Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava
Fanjohiana ireo Mpiompy trondro
Taorinanan’ny fampiofanana nomena ireo tantsaha liana amin’ny fiompiana dia niroso amin’ny fanjohiana ny fiompiana ataon’izy ireo indray ny ekipan’ny DRPEB Bongolava. Arak’izany dia ny 17 sy 19 Mai lasa teo ny no nanatanterahina izany tao amin’ny kaominina Bevato sy kaominina tsiroanomandidy fihaonana. Natao izany ho fitarafana ny fampiharana eny ankianja ny fampiofanana nomena ireo mpiompy sy ho fanamafisana ny fampanarahana ara-tekinika ny toeram-piompina sy ny fomba fiompiana mba entina hanatsarana bebekokoa ny vokatra tokony ho azo. Tsapa ary mahavelombolo ny fahavitrihan’ireo mpikambana amin’ny finiavana amin’ny fampiroboroboana ny fihariana anaty rano any amin’ny Faritra Bongolava. #MPEB #DRPEB #Bongolava
Ambovombe, Faritra Androy
Fitsidihana toeram-pivarotana trondro ao Berary sy Solima Taloha
Nidina ifotony ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga, ny faha 20 May 2025, nanentana ireo mpanao kinanga miisa 45 mba hanamboatra « carte mareyeur », noho ny fisiany fisavana hataon’ireo mpanaramaso ny jono. Nomena fe-potoana izy ireo hatramin’ny farany volana May ny hanara-dalàna momba ny fananana karatra. Nampiana fanazavana ny amin’ireo taratasy ilaina sy ny vola aloa arakaraky ny hazan-drano ho avarotra. Nitaraina ireo mpanao kinanga fa misy olona misoloky tonga maka vola eo am-pivarotana fa hoe mpanamboatra karatra dia tsy miverina intsony. Misy ihiany koa ireo mpisoloky misava karatra Mareyeur, koa rehefa mahazo fia na vola kely dia mangina. Nisy ny vahaolana raisina arak’ozany toy ny tsy maintsy hanaterana any amin’ny birao ny DRPEB ny antota-taratasy ilaina sy ny vola mifanaraka amin’izany, ny fampahafantarana fa ireo mpanaramaso ny jono ihiany no afaka misava azy ireo ary tsy maintsy manao ny akanjo amantarana sy badge maha mpanaramaso azy manokana. #MPEB #DRPEB_Androy
Faritra Melaky
Fidinanana tao amin’ny Nosy Barren
Ho fanamafisana ny fanentanana ireo mpanjono n’y amin’ny Faritra Arovana ao amin’ny Nosy Barren dia nisy ny fidinana ifotony tany an-toerana nataon’ireo manampahefana izay notarihin’ny DREDD sy DRPEB Melaky. Nampahafantarina azy ireo tamin’izany ny Faritra arovana, ny DINA sy ny lalana mifehy ny jono Ary ny fifindramonina an’ireo mpanjono. Nosy Telo no nanaovana fanentanana tamin’ity andiany voalohany ity dia Nosy mangily, Nosy Lava Ary Nosy Dondosy. Noararaotina tamin’izany ihany koa ny fihaonana tamin’ireo mpanangombokatra nanentanana azy ireo mba hanaraka ny fepetra rehetra amin’ny fivarotana hazan-drano. Marihina moa fa Blue ventures no nanampy ny arapitaovana izay vatsiany BAF vola. #MPEB #DRPEB #MELAKY #DREDD #VEZO_MIRAY
Kaominina Ambanivohitra Tanambe, Distrikan’Amparafaravola, Faritra Alaotra Mangoro
Fametrahana vato fototra amin’ny fananganana trano Fitehirizam-bokatra.
Notanterahina anio 19 Mey 2025 tao ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Tanambe, ao anatin’ny Distrikan’Amparafaravola, faritra Alaotra Mangoro ny fametrahana ny vato fototra amin’ny fananganana ny trano fitehirizam-bokatra . Izay niarahan’ny Direction Régionale de la Pêche et de l’Économie Bleue (DRPEB) Alaotra Mangoro, ny tetik’asa DURRELL, ary ny ben’ny tanànan’ny kaominina. Ity trano fitehirizam-bokatra ity dia hahitana vata fampangatsiahana manana habe 1500 litatra, izay natao hanohanana ny fikambanana avy amin’ny kaominina telo, dia ny Vohitsara, Tanambe, ary Ambodimanga. Ity tetik’asa ity dia mikendry ny hampiroborobo ny fitahirizana sy ny fivarotana ny vokatra avy amin’ny jono, ka hanampy amin’ny fanatsarana ny fidiram-bolan’ireo mponina ao an-toerana sy ny fiarovana ny vokatra azo avy amin’ny hazan-drano. Ankoatran’izay dia nanararaotra nanentana sy nanao fampiofanana momba ny fitrandrahana maharitra ny hazan-drano ny ekipan’ny DRPEB ary nisy ihany koa ny fandraisana ny hetahetan’ireo mpanjono mba hahafahana mamaly ny filàna sy ny fanamby atrehin’izy ireo. Miisa 42 ny olona nanatrika ity fotoana ity izay solontenan’ny mpanjono. #MPEB #DRPEB_Alaotra_Mangoro #tetik_asa_DURRELL
Sekoly Ambonin’ny Zandarimariam-pirenena (ESGN) Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro
Resy lahatra ary hiroso amin’ny sehatry ny fiompiana trondro ho matianina kokoa.
Tontosa ny faha 16 Mey 2025 teo ny fampiofanana fiompiana trondro ho an’ireo mpianatra ho zandary miisa 97 teo anivon’ny Sekoly Ambonin’ny Zandarimariam-pirenena (ESGN) ao Moramanga. Fahalalana fototra mikasika ny fiompiana trondro no nozaraina nandritra izany ary niijerena ihany koa ny toeran’ny ivo-toerana hanatontosana ny fampiharana. Tsara ny manamarika etoana fa misy loharano tsy ritra, dobo efa vita ary tanimbary izay afaka havadika ho dobo ao an-toerana. Nitondra ny fampiofanana nandritra izao hetsika izao ny ekipan’ny Fitaleavana misahana ny Fihariana anaty rano (DA) avy any amin’ny Ministera sy ny ekipa avy ao amin’ny Fari-piadidin’ny Jono sy ny Toekarena Manga (CirPEB) tao Moramanga. Manampy ireo toerana izay azo hatao valan-tahaka akaiky ity toerana ity rehefa voajary. #MPEB #DA #DRPEB #CirPEB #ESGN_Moramanga #Fampiofanana_Fiompiana_Trondro #Toekarena_Manga
Marolomainty, Faritra Androy
Fandraisana ara-tekinika ny « glacieres » miisa 105 ao amin’ny Kaominina Maroalomainty avy amin’ny tetikasa MIONJO miaraka amin’ny fiaraha-miasa amin’ny AIM
Notontosaina ny 16 mai 2025, fandraisana ara-tekinika ny « glacieres » miisa 105 ao amin’ny Kaominina Maroalomainty. « Glacieres » mahazaka 60l, izay avy amin’ny tetikasa MIONJO miaraka amin’ny fiaraha-miasa amin’ny AIM. Ny Be ny tananan’ny Kaominina Maroalomainty no nandray izany, Tonga nanatrika izany moa ny ekipa ao amin’ny DRPEB Androy, MIONJO, AIM ary ireo mpanjono ao an-toerana. #MPEB #MIONJO#, #AIM#, #DRPEB #ANDROY,
Kaominina Ambanivohitra Analalava,Distrikan’Analalava,Faritra Sofia
Atrikasan’ny Komity marolafy
Iray amin’ireo vokatra mampalaza an’i Madagasikara ny makamba.Nasian’ny Ministera ny Jono sy ny Toe-karena Manga MPEB fanavaozana ny fitrandrahana io vokatra io nanomboka ny taona 2021,isan’izany ny fanomezan’ny mpanjono indostrialy tohana hoan’ny mpanjono madinika eny ifotony araka ny voarakitra ao anatin’ny bokin’andraikitra ifanaovany amin’ny mpanjono vaventy. Orinasa telo no miasa aty amin’ny fari-panjoana B (Sofia sy Boeny) ka ny Pêche Export no manana zo hitrandraka »droit d’exploitation » miara-miasa amin’ny Somapeche sy Refrigepeche Ouest.Ny tohana avy amin’izy ireo no ahafahana manao ny fanofanana ny mpanjono hampiroboroboana ny vadinasany,ny fambolena zanaka honko,famoronana sy fampitaova ny faritra arovana andranomasina ary ny fizarana fitaovana enti-manjono. Araka izany dia notanterahina eto analalava androany faha 16 Mey 2025 ny atrikasan’ ireo mpikambana mandrafitra ny komity marolafy ahitana ny ekipa avy amin’ny MPEB,ny avy amin’ny faritra Sofia,ny solontenan’ny DREED Sofia,ary ny fiarahamonim-pirenena. Nialohavan’ny fitsidihana arapomba fanajana ny tomponandraiki-panjakana nampahafantarana ny zavatra hatao sy ny antony ahatongavana eto antoerana. Natao izao hanombanana ny asa vita tamin’ny taon-dasa sy ametrahana ny vinan’asa hatao amin’ity taona 2025. #MPEB #DRPEB_SOFIA #DREDD #REFRIGEPECHE_OUEST #Pêche_Export #Somapeche #Komity_Marolafy #Jono_Makamba
Ampandrianomby, Antananarivo
FIFANAOVAN-TSONIA FIARAHA-MIASA EO AMIN’NY DIRECTION GENERALE DES DOUANES, REPOBLIKAN’I SINA SY NY MPEB, MADAGASIKARA
Tontosa teto Ampandrianomby, Antananarivo anio faha 15 Mey 2025 ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Direction Générale des Douanes de Chines sy ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB). Ity fiaraha miasa ity dia nanamafy ny fifandraisana ara-toekarena sy ara-barotra eo amin’ny roa tonta, indrindra amin’ny sehatry ny fanondranana trondro an-dranomasina « haingo » (poissons marins ornementaux) avy eto Madagasikara makany Sina. Nisolo tena ny Repoblika Entimbahoakan’i Sina Atoa M. WANG Lingjun Vice-ministre de l’Administration Génerale des Douanes de Chine (GACC), ary Atoa Tilahy Desiré, Sekretera Jeneralin’ny MPEB. Araka ny fifanarahana, ireo trondro voalaza etsy ambony izay aondrana dia tsy maintsy mandalo fitsirihana ara-pahasalamana, miaraka amin’ny fihibohana fara fahakeliny 48 ora, izay araha-mason’ny Autorité Sanitaire Halieutique na #ASH mialohan’ny handefasana azy ireo. Ireo fepetra ireo dia napetraka mba hiantohana ny fanarahan’ny vokatra malagasy ny fenitra iraisam-pirenena. Maharitra dimy taona eo ny fifanarahana ary azo havaozina araka ny filàn’ny roa tonta. Anisan’ny vokatra hazan-drano aondrana any Sina ny dingadingana efa maina, ny horita, ny makamba , ny oratsimba , ny amalona ary ny trondro isan-karazany . Raha ny antontan’isa tamin’ny taona 2024 teo ohatra dia nahatratra 3.900 Taonina ny totalin’ny vokatra hazan-drano naondranan’i Madagasikara makany Sina, izay maneho ny maha-zava-dehibe ny sehatry ny jono ho an’ny toekarena malagasy. Ity fiaraha-miasa ity dia tsy vitan’ny manamafy ny fifandraisana ara-toekarena eo amin’i Madagasikara sy Sina, fa mandrisika ihany koa ho an’ireo mpamokatra sy mpanjono Malagasy hanatsara ny vokatra omeny ary hanitarana ny fidirana amin’ny tsena iraisam-pirenena. #MPEB #ASH #SINA #GACC
Toliara, Faritra Atsimo Andrefana
Atrikasa momba ny « Planification stratégique et opérationnelle du plan de gestion et de développement de la Réserve de Biosphère (RB) Tsimanampetsotse Nosy-Ve Androka dans le paysage marin Mahafaly »
Notanterahina ny 13 May 2025 tao Toliara ny atrikasa momba ny « Planification stratégique et opérationnelle du plan de gestion et de développement de la Réserve de Biosphère (RB) Tsimanampetsotse Nosy-Ve Androka dans le paysage marin Mahafaly ». Izay efa nahazo fankatoavana tamin’ny « UNESCO » tany amin’ny taona 2018. Telo andro ny faharetan’ny atrik’asa izaye niompana betsaka tamin’ny fakan-kevitra an’ireo tompon’andraikitra eny ifotony ny amin’ny IRAKA sy ny VINA andrasana amin’ny antom-pisian’ny RB izay niarahana namolavola (approche participative).Izay lalana handrafetana ny drafim-pitantanana sy ny fanajariana hiarovana ny rohy voahary ho afaka hamokatra hamaly ny hamaly manodidina amin’ny fomba maharitra ho lovain-jafy. Nanatrika izany moa ny solontenan’ny Prefektiora, ny DRPEB sy ny SREB, ny ekipan’ny BCPA sy ny ekipan’ny WWF, ny solontenan’ny DREDD, ny Talen’ny MNP sy ny ekipany, ny avy ao amin’ny ORTU ary ireo mpisehatra rehetra izay voakasik’io RB io. Marihina moa fa BCPA no mpanamahay voatendrin’ny WWF hanao ny asa. #MPEB #DRPEB #Atsimo_Andrefana #BCPA #WWF
Kaominina ambanivohitra Djangoa Distrikan’Ambanja, Faritra DIANA
Fanjohiana ny tohana nomena ireo fikambanana mpanjono
Anisan’ireo nahazo tohana avy amin’ny Orinasa mpanjono makamba Refrigepeche Ouest miasa amin’ny fari-panjonoana A ny fikambanan’ny mpanjono ao Djangoa. Ho fanjohiana ny mahakasika izany dia nidina tany an-toerana ireo komity marolafy androany 14 mai 2025 izay notarihin’Andriamato RAZAFIMANDIMBY Jean Chrysostophe tale Jeneralin’ny Jono sy ny Famokarana anaty rano. Hita nandritra izany fa nipaka any amin’ireo mpanjono tokoa ny tohana nomen’ny Orinasa toy fanomezana « glacière » miisa 4, harato 10 isa, »palangre « 1. Ankoatr’izay dia Mpanjono sy vadina Mpanjono miisa 60 no nofanina tamin’ny fiompiana trondro sy gana,ary nomena teknikam-panjonoana vaovao. Notanterahina tamin’izany ihany koa ny fitsidihana ny « complexe de pêche » vao naorin’ny Minisitera. Mihodina sy miasa tsara ny foto-drafitrasana nohon’ny fahaizan’ireo mpanjono ao an-toerana mitantana azy.Tsy adino moa ny namatsy zanaka gana hoan’ ireo vadin’ny mpanjono efa voaofana. #MPEB #DRPEB_DIANA #REFRIGEPECHE_OUEST #Komity_Marolafy #Jono_Makamba #Mpanjono