Bealanana, Faritra Sofia
FAMPIOFANANA FIOMPIANA TRONDRO
Mankasitraka antsika vahoakan’ny Bealanana tamin’ny fandraisana makotroka izay tena nanehoanareo ny fahavononanareo fa hisehatra amin’ny fiompiana trondro . Resy lahatra ihany koa Isika fa anisan’ny kitro hifaharan’ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara ity sehatra iray ity ka araraotina ny fotoana rehetra ahafahana mianatra sy mampihatra izany avy hatrany Rehefa misy ny hetsika fampiofanana maimaimpoana toy izao . Hirariana arak’izany fa hitombo Ary hiroborobo ny asa Fiompiana trondro eto amin’ny Distrikan’ny Bealalana Ary hanenika eraky ny Faritra Sofia sy Madagasikara manontolo MANKASITRAKA #ENSEMBLE_ON_IRA_LOIN
BEALANANA , FARITRA SOFIA
FIDINANA IFOTONY NENTINA NAMPIHARANA AVY HATRANY NY FAMPIOFANANA FIOMPIANA TRONDRO
Taorian’ny fampiofanana dia Nisy avy hatrany ny Fidinana ifotony izay Nampiharana avy hatrany ny lesona azo tao anatin’ny fampiofanana. Toy ity eto amin’ny matsabory madio lehibe ity izay mirefy 4ha eo no eo . Nojerena ny ahafahana mampiroboro ny fiompiana trondro ao aminy satria anisan’ny manampy betsaka amin’ny foto-piveloman’ireo mponina anatin’ity Fokontany Anandrobato ity matsabory lehibe ity. Ny fiompiana trondro anaty fefy mitsingevana no afaka atao eto amin’ity matsabory ity araky ny nambaran’A toa Minisitra MAHATANTE Paubert nandritra ny Fidinana teny an-toerana. Mila fahaiza-mitantana avokoa anefa izany rehetra izany mba hisian’ny fiakaran’ny vokatra sy hampaharitra izany. Ny Ministera dia Vonona hatrany amin’ny fanomezana ireo tohana ara-teknika rehetra ahafahantsika mampiroboro ity sehampihariana ity. #MPEB #ENSEMBLE_ON_IRA_LOIN
FAMPIOFANANA FIOMPIANA TRONDRO DISTRIKAN’NY BEALANANA ,FARITRA SOFIA
VONONA ARY RESY LAHATRA NY VAHOAKAN’NY BEALANANA
Karazam-piompiana trondro miisa 4 no nampianarina maimaimpoana ho an’ireo vahoakan’ny Bealalana izay maro Tonga nanatrika ny fampiofanana androany 24 mai 2025 niarahana tamin’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert. Nomena avokoa ireo #teknikam_piompiana trondro rehetra ahafahan’izy ireo mampihatra izany avy hatrany aorian’ny fampiofanana. Anisan’izany ny fomba fanamboarana Dobo ,ny toetry ny rano, ny sakafon-trondro sns … Tanana mahavokatra ny Distrikan’ny Bealalana Ary manankarena rano ihany koa izay ahitana matsabory miisa 17 ka afaka atao tsara ny mamadika izany ho lasa loharanombola amin’ny alalan’ny Fiompiana trondro hoy hatrany A/toa Minisitra . Ankoatry ny asa Mahavelona ary mampidibola betsaka ny fiompiana trondro dia tsara ho an’ny fahasalamana ihany koa ny fihinanana azy. Anisan’ny vina lehibe ho an’ny Ministera ihany koa ny hampianatra ny tahan’ny fihinanana trondro eto Madagasikara ka ho hampitombointsika izany amin’ny alalan’ny fanomezana fampiofanana toy izao. #MPEB #FAMPIOFANANA_FIOMPIANA_TRONDRO #BEALALANA #FARITRA_SOFIA
Mahajanga, Faritra Boeny
Fampiroboroboana ny Asa Manga amin’ny alalan’ny Famokarana anaty rano
Tanteraka ny faha 23 May 2025 teto anivon’ny CDA Mahajanga ny fiofanana mahakasika ny fambolena « Spiruline », nahitana mpandray anjara miisa 28 mianadahy mianaka. Fiofanana narahana fampiharana no nisy tamin’ity andiany ity mba nahafahan’ireo mpandray anjara nahita hoe inona tokoa moa izany « Spiruline » izany tamin’ny alalan’ny fijerena izany tamin’ny « Microscope »…. Nisy ihany koa ny fitsidihan’ireto mpandray anjara ireto ny toeram-pambolena lomotra tsy hita maso na « Algue microscopique » (sakafom-biby anaty rano) notanterahana teo anivon’ny CDA Mahajanga hatrany. Nandritra ity fiofanana ity dia nampahafantarina ny mpandray anjara ihany koa izay tombony lehibe ho azy ireo, ireo karazan-trondro andalam-pikarohana imasoan’ny CDA Mahajanga ao anatin’ny fanantanterahana indrindra ny vinan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toe-karena Manga toy ny : 𝑷𝒂𝒓𝒆𝒕𝒓𝒐𝒑𝒍𝒖𝒔 𝒔𝒑 (Damba), 𝑳𝒊𝒛𝒂 𝒎𝒂𝒄𝒓𝒐𝒍𝒆𝒑𝒊𝒔 (Zompona), 𝑯𝒆𝒕𝒆𝒓𝒐𝒕𝒊𝒔 𝒔𝒑 (Vangolopaka), 𝑶𝒔𝒑𝒉𝒓𝒐𝒏𝒆𝒎𝒖𝒔 𝒈𝒐𝒓𝒂𝒎𝒚 (Laobazaha), 𝑷𝒂𝒓𝒂𝒕𝒊𝒍𝒂𝒑𝒊𝒂 𝒑𝒐𝒍𝒍𝒆𝒏𝒊 (Marakely),… #MPEB #CDAMahajanga #FamokaranaAnatyRano #Fampiofanana #Spiruline
Antsiranana, Faritra Diana
Ady amin’ny jono tsy ara-dalana
Tanterahana any Antsiranana, Faritra Diana ny 21 hatramin’ny 23 May 2025 ny atrikasa fampiofanana mikasika ny fampiasana « drône ». Tafiditra ao anatin’ny paikady fanamafisana ny ady amin’ny jono tsy manara-dalana, tsy voambara, ary tsy voafehin-dalana ity hetsika ity. Ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ary ny WWF no nikarakara ny atrikasa. Tanjona ny hampahafantatra ny teknolojia vaovao amin’ny fanaraha-maso eny an-dranomasina. Eo koa ny hanamafisana ny fifehezana ny jono amin’ny fomba mahomby. Nandray anjara ny avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono, ny Ivon-toerana mpanara-maso ny jono, ary ny FITSINJO. Manam-pahaizana avy any ivelany no tonga nanome ny traikefa. Eo ny « GRID Arendal » avy any Norvezy sy « Distant Imagery Solution » avy any Dubai. Samy manam-pahaizana amin’ny famokarana sy ny fampiasana « drône » amin’ny tontolo an-dranomasina izy ireo. #MPEB #CSP #FITSINJO #WWF #GRIDArendal #DistantImagerySolution #Drône #PêcheINN
Lapan’ny kolotsaina sy Lapan’ny Faritra Vakinankaratra, Antsirabe renivohitra, Faritra Vakinankaratra
Fivoriana andiany fahatelo ho fihomanana amin’ny « FifaninanaTanàna madio » ho an’ny Faritra Vakinankaratra.
Notanterahina ny faha 23 May 2025 ny fivoriana andiany fahatelo ho fihomanana amin’ny « FifaninanaTanàna madio » ho an’ny Faritra Vakinankaratra. Tsiahivina fa araka ny tapaka nandritra ny filan-kevitry ny Ministra natao tany Toliara dia atao izao fifaninanana izao ho an’ireo renivohi-paritra 23 mba hanatsarana ny endrik’i Madagasikara sy hampanjakana ny fanjakana tsara tantana. Ho an’Antsirabe manokana dia tafiditra ho isan’ireo tetikasa hotanterahina ny sosokevitra roa naroson-dRtoa Talem-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga izay makasika ny fanadiovana ankapoben’ny Tanàna sy ny fanavaozana sy fandaminana ny Tsena Asabotsy mba ho mendrika ny maha tsena lehibe indrindra azy ato anaty ny Ranomasimbe Indianina sy Afrika. Miara-mientana ny hery velona rehetra ary efa anatin’ny asa ny avy ao amin’ny #DRPEB_Vakinankaratra amin’ny fanomezana endrika ny birao sy ny manodidina ka isaorana ny fanohanana avy amin’ny #ENSOA sy ny #kaominin_ Antsirabe. #MPEB
BEALANANA ,FARITRA SOFIA
TONGASOA ETO AMIN’NY DISTRIKAN’NY BEALANANA ,FARITRA SOFIA NY MINISITRY NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA.
Ankoatry maha tanana mamoka-bary an’ny Distrikan’ny Bealalana dia Anisan’ny ahitana mpiompy trondro maro ihany koa eto an-toerana izay hahazo tombony mandritra ity fitsidihana izay tanterahin’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert ity satria hisitraka fampiofanana maimaimpoana arahina fanentanana ny fomba fiompiana trondro ho an’ny vahoakan’ny Bealalana ny tenany . Hisy ihany koa ny fitsidihana ireo toeram-piompiana trondro ao an-toerana Ary ny fifampitafana mivantana amin’ireo izay Efa misehatra ny amin’izany hampiroboroboana ny vokatra ao aminy. Tsara ny mizara ny fahaizana amam-pahalalana ho an’ireo olona manodidina anao ka izany no Maha zava-dehibe izao fitsidihana izao , ahafahan’ireo izay Liana rehetra mahaleo tena amin’ny sehatry ny asa Fiompiana trondro. #MPEB #FIOMPIANA_TRONDRO #DISTRIKA_BEALALANA
Loharano, Kaominina Ambanivohitra Ambila, Manakara, Faritra Fitovinagny
Fanentanana momba ny lalàna mifehy ny Jono
Nidinana ifotony tany Loharano, Kaominina Ambanivohitra Ambila ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Fitovinagny ny faha 22 May 2025 nanao hetsika fanentanana sy fampatsahivana momba ireo fehezan-dalàna mifehy ny Jono toy ny refy ny Oratsimba na Langouste, izay tokony mihoatra ny 20cm vao azo trandrahana, sy ireo fitaovampanjonoana izay voarara ny fampiasana azy toy ny haratobe, fagnamo, sns. Ankoatra izay dia nomena fampiofanana izy ireo izay niompana tamin’ny fitantanana ara-bola ao an-tokatrano sy ny fiainam-pikambanana. #MPEB #DRPEB_Fitovinagny
Nosy Be, Fascene, Faritra DIANA
Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, niaraka tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta maromaro, tonga hanatrika ny filan-kevitriny ny Ministra
Nigadona androany maraina 22 May 2025 tao Nosy Be, Fascene, Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, niaraka tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta maromaro, tonga hanatrika ny filan-kevitriny ny Ministra izay hotanterahana any an-toerana hiarahana amin’Atoa Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA, sy Atoa Lehiben’ny Governemanta, NTSAY Christian. Tonga nitsena sy nanome voninahitra azy ireo mpiara-miasa any an-toerana ka nitohy tamin’ny fifanan-kalozan-kevitra tamin’ireo mpiara-miasa any an-toerana ny fotoana. #MPEB #DRPEBDIANA #ConseilDesMinistres #NosyBe
Kaominina Alakamisy Ambohijato, Distrika Ambositra, Faritra Amoron’i Mania
Fampiofanana fiompiana trondro
Notanterahina ny faha 21 May 2025 tato amin’ny efitrano malalaka ny Kaominina ny fampiofanana fiompiana trondro izay notanterahin’ny DRPEB_Amoro_i_Mania. Miisa 96 ny mpiofana izay nahitana mpianatra sy mpampianatra avy ao amin’ny Lycée kilasy 1ère sy famaranana ary ireo misehatra sy maniry hiompy trondro. Ny fampiofanana moa dia natrehin’ny Ben’ny Tanàna sy CP miandraikitra ny Kaominina ary nanazava ny lalàna mifehy ny fiompiana trondro ny CP ary nanamafy fa raha misy fisoparana na tranga halatra trondro dia tsa misalasala fa manatona ny Biraon’ny zandarmaria aty ifotony manao fitarainana. Nofaranana tamin’ny fitsidihana dobotrondron’ny Fikambanana Miarina izay ahitana mpikambana miisa 16. #MPEB #Fiofanana_fiompiana_trondro #Fampamokarana_ny_Atirano