Fokontany Antanambao, Distrika Antsirabe II, Faritra Vakinankaratra : Fitsidihina dobo sy fanaovana tombana ny vokatra trondron’ny kaoperativa VOHITR’ARO.

Nitsidika sy nanao tombana ny vokatra ary nanao fanitsiana ny fomba fiompiana teny ifotony ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono zy ny Toekarena Manga Vakinankaratra, izay natrehin’ireo mpikambana vitsivitsy ao amin’ny #koperativa_Vohitr_Aro ny faha 28 Aogositra 2025. Manodidina ny 30 isa eo ho eo ny dobon’ity koperativa ity ka ny 05 dia efa nanombohana niompiana trondro karpa tamin’ny fomba nenti-paharazana. Maniry ny hanatsara ny vokatra ny mpikambana rehetra sady resy lahatra ny hampihatra ny teknika manaraka ny toetrandro sy ny fenitra amin’ity taom-pamokarana vaovao. Hita ny fahavononan’izy ireo ary tena tsara rano sy malalaka ny toerana ka hisy ny fanampiana azy ireo mba hahita tombony kokoa sy mba ho fitaratra ho an’ny manodidina any Ambanivohitra any. Velom-pisaorana sy fankasitraha izy ireo noho izany satria tena lavitra sy ratsy lalana ilay toerana ary sambany nisy nitsidika sy nanitsy toy izao ny fomba entina hiompiana trondro. #MPEB #DRPEB_Vakinankaratra #Fampamokarana_ny_Atirano
FAMPIROBOROBOANA NY SEHATRY JONO TONGASOA ETO AMIN’NY FOKONTANY TARANTA , KAOMININA SOALALA,FARITRA BOENY ATOA MINISITRA

Tamim-piravoravoana no nandraisan’ny vahoakan’ny Taranta an’A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert sy ireo delegasionina miaraka aminy Anio 30 Aogositra 2025 . Anisan’ny niaraka taminy A/toa Governoran’ny Faritra Boeny , ny Tompon’andraikitra ao amin’ny Durrell izay mpitantsoroka ireo asa eto Soalala izay miara-miasa amin’ny MNP, ny solotenan’ireo mpanjono vaventy toy ny sogediproma, somapêche ,ny Apmf sns… Nifampitafa mivantana tamin’ireo mpanjono eny an-toerana ny tenany nandritra ny fitsidihana, nanamafisany ny fanentanana amin’ny fanarahan-dalana toy ny tsy fampiasana ny moustiquaire amin’ny fanjonoana , ny fanajana ny fotoam-pikatonan’ny Jono sns , Hisy ihany koa ny fizarana fitaovam-panjonoana ho azy ireo. Naneho ny hafaliany izy ireo satria hita sy tsapa fa tsy natao ambanin-javatra ny seham-piharin’izy ireo Ary mihaino hatrany ny feon’izy ireo ny eo anivon’ny fitondram-panjakana izay hisoloan’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert tena. Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue #DURRELL #SOCIETE_DES_PECHES #APMF #Mahajanga #faritra_boeny
SEHATRY NY JONO : NOZARAINA FAMPITAOVANA IREO MPANJONO ETO AMIN’NY FOKONTANY TARANTA, KAOMININA SOALALA, FARITRY BOENY .

Ho fanatsarana ny velontenan’ireo mpanjono madinika eto amin’ny Fokontany Taranta dia nozaraina fitaovam-panjonoana maro Ary manaraka ny fenitra izy ireo avy amin’ireo mpanjono vaventy nandritra ny fitsidihan’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert. Anisan’izany ny salotra vonjy aina miisa 110 , kit de palangre miisa 30 , filet multi filaments (kits) miisa 95 , sac de plonger miisa 40 sy ny maro hafa …. Nohamafisiny nandritra ny fizarana fa zava-dehibe ny fananana ny #karatra_maha_mpanjono ahafahan’izy ireo misitraka ireo tombotsoa maro avy amin’ny Ministera sy ahafahana manara-maso ny asan’izy ireo . Eo ihany koa ny fidirana anaty fikambanana ho fanamorana ireo asa rehetra entina handrindrana ny fitantanana ny Jono ao an-toerana. Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue #MAHAJANGA #FARITRA_BOENY #FAMPIROBOROBOANA #NY_JONO #SOCIETE_DES_PECHES
Kaominina Ambonivohitra Sainte Marie ,Distrikan’i Sainte Marie, Faritra Analanjirofo. Fampiofana ireo mpanjono madinika mikasika ny fomba fanjonoana maharitra.

Sehatr’asa iray mamelona fianakaviana maro ao amin’ny distrikan’i Sainte Marie ny asa fanjonoana madinika.Ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy dia miezaka hatrany manome fampiofanana ho azy ireo hampiakarana ny fari-piainan’izy ireo.Mpanjono miisa 186 avy ao an-toerana no nahazo fampiofanana mikasika ny jono maharitra ny faha 27 sy 28 aogositra 2025 teo . Izao fampiofanana izao dia natao mba hikendrena ny amin’ny hahafahana hampiakatra ny fari-piainan’izy ireo satria hanovo teknikam-panjonoana vaovao sy maharitra.Ny orinasa REFRIGEPECHE EST no mamatsy ara-bola ny fampiofanana izay tafiditra ihany koa ao anatin’ny fanatanterahana ny bokin’andraikitr’izy ireo. #MPEB #DRPEB_Analanjirofo #Fampiofanana_Teknika_fanjonoana_Maharitra #RSE #REFRIGEPECHE_EST.
Kaominina Ambonivohitra Fianarantsoa, Distrikan’i Fianarantsoa l , Faritra Matsiatra Ambony. Fivorian’ireo teknisianin’ny fiompiana trondro niaraka tamin’ny DRPEB Matsiatra Ambony.

Ho fanohizana ny asa notanterahin’ny tetikasa PADM (Tetikasa momba ny fampamokarana ny aty rano maharitra eto Madagasikara) izay teo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB izay nifarana ny taona 2023 dia nivory niaraka tamin’ny Talem-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga #DRPEB Matsiatra Ambony tao amin’ny biraon’ny tetikasa ASAM3F/GIZ ireo teknisiana miisa 12 misehatra amin’ny fiompiana trondro tany an-toerana ny faha 28 aogositra 2025 teo. Vontoatin’ny fivoriana ny fanohizana ny asam-pandinihana sy famaritana ireo drafitrasa fiompiana trondro izay tokony Mbola hotohizana. Teo ihany koa no namitinana ny asa rehetra notanterahin’ny DRPEB tao aorian’ny fifaranan’ny PADM.Nodinihina nandritra izany koa ny olana sedraina amin’ny fanapariahana ny teknikam-piompiana trondro manoloana ny tsy fahampian’ny teknisiana eny ifotony sy ny fanamafisana ny serasera sy ny fifandraisana eo amin’ny DRPEB miaraka amin’ny teknisianin’ireo vondron’ny tantsaha (OP,ONG, fikambanana, tetikasa ary ny fandaharana isankarazany). Tanjona hisian’ny fandrindrana ny asa dia ny hampiroboroboana hatrany ny sehatry ny fihariana anaty rano ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony izay anisan’ny sangany amin’io sehatra io eto Madagasikara. #MPEB #DRPEB #Matsiatra_Ambony #PADM #ASAM_3F #GIZ #Fiompiana_trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga
ASA FIKAROHANA MAHAKASIKA NY VOKATRA MAKAMBA : MITOMBO INDRAY IREO MANAM-PAHAIZANA ETO MADAGASIKARA ; Mahajanga, Faritra Boeny.

05 taona i Dr ANDRIANJAFIMANANA Éric no nanomana azy ary nilona tao anatin’ny asa fikarohana mahakasika ny vokatra makamba . Natao izany nohon’ny fahatsapana fa mihena ny vokatra makamba raha ampitahaina amin’ny teo aloha. Tanjona ny hanatsarana ny fomba fanjonoana makamba eto amintsika izay mahakasika ny jono vaventy sy ny jono madinika. Ohatra amin’izany ny fampiasana harato kely maso toy ny poteau, valakira, periky ary ny ramikaoko na kaokobe na tarikaky no isan’ny mampihena ilay vokatra ankehitriny raha toa ka ny fanjonoana matetika amin’ny toerana tsy miova izay ataon’ireo sambo vaventy ka mampiasa chalut no isan’ny mampihena izany. Ilaina ny fanajana ny lalàna sy ny fenitra takiana mba tsy hahalany tamingana ny makamba. Ny Minisiteran’ny jono sy ny Toekarena manga ( #MPEB) Izay anisan’ny mahazo tombotsoa amin’izany dia manohana akaiky ny fakorahana toy izao izay ilaintsika hanatsarana ny fitantanana ireo harena voajanahary andranomasina eto amintsika. Nandray anjara amin’ny maha Mpampianatra Mpikaroka azy ary manam-pahaizana manokana momba ny Jono sy ranomasina eto Afrika azy hitsara izao valim-pikarohana izao Atoa Minisitry ny Jono Sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert. Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert #MAKAMBA #FIKAROHANA
Beloha, Faritra Androy. Tontosa ny faha 27 ka hatramin’ny faha 29 Aogositra 2025 ny fampihofanana ireo tantsaha mpamboly, ireo mpanjono ary ireo mpanao kinanga miisa 39 tao Beloha, Faritra Androy.

Nampahafantarina azy ireo ny lalàna mifehy ny Jono sy ny Fampamokarana ny atirano, ny fomba fikarakarana sy fitehirizana ny vokatra azo avy amin’ny rano, ny fomba fivarotana ny vokatra ary ny fanabeazana ara-bola sy ny fanaovana tahiry, izay novelabelarin’ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono dy ny Toekarena Manga Androy. Navitrika ireo mpandray anjara ary afapo tanteraka koa nanome toky fa hampihatra ireo traikefa azony tamin’ny fiofanana no hizara izany koa amin’ny manodidina. #MPEB #Consortium_TOMPY #PAM #DRPEB_Androy
FAMPIOFANANA FIOMPIANA TRONDRO TETO MAHAJANGA ,FARITRA BOENY : MBOLA MALALAKA NY TSENA HO AN’NY SEHAM-PIHARIANA TRONDRO HOY A/TOA MINISITRA NANDRITRA NY FAMPIOFANANA

Manodidina ny 282 ireo Tanora sy renim-pianakaviana Ary raim-pianakaviana Tonga nanatrika fampiofanana fiompiana trondro izay Notanterahina tato amin’ny « Chambre de commerce » Mahajanga Anio 28 Aogositra 2025. Hita taratra nandritra ny fiofanana avy hatrany fa maro be ireo Liana te hisehatra amin’ity fiompiana trondro ity noho izy asa mahavelona Ary azon’ny rehetra atao. Tanjona lehibe Ary vina hapetraky ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ny #fanapariahana azy ity manerana an’i Madagasikara ahafahana manome #asa_sahaza ho an’ny Tanora , hiadiana amin’ny #Tsy_fanjarian_tsakafo fa indrindra #hiadiana amin’ny #fahantrana . Fampiofanana Feno toy ny karazan’ireo fiompiana trondro miisa 4 miaraka amin’ireo teknika rehetra fanamboarana azy , ireo tsara ho fantatra rehetra toy sakafo sns ary ny fanontaniana naraham-baliny no nomena ireo rehetra Tonga nanatrika . Irariana arak’izany fa hitombo ireo Tanora misehatra amin’ny fiompiana trondro Ary hiroborobo sy hamatsy ho an’ny Boeny manontolo. Ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert no nanome ny fampiofanana Ary nohamafisiny fa Mbola Malalaka ny tsena Raha eto Madagasikara Raha ho an’ity sehatra iray ity. Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert #FAMPIOFANANA_FIOMPIANA_TRONDRO #MAHAJANGA #FARITRA_BOENY
Kaominina Ambanivohitra Ambatosoratra, Distrikan’Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Fanofanana amin’ny fitantanana maharitra ny farihin’Alaotra.

Tombontsoa maro no azon’ireo mponina manamorona ny farihin’alaotra ka isan’izany ny fisitrahana ireo hazandrano maro ao aminy.Mihena hatrany anefa izany vokatra izany ka nanohy hatrany ny ezaka izay efa nilofosany ny avy eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Alaotra Mangoro zay ratsamangaika ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB any antoerana ka nanao fanentanana narahina fampiofanana ireo mponina tao amin’ny Fkt Andreba Gara Kaominina Ambatosoratra ny faha 26 aogositra 2025 teo. Niompana tamin’ny fomba fitantanana maharitra ny harena voajanahary ny fampiofanana noho ity toerana ity ho lasa UGL(Unité de Gestion Locale) hoan’ny drafi-panajariana ny Jono ao amin’ny farihin’alaotra atsy ho atsy. Nohamafisina tamin’ny alalan’ny fandefasana horonantsary amin’ny fitenim-paritra any an-toerana izany ka nahatratra 220 ireo mpitrandraka ny harena anaty rano nanatrika izany.Nangataka fanomezan-tanana amin’ny paikady entina hanatsara ny fitrandrahana tamin’ny DRPEB izy ireo. #MPEB #DRPEB #UGL #Farihy_Alaotra #Fitantanana_maharitra_harena_anaty_rano.
Kaominina Ambonivohitra Sainte Marie, Distrikan’i Sainte Marie, Faritra Analanjirofo. Fampiofanana momba ny teknikam-panjonoana maharitra.

Isan’ny fanavaozana ny sehatry ny fanjonoana makamba nataon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB# ny fanohanan’ireo mpanjono vaventy amin’ny fanomezana ny fampiofanana ireo mpanjono madinika ao amin’ny farim-panjonoana izay hiasany.Mpanjono miisa 85 avy ao amin’ny Fkt Ambodifotatra sy Vohilava, Distrikan’i Sainte Marie no nisitraka fampiofanana mikasika ny fomba fanjonoana maharitra ka ny fomba fanjonoana mampiasa » palangre » no natao ny faha 25 sy 26 Aogositra 2025 teo. Izao fiofanana izao dia tafiditra indrindra amin’ny fanatanterahana ny tamberin’andraikitra avy amin’ny orinasa REFRIGEPECHE EST. Ity fomba fanjonoana ity izay manavaka ny trondro vaventy na « pêche sélective » mba tsy hahalany tamingana ny trondro.Nanamora ny fahazoan’izy ireo izany ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy Toekarena Manga# DRPEB Ananjirofo sy ny ekipa avy ao amin’ny Fitaleavana miaindraikitra ny Jono #DP# avy eo anivon’ny Ministera. #MPEB#DP#DRPEB# ANALANJIROFO#RSE# REFRIGEPECHE_EST#Fampiofanana_Teknikam-panjonoana_Maharitra
