, Antananarivo Faritra Analamanga. Atrikasa fampiofanana ireo teknisianina Marolafy misehatra amin’ny ady atao amin’ny Jono tsy manaradalana tsy voafanambara ary tsy voafehin-dalana# Pêche INN#

      Mitohy hatrany ny ezaka tanterahin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB# miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy mikasika ny ady atao amin’ny# Pêche INN#. Araka izany dia misy ny atrikasa karakarain’ny Global Fishing Watch #GFW# nanomboka androany faha 09 Septambra hatramin’ny 12 Septambre 2025 ho avy izao momba ny fampiasana ny fitaovan’ny GFW hanamafisana ny fanjohina,ny fisafoana ary ny fanarahamaso (SCS) ny asa fanjonoana eo anivon’ny faridranomasin’i Madagasikara. Tonga nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Sekretera jeneralin’ny Ministera Atoa TILAHY Désiré notronin’ny Tale Jeneran’ny Jono sy ny Fihariana anaty rano #DGPA# sy ny Tompon’andraikitra eo anivon’ny GFW.        Teknisianina avy amin’ny sehatrasa maro samihafa no miatrika izany toy ny avy ao amin’ny MPEB, ny CSP, GFW,ny APMF,ny MEED ary ny solontena avy amin’ny fiarahamonimpirenena.Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manao sy hanafainganana ary hanatsarana ny atontam-baovao mikasika ireo sambo manjono tsy ara-dalana eo anivon’ny fari-panjonoan’i Madagasikara amin’ny alalan’ny teknolojia manaraka ny toetr’andro. MPEB#GFW#Fampiofanana_Teknisianina# Pêche INN

Kaominina Ambanivohitra Manambolosy, Distrikan’i Mananara-Nord, Faritra Ambatosoa, Fampiofanana sy Fampahafantarana ny Lalàna Mifehy ny Mpanjono madinika.

      Ny fampiofanana sy ny fanentanana mikasika ny lalana ary ny fidinana ifotony tanterahin’ny tompon’andraikitra dia dingana lehibe ho an’ny fampandrosoana ny sehatry ny fanjonoana ary hantenaina fa hitondra tombony maro eo amin’ny fiveloman’ny mpanjono sy ny fiarovana ny harena an-dranomasina ao amin’ny Faritra Ambatosoa.       Notanterahina ny faha-07 sy 08 Septambra 2025 teo tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Manambolosy, Distrikan’i Mananara-Nord, Faritra Ambatosoa, ny fampiofanana mikasika ny teknika amin’ny fanjonoana maharitra sy ny fampahafantarana ny lalàna mifehy ireo mpanjono madinika ka Mpanjono miisa 257 avy amin’ny Fkt efatra, dia ny tao Tanjona, Anoromby, Mahasoa, ary Fontsimaro, no nandray anjara tamin’ity hetsika ity.       Ity fampiofanana ity dia natao hanatsarana ny fahaizan’ny mpanjono madinika amin’ny fampiasana ireo teknika fanjonoana maharitra izay manaja ny tontolo iainana an-dranomasina sy miantoka ny faharetan’ny harena an-dranomasina. Ankoatra izany dia nisy ihany koa ny fampahafantarana mikasika ny lalàna sy fitsipika mifehy ny asa fanjonoana mba hiantohana ny fanarahan-dalàna sy ny fitantanana tsara ny loharanon-karena an-dranomasina.        Ity hetsika ity dia anisan’ny fanatanterahana ny tamberin’andraikitry ny orinasa REFRIGEPECHE_EST izay miara-miasa akaiky amin’ny Ministera amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny Jono #MPEB #DRPEB #Ambatosoa #RSE #REFRIGEPECHE_EST #Jono_madinika #Toekarena_Manga

Sekoly Ambonin’ny Zandarmariam-pirenena (ESGN) Moramanga, Distrikan’i Moramanga Faritra Alaotra-Mangoro.Sekoly Ambonin’ny Zandarmariam-pirenena (ESGN) Moramanga, Distrikan’i Moramanga Faritra Alaotra-Mangoro.

     Miroso hatrany eo amin’ny seha-pihariana fiompiana trondro ny eo anivon’ny ESGN Moramanga.     Ankoatra ny fiofanana mikasika ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany dia mandrato fahalalana hafa ihany koa ireo mpiofana ao amin’ny ESGN Moramanga.Noho ny fisian’ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena #MPEB# dia nisitraka fampiofanana maimaimpoana mikasika ny fiompiana trondro ireo olona 416 ao Moramanga ny faha 08 Septambra 2025 teo.      Tao aorian’ny fampianarana anaty efitra dia nomena azy ireo ihany koa ny fampianarana teny an-tsehatra ho fampiharana izany.Tanjona ny hanapariahana ny teknikam-piompiana trondro any amin’ny toerana hiasany. #MPEB##ESGN Moramanga Alaotra_mangoro#Fiompina_trondro# Asa Manga# Toekarena Manga

Vohimasy, Distrikan’i Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana. Akon’ny Fampiofanana mikasika ny fiompiana trondro.

      Maniry ny te hiompy trondro ireo fianakaviana tantsaha ao Vohimasy, Distrikan’i Farafangana saingy tsy mahafehy ny teknika momba izany.Namaly avy hatrany ny hetahetan’izy ireo ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Atsimo Atsinanana ny faha 06 Septambra 2025 teo ka nanome fampiofanana izay narahina fampiharana ankianja mikasika ny fomba hisafidianana ny toerana azo iompiana trondro,ny teknika fanamboarana dobo ary ny famokarana zanatrondro.       Miisa 15 izy ireo no maniry ny hampitombo ny fidiram-bolany mifototra amin’ny fiompiana trondro.Tanjon’ny ny Ministeran’ny Jono sy ny Toe-karena Manga MPEB rahateo ny hizara fiofanana hoan’ireo tantsaha rehetra manerana an’i Madagasikara hampitomboana ny vokatra trondro azo jifaina ao an-toerana . #MPEB #DRPEB #Atsimo_Atsinanana #Fiompiana_trondro #Asa_manga #Toekarena_Manga

Kaominina Ambanivohitra Manazary, Distrikan’i Miarinarivo, Faritra Itasy. Fizarana ny tsingerina fahatelo eo anivon’ny VOAMAMI Tafitasoa.

      Hitsinjovana ny mety ho fahasahiranana mandritra ny fotoana izay hikatonan’ny jono dia manao tahiry iombonana ireo mpanjono .Miovaova isam-paritra ny iantsoana io tahiry io toy ny VOAMAMI,Lakle 3 ka manara-maso izany ny solontenan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB any an toerana .       Misy fitsipika anatiny lanian’ny mpikambana tsirairay hamaritana ny faharetan’ny fotoana hitantanana (tsingerina) sy hizarana azy io .Araka izany dia tontosa ny faha 05 Septambra 2025 tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Manazary, Distrikan’i Miarinarivo ny fizarana ny « tsingerina » fahatelo nataon’ireo mpanjono mivondrona ao amin’ny #VOAMAMI Tafitasoa .Nahatsapa ireo mpikambana fa mahazo tombony avo roa heny anatin’ny tsingerina iray.       Nohamafisin’izy ireo ihany koa fa manampy azy amin’ny velontenany indrindra amin’ny fotoana ikatonan’ny fotoam-panjonoana ny fanaovana izany satria mameno amin’ny ampahany ireo banga ka tena maharesy lahatra tokoa ny fidinana tao aminy. #MPEB #ITASY #VOAMAMY #Mpanjono #Tafitasoa_Manazary

ZEP ( Zone d’emergence Piscicole) AMORON’I MANIA NORAISIN’NY ONG TAFA NY FITANTANANA AZY .

      Tontosa ny faha 04 Septambra 2025 teo tao amin’ny Biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Amoron’i Mania DRPEB Amoron’i Mania ao Ambositra, ny #fanaovan_tsonia ny « Convention sy ny Cahier des charges » teo amin’ny DRPEB Amoron’i Mania sy ny ONG TAFA (Tanora Antoky ny Fampandrosoana Aho). Fiaraha miasa izay mikasika ny #famindram_pitantanana ny Zone d’Émergence Piscicole (#ZEP) Ampivarotanomby Ambositra ho an’ny ONG TAFA izay hiasa ary ho mpitantana sy hampiroborobo ity fotodrafitrasa ho entina #hampivoarana ny #fiompiana_trondro ity.       Hita taratra avy hatrany ny fahavononan’ireo tanora mpikambana ao amin’ny #ONG_TAFA hitondra anjara biriky lehibe amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny fiompiana trondro ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania.       Ny tanjona voalohany dia ny #hamokatra #zanatrondro betsaka ary #hanaparitaka izany ao an-toerana sy ny faritra manodidina. Ity fiaraha-miasa ity dia anisan’ny vinan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB izay mikendry ny #hanamafisana ny #ady amin’ny #tsy_fanjarian_tsakafo sy ny #fampandrosoana #maharitra amin’ny alalan’ny #fampiroboroboana ny #toekarena_manga.       Nanamafy ny tompon’andraikitra avy amin’ny DRPEB fa ity convention ity dia tsy vitan’ny hoe manome fahafahana ny tanora haneho ny fahaiza-manaony fa koa manokatra lalana ho amin’ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Ny ONG TAFA kosa dia nanambara ny fikasany hampiasa ny fahaizana sy ny fanoloran-tenan’ireo mpikambana ao aminy mba hiantohana ny fahombiazan’ny tetikasa indrindra amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny zanatrondro sy ny fampitomboana ny vokatra.      Ny fiaraha-miasa eo amin’ny DRPEB AMM sy ny ONG TAFA dia andrasana hitondra vokatra azo tsapain-tanana tsy ho ela, sady manome fanantenana ho an’ny hoavin’ny fiompiana trondro eto Madagasikara. #MPEB #DRPEB_Amoron_i_Mania #ONG_TAFA #Fitantanana_ZEP #Famokarana_zana_trondro #Toekarena_Manga