Kaominina Ambonivohitra Sainte Marie ,Distrikan’i Sainte Marie, Faritra Analanjirofo. Fampiofana ireo mpanjono madinika mikasika ny fomba fanjonoana maharitra.

Sehatr’asa iray mamelona fianakaviana maro ao amin’ny distrikan’i Sainte Marie ny asa fanjonoana madinika.Ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy dia miezaka hatrany manome fampiofanana ho azy ireo hampiakarana ny fari-piainan’izy ireo.Mpanjono miisa 186 avy ao an-toerana no nahazo fampiofanana mikasika ny jono maharitra ny faha 27 sy 28 aogositra 2025 teo . Izao fampiofanana izao dia natao mba hikendrena ny amin’ny hahafahana hampiakatra ny fari-piainan’izy ireo satria hanovo teknikam-panjonoana vaovao sy maharitra.Ny orinasa REFRIGEPECHE EST no mamatsy ara-bola ny fampiofanana izay tafiditra ihany koa ao anatin’ny fanatanterahana ny bokin’andraikitr’izy ireo. #MPEB #DRPEB_Analanjirofo #Fampiofanana_Teknika_fanjonoana_Maharitra #RSE #REFRIGEPECHE_EST.
Kaominina Ambonivohitra Fianarantsoa, Distrikan’i Fianarantsoa l , Faritra Matsiatra Ambony. Fivorian’ireo teknisianin’ny fiompiana trondro niaraka tamin’ny DRPEB Matsiatra Ambony.

Ho fanohizana ny asa notanterahin’ny tetikasa PADM (Tetikasa momba ny fampamokarana ny aty rano maharitra eto Madagasikara) izay teo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB izay nifarana ny taona 2023 dia nivory niaraka tamin’ny Talem-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga #DRPEB Matsiatra Ambony tao amin’ny biraon’ny tetikasa ASAM3F/GIZ ireo teknisiana miisa 12 misehatra amin’ny fiompiana trondro tany an-toerana ny faha 28 aogositra 2025 teo. Vontoatin’ny fivoriana ny fanohizana ny asam-pandinihana sy famaritana ireo drafitrasa fiompiana trondro izay tokony Mbola hotohizana. Teo ihany koa no namitinana ny asa rehetra notanterahin’ny DRPEB tao aorian’ny fifaranan’ny PADM.Nodinihina nandritra izany koa ny olana sedraina amin’ny fanapariahana ny teknikam-piompiana trondro manoloana ny tsy fahampian’ny teknisiana eny ifotony sy ny fanamafisana ny serasera sy ny fifandraisana eo amin’ny DRPEB miaraka amin’ny teknisianin’ireo vondron’ny tantsaha (OP,ONG, fikambanana, tetikasa ary ny fandaharana isankarazany). Tanjona hisian’ny fandrindrana ny asa dia ny hampiroboroboana hatrany ny sehatry ny fihariana anaty rano ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony izay anisan’ny sangany amin’io sehatra io eto Madagasikara. #MPEB #DRPEB #Matsiatra_Ambony #PADM #ASAM_3F #GIZ #Fiompiana_trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga
ASA FIKAROHANA MAHAKASIKA NY VOKATRA MAKAMBA : MITOMBO INDRAY IREO MANAM-PAHAIZANA ETO MADAGASIKARA ; Mahajanga, Faritra Boeny.

05 taona i Dr ANDRIANJAFIMANANA Éric no nanomana azy ary nilona tao anatin’ny asa fikarohana mahakasika ny vokatra makamba . Natao izany nohon’ny fahatsapana fa mihena ny vokatra makamba raha ampitahaina amin’ny teo aloha. Tanjona ny hanatsarana ny fomba fanjonoana makamba eto amintsika izay mahakasika ny jono vaventy sy ny jono madinika. Ohatra amin’izany ny fampiasana harato kely maso toy ny poteau, valakira, periky ary ny ramikaoko na kaokobe na tarikaky no isan’ny mampihena ilay vokatra ankehitriny raha toa ka ny fanjonoana matetika amin’ny toerana tsy miova izay ataon’ireo sambo vaventy ka mampiasa chalut no isan’ny mampihena izany. Ilaina ny fanajana ny lalàna sy ny fenitra takiana mba tsy hahalany tamingana ny makamba. Ny Minisiteran’ny jono sy ny Toekarena manga ( #MPEB) Izay anisan’ny mahazo tombotsoa amin’izany dia manohana akaiky ny fakorahana toy izao izay ilaintsika hanatsarana ny fitantanana ireo harena voajanahary andranomasina eto amintsika. Nandray anjara amin’ny maha Mpampianatra Mpikaroka azy ary manam-pahaizana manokana momba ny Jono sy ranomasina eto Afrika azy hitsara izao valim-pikarohana izao Atoa Minisitry ny Jono Sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert. Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert #MAKAMBA #FIKAROHANA
Beloha, Faritra Androy. Tontosa ny faha 27 ka hatramin’ny faha 29 Aogositra 2025 ny fampihofanana ireo tantsaha mpamboly, ireo mpanjono ary ireo mpanao kinanga miisa 39 tao Beloha, Faritra Androy.

Nampahafantarina azy ireo ny lalàna mifehy ny Jono sy ny Fampamokarana ny atirano, ny fomba fikarakarana sy fitehirizana ny vokatra azo avy amin’ny rano, ny fomba fivarotana ny vokatra ary ny fanabeazana ara-bola sy ny fanaovana tahiry, izay novelabelarin’ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono dy ny Toekarena Manga Androy. Navitrika ireo mpandray anjara ary afapo tanteraka koa nanome toky fa hampihatra ireo traikefa azony tamin’ny fiofanana no hizara izany koa amin’ny manodidina. #MPEB #Consortium_TOMPY #PAM #DRPEB_Androy
FAMPIOFANANA FIOMPIANA TRONDRO TETO MAHAJANGA ,FARITRA BOENY : MBOLA MALALAKA NY TSENA HO AN’NY SEHAM-PIHARIANA TRONDRO HOY A/TOA MINISITRA NANDRITRA NY FAMPIOFANANA

Manodidina ny 282 ireo Tanora sy renim-pianakaviana Ary raim-pianakaviana Tonga nanatrika fampiofanana fiompiana trondro izay Notanterahina tato amin’ny « Chambre de commerce » Mahajanga Anio 28 Aogositra 2025. Hita taratra nandritra ny fiofanana avy hatrany fa maro be ireo Liana te hisehatra amin’ity fiompiana trondro ity noho izy asa mahavelona Ary azon’ny rehetra atao. Tanjona lehibe Ary vina hapetraky ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ny #fanapariahana azy ity manerana an’i Madagasikara ahafahana manome #asa_sahaza ho an’ny Tanora , hiadiana amin’ny #Tsy_fanjarian_tsakafo fa indrindra #hiadiana amin’ny #fahantrana . Fampiofanana Feno toy ny karazan’ireo fiompiana trondro miisa 4 miaraka amin’ireo teknika rehetra fanamboarana azy , ireo tsara ho fantatra rehetra toy sakafo sns ary ny fanontaniana naraham-baliny no nomena ireo rehetra Tonga nanatrika . Irariana arak’izany fa hitombo ireo Tanora misehatra amin’ny fiompiana trondro Ary hiroborobo sy hamatsy ho an’ny Boeny manontolo. Ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert no nanome ny fampiofanana Ary nohamafisiny fa Mbola Malalaka ny tsena Raha eto Madagasikara Raha ho an’ity sehatra iray ity. Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert #FAMPIOFANANA_FIOMPIANA_TRONDRO #MAHAJANGA #FARITRA_BOENY
Kaominina Ambanivohitra Ambatosoratra, Distrikan’Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Fanofanana amin’ny fitantanana maharitra ny farihin’Alaotra.

Tombontsoa maro no azon’ireo mponina manamorona ny farihin’alaotra ka isan’izany ny fisitrahana ireo hazandrano maro ao aminy.Mihena hatrany anefa izany vokatra izany ka nanohy hatrany ny ezaka izay efa nilofosany ny avy eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Alaotra Mangoro zay ratsamangaika ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB any antoerana ka nanao fanentanana narahina fampiofanana ireo mponina tao amin’ny Fkt Andreba Gara Kaominina Ambatosoratra ny faha 26 aogositra 2025 teo. Niompana tamin’ny fomba fitantanana maharitra ny harena voajanahary ny fampiofanana noho ity toerana ity ho lasa UGL(Unité de Gestion Locale) hoan’ny drafi-panajariana ny Jono ao amin’ny farihin’alaotra atsy ho atsy. Nohamafisina tamin’ny alalan’ny fandefasana horonantsary amin’ny fitenim-paritra any an-toerana izany ka nahatratra 220 ireo mpitrandraka ny harena anaty rano nanatrika izany.Nangataka fanomezan-tanana amin’ny paikady entina hanatsara ny fitrandrahana tamin’ny DRPEB izy ireo. #MPEB #DRPEB #UGL #Farihy_Alaotra #Fitantanana_maharitra_harena_anaty_rano.
Kaominina Ambonivohitra Sainte Marie, Distrikan’i Sainte Marie, Faritra Analanjirofo. Fampiofanana momba ny teknikam-panjonoana maharitra.

Isan’ny fanavaozana ny sehatry ny fanjonoana makamba nataon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB# ny fanohanan’ireo mpanjono vaventy amin’ny fanomezana ny fampiofanana ireo mpanjono madinika ao amin’ny farim-panjonoana izay hiasany.Mpanjono miisa 85 avy ao amin’ny Fkt Ambodifotatra sy Vohilava, Distrikan’i Sainte Marie no nisitraka fampiofanana mikasika ny fomba fanjonoana maharitra ka ny fomba fanjonoana mampiasa » palangre » no natao ny faha 25 sy 26 Aogositra 2025 teo. Izao fiofanana izao dia tafiditra indrindra amin’ny fanatanterahana ny tamberin’andraikitra avy amin’ny orinasa REFRIGEPECHE EST. Ity fomba fanjonoana ity izay manavaka ny trondro vaventy na « pêche sélective » mba tsy hahalany tamingana ny trondro.Nanamora ny fahazoan’izy ireo izany ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy Toekarena Manga# DRPEB Ananjirofo sy ny ekipa avy ao amin’ny Fitaleavana miaindraikitra ny Jono #DP# avy eo anivon’ny Ministera. #MPEB#DP#DRPEB# ANALANJIROFO#RSE# REFRIGEPECHE_EST#Fampiofanana_Teknikam-panjonoana_Maharitra
Centre Égyptien International pour l’Agriculture, Egypte 🇪🇬. Formation sur le « Développement de l’Aquaculture Continentale pour la Sécurité Alimentaire et Nutritionnelle pour les pays Africains ».

Manomboka ny 24 Aogositra 2025 ka hatramin’ny 23 Oktobra 2025 izao no tanterahina any Egypte ny fiofanana mahakasika ny Formation sur le « Développement de l’Aquaculture Continentale pour la Sécurité Alimentaire et Nutritionnelle hoan’ireo firenena afrikanina ka ny faha 26 Aogositra 2025 teo tao amin’ny “Centre Egyptien International pour l’Agriculture” (EICA), izay iasan’ny #JICA Egypte no nanokafana izany tamin’ny fomba ofisialy. Ity fiofanana ity dia mikendry ny hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fahalalana eo amin’ny sehatry ny fampiroboroboana ny famokarana anaty rano an-tanety mba hiantohana ny eo amin’ny lafiny ara-tsakafo sy ny sakafo mahavelona ho an’ny mponina. Ankoatr’izay dia hikatsahana ny hampiroboroboana ny fampandrosoana maharitra sy ny fampitomboana ny vokatra eo amin’ny fiompiana trondro sy vokatra an-drano hafa izy io izay mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampihenana ny tsy fanjarian-tsakafo aty Afrika. Firenena Afrikana miisa 10 no mandray anjara amin’ity fiofanana ity izay ahitana an’i Madagasikara, Ghana, Nigéria, Togo, Cameroun, Malawi, Somalie, Bénin, Tanzanie, ary ny firenena Mozambique.Ireo firenena ireo dia misolo tena ny faritra samihafa amin’ny kaontinanta, ary ny mpandray anjara avy amin’ireo firenena ireo dia ahitana manam-pahaizana, teknisianina, ary mpiasa eo amin’ny sehatry ny fampamokarana ny anaty rano izay vonona ny hizara sy hampihatra ny fahalalana azo mandritra ity fiofanana ity. Ireo firenena Afrikana mpandray anjara amin’ity fofanana ity dia antenaina hanana fahaiza-manao vaovao sy tetikady mahomby hanatsarana ny sehatra voakasika ka hitondra fiovana tsara eo amin’ny sehatry ny sakafo sy ny fampandrosoana maharitra manerana ny kaontinanta. #MPEB #JICA #Fampiofanana_Fihariana_Anaty_Rano #CEIA_Egypte
Kaominina Morarano Kraoma Distrikan’Amparafaravola, Faritra Alaotra Mangoro. Fampiofanana mikasika ny fiompiana trondro hoan’ireo solontenan’ny fikambanam-behivavy.

Paikady apetraky ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB ny fanomezana sehatra ny vehivavy hirotsaka amin’ny asa manga.Nisitraka fampiofanana mikasika ny fiompiana trondro maimaimpoana ireo solontena 31 avy amin’ny fikambanam-behivavy ao amin’ny Kaominina Morarano Kraoma, Distrikan’Amparafaravola ny faha 26 aogositra 2025. Izy ireo izay nahazo tosika avy amin’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Firaisankina MPS sy ny Fiadidiana ny Repoblika ka ilaina ny fampiofanana mialoha ny hanatanterahana ny tetikasa.Nifarimbona nanao izany ny teo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga# DRPEB Alaotra Mangoro# sy ny Fitaleavam-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina DRPS any antoerana. Resy lahatra ny rehetra taorian’ny fiofanana fa azo tanterahina tsara any an-toerana ny fiompiana trondro sady azo atao fotom-pivelomana.Ao anatin’ny famolavolana ny tetiandrom-piompiana mety amin’ny toetr’andro any an toerana ny eo anivon’ny DRPEB ankehitriny. Antenaina fa hitombo ny vokatra trondro ao aorian’izao fampiofanana izao. #MPEB #DRPEB #DRPS #Alaotra_Mangoro #Asa_manga #fiompiana_trondro.
Fitsidihana ireo mpiompy trondro sy mpamokatra zana-trondro karpa.

Ny tetikasa AMPIANA 3 sy ny mpiompy trondro ao Distrikan’Ankazobe dia miroso hatrany amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fiompiana trondro amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa sy ny fanohanana mitohy. Ny faha 25 sy faha 26 Aogositra 2025 teo tao amin’ny distrikan’Ankazobe, kaominina Ankazobe sy Mangasoavina dia nisy ny fitsidihana ireo mpiompy trondro sy mpamokatra zana-trondro karpa izay niarahana tamin’ireo teknisianina avy ao amin’ny tetikasa AMPIANA 3. Nandritra izany fitsidihana izany dia nanao ny jeritodika momba ireo zava-bita tao amin’ny distrika izy ireo izay nahitana zana-trondro miisa 2.758.648 eo no novokarina tao amin’ireo kaominina tafiditra ao anatin’ny tetikasa AMPIANA 3 nandritra ny taom-pamokarana 2024-2025. Tombony lehibe ananan’ity distrika ity dia ny fisian’ny rano mandavan-taona na dia amin’ny ririnina aza satria tsy midina be loatra ny maripana. Izany no antony ahafahan’ny Distrikan’Ankazobe mampandroso ny sehatry ny fiompiana trondro amin’ny fomba maharitra sy mahomby. Nohamafisina nandritra ny fitsidihana ny maha-zava-dehibe ny fitandroana ny tontolo iainana ka noentanina mafy ireo mpiompy trondro sy ny mponina ao an-toerana mba tsy handoro tanety intsony indrindra ny fomba fambolena nentin-drazana toy ny “tavy” satria manimba ny tontolo iainana sy ny loharanon-drano. Ho fanampin’izay dia nasaina hamboly hazo ireo mpiompy trondro mba hitazomana ny kalitaon’ny rano izay tena ilaina amin’ny fampandrosoana ny fiompiana trondro. #MPEB #DRPEB_Analamanga #tetikasa_AMPIANA_3 #famokarana_zana_trondro #fiompiana_trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga
