FIOMPIANA LALITRA MAHASOA #BSF (Black Soldier Fly) NISITRAKA FAMPIOFANANA NY ETO TOLAGNARO , FARITRA ANOSY .

        Tontosa tao amin’ny Lycee Technique, Distrikan’ny Taolagnaro, Faritra Anôsy ny faha 30 Aogositra 2025 ny fampiofanana momba ny fitaizana Lalitra Hendry na ny « Black Soldier Fly », BSF, izay nahitana mpandray anjara miisa 14 mianadahy.  Tanjona ny ho fanampiana ny mpiompy amin’ny alalan’ny famokarana sakafo-trondro sy akoho amam-borona amin’ny alalan’ny famokarana olitra azo avy amin’ny fiompiana #BSF. Mora ary azo atao tsara ity fiompiana lalitra ity satria dia hita any an-toerana avokoa ireo akora mety hilaina toy ny fako an-tokantrano, ny voankazo lo sy ireo hafa izay azo avadika ho sakafon’ity lalitra ity. Resy lahatra ireto mpiofana ary naneho ny fahavononany amin’ny hirosoana amin’ny fiompiana an’ity karazana lalitra ity. Nambaran’izy ireo fa manana anjara toerana lehibe amin’ny fanatsarana ny toekarena sy ny fiarovana ny tontolo iainana ity fomba vaovao ity ary antenaina hampiroborobo ihany koa ny famoronana asa ho an’ny tanora eto amin’ny Faritra Anosy. Ity hetsika ity dia vokatrin’ny fiaraha-miasa teo amin’ny Fikambanana #TANAMAINTSO sy #FANASAGRI, Ny #Sekoly_Fampiofanana_Arakasa ary ny #DRPEB_Anosy. #MPEB

Ivandrika, Kaominina Ambanivohitra Zazafotsy, Distrikan’Ihosy, Faritra Ihorombe. Fitsidihana nanomezana tan-tsoroka ireo mpiompy trondro ao amin’ny Distrikan’Ihosy.

    Ny fahaiza-mifehy ny teknika momba ny sakafo,ny rano ary ny kalitaon’ny zana-trondro no miantoka ny fahombiazan’ny fiompiana trondro.Toeram-piompiana trondro iray ahitana tilapia miisa 7000 manana lanja salasala 150g sy Karpa 2000 isa ao amin’ny Kaominina Zazafotsy, Distrikan’Ihosy no notsidihin’ny Talem-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga # DRPEB# Ihorombe ny faha 30 aogositra 2025 teo.Fotoana nanomezana ny tompon’ny toerana tantsoroka ara-teknika momba ny sakafo sy ny rano hampahomby kokoa ny fihariany anatin’izao fidirana amin’ny vanimpotoana mafana izao.     Provandy mitsingevana sy vovokatsaka miampy vovomangahazo no foto-tsakafon’ireo trondro ireo izay vinavinaina hamokatra trondro vaventy manodidina ny 3000kg amin’ny vola novambra ho avy izao.Tanjon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga#MPEB# rahateo ny hampiakatra hatrany ny isanjaton’ny taham-pihinanan’ny malagasy trondro sy hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka. #MPEB#DRPEB#IHOROMBE#Fiompiana_trondro#Ady_amin’ny tsy _fanjariantsakafo

DISTRIKAN’NY SOALALA ,FARITRA BOENY, Vonona hanaraka ireo fitsipika mifehy ny Jono ireo Mpanjono

Ho fandrindrana sy Famahana ny olan’ireo Mpanarato eto Soalala dia namaly ny antson’izy ireo A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert tamin’ny alalan’ny fifampitafana mivantana tamin’izy ireo nandritra ny fitsidihany teny an-toerana. Nangatahan’izy ireo manokana ny hanazavana mahakasika ireo lalana mifehy ny Jono , ny tokony hataon’izy ireo sy ny tsia , ireo fepetra tokony ho raisin’izy ireo Rehefa fotoam-pikatonan’ny Jono (makamba , drakaka, sns ) , ny mahakasika ny asa sahan’ireo VOI sy ny maro hafa . Tsy natao fatahatany ireny lalana ireny hoy A/toa Minisitra fa misy Antony avokoa Raha tsy hiteny afatsy ny hisian’ny fitantanana maharitra ny Jono ho Lovain-jafy. Naharitra ora 3 ny fifampidinihina Teo amin’ny roa tonta Ary samy afa-po ny rehetra. . Vonona arak’izany izy ireo hanaraka ireo lalana Ary hanamafy ny firaisan-kina ho tombotsoan’ny rehetra satria Io no foto-piveloman’ireo mponina eto amin’ny Distrikan’ny Soalala. Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue #SOALALA #FARITRA_BOENY

ESGN Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro: Fanamafisana ny Ezaka Fanamboarana Dobo sy Fiompiana Trondro.

        Ny ESGN na ny Sekoly Ambonin’ny Zandarimariam-pirenena ao Moramanga dia manohy ny ezaka lehibe amin’ny fiompiana trondro mba ho fampiroboroboana ny fahaiza-manao sy ny fampandrosoana maharitra.Isan-taona ny ESGN Moramanga dia mandray mpianatra mpizatr’asa izay mianatra mandritra ny sivy volana. Ireo mpianatra ireo dia omena fiofanana feno momba ny teknika fiompiana trondro, manomboka amin’ny fanomanana ny dobo ka hatramin’ny fitantanana ny vokatra ka tonga nanao fitsidihana sy fanjohina ny toerana izany ny DRPEB Alaotra Mangoro ny faha 30 Aogositra 2025 teo.  Ny fiofanana dia ahitana ny fandalinana ny drafitra sy ny teknika azo ampiharina, mifanaraka amin’ny tontolo iainana sy ny zava-misy eo an-toerana. Ankoatra izany, ny sekoly dia mampianatra ny fomba fanenjehana ny tetiandrom-piompiana, izay tena ilaina amin’ny fitantanana mahomby ny tetikasa fiompiana.  Amin’izao fotoana izao, ny ESGN Moramanga dia mifantoka amin’ny fanaovana ny drafi-panajariana rehetra ilaina amin’ny fanamboarana dobo. Mandritra izany dia nisy ny fifanakalozan-kevitra lalina momba ny teknika azo ampiharina, mba hahazoana vokatra tsara . Ny fanajana ny tetiandrom-piompiana dia anisan’ny laharam-pahamehana, satria manampy amin’ny fametrahana ny dingana tsirairay amin’ny asa mba hiantohana ny fahombiazana.  Ho fanampin’ny fiompiana trondro ny sekoly ihany koa dia mampiroborobo ny fambolena katsaka ho sakafon’ny trondro. Ity fomba fiasa mitambatra ity dia mampiseho ny fahaizan’ny ESGN Moramanga amin’ny fampifangaroana ny fambolena sy ny fiompiana ho tombontsoa iraisan’ny mpianatra sy ny fiarahamonina.  Ny mpitantana ny ESGN Moramanga dia naneho ny hafaliany sy ny fahafahampony tamin’ny zava-bita. Nanamafy izy ireo ny fitohizan’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka isan-karazany, mba hanamafisana ny fiantraikan’ny asa ataon’izy ireo eo amin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro. #MPEB #DRPEB_Alaotra_Mangoro #ESGN #Fiompiana_trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga

MAROVAZA, FOKONTANY ANJAJAVA , KAOMININA ANTONIBE , DISTRIKA ANALALAVA , FARITRA SOFIA : HITONDRA FANOVANA LEHIBE HO AN’NY MPANJONO NY FITSIDIHAN’A/TOA MINISITRA HOY IZY IREO.

          Faly sy ravo ireo solontenan’ny Mpanjono izay Tonga nifanakalo tamin’A/toa Minisitra satria vao Voalohany tokoa no Nisy Minisitra Tonga nijery azy ifotony toy izao. Mety hitondra fiovana be ho an’ny tokantranon’ny mpanjono tsirairay hoy izy ireo izao fahatongavan A/toa Minisitra izao satria na dia Lavitra aza no Nisy azy ireo dia tsy nanakana ny tenany izany .Marihina fa manodidina ny 275 eo izy ireo Raha atambatra . Ny tena nahafinaritra nandritra ny fifampiresahana kosa hoy A/toa Minisitra dia Efa hain’izy ireo sahady ny Zavatra ilainy toy ny « tableau agro-meteorologique » , ny filet multi-filaments , palangre, « machine de fabrique de glace »sy ireo fitaovana maro samihafa entina hampiroboroboana ny sehatry Jono ao an-toerana. Tsara ny Manamarika fa miara-misalahy amin’ny fampandrosoana ity sehatry ity ny avy eo anivon’ny ONG Vima ( #VisionMadagascar) izay miara-miasa amin’ny fikambanan’ny mpanjono sy ny Ministera Ary ao anatin’izany ny fifanomezan-tanana izay samy mitondra ny anjara birikiny avy. Fehiny ny fiarovana ny tontolo iainana , ny fitantanana maharitra ny ranomasina Ary ny fampiroboroboana ny sehatry ny Jono izay hiaraha-miasa akaiky amin’ireo mpanjono no tena nasongadina nandritra ny fifampitafana Teo amin’ny roa tonta . Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert Vision Madagascar NGO #ONG #VIMA_MADAGASIKARA #MAROVAZA #FARITRA_SOFIA

FOKONTANY ANTREMA AMBANJAMBE , KAOMININA KATSEPY, DISTRIKAN’NY MITSINJO , FARITRA BOENY, ILAINA NY FIARAHA-MIASA HANANANA NY FANJONOANA MAHARITRA

       Ny fampiasana ny malira na ireo harato misy ody moka dia Anisan’ny fahavalon’ny fanjonoana , Mbola misy mampiasa izany anefa Isika mpanjono ka izany indrindra no hanaovan’ny Ministera ezaka amin’ny fizarana ireo fampitaovana manaraka ny fenitra ho an’ny Mpanjono eraky Madagasikara . Anisan’ny nisitraka izany ireo mpanjono eto Antrema Ambanjambe izay narahina fanentanana Mafonja avy amin’ny A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert izay fiaraha-miasa avy amin’ireo mpanjono vaventy ( somapêche,pecheexport , sogediproma) Teo ihany koa ny fanamafisana ny fotoam-pikatonan’ny Jono makamba izay manomboka ny 01 desambra hatramin’ny 01 Martsa eo ny drakaka izay manomboka ny 12 octobre – 12 Desambra sns ahafahana mametraka ny fanjonoana maharitra . Ankoatr’izay dia miara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka izay miaro ny ireo Faritra arovana na An-tanety na an-dranomasina ihany koa izy ireo anisan’izany ny Asity Madagasikara , Durell Rehefa mizara miasa Isika dia handroso i Madagasikara, Ary ho kitro hifaharan’ny fampandrosoana ity seham-pihariana ity hoy A/toa Minisitra Ary Anisan’ny nanotrona azy hatrany ny Governoran’ny Faritra Boeny. Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert #RSE #ONG #MAHAJANGA #FARITRA_BOENY

Kaominina Ambanivohitra Madiromirafy, Distrikan’i Maevatanana, Faritra Betsiboka. Fampiofanana ireo polisindrano ao anatin’ny VOI AINA/Madiromirafy.

Ny rohivoahary voakajy sy voaaro no afaka mamokatra hazandrano maro sy salama.Nisy araka izany ny fanofanana sy fitantanana ireo polisindrano ao anatin’ny VOI AINA ao amin’ny kaominina Madiromirafy, Distrikan’i Maevatanana ny faha 26 sy 29 aogositra 2025 teo. Ny ekipan’ny Ivo-toerana miandraikitra ny Fanaraha-maso ny Jono( CSP) eo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB no nampiofana azy ireo mikasika ny fomba fiasa tokony hatao sy ny fepetra tokony harahina eo ampanatanterahana ny asa araka ny bokin’andraikitra sy ny DINA ifampifehezana eny ifotony. Nanotrona azy ireo tamin’izany ny Ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy Manga # DRPEB # Betsiboka niaraka tamin’ny Fkt, ny Kaominina ary ny ekipan’ny Zandarmariam-pirenena izay miara-miasa akaiky amin’ireo VOI ireo.Ny tantsoroka avy amin’ny « Impact Madagascar » no nahafahana nanao izao fampiofanana izao. Tanjona ny hanenana ny tsy fanarahan-dalana eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana sy ireo ,tsindry mihatra amin’ny ireoharena anaty rano ao an-toerana. #MPEB #DRPEB #Betsiboka #CSP #Fampiofanana_Polisindrano #VOI_AINA

Fokontany Antanambao, Distrika Antsirabe II, Faritra Vakinankaratra : Fitsidihina dobo sy fanaovana tombana ny vokatra trondron’ny kaoperativa VOHITR’ARO.

Nitsidika sy nanao tombana ny vokatra ary nanao fanitsiana ny fomba fiompiana teny ifotony ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono zy ny Toekarena Manga Vakinankaratra, izay natrehin’ireo mpikambana vitsivitsy ao amin’ny #koperativa_Vohitr_Aro ny faha 28 Aogositra 2025.  Manodidina ny 30 isa eo ho eo ny dobon’ity koperativa ity ka ny 05 dia efa nanombohana niompiana trondro karpa tamin’ny fomba nenti-paharazana.  Maniry ny hanatsara ny vokatra ny mpikambana rehetra sady resy lahatra ny hampihatra ny teknika manaraka ny toetrandro sy ny fenitra amin’ity taom-pamokarana vaovao.  Hita ny fahavononan’izy ireo ary tena tsara rano sy malalaka ny toerana ka hisy ny fanampiana azy ireo mba hahita tombony kokoa sy mba ho fitaratra ho an’ny manodidina any Ambanivohitra any. Velom-pisaorana sy fankasitraha izy ireo noho izany satria tena lavitra sy ratsy lalana ilay toerana ary sambany nisy nitsidika sy nanitsy toy izao ny fomba entina hiompiana trondro. #MPEB #DRPEB_Vakinankaratra #Fampamokarana_ny_Atirano

FAMPIROBOROBOANA NY SEHATRY JONO TONGASOA ETO AMIN’NY FOKONTANY TARANTA , KAOMININA SOALALA,FARITRA BOENY ATOA MINISITRA

Tamim-piravoravoana no nandraisan’ny vahoakan’ny Taranta an’A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert sy ireo delegasionina miaraka aminy Anio 30 Aogositra 2025 . Anisan’ny niaraka taminy A/toa Governoran’ny Faritra Boeny , ny Tompon’andraikitra ao amin’ny Durrell izay mpitantsoroka ireo asa eto Soalala izay miara-miasa amin’ny MNP, ny solotenan’ireo mpanjono vaventy toy ny sogediproma, somapêche ,ny Apmf sns…  Nifampitafa mivantana tamin’ireo mpanjono eny an-toerana ny tenany nandritra ny fitsidihana, nanamafisany ny fanentanana amin’ny fanarahan-dalana toy ny tsy fampiasana ny moustiquaire amin’ny fanjonoana , ny fanajana ny fotoam-pikatonan’ny Jono sns , Hisy ihany koa ny fizarana fitaovam-panjonoana ho azy ireo. Naneho ny hafaliany izy ireo satria hita sy tsapa fa tsy natao ambanin-javatra ny seham-piharin’izy ireo Ary mihaino hatrany ny feon’izy ireo ny eo anivon’ny fitondram-panjakana izay hisoloan’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert tena. Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue #DURRELL #SOCIETE_DES_PECHES #APMF #Mahajanga #faritra_boeny

SEHATRY NY JONO : NOZARAINA FAMPITAOVANA IREO MPANJONO ETO AMIN’NY FOKONTANY TARANTA, KAOMININA SOALALA, FARITRY BOENY .

Ho fanatsarana ny velontenan’ireo mpanjono madinika eto amin’ny Fokontany Taranta dia nozaraina fitaovam-panjonoana maro Ary manaraka ny fenitra izy ireo avy amin’ireo mpanjono vaventy nandritra ny fitsidihan’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert. Anisan’izany ny salotra vonjy aina miisa 110 , kit de palangre miisa 30 , filet multi filaments (kits) miisa 95 , sac de plonger miisa 40 sy ny maro hafa …. Nohamafisiny nandritra ny fizarana fa zava-dehibe ny fananana ny #karatra_maha_mpanjono ahafahan’izy ireo misitraka ireo tombotsoa maro avy amin’ny Ministera sy ahafahana manara-maso ny asan’izy ireo . Eo ihany koa ny fidirana anaty fikambanana ho fanamorana ireo asa rehetra entina handrindrana ny fitantanana ny Jono ao an-toerana. Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue #MAHAJANGA #FARITRA_BOENY #FAMPIROBOROBOANA #NY_JONO #SOCIETE_DES_PECHES