Akadinondry Sakay
Fitokanana amin’ny fomba ofisialy Tsangam-bato marim-pahatsiarovana tamin’ny fandalovan’Atoa Minisitra Teo an-toerana
Hafaliana Ary voninahitra lehibe ho an’ireo vahoan’ny Akadinondry Sakay ihany koa izao fandalovan’A toa Minisitra MAHATANTE Paubert izao , ny ankamaroan’izy ireo izay misehatra amin’ny fiompiana trondro ,Nisy koa anefa ireo Vao hisehatra amin’izany. Nisy arak’izany ny fitokanana amin’ny fomba ofisialy ny tsangam-bato izay marim-pahatsiarovana tamin’ny fandalovan’A toa Minisitra Teto an-toerana. Nirary soa Ary Maniry ny tenany fa aorian’izao fandalovany izao dia hitombo avo roa heny ireo vahoaka hisehatra amin’ny fiompiana trondro #MPEB #BONGOLAVA #ANKADINONDRY_SAKAY.
FARIHY LEHIBE AKADINONDRY SAKAY
ZANA-TRONDRO MIISA 10 000 NO NAROTSAKA.
Miisa 8 ny Farihy ao Akadinondry Sakay,ny 6 amin’ireo no nandrotsahana zana-trondro miisa 10 000 izay hetsika natao nandritra ny fambolekazo tao an-toerana. Nisy ny fanomezana ireo zana-trondro ireo tamin’ny fikambanan’ny mpanjono ao an-toerana izay Ahitana renin-trondro miisa 5 Ary trondro lahy miisa 4. Nandritra izany dia Nisy hatrany fanazavana tsotsotra nataon’A/toa Minisitra amin’ireo teknika rehetra Rehefa mandrotsaka zana-trondro. Nanotrona Ary Niaraka nandrotsaka ny zana-trondro hatrany ny solombavam-bahoaka voafidy tao an-toerana,ny Governoran’ny Faritra, Sy ireo manam-pahefana eny ifotony. Hita nandritra izany fa maro be ireo Liana ny hampiroboroboany sehatry ny fanjonoany aty amin’ny Faritra Ary Vonona ny hampihatra ireo teknika rehetra. #MPEB #BONGOLAVA #FANDROTSAHANAZANATRONDRO
Akadinondry Sakay ,Faritra Bongolava
FAMBOLEN-KAZO : Zana-kazo miisa 4300 fototra no novolena.
Anisan’ny miantoka betsaka amin’ny fisian’ny rano ny ala , miaro ireo renirano Ary ahafahana hitehirizana ireo loharano. Tsy misy kosa ny resaka fanjonoana Raha tsy misy ny ala . Nanantateraka fambolekazo tao Akadinondry Sakay Niaraka tamin’ny Fikambananan’ny AISPA A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert izay notronin’ny solombavam-bahoaka voafidy tao an-toerana,ny Governoran’ny Faritra Bongolava Sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny eny ifotony, ny ekipan’ny avy ao amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana Lovain-jafy. Nandray anjara tao avokoa na ireo mpianatra na olon-tsotra ,sivily sy miaramila. Zana-kazo miisa 4300 no novelana Ary iront karazana-kazo Frêne izay anisan’ny hazo tsara indrindra. Ho an’ny Ministeran’ny Jono : Ny ala nonmampisy ny rano. Ary ny rano mampisy ny Toekarena Manga. #MADAGASIKARA_RAKOTRA_ALA_NO_TANJONA. #MPEB #FAMBOLENKAZO #AISPA #DIREDD #BONGOLAVA
Kaominina Ambanivohitra Sakalalina,Distrikan’Ihosy,Faritra Ihorombe
Fidinana ifotony ho fanaraha-maso ny fizotry ny fiompiana trondro.
Nanatanteraka fidina ifotony ny 05 Febroary 2025 teo tao amin’ny FKT Marokoliva, Kaominina Ambanivohitra Sakalalina ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) sy ny CSRPA Ihorombe nanara-maso sy nanjohy ny fizotry ny fiompiana trondro ataon’ny vondron’ny Tantsaha izay manana dobo miisa sivy ka ny fito amin’ireo dia hiompiana Karpa izay miisa 2100, ary ny roa kosa Tilapia miisa 800 eo. Vinavinaina havoaka amin’ny volana May izao ireto vokatra ireto raha tany amin’ny volana oktobra 2024 tany no nampidirana azy. Mandeha ny fiompiana na dia misedra olana eo amin’ny rano sy ny sakafon-trondro. Nisy arak’izany ny toromarika nomena ny amin’ny fomba hitantanana ny rano sy ny fitsinjarana ny sakafo. Noentanina ihany koa izy ireo mba hanala ireo pirina izay hita fa maro ao anaty dobo mba hampihenana ny mpifaninana amin’ny fihinanana ny sakafo. #MPEB #DRPEB_Ihorombe #Fiompiana_Trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga
Fkt Loharano, Kaominina Ambanivohitra Ambilao, Distrikan’i Manakara, Faritra Fitovinagny
Fanentanana mahakasika ny fikatonan’ny Jono Oratsimba
Mba ho fanamafisana ny ezaka fandresena lahatra ny mpanjono hitsinjo hatrany ny hampaharitra ny Jono Oratsimba (Langouste) dia nitohy tao Loharano, Kaominina Ambanivohitra Ambilao, Distrikan’i Manakara, ny fidinana ifotony narahana fanentanana nataon’ny ekipan’ny DRPEB Fitovinagny, ny faha 04 Febroary 2025, . Nisy araka izany ny fampatsiahivana ny didy aman-dalana mamaritra fa mbola mikatona ny Jono Oratsimba amin’izao fotoana izao. Amin’izao vanim-potona fahavaratra izao ihany koa dia nentanina ny mpanjono hanaraka tsy tapaka ny vaovao mahakasika ny toetrandro amin’ny alalan’ny fihainoana ireo onjam-peo (Radio) fa indrindra hampiasa ireo takelaka (panneaux) SAP izay nozaraina. Nofaranana tao Andranodaro ny hetsika izay niresahana ireo tsara ho fantatra mahakasika ny ICAM. Fokonolona sy mpanjono manodidina ny 90 no tonga nanatrika ireo hetsika ireo. #MPEB #DRPEBFitovinagny #Oratsimba #Langouste #ICAM #SAP #Mpanjono
Antananarivo, Faritra Analamanga,
ANDRO MANERAN-TANY HOAN’NY FARITRA MANDO
Nanotrona ny fankalazana ny andro maneran-tany hoan’ny faritra mando izay natao ny faha 03 Febroary 2025, ny #MPEB notarihan’Andriamatoa Tale Jeneraly ny Toekarena Manga ary notronon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Analamanga teo amin’ny farihin’ny Mandroseza, Antananarivo. Nisongadina tamin’izany ny fanentanana ny tsy hanimbana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny tsy fandoroana tanety, ny fikajiana ny rano sy ny renirano izay antoky ny aina ho an’ny olombelona, ny biby indrindra fa ny trondro, tsy fandotoana ny eny an-tanenty amin’ny tsy fanariana fako isakarazany satria ireny no entin’ny orana izay manentsina ny lakandrano. Nofaranana tamin’ny fanadiovana ny sisin-dranon’Ikopa izany hetsika izany. #MPEB #MEDD #DGEB #DRPEB_Analamanga #Faritra_mando
Camp ENSOA Antsirabe, Faritra Vakinankaratra
Famoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo mpiofana manam-boninahitra lefitra nandritra ny fanamarihana ny « Andron’ireo manam-boninahitra lefitra »
Notontosana teo anivon’ny ENSOA Antsirabe ny faha 31 Janoary 2025 hatramin’ny 01 Febroary 2025 ny fanamarihana ny « Andron’ireo manam-boninahitra lefitra » ka tonga namaly ny fanasana sy nanotrona izany ny DRPEB Vakinankaratra sy ny ekipany. Nasongadina nandritra izany ireo ezaka rehetra vita teo anivon’ny Sekoly vokatr’ireo fiaraha-miasa isan-karazany ka tsy latsa-danja amin’izany ny sehatry ny Jono sy ny Toekarena Manga. Navoaka tamin’ny fomba ofisialy nandritra io fotoana io ihany koa ireo mpiofana manam-boninahitra lefitra rehetra ny taona 2024 ka nisy tamin’izy ireo nisafidy manokana ny taranja « Fiompiana trondro ». Hita sy tsapa miroborobo ihany koa ny « Station vitrine » ankehitriny izay azo sokajiana ho ZEP satria ahitana ny singa rehetra mahakasika ny fiompiana trondro ary efa maro ireo tanora mpianatra nandray soa avy aminy. Trondro matavy an-taonina no niakatra ary efa manatavy ireo zana-trondro novokariny ny ENSOA ankehitriny (10 000 Alevins carpes). Miisa 500 mahery kosa no nampiofanina hiompy trondro na sivily io na miaramila ka notolorana fankasitrahana avy amin’ny ekipan’ny DRPEB Vakinankaratra. #MPEB #DRPEBVakinankaratra #ENSOA #FiompianaTrondro
Hôtel Vakinahandro,Kaominina Ambonivohitra Antsirabe,Distrikan’Antsirabe I,Faritra Vakinankaratra
Atrikasam-paritra ho fifanakalozan-kevitra sy ho fampandraisana andraikitra ireo hery velona rehetra voakasika momba ny sehatry ny Jono an-dranomamy tao Vakinankaratraizay.
Taorian’ny fikaroam-bahaolana momba ny fampandriana fahalemana eo amin’ny fiompiana trondro natao tany Amoron’i Mania dia nisy ihany kosa ny atrikasam-paritra ho fifanakalozan-kevitra sy ho fampandraisana andraikitra ireo hery velona rehetra voakasika momba ny sehatry ny Jono an-dranomamy eto Vakinankaratraizay natao ny faha 31 Janoary 2025. Nanatrika izany ireo Fitaleavam-paritra isan-tsokajiny dia ny teo anivon’ny Jono sy Toekarena Manga, Varotra sy Fanjifana, Fanajariana ny Tany, Fambolena sy Fiompiana, ny Tontolo iainana ny teo anivon’ny Kaominina Ambonivohitra Antsirabe ny Tale misahana ny Fampandrosoana eo anivon’ny Faritra ary ny solotenan’ireo mpanjono avy amin’ireo VOI mpikambana ao amin’ny koperativa FIFIMPAVA. Taorian’ny famelabelaran-kevitra isan-karazany dia narafitra ny paikady iraisana hisorohana ny tsindry mihatra amin’ireo mpanjono araka izay azo atao. Naneho ny fahavononany amin’ny andraikitra manandrify azy avy ireo mpisehatra tsirairay. Marihana fa ny tetikasa FANAINGA+ sy ny Koperativa FIFIMPAVA no nanohana ka nahafahana nanatanteraka izao atrikasa izao. #MPEB #DRPEB_Vakinankaratra #VOI_FIFIMPAVA #tetikasa_FANAINGA+ #Asa_Manga #Toekarena_Manga
Un drame humain évité de près dans le Sud de Madagascar
Des centaines de pêcheurs portés disparus en mer secourus à temps dans la région Androy et Anosy grâce au leadership du Ministre Dr. Paubert Mahatante. Ce 30 Janvier 2025, 154 pirogues ont été déclarées disparues en mer au large d’Ambovombe, région Androy. Malgré le rouge affiché sur les tableaux agrométéorologiques en raison du mauvais temps, les pêcheurs ont bravé les vagues à cause de la recherche de revenu de subsistance selon eux. Ils espéraient ramener de quoi subvenir aux besoins quotidiens de leurs familles. Lire la suite de l’article en cliquant sur le lien suivant: Source : Blue Eco Africa https://blueecoafrica.com/un-drame-humain-evite-de-pres…/ #Madagascar #pêche #pêcheur #mer #pêchemaritime #sauvetage #Afrique
EFA TAFAVERINA AN-TANETY AVOKOA IREO MPANJONO 424 TAVELA AN-DRIAKA TATY AMIN’NY FARITRA ANDROY
Isaorana ny lehibe indrindra fa tafaverina avokoa ireo mpanjono 424 refa noentin-driaka nandritra ny andro ratsy teto amin’ny Faritra Androy ny Talata lasa teo ary tsy nisy ny aina nafoy . Ho an’ny androany, voatatitra avokoa ny hakamaroan’ireo mpanjono izay tao amin’ny kaominina Ranobory, Sarisambo sy Analapatsy ary Faradofay. Samy haterina ao Maroalomainty avokoa izy ireo izay toerana fonenany avy. Marihina fa Nisy ihany koa ireo vadina mpanjono izay nahavita dian-tongotra lavitra tamin’ny fitsenana ireo mpanjono. Niaraka tamin’ny fakana sy fanaterana azy ireo hatrany ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert nandritra izany . Hisaorana hatrany ny fitondram-panjakana, ireo mpisehatra rehetra sy ireo mpiara-miombon’antoka tamin’ny fanampiana rehetra nandritra ny fanavotana ireo mpanjono ireo. #MPEB #MPANJONO #FARITRA_ANDROY #ANDRORATSY.