FIAROVANA NY AIN’IREO MPANJONO
NOHAMAFISINA NY FAHALALANA MAHAKASIKA NY « SYSTÈME D’ALERTE PRÉCOCE » SAP.
Ny mpanjono no marefo Voalohany refaha misy ny Fandalovan’ny Andro Ratsy toy izao, very eo amin’ny 2 herinandro na iray volana mihitsy ireo mpanjono satria mijanona an-tanety avokoa hisorohana ny loza an-dranomasina. Anisan’ny asa sarotra ny asa fanjonoana ary mihatra aman’aina raha nambaran’A toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert . Izany indrindra no nanaovana ny atrikasa entina hanamafisana ny fahalalana rehetra mahakasika ny fiarovana ny ain’izy ireo amin’ny alalan’ny fampahafantarana mialoha ny mety ho toetry ny andro na ny « Système d’alerte précoce »niarahana tamin’izy ireo sy ireo sampan -draharaham-panjakana voakasika eny ifotony sy ireo mpiara-miombon’antoka , hampahalalana bebe kokoa ireo an-totambaovao sns… Ny tetikasa MIONJO kosa no manohana izao atrikasa atao izao ,Tetikasa Anisan’ny miasa ho an’ny sehatry ny Jono aty amin’ny Faritra #MPEB #MIONJO #SAP #AMBOVOMBE #ANDROY.
Ambodihady, Ambohimanarina
Voamarina fa tafiditra ao anatin’ny fianakaviamben’ny karaza-trondro atao hoe gogo ilay hita teny an-toerana.
Azo ompiana tsara ny karazan-trondro gogo, na poisson chat na catfish toy ny hita amin’ireo Firenen-dehibe maro manerantany fa atao ao anatin’ny fanarahan-dalàna » hoy ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Andriamatoa MAHATANTE Paubert. Voamarina fa ao anatin’ny fianakaviamben’ireo trondro ireo ilay karazan-trondro hita tetsy Ambodihady Ambohimanarina ny herinandro lasa teo. Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny ekipan’ny MPEB, ny MEDD, ary ny tetikasa AMPIANA ny faha 17 martsa 2025 teo. Nandritra izany no nitafàna mivantana tamin’ireo mpanarato, ny mpanihika, ny mpiompy trondro ary ny avy ao amin’ny Fokontany. Nohazavaina tao anatin’izany fa azo hoanina tsara io karaza-trondro io. Natao izany mba hanalàna ny ahiahin’ny maro satria tsy dia mahazatra ny olona loatra ny manjifa azy. Nankasitraka ireo tompon’andraikitry ny ministera tonga teny an-toerana ireo fokonolona eny an-toerana noho ny fampahafantarana sy fanazavana nentin’izy ireo. Nambara ry zareo eny ifotony izay notarin-dRamatoa lehiben’ny fokontany fa vonona ny hifanome tànana, hitrandrahana ny lafin’ny mahasoa, sy hiarovana ny mety ho lafy ratsy eo amin’ity sehatra ity. Ireo ekipa marolafy kosa dia manohy hatrany ny fanaraha-maso, mizara ireo torohevitra mahasoa, ary miara-miasa hatrany amin’ny mpikaroka ao anatin’izany rehetra izany mba hafahana mifehy an’izany ara-tekinika ary hamadika azy ho tombon-tsoa azo trandrahina. Nitarika ireo ekipa marolafy ireo, Atoa TILAHY Désiré, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. MPEB# MEDD# Tetikasa_AMPIANA # Fidinana_ifotony # Poisson_chat
AMBOVOMBE,FARITRA ANDROY
FOVORIANA NIARAHANA TAMIN’IREO STD ISAN-TSOKAJINY
Anisan’ny loza voajanahary namely mafy Teto amin’ny Faritra Androy ny rivodoza Jude izay tsy ela akory izay . Betsaka ireo foto-drafitrasa rava , betsaka ihany koa ireo Tsy mana-kialofana ka mifandrimbona ireo Tompon’andraikitra isan-tsokajiny eny ifotony mijery akaiky ireo vahoaka. Nisy arak’izany ny Fivoriana niarahana tamin’ireo sampan-draharaham-panjakana STD , BNGRC , PAM , FAO, sns…. Nentina nifampizarana sy nifanakalozana mahakasika ireo fahasimbana sns.. ahafahana mijery ireo laharam-pahamena amin’ny tokony hanampiana ireo mpiray tanindrazana amintsika Ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga no Sady mpiahy ny Faritra Androy A/toa #MAHATANTE_Paubert no Nitarika ny Fivoriana ,natrehin’ny Governoran’ny Faritra Sy ireo tale sy Tompon’andraikitra isan-tsokajiny. #MPEB #RIVODOZA #AMBOVOMBE #ANDROY
AMBOVOMBE ANDROY
Ny firaisankina no hery, fitsidihan’ny A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga ireo traboina maherin’ny 2000 izay mitoby eto amin’ny Sacré Cœur Ambovombe
AMBOVOMBE ANDROY. Ny firaisankina no hery , izay no azo amehezana ny hafatra izay nataon’A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga no Sady mpiahy ny Faritra Androy #MAHATANTE_Paubert nandritra ny fitsidihany ireo traboina maherin’ny 2000 izay mitoby eto amin’ny Sacré Cœur Ambovombe Anio 17 Martsa 2025. Nambarany fa hiray fo tanteraka amin’izy ireo ny tenany miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra izay tarihin’ny manam-pahefana eny ifotony Ary indrindra ireo mpikambana ao anatin’ny Governemanta manontolo izay Mifanome tanana amin’ny Fanampiana azy ireo Sy ireo traboina hafa rehetra izay nitondra takaitra nandritra ny Fandalovan’ny rivodoza Jude iny Tsara ny manamarika fa betsaka amin’izy ireo no mpanjono sy vadina mpanjono izay simba fananana ka Mila mifanohana Ary tsy mamela azy ireo irery arak’izany ny fitondram-panjakana, ireo olom-boafidy sy mpilatsaka an-tsitrapo . #MPEB #RIVODOZA #JUDE #AMBOVOMBE_ANDROY
TOLAGNARO, FARITRA ANOSY
Nanantateraka fidinana ifotony taorian’ny Fandalovan’ny rivodoza ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, A/toa MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert
Tongasoa eto TOLAGNARO, FARITRA ANOSY A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert hanantateraka fidinana ifotony taorian’ny Fandalovan’ny rivodoza nandalo tato amin’ny Faritra Anôsy sy Androy satria miray fo amin’ireo traboina ny tenany amin’ny maha samy malagasy antsika mila mifanampy ary mifanohana araky ny hafatra napetraky ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Andry RAJOELINA. Ankoatr’izay hanao ny fidinana ifotony niarahana amin’ny #Tetikasa_MIONJO izay Tetikasa miara-miasa akaiky amin’ny Ministera amin’ny fampiroboroboana ny Jono aty amin’ny Faritra Androy-Anôsy , Hisy ihany koa ny atrikasa mahakasika ireo « système d’alerte précoce » ao Ambovombe sy Tolagnaro , hanao ny jeritodika rehetra Hisorohana ny loza rehetra tsy hiverina intsony nandritra ny Andro ratsy Ary farany hijery ireo asan’ny MPEB aty ifotony . Haharitra dimy Andro ny diany aty amin’ny Faritra Androy sy Anôsy . #MPEB #FIDINANA_IFOTONY #TETIKASAMIONJO #ANDROY_ANOSY.
Soanierana Ivongo, Faritra Analanjirofo
Fampitaovana ireo mpanjono
Tontosa ny faha 15 Marsa 2025, ny fampitaovana ireo mpanjono ka Fikambanana miisa 14 avy amin’ny Kaominina miisa 05 anatin’ny Distrikan’ny Fenerivo Atsinanana sy Soanierana no notolorana fitaovana tao Soanierana Ivongo. « Moteur hors-bord » 9,9 Yamaha miisa 02, « Kit solaire » miisa 02, « Bouet couronne » miisa 02, salotra vonjy aina miisa 10, « Congélateur électrique » miisa 11, « Glacière » 25 kg miisa 106, fandanjana miisa 26, arato 6 kg 4 « doigts » miisa 45, « Fut » miisa 06, no fitaovana azon’ireo mpisitraka. Mbola hisy ny trano fampangatsiahana na « Chambre Froide » ho an’ i Soanierana Ivongo, amin’ny alalan’ny Fandaharanasa #AFAFI_Nord izay Vatsian’ny Vondrona Erôpeanina Vola. 90 andro ny Faharetan’ny asa izay ahitana famokarana « Bloc de Glace » 30 T isan’andro. Ho avy ihany koa ny lakana vita « en fibre de verre » sy « cogélateur » mandea amin’ny hery ny masoandro. Ny tanjona dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo ka manantena fa ho tratra izany tanjona izany amin’izao fahazahona tohana ara-pitaovana izao. #MPEB #DRPEB_Analanjirofo #Jono_madinika
MAISON CENTRALE ANKOROMBE AMBOSITRA
TRONDRO HOMPIANA AO AN-TOERANA IHANY NO SAKAFOANIN’IZY IREO
Misehatra amin’ny fiompiana trondro ihany koa ry zareo avy ao amin’ny Maison centrale Ankorombe ka ny trondro hompiana ao an-toerana ihany no sakafoan’izy ireo izay sakafo ara-pahasalamana anatin’ny fanajana ny zon’olombelona. Dobo trondro miisa 9 no hita ao an-toerana izay mamokatra 2500kg hatramin’ny 3000kg Rehefa motambatra. Ao anatin’izany no ahitana Dobo fanatavezana renin-trondro sy fiompiana zana-trondro. Anisan’ny Tanjona ny hampianatra ny Fiompiana trondro ho an’ireo namantsika Voafonja miisa 500 ao an-toerana ka Rehefa vita ny saziny dia afaka mampihatra izany any amin’ny fiaraha-monina misy azy ireo any aoriana any sy hanaparitaka izany . Misokatra amin’ny fiaraha-miasa miasa amin’ireo Ministera hafa arak’izany ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga toy ity fiaraha-miasa miasa miaraka amin’ny Ministeran’ny fitsarana ity. Tonga nitsidika izany teny an-toerana izany A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert niaraka tamin’ireo delegasionina maro teny an-toerana. #MPEB #FIOMPIANA_TRONDRO #AMBOSITRA
Faritra Atsimo Atsinanana
Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa GIZ/ASAM
ontosa ny faha14 Martsa 2025 teo ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fanombohan’ny tetikasa ASAM izay hiasa amin’ny Distrika telo amion’ny Faritra Atsimo Atsinanan dia n,y Distrikan’I Farafangana, Vangaindrano ary Vondrozo. Akoatry ny famelabelarana mahakasika ny tanjona, ny fomba fiasa, ny fanolorana ireo ekipa mandrafitra ny tetikasa sy izay mombamomba ny tetikasa dia nisy ny fanotaniana maro naraham-baliny avy amin’ireo mpisehatra amin’ny fiompiana trondro izay nasaina. Ny tetikasa GIZ/ASAM izay tanterahin’ny ONG APDRA dia hisehatra amin’ny fampirobiroboana ny fiompiana trondro mandritra ny 3 taona, 300 ireo mpiompy trondro hisitraka mivantana ity tetikasa ity izay kendrena ho vehivavy ny 30% amin’izany. Ny fampirobiroboana ny fiompiana trondro an-dobo, an-dobo barazy sy an-tanimbary no ho sahanin’ny tetikasa. Nanome voninahitra izao lanonana izao moa ny Governora ny Faritra Atsimo Atsinanana, ny Prefektiora’I Farafangana notronon’ireo ben’ny tanana, ireo sefo Distrika avy amin’ny toerana hiasan’ny tetikasa. #MPEB #DRPEB_Atsimo_Atsinanana #GIZ_ASAM #APDRA
AMBOSITRA ,FARITRA AMORON’I MANIA
TAFAPETRAKA NY ZONE D’EMERGENCE PISCICOLE
Dobo miisa 15 izay afaka mamokatra zana-trondro manodidina ny 1000T/ isan-taona ,toeram-piofanana mazaka olona 50 ho an’ireo izay Liana rehetra aminy sehatry ny fiompiana trondro, toeram-pikotrehana izay afaka mamokatra zana-trondro manodidina ny 5 tapitrisa, « laboratoire » , ny birao fankan-kevitra sns… Ireo rehetra ireo ho hita ato anatin’ity fari-pisandratana ho an’ny famokarana zana-trondro na Zone d’Emergence Piscicole eto Ampivarotan’omby Ambositra ity. Tanjona hatrany ny hampiroboroboana ny sehatry ny Jono eto Madagasikara,hanampiana ihany koa ireo Tanora rehetra tsy an’asa ,hiadiana amin’ny Tsy fanjarian-tsakafo sns.. Manova fiainan’olona iray hoy A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert ny fiompiana trondro nandritra ny fitsidihany , noho izy mampidibola betsaka no asa mahavelona ihany koa. Hirariana arak’izany fa hamatsy zana-trondro manerana ny Faritra amoron’i mania ity toerana ity atsy ho atsy. Fitsidihana ara-teknika no Notanterahina Anio nentina Nijerena ireo pitsopitsony rehetra hanatsarana hatrany ny foto-drafotrasa. #MPEB #ZONE_D_EMERGENCE_PISCICOLE #AMORONIMANIA #AMBOSITRA