Mahajanga, Faritra Boeny
Sambo mpanjono an-tsokosoko « Srilankais », Ruth Baba 6, no tratran’ny sambo mpanara-maso ny Jono Atsantsa avy ao amin’ny CSP nahitana Atsantsa milanja 16Taonina mahery

Fahombiazana tsara indray no azo ambara ny iraka regionaly (Mission Régionale) faha-65 notanterahan’ny sambo mpanara-maso (Patrouilleur) ny jono Atsantsa ny faha 28 May hatramin’ny 08 Jona 2025 tamin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara sy Kaomoro (Zones exclusives). Sambo mpanjono iray vahiny « Srilankais » mitondra ny anarana « Ruth Baba 6 », nahitana tantsambo miisa 08 mizaka ny zom-pirenena « Srilankais », indray no tratra nangalatra nanjono an-tsokosoko, nandika lalàna, tao avaratr’i « Cap St André » (Tanjona Vilamatsa), Faritra Besalampy. Tsy fanarahan-dalàna maro moa no hanenjehana azy ireo anisan’izany ny tsy fananan’izy ireo fahazoan-dalana manjono aty amin’ny Fari-dranomasin’i Madagasikara sy ny tsy fahafan’ny sambo manjono « au large » ary ny fihazan’izy ireo biby arovana tsy avelan’ny làlana jonoina dia ny Atsantsa (Requin) izany. Atsantsa milanja 16Taonina mahery (Atsantsa lena milanja 12Taonina mahery miampy atsantsa maina sy vombony na aileron) no tratra tao anatin’ity sambo ity nandritra ny fisavana natao ka avy hatrany dia nogiazana ary nentina namonjy an’i Mahajanga ny sambo sy ireo tatsambo tao aminy. Marihana fa izao dia tafiditra ao anatin’ny ezaka tanterahan’ny CSP (Centre de Surveillance de Pêche) na ny ivon-toerana mpanara-maso ny jono eto Madagasikara hamongorana sy hiadina amin’ny jono tsy manara-dalana. Raha tsiahivina dia nahitana sivily avy ao amin’ny CSP toy ireo « inspecteur de pêche » avy eto Madagasikara sy Kaomoro, zandary ary miaramila avy amin’ny Tafika an-dranomasina nanamory ity sambo mpanara-maso ny jono Atsantsa ity nandritra ity iraka ity. Marihana fa ny COI (Commission de l’Océan Indien) tamin’ny alalan’ny PRSP (Plan Régional de Surveillance des Pêches) sy ny Ecofish, vatsian’ny Vondrona Eoropeanina (UE) no nahafana nanatanteraka izao iraka regionaly faha-65 notanterahan’ny sambo mpanara-maso ny jono Atsantsa izao. Efa nisy moa ny sambo « Srilankais » miisa roa tratra toy izao ihany koa tamin’ny iraka faha 62 ny taona 2024 ary sambo Kenyana. Nisy noho izany ny fandalovan’ny solotena manokan’ny COI tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny fahatongavan’ny sambo Atsantsa natrehan’ireo olona ambony ao Mahajanga notarihan’Atoa Governora, solotenan’ny Kaominina Ambonivohitra Mahajanga, sivily sy Miaramila ka nanomezana taratasy fankasitrahana (Certificat de reconnaissance) ireo ekipa rehetra nanatanteraka ny iraka. #MPEB #CSP #PRSP #UE #COI #ECOFISH #PECHE_INN #Atsantsa #RuthBaba6 #Requin

09 -13 Jona 2025 – UNOC 3
Madagasikara miara-mientana ho fiarovana ny ranomasina

Misokatra androany 09 Jona 2025 ao Nice, Frantsa ny Fihaonambe faha-3 an’ny Firenena Mikambana momba ny Ranomasina (UNOC 3), hetsika manan-danja ho an’ny fiarovana sy fitantanana maharitra ny ranomasina maneran-tany Ny delegasiona Malagasy dia tarihin’Atoa Andry RAJOELINA, Filohan’ny Repoblika, miaraka amin’ny Minisitra misahana ny Jono sy Toekarena Manga A/toa MAHATANTE PAUBERT sy ny Ministry ny Tontolo iainana sy Fampandrosoana Lovain-jafy A/toa Max Fontaine Andonirina . Amin’ny maha-nosy azy dia miankina betsaka amin’ny ranomasina sy ny vokatra entiny i Madagasikara, satria mahatratra 5 603 Km ny morontsiraka manodidina azy ary tena mbola manana harena anaty rano ihany koa. Noho izany, zava-dehibe ny fiarovana ireo harena an-dranomasina sy ny fanamafisana ny toekarena manga, ho tombontsoan’ny vahoaka sy ny taranaka ho avy. Mihoatra ny 3 miliara ny olona maneran-tany mivelona amin’ny vokatra an-dranomasina. Mihoatra ny 600 tapitrisa no miankina amin’io sehatra io ho loharanon’asa sy fivelomana. Trondro 1 amin’ny 5 dia avy amin’ny jono tsy manaradalana, tsy voafanambara ary tsy voafehin’ny lalàna (peche INN). 20 tapitrisa taonina amin’ny plastika no manimba ny ranomasina isan-taona. Ny fiarovana ny ranomasina dia tsy haitraitra, fa adidy iombonana. #MPEB #MEDD #UNOC3 #FIAROVANA_NY_RANOMASINA #MADAGASIKARA #NICE_FRANCE

𝐃𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚𝐧’𝐢 𝐅𝐞𝐧𝐨𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨 𝐀𝐭𝐬𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚, 𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐧𝐚𝐥𝐚𝐧𝐣𝐢𝐫𝐨𝐟𝐨
𝐅𝐢𝐳𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐳𝐚𝐧𝐚-𝐭𝐫𝐨𝐧𝐝𝐫𝐨

Mitohy hatrany ny ezaka sy fampandrosoana ho an’ny sehatra fiompiana trondro ato anatin »ny Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, Faritra Analanjirofo ka notolorana zana-trondro ireo mpiompy trondro nahazo fiofanana ara-teknika ka ny faha 7 Jona 2025 teo no nanolorana ny zana-trondro tilapia miisa 10 000 teto amin’ny Fokontany Ambodihasina, Kaominina Ambanivohitra Ambatoharanana, Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, ireo mpiompy trondro izay nahazo fiofanana ara-teknika Tonga nanatrika izany ny Talem-paritry ny Jono sy ny Toe-karena Manga Analanjirofo sy Mpandrindram-paritra ny tsy Fifanjarian-tsakafo Analanjirofo ary ny Ben’ny Tanana Lefitry ny Kaominina Ambanivohitra Ambatoahanana.Tao anatin’ny tetik’asa HAFA VELONTEGNA izay vatsian’i UNICEF vola no nazahoana nanantontosa izany. Ankoatra ny fanomezana zana-trondro, dia nisy ihany koa ny fanolorana fahazoan-dàlana hiompiana trondro ho an’ny mpiompy miisa 10 izay nahafeno ny fepetra sy nahavita ny fiofanana ilaina. Ireo fahazoan-dàlana ireo dia manan-danja mba hanamafisana ny asan’ny mpiompy sy hiantohana ny fampandrosoana maharitra ny sehatry ny fiompiana trondro ao amin’ny faritra. #MPEB #DRPEB_Analanjirofo #UNICEF #Zana_trondro #Fiompiana_trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga

Kaominina Ambonivohitra Ambatondrazaka, Distrikan’Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro
Atrikasa Fankatoavana ny Drafi-Panajariana ny Jono ho an’ny Farihin’Alaotra.

Tontosa tao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Ambatondrazaka ny 05 Jona 2025 teo ny atrikasa fankatoavana ny drafi-panajariana ny jono ho an’ny farihin’Alaotra izay entina hamerenana indray ny lazan’ity farihy ity ao anatin’ny dimy taona ho avy. Ity drafitra ity dia mampiditra ireo vahaolana stratejika isan-karazany novolavolaina mba hiantohana ny fampandrosoana maharitra ny jono sy ny tontolo iainana manodidina ny farihy. Nandritra ity fotoana ity, mpisehatra maro avy amin’ny distrika roa dia ny Distrikan’Amparafaravola sy Ambatondrazaka no tonga nanatrika sy nandray anjara tamin’ny adihevitra sy nanome ny heviny momba ity drafitra ity. Anisan’ny nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra isan-karazany toy ny mpanjono, ny fiarahamonina eo an-toerana, ary ny manampahefana ihany koa ity atrikasa ity mba hahazoana antoka fa hahomby ny fampiharana ny drafitra. Ity drafi-panajariana ity dia vokatry ny fiaraha-miasa akaiky teo amin’ireo teknisianina avy ao amin’ny mpanamahay MAMIA ary tafiditra ao anaty fandaharan’asa RINDRA, izay mikendry ny hampandroso ny sehatry ny jono eto Madagasikara. Naneho ny fahafaham-pony tamin’ity atrikasa ity ireo mpandray anjara sady nanantitrantitra ny tokony hisian’ny fanaraha-maso akaiky sy fiaraha-miasa mitohy mba hahatanteraka ny tanjona napetraka. #MPEB #DRPEB_Alaotra_Mangoro #PAP_Farihin_Alaotra #MAMIA #RINDRA

Kaominina Ambanivohitra Mahasoa, Distrikan’Ihosy, Faritra Ihorombe
Fanomezana Zanatrondro sy fanohanana ara-teknika ho an’ny mpiompy trondro

Tontosa ny faha 04 Jona 2025 tao amin’ny FKT Sakena Antoby, Kaominina Ambanivohitra Mahasoa, Distrikan’Ihosy, Faritra Ihorombe ny fanomezana zanatrondro karpa (carpes) miisa 360 ho an’ny tantsaha vao manomboka amin’ny fihariana trondro. Nomena ireo tantsaha ireo zanatrondro somary efa lehibe mba hanamora ny fiompiana sy hahazoana vokatra haingana. Ankoatra izany, nanome fanohanana ara-teknika ihany koa izy ireo amin’ny fanatsarana ny dobo fiompiana sy ny fitantanana ny fomba fiompiana mba hahazoana vokatra tsara sy maharitra. Ny tanjona lehibe amin’ity fanomezana zanatrondro ity dia ny hampitomboana ny taranaky ireo trondro karpa ao anatin’ny fiompiana mba hahafahan’ny tantsaha manana loharanon-trondro maharitra sy mahafa-po ny filàny. Ity hetsika ity dia vokatry ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny Fitaleavam-Paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) Ihorombe sy ny ONG Tsimoka izay samy manohanana ny fampandrosoana ny fihariana trondro ao amin’ny Faritra. Ankoatra ny fanomezana zanatrondro dia nisy ihany koa ny fanaraha-maso ny fitomboan’ireo zanatrondro karpa nomena tamin’ny volana Janoary 2025. Ireo trondro ireo izay efa dimy volana izao ary efa mahatratra 400 grama ny salan’isan’ny lanjan’ny tsirairay izay manaporofo ny fahombiazan’ny fiompiana sy ny fanohanana ara-teknika omena. #MPEB #DRPEB_Ihorombe #Zanatrondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga #ONG_Tsimoka

Kaominina Ambonivohitra Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro
Fidinana ifotony tanterahin’ny STAC ho fisorohana ny kolikoly

Tontosa ny faha 04 Jona 2025 teo tao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro ny fidinana ifotony notanterahan’ny ekipan’ny STAC avy any amin’ny foibe nandritra ity herinandro ity. Io hetsika io dia natao hanamafisana ny ady amin’ny kolikoly sy hanatsarana ny fitantanana mangarahara eo anivon’ny Faritra. Nandritra ity fidinana ifotony ity dia nifantoka tamin’ny fijerena ireo endrika mety hisian’ny kolikoly eo anivon’ireo mpiara-miasa ka anisan’izany ny fomba fiasa tsy ara-dalàna, ny fanararaotana amin’ny fitantanana ny tetibola ary ny tsy fahatomombanana amin’ny fanapahan-kevitra. Nandritra io fivoriana io ihany koa no nanasongadinana manokana ny maha-zava-dehibe ny fanamafisana ny rafitra miady amin’ny kolikoly toy ny fananganana komity fakan-kevitra matanjaka sy mahaleo tena. #MPEB #DRPEB_Alaotra_Mangoro #STAC #Kolikoly

Fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy
Tsy namela nandalo fotsiny ny Fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga …

Tsy namela nandalo fotsiny ny Fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga fa dia anisan’ireo Ministera feno fahavitriana nazoto nandray anjara feno hatrany hatramin’ny lanonam-panokafana ofisialy fiatombohan’ny Fankalazana ny faha 02 Jona 2025, nanatanterahana ny diam-piaraha-mientana notanterahin’ny Andrimpanjakana sy Ministera nanasongadina ny Faritra 24, teo amin’ny Arabe’ny Fahaleovantena Analakely (Parvis). Anio 04 Jona 2025 ihany koa dia mbola tonga mavitrika nandray anjara feno tamin’ny Diaben’ny Fahaleovantena niarahana tamin’ireo Andrimpanjakana sy Ministera maro, niatomboka teo Ambohijatovo hatrany amin’ny Kianjan’i Barea Mahamasina, ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga notarihin’Atoa Ministra MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert notronin’Atoa Talen’ny Kabinetra sy Atoa Sekretera Jeneraly niampy ireo Tale isan-tsokajiny ary ireo mpiara-miasa maro. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny « Match de gala football » nifanandrinan’ny mpikambana ao amin’ny Governemanta sy ireo Andrimpanjakana tamin’ny MDF ihany koa Atoa Ministra. NY FITIAVAN-TANINDRAZANA, MITARIKA FANDROSOANA #MPEB #Fahaleovantena #Madagasikara #Diabe

Fokontany Andemademaka, CR Manakambahiny Est, Distrikan’ Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro
Akon’ny fiofanana fiompiana trondro.

Faly ireo olona efa niandrandra fiofanana fiompiana trondro efa ela, fa tontosa androany izany. Ity toerana ity no sisiny atsinana an’ny Faritra Alaotra Mangoro manomamorina ny ala atsinanana. Fiompiana tilapia andobo no tena nifantohana teto, ary miankina amin’ny sakafo misy eo an-toerana dia votry sy mangahazo izany. Tsy adino koa ny fisafidiana toerana azo hompiana, sy ny anavahana ny lahy sy vavy amin’ny trondro. Miisa 17 no nanatrika izany. Hisaorana manokana ny « Conservation Internationale » izay hanome tosika zanatrondro sy sakafo ho an’ireo nanaraka izao fiofanana. #MPEB #DRPEB #Alaotra_Mangoro

Ampefy, Distrika Soavinandriana, Faritra Itasy
Atrikasa Fankatoavana ny Drafi-Panajariana ny Jono Itasy (PAP Itasy)

Notanterahina tao Ampefy, ao amin’ny Distrika Soavinandriana, Faritra Itasy, ny 03 Jona 2025, ny atrikasa fankatoavana ny Drafi-Panajariana ny Jono ho an’ny farihin’Itasy (PAP Itasy). Io hetsika io dia vokatry ny dingana maromaro anisan’izany ny fanadihadiana lalina natao tamin’ireo mpanjono ny mpisehatra isan-tsokajiny eo anivon’ny fokontany ary ny fakan-kevitra betsaka teo amin’ny kaominina sy ny faritra mba hahazoana antoka fa mirindra amin’ny zava-misy eny ifotony ny drafi-panajariana. Ny tanjona lehibe amin’ity drafi-panajariana ity dia ny hiantohana ny fitantanana maharitra ny harena anaty rano ao amin’ny farihin’Itasy. Io drafitra io dia mikendry ny hampifandanja ny fitrandrahana ny harena voajanahary amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, mba hahazoan’ny taranaka ankehitriny sy ho avy tombony avy amin’ireo harena ireo. Ankoatr’izay ihany koa dia mikatsaka ny hampiroborobo ny fampandrosoana lovainjafy eo amin’ny sehatry ny jono sy ny fiompiana anaty rano. Nisy fandraisan’anjara mavitrika avy amin’ireo mpisehatra isan-karazany tamin’ny fanatontosana ity atrikasa ity. Nanatrika ny hetsika ny Tale Jeneralin’ny Jono sy ny Famokarana Anaty Rano, miaraka amin’ny ekipany avy ao amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toe-karena Manga (MPEB) foibe Nanampy tamin’ny fanohanana ny hetsika koa ny Governoran’ny Faritra Itasy, ny ekipa avy amin’ny Fitalevam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy,ny DRPEB Itasy, ary ireo avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Rano, Fidiovana ary Fanadiovana. Nisy ihany koa ny solontenan’ny kaominina sy fokontany voakasika, ny Vondrona Iombonan’ny Sehatra sy ny Tontolo Iainana (VISTI), ny solontenan’ny mpanjono, ny mpivarotra trondro, ary ny mpisehatra hafa toy ny avy amin’ny fandaharanasa RINDRA sy ny mpanamahay MAMIA. #MPEB #DRPEB_Itasy #DREDD #PAP_Itasy #MAMIA #RINDRA

Beloha, Faritra Androy
Fampiofanana ireo Relais Communautaires miisa 21 mahakasika « Ny fomba fiatrehana ny vokatry ny fiovan’ny totrandro amin’ny asa fanjonoana Ao Androy »

Fampiofanana ireo Relais Communautaires miisa 21 mahakasika « Ny fomba fiatrehana ny vokatry ny fiovan’ny totrandro amin’ny asa fanjonoana Ao Androy » nandritra ny telo andro, ny faha 29, 30,31 May 2025 tao Beloha, Faritra Androy. Ny fifandraisany toetrandro sy ny asa fanjonoana ary ny biby anaty ranomasina, ireo loza mety hateraky ny fiovaovan’ny toetrandro amin’ny toerana iainany hazan-dranomasina, amin’ny tanàna amorontsiraka, ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro amin’ny asa fanjonoana sy ny fiainany mpanjono mivantana, ary ireo fandraisana andraikitra rehetra no nivohitra nadritra ny fiofanana izay nomen’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Androy. Teo ihany koa ny fanamafisana ny fahaza-manao amin’ny fampiasana ny « Panneau SAP » sy ny fampiasana ara-drariny ireo salotra vonjy aina. Izao dia tanteraka noho ny fiarahamiasa avy amin’ny #Fikambanana_TOMPY izay vatsiany #PAM vola.