Centre Égyptien International pour l’Agriculture, Egypte 🇪🇬. Formation sur le « Développement de l’Aquaculture Continentale pour la Sécurité Alimentaire et Nutritionnelle pour les pays Africains ».

Manomboka ny 24 Aogositra 2025 ka hatramin’ny 23 Oktobra 2025 izao no tanterahina any Egypte ny fiofanana mahakasika ny Formation sur le « Développement de l’Aquaculture Continentale pour la Sécurité Alimentaire et Nutritionnelle hoan’ireo firenena afrikanina ka ny faha 26 Aogositra 2025 teo tao amin’ny “Centre Egyptien International pour l’Agriculture” (EICA), izay iasan’ny #JICA Egypte no nanokafana izany tamin’ny fomba ofisialy. Ity fiofanana ity dia mikendry ny hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fahalalana eo amin’ny sehatry ny fampiroboroboana ny famokarana anaty rano an-tanety mba hiantohana ny eo amin’ny lafiny ara-tsakafo sy ny sakafo mahavelona ho an’ny mponina. Ankoatr’izay dia hikatsahana ny hampiroboroboana ny fampandrosoana maharitra sy ny fampitomboana ny vokatra eo amin’ny fiompiana trondro sy vokatra an-drano hafa izy io izay mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampihenana ny tsy fanjarian-tsakafo aty Afrika. Firenena Afrikana miisa 10 no mandray anjara amin’ity fiofanana ity izay ahitana an’i Madagasikara, Ghana, Nigéria, Togo, Cameroun, Malawi, Somalie, Bénin, Tanzanie, ary ny firenena Mozambique.Ireo firenena ireo dia misolo tena ny faritra samihafa amin’ny kaontinanta, ary ny mpandray anjara avy amin’ireo firenena ireo dia ahitana manam-pahaizana, teknisianina, ary mpiasa eo amin’ny sehatry ny fampamokarana ny anaty rano izay vonona ny hizara sy hampihatra ny fahalalana azo mandritra ity fiofanana ity. Ireo firenena Afrikana mpandray anjara amin’ity fofanana ity dia antenaina hanana fahaiza-manao vaovao sy tetikady mahomby hanatsarana ny sehatra voakasika ka hitondra fiovana tsara eo amin’ny sehatry ny sakafo sy ny fampandrosoana maharitra manerana ny kaontinanta. #MPEB #JICA #Fampiofanana_Fihariana_Anaty_Rano #CEIA_Egypte
Kaominina Morarano Kraoma Distrikan’Amparafaravola, Faritra Alaotra Mangoro. Fampiofanana mikasika ny fiompiana trondro hoan’ireo solontenan’ny fikambanam-behivavy.

Paikady apetraky ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB ny fanomezana sehatra ny vehivavy hirotsaka amin’ny asa manga.Nisitraka fampiofanana mikasika ny fiompiana trondro maimaimpoana ireo solontena 31 avy amin’ny fikambanam-behivavy ao amin’ny Kaominina Morarano Kraoma, Distrikan’Amparafaravola ny faha 26 aogositra 2025. Izy ireo izay nahazo tosika avy amin’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Firaisankina MPS sy ny Fiadidiana ny Repoblika ka ilaina ny fampiofanana mialoha ny hanatanterahana ny tetikasa.Nifarimbona nanao izany ny teo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga# DRPEB Alaotra Mangoro# sy ny Fitaleavam-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina DRPS any antoerana. Resy lahatra ny rehetra taorian’ny fiofanana fa azo tanterahina tsara any an-toerana ny fiompiana trondro sady azo atao fotom-pivelomana.Ao anatin’ny famolavolana ny tetiandrom-piompiana mety amin’ny toetr’andro any an toerana ny eo anivon’ny DRPEB ankehitriny. Antenaina fa hitombo ny vokatra trondro ao aorian’izao fampiofanana izao. #MPEB #DRPEB #DRPS #Alaotra_Mangoro #Asa_manga #fiompiana_trondro.
Fitsidihana ireo mpiompy trondro sy mpamokatra zana-trondro karpa.

Ny tetikasa AMPIANA 3 sy ny mpiompy trondro ao Distrikan’Ankazobe dia miroso hatrany amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fiompiana trondro amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa sy ny fanohanana mitohy. Ny faha 25 sy faha 26 Aogositra 2025 teo tao amin’ny distrikan’Ankazobe, kaominina Ankazobe sy Mangasoavina dia nisy ny fitsidihana ireo mpiompy trondro sy mpamokatra zana-trondro karpa izay niarahana tamin’ireo teknisianina avy ao amin’ny tetikasa AMPIANA 3. Nandritra izany fitsidihana izany dia nanao ny jeritodika momba ireo zava-bita tao amin’ny distrika izy ireo izay nahitana zana-trondro miisa 2.758.648 eo no novokarina tao amin’ireo kaominina tafiditra ao anatin’ny tetikasa AMPIANA 3 nandritra ny taom-pamokarana 2024-2025. Tombony lehibe ananan’ity distrika ity dia ny fisian’ny rano mandavan-taona na dia amin’ny ririnina aza satria tsy midina be loatra ny maripana. Izany no antony ahafahan’ny Distrikan’Ankazobe mampandroso ny sehatry ny fiompiana trondro amin’ny fomba maharitra sy mahomby. Nohamafisina nandritra ny fitsidihana ny maha-zava-dehibe ny fitandroana ny tontolo iainana ka noentanina mafy ireo mpiompy trondro sy ny mponina ao an-toerana mba tsy handoro tanety intsony indrindra ny fomba fambolena nentin-drazana toy ny “tavy” satria manimba ny tontolo iainana sy ny loharanon-drano. Ho fanampin’izay dia nasaina hamboly hazo ireo mpiompy trondro mba hitazomana ny kalitaon’ny rano izay tena ilaina amin’ny fampandrosoana ny fiompiana trondro. #MPEB #DRPEB_Analamanga #tetikasa_AMPIANA_3 #famokarana_zana_trondro #fiompiana_trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga
Kaominina Ambonivohitra Nosy Be, Distrikan’i Nosy Be, Faritra DIANA. Fitsidihana ho fanamafisana ny fandraisan’andraikitr’ireo vahoaka eny ifotony.

Iray amin’ireo tambanjotra miara-miasa amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB ny tambajotra MIHARI.Iray amin’ireo sehatra mampifandray ny MPEB sy ireo fikambanan’ireo mpanjono eny ifotony. Araka izany dia nisy ny fitsidihana notarihin’ny filohan’io tambanjotra io niaraka tamin’ny ONG CI (Conservation International) tao amin’ny Lehiben’ny sampandraharaha ny Jono sy Toekarena Manga #CirPEB_Nosy Be ny faha 25 Aogositra 2025 teo.Niaradia tamin’izy ireo tamin’izany ihany koa ny mpikambana ao amin’ny Famindram-pitantanana ny harena anaty rano #TGRH sy ny harena voajanahary #TGRN ny avy ao amin’ny corridor de 7 baies Antsiranana. Nivoitra nandritra ny fifampidinihana ny fanamafisana ny fandraisan’andraikitr’ireo mponina eny ifotony izay nanankinana ny fitantanana ireo harena voajanahary anaty rano sy Antanety.Nampanatena ny Filohan’ny tambanjotra #MIHARI fa maro ireo fanohanana izay hisitrahan’izy ireo alohan’ny faran’ny taona. Tanjona ny hanatsarana ny fitantanana hiarahana amin’ireo vondron’olona eny ifotony ireo harena voajanahary izay miantoka amin’ny ampahany betsaka ny velon-tenan’izy ireo. #MPEB #CirPEB #Nosy_Be #MIHARI #TGRH #TGRN #VOI #Corridor_d_7_baies
Antananarivo,Faritra Analamanga

Atrikasa faka-kevitra mahakasika ny fifanarahana teo anivon’ny OMC momban’ny Fanampiana ara-bola amin’ny sehatry nyJono Amin’ny ankapobeny dia isan’ny misedra olana ny sehatry ny Jono maneran-tany amin’izao fotoana izao nohon’ny fisian’ilay fitrandrahana mihohapapana,ny fisian’ilay fitrandrahana mihotra ireo vokatra tokony ho trandrahina ary ny farany dia ny fisian’ilay Jono tsy manara-dalana tsy voafanambara ary tsy voafehi-dalana na Pêche INN ka nahatonga ireo firenena mpikambana ao anatin’ny #OMC nametraka ny fifanarahana mahakasika ny fijerena manokana ny fepetra mifandraika amin’ny fahafahana manao fanampiana ara- bola eo amin’ny sehatry ny Jono izay natao tany Genève ny volana Jona 2022 izay azo heverina ho dingana lehibe eo amin’izany sehatry ny jono sy ny fiarovana ireo hazandranomasina mba hisian’ny fitrandrahana maharitra. Na dia efa nisy aza ireo firenana maromaro nanao sonia an io fifanarahana dia Mbola tsy manankery io fifanarahana raha tsy manaiky ny ankamaroan’ireo firenena mpikambana eo anivon’ny OMC ary raha ho an’i Madagasikara manokana amin’ny maha mpikambana azy dia mbola eo an-dalana mijery ireo pitsopitsony rehetra ahafahana miroso amin’izany. Arak’izany dia nisy ny atrikasa fakan-kevitra mahakasika io fifanarahana eo anivon’ny OMC io izay mifandraika amin’izany fanampiana ara-bola amin’ny sehatry ny Jono izany izay natao tao amin’ny Hotel le Grand Mellis Antananarivo androany 26 Aogositra 2025 ary haharitra roa andro eo izay niarahan’ny teto anivon’ny Ministera ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB,ny Ministera ny Indostria sy ny Varotra (#MIC) ireo solontenan’ny mpanjono ary ireo mpisehatra marolafy eo amin’ny tontolo an-dranomasina.Marihinafa ny #WWF no nanome ny tohana ara-teknika sy ara-bola #MPEB #MIC #WWF #OMC
HENNENSSY Park hôtel – Ébène MAURICE

Notanterahina nanomboka ny 25 sy ny 26 Aogositra 2025 any Maorisy ny fivoriana faha-15 ny komity mpanapaka ny drafitra rezionaly ny fanaraha-maso ny Jono na ny « PRSP: Plan Régional de Surveillance des Pêches ». Firenena valo no mandray anjara amin’ity fivorina ity anisan’izany i Madagasikara. Ity fivoriana ity no fivorina farany hamaritana ny PRSP izay tetikasa niasa nanomboka ny taona 2018 ary hifarana ny volana Septambra 2025, famatsiambola avy amin’ny Ecofish sy ny Vondrona Eropeanina. Nisy arak’izany ny jery todiky ny asa sy ireo andraikitra nosahanin’ny PRSP nandritra izay fotoana niasany izay. Hofaritana mandritra ity fivoriana ity ihany koa ny sori-dalàna entina hitantanana indray ny tetikasa ho avy. #MPEB #PRSP #ECOFISH #UE
Lovokampy II, Kaominina Ianatsono, Toliara II, Faritra Atsimo Andrefana : FANAMAFISANA NY FANENTANANA MAHAKASIKA IREO VOKATRA TSY AZO JONOINA NARAHINA FIZARANA FAMPITAOVANA

anàna izay ahitana Mpanjono Vezo zato isan-jato ny ao Lovokampy izay isan’ireo tanam-bezo manodidina ny fihaonan’ny ranomasina sy ny reniranon’ny Onilahy. Isan’ireo toerana izay mamatsy mivantana amin’ny resaka trondro an’i Toliara ity tanàna ity ary malaza nohon’ny hatsaran’ny vokatra ananany. Tonga nizara fitaovam-panjonoana sy kojakoja maro samihafa Atoa MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga ary ireo Mpiaramiasa aminy, ary nanentana hatrany mahakasika ireo biby izay arovana ary tsy azo jonoina toy ny trozona, ny akio-trozona, ny fesotse, ny fano sns #LovokampyII_Ianatsono #Fanentanana_Fizarana #Fitaovam_panjonoana #Biby_arovana #MPEB
Kaominina ambanivohitra Maherivaratra, Distrikan’Ambanja, Faritra DIANA. Fanentanana ireo mpisehatra amin’ny jono hiroso hatrany eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna sy fanentanana ifotony hisorohana ny ICAM.

Ny fanajana ny lalàna mifehy ny Jono no antoka iray mampaharitra izany ho lovain-jafy.Ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB) amin’ny alalan’ny solontenany eny ifotony dia tsy mikelisoroka fa manentana hatrany ireo mpanjono hiroso amin’ny sehatry ny matianina sy ny ara-dalàna.Araka izany dia mpanjono miisa 42 avy ao amin’ny Kaominina Maherivaratra, Distrikan’Ambanja no nanaovan’ny ekipan’ny lehiben’ny sampandraharaha ny Jono #CirPEB Ambanja izany ny faha 24 aogositra 2025 teo. Nohamafisina nandritra izany ihany koa ny fanentanana ny amin’ny tokony hananana ny karatra maha mpanjono,ny fanajana ny fotoana ikatonan’ny jono an-dranomamy ao amin’ny faritr’i DIANA ary ny fanamafisana ny fanentanana mba hirosoana amin’ny fisorohana ny tranga ICAM (Intoxication Alimentaire par la Consommation d’Animaux Marins.) mety hiseho amin’izao ankatoky ny vanimpotoanan’ny andro mafana izao. Ary ny farany dia ny fanamafisana sy ny fampatsiahivana ireo mpanangombokatra sy ireo mpanao kinanga ny amin’ny tokony hananan’izy ireo karatra maha mpijirika sy maha mpanangombokatra mba hampizotra tsara ny asa izay atao ho ampilaminana. #MPEB #CirPEB #Ambanja #ICAM #jono_madinika.
Tsihombe, Faritra Androy. Nidina ifotony ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga ny faha 19 ka hatramin’ny faha 23 Aogositra 2025 tao amin’ny Distrika Tsihombe, Faritra Androy.

Nisy ny fihaonana tamin’ireo mpanjono mpikambana anivon ny CEC na « Champ Ecole Commerce » miisa 60, izay 30 avy ao amin’ny CEC Ankilitomotra, Kaominina Ambanivohitra Marovato ary ny 30 avy ao amin’ny CEC Maroafo Belaza, Kaominina Ambanivohitra Antaritarike. Teo ihany koa ny fijerena ny toerana hametrahana ilay vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 02 no sady koa nanazava ny maha zava-dehibe ny hametrahana izany ho an’ny fitehirizana ny vokatra azo amin’ny jono. Narahana fizarana harato ZZ efa vita rafitra miisa 02 sy « palangre » miisa 02 efa vita rafitra ihiany koa ny fidinana teny an-toerana ary fanentanana ireo mpanjono sy mpanao kinanga na « mareyeurs » momba ny fananana ny karatra mpanjonao sy ny karatra mpanao kinanga, nazavaina azy ireo ny dingana tokony harahina amin’ny fanamboarana izany karatra izany. Nararaotina tamin’io fotoana io ihany koa ny fampahafantarana ireo mponina ny fisokafan’ny birao ny #CirPEB_Tsihombe sy ny Tompon’andraikitra mitantana izany. #MPEB #DRPEB_Androy #FAO
Sarodrano, Kaominina Saint Augustin na Ianatsono, Distrikan’ny Toliara II, Faritra Atsimo Andrefana : fanentanana sy fizarana_fitaovam-panjonoana

Andro vitsy lasa izay no nisy requin baleine na akio trozo na marokintana na akio valozoro niazon’ireo Mpanjono ka nataon’olona sakafo teto Sarodrano. Tsy niandry ela fa dia tonga nanamafy ny fanentanana sy ny fanazavana ny mahaza-dehibe an’ity biby ity ny Minisitry Jono sy Toekarena Manga MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert sy ireo Mpiaramiasa aminy. Nisy ihany koa ny fizarana fitaovam-panjonoana sy kojakoja maro samihafa ary ny fanarahamaso ireo asan’ny Ministera tao antoerana. Faly sy ravo ary nisaotra ny Fitondram-panjakana ireo Vahoaka ary nampanantena ny hiaro ireo biby izay voararan’ny lalàna fa tsy azo jonoina no hanetana ihany koa ireo naman’izy ireo. Marihina fa Mpanjono avy ao Kiembe/Mahavatse no nanjono ilay akio trozo. Hisy ny fanentanana mafimafy sy ny fandraisana fepetra raha mbola misy ny tranga toy izao. #Sarodrano_Saint-Augustin #Akio_trozo #Fitaovam-panjonoana #Toliara_Atsimo-Andrefana #MPEB
