Fokotany Ambavarano, Kaominina Mahavanona, Distrika ny Antsiranana II, Faritra Diana
Fisokafan’ny Jono Horita 2025 ilany atsinanana Faritra Diana
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny faha 28 Marsa 2025 tao Baie d’antalaha, Fokotany Ambavarano, Kaominina Mahavanona, Distrika ny Antsiranana II izay anatin’ny faritra arovana tantanan’ny Conservation Internationale, ny jono horita ato amin’ny faritra Antsinana ny Diana raha nihidy nanomboka ny 01 Janoary 2025. Ny lehiben’ny Distrika ny Antsiranana II no nitarika ny solontenam-panjakana nandritra izany fotoana izany ary notron’ireo delegasiona hafa avy amin’ny Ministera roa mpiahy dia ny #MEDD sy #MPEB ary ireo olona rehetra misehatra amin’ny fampiasana, fiarovana sy fikobabiana ny harena an-dranomasina sy ny rohivoahary ao aminy. Marihina fa tsara ny vokatra horita tamin’ity taona ity noho ny taona lasa izay ratsy noho ny fandalovan’ny rivo-doza GAMANE. Nisy nahatratra hatramin’ny 102kg ny horita azon’ny mpanjono iray tamin’ity andro voalohany ity. Tsara fantarina fa mbola misy andro maromaro hiasana ireo mpanjono mandritra ity samonta voalohany ity izay mbola alefa miandalana eo ny antotan’isa. #DRPEB_Diana #CI #jono_horita
FORUM DES JEUNES AFRICAINS SUR L’ÉCONOMIE BLEUE #FOJAEB , TOLIARA
J-19 Mialohan’ny hetsika lehibe FOJAEB 2025 izay ho Tanterahina eto toliara ny 17 au 19 Aprily 2025 dia miezaka manakaiky sy mifampizara mivantana amin’ireo tanora eto an-toerana ny ekipan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga izay tarihin’A toa Minisitra MAHATANTE Paubert. Hampahafantarina azy ireo ny maha-zava-dehibe ny hetsika toy izao ho an’ny firenena indrindra ho an’ny ho avin’izy ireo Raha manam-pikasana hisehatra amin’izany lafiny Toekarena Manga izany. Izao ihany koa no hatao hoy A/toa Minisitra dia hahatonga ny zanaky Toliara ho tompony fa tsy ho mpindrana satria hita ao an-toerana avokoa ireo singa ahafahana manatanteraka ity fihaonam-be ity Raha tsy hiteny ny fananany ranomasina Anisan’ny lava indrindra, ireo karazana renirano, ny seranantsambo sns .. #MPEB #FOJAEB2025 #TOLIARA #FARITRAATSIMOANDREFANA
FOJAEB 2025
MANAMPY IREO TANORA ATY AFRIKA AMIN’NY FAMPANAN’ASA IZAY MITODIKA BEBE KOKOA AMIN’NY SEHATRY NY TOEKARENA MANGA
20 andro mialohan’ny fihaonam-ben’ny Tanora mahakasika ny Toekarena Manga eto Toliara dia mitohy hatrany ny famelabelaran-kevitra manodidina ny Fanantaterahina izany niarahana tamin’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert. Nosokajiana manokana ireo Tanora mpianatra ety amin’ny anjery manontolo ahafahan’izy ireo mahalala misimisy kokoa ny maha-zava-dehibe ny hetsika toy izao sy ny tombotsoa entiny amin’ny ho avin’izy ireo eo amin’ny sehatry ny asa. Ankoatr’izay Dia fotoana ihany koa Hampahafantatra an’i izao tontolo izao ireo Zavatra mampiavaka an’iMadagasikara amin’ny sehatry ny Toekarena Manga Marihina hatrany fa Tanora maherin’ny 500 no andrasana andray anjara amin’ity fihaonam-be izay ho Tanterahina aty amin’ny Faritra Atsimo andrefana ity. #MPEB #FORUM_DES_JEUNES_AFRICAINS #MADAGASIKARA
SYSTÈME D’ALERTE PRÉCOCE
FANJONOANA LAVITRY NY LOZA NO TANJONA
Taorian’ny Faritra Androy sy Anôsy dia eto amin’ny Faritra Atsimo andrefana indray no nanantaterahina ny Atrikasa mahakasika ny fampahafantarana an’ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny ranomasina momban’ireo fahaiza-manao sy ireo fitsipika rehetra noraisin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ahafahana mampisy izany fanjonoana tsy misy loza izany eto Madagasikara. Marihina fa i Madagasikara dia anisan’ny Nosy lasibatry ny fiovaovan’ny toetr’andro izay mitarika ny fahabetsahan’ny rivotra sy rivodoza Ary indrindra ny tsioka Atsimo izay matetika mandalo ato amin’ny Faritra Atsimo andrefana raha nambaran’A toa Minisitra MAHATANTE Paubert. Miha-malemy arak’izany ny fahafahan’ireo mponina miatrika izany indrindra ireo mpanjono ka zava-dehibe ny fanamafisana ny fampahafantarana misimisy kokoa azy ireo mikasika ny #Systeme_d_Alerte_Précose (SAP) Izay no mahatongan’ny hery velona rehetra ato amin’ny Faritra Atsimo andrefana izay Mifanome tanana amin’ny ahafahana manamafy ny fiarovantenan’ireo mpanjono. Ezahina ho aparitaka amin’ny Faritra rehetra amoron-dranomasina izao hetsika izao izay Hisaorana an’ny Tetikasa MIONJO amin’ny fanohanana rehetra. #MPEB #SAP #TETIKASA_MIONJO #ATSIMO_ANDREFANA
CCI, Tsimenatse I, Toliara
Fihaonana ho fanamafisana ny fikarakarana ny #FOJAEB
Ny faha 17, 18 sy 19 ny volana Aprily izao no ho tanterahina ao Toliara ny #FOJAEB na ny » 𝐅𝐨𝐫𝐮𝐦 𝐝𝐞 𝐥𝐚 𝐉𝐞𝐧𝐞𝐮𝐬𝐬𝐞 𝐏𝐚𝐧𝐚𝐟𝐫𝐢𝐜𝐚𝐢𝐧𝐞 𝐬𝐮𝐫 𝐥’𝐄𝐜𝐨𝐧𝐨𝐦𝐢𝐞 𝐁𝐥𝐞𝐮𝐞 » na ny Fivoriamben’ny Tanora Panafrikanina momba ny Toekarena Manga andiany faha 2. Tonga any Toliara ny Minisitry ny Jono sy Toekarena izao maraina izao hivory amin’ireo sokajin’olona maro samihafa mba samy hifarimbona hifanome tànana amin’ny fikarakarana sy ny fanatanterahana izany ho tombotsoan’i Madagasikara. Nanamafy ny hambopon’ny rehetra izao fihaonana izao ary nifanome toky ny hifanohana. Fihaonana voalohany natao niaraka tamin’ireo Orinasa miantsehatra amin’ny Toekarena Manga eto Toliara izao natao izao izay notarihin’Atoa Minisitra MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert izay notronin’ireo Mpiaramiasa anaty Kabinetra sy Fitaleovam-paritra any ifotony. #FOJAEB #Economie_Bleue #Jeunesse #Toliara #MPEB
Faritra Boeny Distrikan’i Mahajanga I,Kaominina ambonivohitr’i Mahajanga
Atrikasam-pirenena mahakasika ny Jono lamatra eto Madagasikara.
Manatontosa ny atrikasam-pirenena fakan-kevitra mahakasika ny fitantanana ny jono lamatra eto Madagasikara ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Natomboka androany faha 26 ka hifarana ny faha 28 martsa hoavy izao izany, izay ahitana mpandray anjara marolafy toy ny avy amin’ny fiarahamonimpirenena, ny mpandraharaha, ny mpanjono madinika, ny fikarohana, ny mpiaramombon’antoka ary ny mpitantandraharaham-panjakana foibe sy ny avy amin’ny faritra.Tonga nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy andriamatoa TILAHY Désire Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Tanjona mandritra ity ny fijerena ny fanampahan-kevitra raisina mandritry ny fivoriambe faha 29 ny vaomiera mitantana ny jono lamatra eto anivon’ny Ranomasimbe Indiana (CTOI) izay hatao any la Réunion Frantsa. #MPEB #DRPEB_Boeny #Jono_Lamatra #CTOI #Toekarena_Manga
Fokontany Ampandratokana, Faritra Ihorombe
Nidina ifotony ny Fitaleavam-paritry ny Jono nitondra tantsoroka ara-teknika eo amin’ny fitantanana ny sakafon-trondro
Nidina ifotony ny faha 25 Marsa 2025, ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Ihorombe, tao amin’ny Fokontany Ampandratokana, Kaominina Ambanivohitra Ankily, Distrikan’Ihosy, Faritra Ihorombe. Nitondra tantsoroka ara-teknika eo amin’ny fitantanana ny sakafon-trondro sy ny kalitaon’ny rano izay nampianarina an-dry Masera izay manana olana eo amin’ny kalitaon’ny rano nohon’izy diso maitso loatra. #MPEB #DRPEB_Ihorombe #Fampamokarana_ny_Atirano
Kaominina Ambanivohitra Boanamary, Distrikan’i Mahajanga II
Fanentanana ifotony sy fampitaovana ireo mpanjono madinika.
Nanatanteraka fihaonana tamin’ireo mpanjono ny teo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) Boeny ny faha 25 Martsa 2025 teo tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Boanamary. Maromaro ny fifanakaloazana sy ny fifampizarana natao teto anisan’izany ny fanentanana mahakasika ny lalàna mifehy ny Jono an-dranomasina ,fanentanana mahakasika ny fanajana ny tontolo iainana ny rohy voaary sy ny ala honko,fizarana karatra maha mpanjono ary fizarana fitaovana hoan’ireo mpanjono ara-dalàna toy ny harato,salotra vonjy aina sns. Nanome voninahitra ny fotoana moa ny lehiben’i Distrikan’i Mahajanga II, ny Ben’ny Tanana Boanamary ary ny solotena avy amin’ny DREDD Boeny.Marihina fa ny DELC no nitondra ny tan-tsoroka nahafahana nanatanteraka izao fifampizarana izao. #MPEB #DRPEB_Boeny #DELC #Fampitaovana _Mpanjono #Mpanjono
MADAGASIKARA & IRAN
HO HATSARAINA NY FIFANARAHAM -PIARAHA-MIASA AMIN’NY LAFINY ARA-TOEKARENA
Ampandrianomby,Antananarivo , 26 Martsa 2025 Noraisin’A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert Teto anivon’ny Ministera ny iraka avy amin’ny Masoivohon’i Iran hijery ny ahafahana #manatsara hatrany ny #fiaraha_miasa amin’ny lafiny #ara_toekarena. Marihina fa ny sehatry ny Toekarena Manga dia Anisan’ny kitro hifaharan’ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara. Tafiditra tao anatin’izany ny Fanatsarana ny fihariana anaty rano ( Aquaculture) , ny fomba fanamboarana ireo Sambo Madinika , ny fomba ahafahana miaro sy mijery ny sisin-dranomasin’i Madagasikara amin’ny alalan’ilay drone maritime manoloana ny mety hisian’ny tsy fanaraha-dalàna. Marihina ihany koa fa Efa nisy ny fiaraha-miasa Téo aloha ka aorian’ izao fihaonana izao dia hirariana fa hampiakatra avo ny lafiny ara-toekarena eo amin’ny firenena roa tonta. Ankoatr’izay Dia misy ny fanasana ataon’izy ireo ho antsika avy eto amin’ny Ministera hanatrika ny « Conférence économique Iran-Afrique » andiany fahatelo izay atao ny faha 27 aprily hatramin’ny 1 May 2025 ao Téhéran Ary koa ny 7eme Iran expo 2025 izay atao ny 28 Aprily hatramin’ny 2 May 2025. #MPEB #IRAN #FIARAHAMIASA
𝐅𝐎𝐉𝐀𝐄𝐁 𝟐𝐞̀𝐦𝐞 𝐞́𝐝𝐢𝐭𝐢𝐨𝐧 𝟐𝟎𝟐𝟓
𝐌𝐀𝐍𝐎𝐃𝐈𝐃𝐈𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝟓𝟎𝟎 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐓𝐀𝐍𝐎𝐑𝐀 𝐇𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐘 𝐀𝐍𝐉𝐀𝐑𝐀 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍𝐀 𝐅𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝟓𝟒 𝐀𝐓𝐘 𝐀𝐅𝐑𝐈𝐊𝐀.
I Madagasikara dia anisan’ny firenena ivon’ireo fivoriambe manerantany indrindra aty Afrika amin’ity taona 2025 ka iray ao anatin’izany ity #fihaonam_ben_ny_tanora mahakasika ny #toekarena_manga izay ho tanterahina any Toliara ,faritra Atsimo Andrefana ny 17,18,19 Aprily 2025 ho avy izao . tanora manodidina ny 500 avy amin’ny firenena 54 avy aty Afrika no Andray Anjara amin’izany ao koa ireo manam-pahaizana maro izay hifampizara traikefa ary ireo mpiara- miombon’antoka isan-tokony . Nosafidiana manokana i Toliara noho izy anisan’ny ahitana ranomasina , renirano, seranan-tsambo, fanjonoana Madinika vaventy Ary salatsalany , fiompiana zanga , fambolena lomotra, Ny institut halieutique et des sciences marine eto Madagasikara sy ireo valanjavaboahary anaty ranomasina harovana isan-karazany sy ny maro hafa. Marihina famanodidina 60% n’ny tanora eran’izao tontolo izao dia Afrikanina avokoa. Ahoana arak’izany no ahafahantsika miatrika ny ho avin’ireo tanora ireo na amin’ny lafiny sakafo ,na arak’asa , na maha olona? Izany indrindra no maha-zava-dehibe ny resaka #toekarena_manga amin’ny maha #fanohitra azy ahafahantsika #miatrika_ny_filana rehetra amin’ny maha olombelona antsika tsirairay avy. #MPEB #MJS #OPJEB #TOLIARA #FOJAEB_2025