FAKAN-KEVITRA MAHAKASIKA NY TRAIKEFA HANANAN’I MADAGASIKARA MANODIDINA NY FAHANDRIAM-PAHALEMANA AN-DRANOMASINA
Nisy ny fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ireo mpandray anjara nandritra ny fihaonam-be hiresahana ny fandriam-pahalemana an-dranomasina ny amin’ny Fomba ahafahan’i Madagasikara miady amin’ny Jono tsy manara-dalana ,ireo paikady rehetra na fitaovana ahafahana miatrika izany toy ny Sambo haingam-pandeha ,ny fiaraha-miasa amin’ireo sehatra miady amin’ny Jono tsy manara-dalana ( Global Fishing Watch , FiTI sns…). Fifampizarana traikefa Rahateo no tanjona amin’izao fihaonana izao satria ady iraisana ny fiarovana ny ranomasimbe indianina. Ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert no Nitarika izany nandritra ity fifanakalozan-kevitra ity. #MPEB #PECHE_INN #SECURITE_MARITIME
FANDRIAM-PAHALEMANA AN-DRANOMASINA
MANDRAY ANJARA AMIN’NY FIHAONAMBE IZAY TANTERAHINA MANDRITRA NY DIMY ANDRO I MADAGASIKARA
Radisson Blu, Antananarivo , 24 Février 2025. Firenena miisa 9 no mivondrona eto amintsika amin’izao fotoana izao izay ahitana Afrique du Sud, Comores, Djibouti, Kenya, Madagasikara, Maurice, Mozambique, Seychelles Ary Tanzanie izay ahitana mpandray anjara miisa 50 ao ihany koa ireo « agence » miisa 26 hanatanteraka ny fihaonam-be hiresahana ny fandriampahalemana an-dranomasina izay karakararin’ny Africa Center for Strategic Studies (ACSS). Ny Olana manodidina ny fahandriampahalemana an-dranomasina na ny filaminana an-dranomasina dia zava-dehibe loatra ho an’ireo firenena manamorona ny ranomasina toa an’i Madagasikara. Tsy vitan’ny firenena iray izany fa mila mifanampy ahafahana mifampizara traikefa ka anisan’izany ny governemanta Amerikanina sy ireo firenen-kafa . Ao anatin’izany ihany koa ny fifanampian’ireo Ministera hafa toa an’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny , ny Ministeran’ny foloalin-dahy sns… Raha Ho an’ny sehatry ny Toekarena Manga dia miankina betsaka amin’ny filaminana an-dranomasina no hampaharitra izany indrindra ny ady amin’ny resaka « pêche INN » (Jono tsy manara-dalana ,tsy voafehin-dalana Ary tsy voafanambara) dia tsy olana ho an’i Madagasikara irery fotsiny fa olana manerantany , ahoana Ary no ahafahana Mifanome vaovao sy antotam-baovao ho an’ireo firenena manodidina antsika ahafahatsika tena miady amin’izany. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany ity fihaonambe ity Ary aharitra 5 Andro. Nanokatra izany ny Ambasadaoron’i Etazonia miasa eto Madagasikara sy Kaomoro Claire Pierangelo sy ny Lefitry ny Komandy Misahana ny Fiaraha-miasa Sivily sy Miaramila eo anivon’ny AFRICOM ny Ambasadaoro Robert Scott ary ny Sojaben’ny Africa Center Dr. Assis Malaquias niaraka tamin’A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert. #MPEB #PECHEINN #MAE #SEMINAIRE #SECURITE_MARITIME.
Betafo
Renim-pianakaviavana maro ihany koa no mamelona ireo vady aman-janany amin’ny alalan’ny Fiompiana trondro eto Betafo
ANTSIRABE
FARI-PISANDRATANA HO AN’NY FIOMPIANA TRONDRO (ZONE D’EMERGENCE PISCICOLE) ENSOA ANTSIRABE : FENO NY FEPETRA REHETRA
Toerana fankatahaka na vitrine no nahafantarana ny Toeram-piompiana trondro lehibe ato amin’ny Ensoa Antsirabe hatramin’izay. Ankoatra ny fiompiana dia hita ao ny toeram-panatavezana trondro, toerana mpamokatana zana-trondro, toeram-piofanana ,toeram-pikotrehana izay afaka mamokatra manodidina ny 200 000 zana-trondro sns… Feno arak’izany ny fepetra rehetra ahafahana Manao ity toerana ity ho Zone d’Emergence Piscicole #ZEP ka hanao ny ezaka rehetra izy ireo hamatsiana ny Vakinankaratra manontolo. Nandritra ny fitsidihan’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert tao an-toerana no nanokanana izany tamin’ny fomba ofisialy izay manana ny tarigetra hoe #HARENA_MANGA_MAMPIVOATRA. Zava-dehibe izao fiaraha-miasa izao satria manaporofo fa azon’ny olon-drehetra atao ny asa Fiompiana trondro. Hanamafy hatrany ihany koa ny fiaraha-miasa ny eto anivon’ny MPEB sy ny EnSoa. Raha misy ny fihitaran’ny toerana any aoriana any dia malalaka ny ahafahana mampitombo hatrany amin’ny 40taonina na 60 taonina ny vokatra trondro ao an-toerana. #MPEB #ZEP #ENSOA #ANTSIRABE #VAKINANKARATRA.
MIANDRARIVO ,DISTRIKAN’NY BETAFO, FARITRA VAKINANKARATRA
TETIKASA ALEFA ( Accompagner les exploitants Familiales Agricole) : MANOHANA IREO TANTSAHA HIROSOANA MANKANY AMIN’NY FAMOKARANA MAHARITRA
Nanomboka ny taona 2022 no nisian’ny Tetikasa ALEFA izay manohana ireo tantsaha hirosoana makany amin’ny famokarana maharitra. Faritra 3 bo hiasany eto Madagasikara ka anisan’izany ny eto Vakinankaratra. Miasa amina kaominina miisa 5 ny Tetikasa ato Ary Distrika miisa 2. Anaty saha-driaka no tena hiasan’ny Tetikasa ALEFA, Raha ny eto Miandrarivo dia ahitana zana-sahan-driaka miisa 14 ka iray amin’izany ity eto mianavaradoha ity izay ahitana fifanambadian’ireo fambolena sy fiompiana.(Rizipisciculture) Eo ihany koa ny fanajariana ireo tanety ,ny fiarovana ny saha-driaka tsy ho tototra ireo hatsanga sns… Raha ny APDRA manokana dia Efa 20 taona Teo no niasa teto Vakinankaratra nanaparitaka ny teknika-mpiompiana trondro nanomboka tany am famokarana zana-trondro. Kanefa manomboka tsapa sy ny fiovan’ny toetr’andro anisan’izany haintany . Vokatr’izany dia niezaka nitady vahaolana ny APDRA amahana ny olana amin’ny Tsy Fahampiana rano . Iarahana mitady vahaolana manomboka teny an-tanety izay niarahana tamin’ireo tantsaha. #MPEB #TETIKASA_ALEFA #BETAFO #VAKINANKARATRA
LAVA-BIRIKY INDRAY ITY NAVADIKA HO DOBO TRONDRO ITY
MANAMPISOA, ANTSIRABE II , FARITRA VAKINANKARATRA
BEBE RAZAFIARINETY : MIVELONA AMIN’NY ASA FIOMPIANA TRONDRO
75 taona i Bebe Razafiarinety izao Milona tanteraka anatin’ny fiompiana trondro izao . Resy lahatra tanteraka ny tenany noho izy ity izay manala fahasahiranana , ahafahany mampisakafo ara-dalana ireo zafikeliny izay misy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo Ary koa ahafahany mampianatrabazy ireo. Miara-miasa akaiky amin’ny APDRA izay mpanatanteraka ny Tetikasa SANUVA ny tenany izay anisan’ny mpanetsiketsika ny asa Fiompiana trondro ao amin’ny tanana misy azy . Marihina fa Sady mamboly ihany koa ny tenany izay sehatra afaka ampiarahana tsara amin’ny toerana misy rano toy izao amin’ny alalan’ny fanaovana ny « rizipisciculture » Faly Ary nankasitraka ny tenany tamin’ny fanohanana rehetra izay nataon’ny Tetikasa fa indrindra ireo toromarika rehetra Mbola nohamafisin’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert nandritra ny fitsidihany ahafahana mampiroborobo ity sehatry ny fiompiana trondro ity. #MPEB #APDRA #SANUVA #FIOMPIANA_TRONDRO #ANTSIRABE #VAKINANKARATRA.
VAKINAKARATRA
Mme Dorety : MANAMBOATRA FANAMPIN-TSAKAFON-TRONDRO AMIN’NY ALALAN’NY FIOMPIANA LALITRA MAHASOA NA NY BSF
Tsy mandany vola Ary mora hiompiana sy karakaraina hoy Mme Dorety ny fiompiana lalaitra Mahasoa na BSF izay mamokatra olitra vaventy ho fanampitsakafon’ny biby fiompy toy ny trondro. Marihina fa Anisan’ny tsara ho an’ny trondro izy ity izay mora sy tsara ny tahan’ny fampamokarana manoloana ny provandy noho ny olitra vokarin’ity farany manana taha ambony amin’ny otrikaina (protéines) sy menaka « lipides » ilain’ny trondro, izany oe mahasolo tanteraka ny provandy mihintsy. Sakafo organika raha teo ny sakafony toy ny ambin-tsakafo any an-tokatrano tsirairay ka tsy misy akora simika mihintsy. Anisan’ny mpisitraka ny Tetikasa SANUVA ihany koa ny tenany izay ahafahany mahazo ireo toromarika ara-teknika rehetra hanatsarana ny asa fihariana. #MPEB #BSF #SAKAFON-TRONDRO #SANUVA #APDRA #VAKINANKARATRA
Kaominina Fieferana, Distrikan’Avaradrano, Faritra Analamanga
𝐅𝐞𝐫𝐦𝐞 𝐌𝐀𝐌𝐈𝐑𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀: Fiompiana trondro Karpa sy Tilapia an-dobo, an-tanimbary ary ivelan’ny tany
𝐑𝐀𝐊𝐎𝐓𝐎𝐌𝐀𝐕𝐎 𝐌𝐚𝐧𝐝𝐚𝐧𝐢𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐍𝐨𝐞́ 𝐅𝐞𝐫𝐦𝐞 𝐌𝐀𝐌𝐈𝐑𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀
ANTANANARIVO ATSIMONDRANO
FIFAMPIZARANA NIARAHANA TAMIN’IREO MPIANATRA AMIN’NY ONIVERSITE U-MAGIS BEVALALA.
Mpianatra maherin’ny 600 no Tonga nanatrika ny fifampizarana niarahana tamin’A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert nandritra ny fitsidihany tao an-toerana. Voaresaka tao avokoa ireo fahalalana ankapobeny izay manitikitika ireo mpianatra tao ny mahakasika ny maha olona , ny haitondra sy ny fitantanana , ny fihariana anaty rano sy ny tontolony sns… Izao no natao ahafahan’izy ireo mijery sahady ny asa sy ny fanirian’izy ireo rehefa any aoriana Ary koa tsy ho tompotrano mihono amin’ireo Zava-misy rehetra manodidina ny maha olona sy fahiza-mitantana sy fahaiza-mihary. #MPEB #CONFERENCE #UMAGIS #BEVALALA