SEKOLY AMBONY HO AN’NY HAIFAMOKARANA ESSA : MIISA 125 MIANADAHY IREO MPIANATRA NAHAZO NY MARIM-PAHAIZANA INJENIERA. ESSA ANKATSO , ANTANANARIVO

       RENALA : Io no anarana nosaloran’ireto mpianatra miisa 125 mianadahy nandritra ny Famoahana azy ireo Anio 5 septambra 2025 teny anivon’ny Oniversiten’ny Antananarivo izay nandranto fianarana Tao amin’ny Sekoly ambony hoan’ny Haifamokarana ESSSA « École Supérieure des Sciences Agronomiques » nandritra ny 5 taona .        Tonga nanome voninahitra nandritra izany A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert izay nanome hafatra Mafonja ho azy ireo amin’ny maha zava-dehibe ny #fampiharana ny #fahaizana noratovin’izy ireo entina fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra fa indrindra ho an’ny Firenena. Nohamafisiny ihany koa ny fa ilaina ny fandalovana an-tanatohatra eo amin’ny sehatry ny asa ahafahana mahazo #traikefa sy #fahaiza_manao bebe kokoa. Teny an-toerana nanatrika izany ihany koa ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana A/toa Sergio HAJARISON . MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert . Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue #ANKATSO #ANTANANARIVO

Fanentanana mahakasika ny lalàna mifehy ny Jono sy ny fanangonam-bokatra.

      Hitohy ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Anakao, Beheloke ary Efoetse ny fanentanana mahakasika ny lalàna mifehy ny Jono sy ny Fihariana anaty rano ary ny Fanangonam-bokatra. Ho tanterahina mandritra ny valo andro eo izao hetsika izao izay atao ao amin’ireo Fkt miisa 10 dia ny Fkt : Kilimivony, Ambahivahy, Ampasinabo, Belemboke, Kilibory, Kalindrano, Marofijery, Behazomby, Efoetse ary Maromitilike.      Ny tanjona amin’izao fanentanana izao dia ny mba hampahafantarana ireo mpanjono sy mpanao kinanga ary mpanangom-bokatra ireo tsara ho fantatra mikasika ny lalàna mifehy ny Jono sy ny fanangonam-bokatra ary koa mba hampihenana ny tsindry mahazo ny Jono.      Tonga nandray anjara tao anatin’izao hetsika izao ny teo anivon’ny DRPEB Atsimo Andrefana, ny CSP, DREDD ary ny MNP. ny ONG WWF-Marin avy ao Toliara no nanohana ara-bola nahafahana nanatanteraka izao fanentanana izao. #MPEB #DRPEB_Atsimo_Andrefana #CSP #DREDD #MNP #ONG_WWF_Marin_Toliara #Fanentanana_ifotony

Antsirabe, Faritra Vakinankaratra. Notanterahina ny faha 03 Septambra 2025 ny atrikasa fampihofanana ireo mpanjono mialoha ny hiatrehana ny fotoana fikatonan’ny rano ao Vakinankaratra.

     Nandritra izany no nanaovana ny tomban’ezaka telo volana fahatelo ny taona 2025, ny fampahafantarana ny drafitrasa niarahana namolavola tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao Vakinankaratra hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana eo amin’ny sehatry ny Jono sy Fampamokarana ny Atirano, ny fampahafantarana ireo andinin-dalàna mila fantarina makasika ny Jono an-dranomamy, ny fampihofanana momba ny adisisika sy haitarika, ny fampahafantarana ireo mpanamahay voafantina hanatanteraka ny asa fanavaozana ny bokinandraikitry ny VOI MMFT, ary ny fandinihana ireo AGR hiatrehana ny fikatonan’ny rano.      Voasolo tena tamin’ny alalan’ireo mambra ny birao tsirairay ny VOI miisa 05 dia ny TAMIA Andranobe Atsinanana, MMFT Andranobe Andrefana, FITAMI Tatamarina, FIMPAFA Andraikiba kely, FIAMI Manandona izay mandrafitra koperativa FIFIMPAVA ary nizotra tamim-pirahalahiana tanteraka ny fivoriana.      Nisongadina nandritra ny atrikasa ny drafitrasa hiatrehana ny telo volana manaraka. Isaorana hatrany ny ekipa rehetra sy ny #FANAINGA+ amin’ny fiaraha-mientana. #MPEB #DRPEB_Vakinankaratra

Hotel Colbert,Antananarivo 04 – 05 Septambra 2025 𝐀𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚𝐬𝐚 𝐦𝐢𝐤𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐚𝐟𝐚𝐧𝐭𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐭𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐧𝐭𝐢𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐝𝐫𝐞𝐟𝐞𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐫𝐨𝐛𝐨𝐫𝐨𝐛𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐞𝐤𝐚𝐫𝐞𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚

     Ny toekarena manga izay ahitana ny sehatra fitaterana an-dranomasina, fitrandrahana solika ambany ranomasina,ny fizahan-tany, ny ny jono ary ny fampamokarana ny atirano dia manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny toekarena an’i Madagasikara. Anisan’ny andraikitra lehibe sahanin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga manokana ny fandrindrana sy fampiroboroboana izany toekarena Manga izany sy ny fitantanana ny ranomasina eto Madagasikara.      Amin’ny ankapobeny dia misy ireo dingana efa vita toy ny fametrahana ireo drafitra sy paikady nasionaly fampiroboroboana ny toekarena manga tao anatin’izay 4 taona nijoroan’ny Ministera izay ka ilaina arak’izany ny fametrahana tondro ahafahana mandrefy ny fivoaran’izany toekarena manga izany sy ny fandrefesana ny fampiharana ireo paikady napetraka.     Nisy arak’izany ny atrikasa nasionaly izay natao tao amin’ny Hotel Colbert, Antananarivo, androany 04 Septambra 2025 , atrikasa mikasika ny fampahafantarana ny fitaovana entina handrefesana ny fampiroboroboana ny toekarena manga maharitra na (𝘼𝒕𝙚𝒍𝙞𝒆𝙧 𝙙𝒆 𝒑𝙧𝒆́𝙨𝒆𝙣𝒕𝙖𝒕𝙞𝒐𝙣 𝙙’𝙪𝒏 𝒐𝙪𝒕𝙞𝒍 𝒅’𝒆́𝙫𝒂𝙡𝒖𝙖𝒕𝙞𝒐𝙣 𝙘𝒐𝙢𝒑𝙖𝒓𝙖𝒕𝙞𝒗𝙚 𝙙𝒆 𝒍’𝒆́𝙘𝒐𝙣𝒐𝙢𝒊𝙚 𝙗𝒍𝙚𝒖𝙚 𝙙𝒖𝙧𝒂𝙗𝒍𝙚 – 𝙈𝒂𝙙𝒂𝙜𝒂𝙨𝒄𝙖𝒓) izay ahitana ireo mpisehatra marobe ao amin’ny Komity Marolafy ho amin’ny fandrindrana ny Toekarena Manga (Cluster Economie Bleue) anisan’izany ny solontena avy amin’ny ministera sy andrim-panjakana isan-karazany, ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, ny oniversite sy ny ivon-toeram-pikarohana, ny sehatra tsy miankina, ary koa ny solontenan’ny fikambanana ifotony.     Ny tanjona dia ny hizarana sy hampahafantatra ilay fitaovana fanombanana vaovao, miaraka amin’ny vokatra voalohany azo tamin’ny fampiasana azy manokana teto Madagasikara.      Aorian’izao atrikasa dia antenaina ny fisian’ny fanamafisana ny fahalalana sy ny fahaizan’ireo mpandray anjara ary koa ny fametrahana sori-dalana sy drafitr’asa mazava tsara hanampy amin’ny fandrindrana sy fanaraha-maso ny ezaka rehetra amin’ny fampiharana ny paik’ady nasionaly momba ny toekarena manga ary hiantohana fa ny fampandrosoana ny toekarena manga eto Madagasikara dia hahasoa ny firenena manontolo sy ny taranaka ho avy. Marihina fa ny WWF no nanao ny tantsoroka rehetra nafahana nanatontosa izao atrikasa izao. #MPEB #ClusterEconomieBleue #WWF #SNEB

Kaominina Ambolobozobe, Distrikan’antsiranana II Faritra DIANA. Fampitaovana ireo mpanjono madinika eny ifotony.

      Miantoka ny fahombiazan’ny mpanjono amin’ny asa izay ataony ny fananany fitaovana arifomba.Ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga(MPEB) dia manao ny ezaka rehetra amin’ny fampitaovana azy ireo miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka maro isankarazany.       Vokatry ny tantsoroka nomen’ny tetikasa Honko mamelonjafy »Pêche côtière Durable » izay vatsian’ny KFW Tetikasa mifanohana amin’ny eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga #DRPEB_DIANA dia nisy ny hetsika fizarana fitaovam-panjonoana isan-karazany hoan’ireo mpanjono madinika ny faha 02 Septambra 2025 teo tao amin’ny Distrikan’antsiranana II.       Nozaraina tamin’izany ny « Palangre »200 metatra sy kojakoja miaraka aminy 12 isa ary harato manara-dalana 60 isa niaraka tamin’ireo fitaovana enti-miandriaka toy ny salotra vonjy aina sy radio fahanana ary fitaratra 43 avy.Natolotra niaraka tamin’izany ihany koa ny kitapo enti- miandriaka 24.       Ireo rehetra ireo dia natolotra hoan’ireo mpanjono vao avy nahazo ny karatra maha mpanjono ka nanotrona izany ny teo anivon’ny DRPEB nizara izany ny avy amin’ny ao amin’ny Madagascar MNP izay mpiahy ny tetikasa ny avy ao amin’ny Conservation Internationale,ary ny solontenan’ny faritra ary ny ny Fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana Lovain-jafy DREED DIANA. #MPEB #DRPEB #DIANA #MNP #PCD #KFW #Fampitaovana_mpanjono_madinika.

NOVOTEL,Antananarivo | 03 – 09 – 2025 𝗗𝗶𝗮𝗹𝗼𝗴𝘂𝗲 𝗡𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻𝗮𝗹 𝘀𝘂𝗿 𝗹𝗮 𝗺𝗶𝘀𝗲 𝗲𝗻 œ𝘂𝘃𝗿𝗲 𝗱𝘂 𝗽𝗿𝗼𝗴𝗿𝗮𝗺𝗺𝗲 𝗱𝗲 𝗱𝗲́𝘃𝗲𝗹𝗼𝗽𝗽𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 𝗱𝘂 𝗿𝗲́𝘀𝗲𝗮𝘂 𝗱𝗲𝘀 𝗮𝗶𝗿𝗲𝘀 𝗱𝗲 𝗰𝗼𝗻𝘀𝗲𝗿𝘃𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 𝘁𝗿𝗮𝗻𝘀𝗳𝗿𝗼𝗻𝘁𝗮𝗹𝗶𝗲̀𝗿𝗲𝘀 (𝗧𝗙𝗖𝗔) 𝗱𝗲 𝗹𝗮 𝗦𝗔𝗗𝗖 𝗮̀ 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗰𝗮𝗿 .

      Tanterahina ny 03 ka hatramin’ny 04 Septembra 2025 izao ao amin’ny NOVOVOTEL,Antananarivo ny “ Dialogue National sur la mise en œuvre du programme de développement du réseau des aires de conservation transfrontalières (#TFCA) de la SADC à Madagascar ”. Fantatra fa ny firosoana amin’izany dia hiarahana amin’ireo firenena rahavavy mifanolo-bodirindrina izay mpikambana ao amin’ny SADC noho izy apetraka eo amin’ny toerana iraisan’ny firenena roa na telo na mihoatra.Ho an’i Madagasikara izay Nosy ka raha hiroso amin’izany dia tsy maintsy any anaty ranomasina no afahana mametraka izany.       Izany indrindra no antony andraisan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga anjara mavitrika ao anatin’ity fifanakalozan-kevitra ity ka tonga nandray anjara tamin’ny fanokafana an’izany A/toa Minisitrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga notronin’ireo mpiara-miasa aminy niaraka tamin’A/toa Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy ary R/toa Minisitry ny Fizahan-tany.       Izany rehetra izany dia tafiditra ao amin’ny fanatanterahana ny fifanarahana izay iraisana amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny SADC ka antenaina fa ny firosoan’i Madagasikara amin’izany dia hitondra tombontsoa marolafy hatrany ho an’ny firenena sy ny vahoaka ao anatiny. #MPEB #MEDD #MTAM #SADC #TFCA

COMPLEXE DE PECHE : NATOLOTRA HO AN’IREO MPANJONO MADINIKA ETO MAINTIRANO, FARITRA MELAKY

    Manankarena hazandrano tokoa raha ny Faritra Melaky.Izany indrindra no nahatonga ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga # MPEB # nanangana fotodrafitra goavana hahafahana mitahiry ireo vokatra ireo mba tsy ho simba.     Hoentina ihany koa hampiakarana ny fari-piainan’ireo mpanjono eny ifotony .Natolotra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Distrikan’Antsalova sy Maintirano ny « Complexe Pêche » miisa 2 sy ny « Chambre Froide » anankitelo izay hampiasain’ireo fikambanan’ny mpanjono ANJARASOA any an-toerana.     Tonga nisolotena ny MPEB nanolotra izany ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga #DRPEB_Melaky notronin’ny avy eo anivon’ny Faritra,ny Prefecture, ny solotenan’ny Solombavam-bahoaka voafidy tany an-toerana ary ny avy ao amin’ny Kaominina Maintirano sy Soahany.Miendrika « location Gérance » ny fitantanana ireto foto-drafitrasa ireto mba hampaharitra azy sy mba hampiakadanja ara-toekarena sy ara-bidy ny fitrandrahana ny harena anaty rano any an-toerana ho tombontsoan’ny besinimaro indrindra fa ireo mpanjono madinika. #MPEB #DRPEB #MELAKY #Complexe_de_peche #Chambre_froide #Fikambanana_Anjarasoa #Asa_Manga #Toekarena_Manga

Fanoloana sy Fanamafisana ny Points Focaux SAP ao Ambatosarotra, Kaominina Fenoambany, Distrikan’i Vangaindrano, Faritra Atsimo Atsinanana.

    Nandritra ny telo volana mahery teo dia somary nisy fiatoana ny famenoana ny tabilao #SAP (Système d’Alerte Précoce) tao amin’ny Fkt Ambatosarotra, kaominina Fenoambany, ao anatin’ny distrikan’i Vangaindrano. Mba hamahana io olana io dia nisy ny fivoriana nifanaovana tamin’ireo mpanjono ao an-toerana izay nanoloran’izy ireo anarana olona telo vaovao ho point focal hanohy ny andraikitra.     Ireo olona ireo dia noraisin’ny ekipa avy amin’ny DRPEB Atsimo Atsinanana ny 01 Saptambra 2025 teo ary nampiofanina mba entina hanampiana ny fahaizany manatanteraka ny andraikitr’izy ireo amin’ny fanaraha-maso sy fanangonana ny vaovao ilaina amin’ny #SAP.     Nandritra io fiofanana io dia nohamafisina hatrany ny maha-zava-dehibe ny SAP amin’ny fiarovana ny ain’ireo mpanjono mialoha ny hanatanterahan’izy ireo ny asany. Ity rafitra ity dia manampy amin’ny fampitana haingana ny vaovao momba ny loza mety hitranga toy ny toetr’andro ratsy hisorohana ny loza an-dranomasina mba hampihenana ny fiantraikany ratsy. Ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ireo mpanjono sy ny point focal no antoka hiantohana ny fahombiazan’ny rafitra. #MPEB #DRPEB_Atsimo_Atsinanana #SAP #Asa_fanjonoana_lavitry_ny_Loza

Manjakasoa,Kaominina Ampefy, Distrikan’i Soavinandriana, Faritra Itasy. Fampahafantarana ny fotoana fikatonan’ny jono ao amin’ny faritra Itasy.

    Samy manana ny fotoana fikatonan’ny jono amin’ny fotoana voafetra ny faritra tsirairay eto Madagasikara. Mandritra io fotoana io no ahafahan’ny hazandrano manatody sy mitombo ara-dalana ka ahafahana miantoka ny fitombony ara- boajanahary. Araka izany dia nidina ifotony tao Ambohimitombo nanao ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny fikatonan’ny jono an-dranomamy ao amin’ny faritra Itasy ny ekipan’ny eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga #DRPEB niaraka tamin’ny Governoran’ny faritra Itasy ny 01 Septambra 2025 teo.     Nampahafatarina nandritra izany ny didy hitsivolana navoakan’ny fiadidiana ny faritra izay namaritana ny fe-potoana hikatonana vonjimaika ny fanjonoana an-dranomamy izay nanomboka ny 01 Septambra ka hatramin’ny 31 Oktobra 2025.     Voarara mandritra izany ny fitrandrahana hazandrano amin’ireo farihy rehetra any an toerana mba hitsinjovana ny taranaka fara- mandimby sy hisitrahan’izy ireo ny harena anaty rano ho lovainjafy. Paikadin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB ny hampanarahan-dalana ireo mpisehatra amin’ny Jono an-dranomamy rehetra ao an-toerana. #MPEB #DRPEB #ITASY #Fikatonan_ny_ Jono_andranomamy.

ONG Blue Ventures: Fanohanana ny GEC ao Nosy Komba

Tsy mijanona amin’ny fanohanana ny TGRH (Transfert de Gestion des Ressources Halieutiques) ihany ny ONG Blue Ventures, fa mbola manao ezaka lehibe amin’ny fanatsarana sy fanamparitahana ny fitantanana ny Vola Iombonana (GEC) ao amin’ny Nosy Komba.  Nisy arak’izany ny fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ireo Filohan’ny Fikambanana GEC Nosy komba sy ny Filohan’ny Fédération GEC na La Clé 3 tao amin’ny Préfecture Nosy Be Izay notronin’ny solontenan’ny CirPEB Nosy Be izay natao ny faha 30 Aogositra 2025 teo izay heverina hanokatra fomba fiaraha-miasa vaovao eo amin’ny sehatra La Clé 3/VOAMAMI izy ireo. Nandritra io dinika io dia teboka maromaro no nifanakalozan-kevitra mba hampandrosoana ny asa sy ny fitantanana ny GEC ka anisan’ny zava-dehibe voaresaka ny : Fanomezana fiofanana momba ny AR (Agent de Relais) vaovao. Fiofanana ho an’ny mpitantsoratra sy ny filohan’ny GEC izay hampianarana azy ireo ny fomba fitazonana boky kaonty, indrindra ny “Journal de caisse” mba hiantohana ny mangarahara sy ny fahamarinan’ny fitantanana ny vola. Fampiofanana ny mpikambana GEC momba ny fomba hanodinana sy hampiasana tsara ny vola mba hiantohana ny tombontsoa ho an’ny rehetra. Ary ny fanaovana “Visite d’échange”: Hahafahana ny fikambanana GEC ao Nosy Komba hifampizara traikefa sy fahalalana, ka hampiroborobo ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana eo amin’ny vondrona. Ireo mpikambana ao amin’ny TGRH MEVATARIMY ao Ampangorina dia hahazo tombony manokana satria dia hahazo fiofanana momba ny tohana ara-tsakafo izy ireo ary fiofanana manokana momba ny fomba fanaovana “Poissons Fumés” .fiofanana ireo dia mikendry ny hanatsara ny fahaiza-manao ara-toekarena sy ny fampandrosoana maharitra ho an’ny fiaraha-monina eo an-toerana. #MPEB #DRPEB_DIANA #CirPEB_Nosy_Be #ONG_Blue_Ventures #GEC #La_Cle_3_VOAMAMI