AMBOVOMBE ANDROY (Androy) & AMBOASARY ATSIMO (Anôsy)
Famahana ny olan’ny tsy faham-piandrano fisotro

Tonga nijery ifotony ny fandroson’ny asa fametrahana ilay tetikasa « pipe-line » Mandrare-Sampona ny Minisitry ny Rano ny fidiovana sy ny fanadiovana A/toa ANDRIANAMELASOA Lalaina anio 12 Janoary 2025, notronin’ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, mpiahy ny faritra Androy, Atoa MHATANTE Tsimanaoraty Paubert sy ny Solombavambahoaka mirahalahy foafidy tao Amboasary Atsimo Atoa RAKOTONIRINA Richard sy Atoa ANDRIAMAMONJY Olivier. Fotodrafitrasa ahitana paompy fisitoman-drano sy fampakaran-drano maromaro mitohy amin’ny alalan’ny fantsona lehibe izay manangona ny rano ao amin’ny tobindrano ao Andranogoa kaominina Sampona, mialoha ny hitsinjarana azy amin’ireo kaominina voakasika. Nisy araka izany ny fihaonana tamin’ny vahoakan’ny Maroalomainty, ny fitsidihana ny sinibe fanangonan-drano ao Andranogoa sy ny « station de relevage » iray. Napetraky ny fitondram-panjakana manokana ity tetikasa ity mba hamahana ny olana aty Atsimo ka hahafahana mamatsy rano fisotro madio ny mponina ao amin’ny kaominina Sampona, Distrikan’ny Amboasary Atsimo, ny kaominina Maroalopoty ary Maroalomainty, Distrikan’Ambovombe Androy sy ny manodidina. #MPEB #MEAH #Pipeline #RanoFisotroMadio #Mandrare_Sampona

Kaominina Maroalomainty, Distrikan’ny Ambovombe Androy, Faritra Androy.
MPANJONO SY VADINA MPANJONO MAHERIN’NY 500 NO NAHAZO FAMPITAOVANA

Ho fampiroboroboana ny sehampihariana Jono dia tonga nanolotra fitaovana toy ny « fumoir » miisa 11 na vata fanodinana trondro lena ho lasa trondro saly sy « tracteur frigorifique » iray Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE PAUBERT notronin’ny Minisitry ny Rano ny fidiovana sy ny fanadiovana A/toa ANDRIANAMELASOA Lalaina androany 12 Janoary 2025. Mpanjono sy vadina mpanjono maherin’ny 500 no misitraka ireto fampitaovana ireo. Tanjon’ny Minisitera ny hampihena ny fahasahiranana eo amin’ny fitanterana ireo hazan-dranomasina avy amin’ny tananan’ny mpanjono saro-dalana mandeha mankany amin’ireo tananan’ireo mpanjifa. Eo ihany koa ny fanodidinana sy fitehirizana ireo trondro tsy lany ho azo amidy amin’ny fotoana manaraka. Ankoatra izay dia nanolotra ihany koa Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga rano fisotro madio 5m3 ho an’ny mpanjono ho fanampiana azy ireo amin’izao fotoan’ny haintany izao. Isaorana ireo mpiaramiombonantoka maro izay niara-nisalahy amin’izao fifanomezan-tanaizao, anisan’izany ny tetikasa miojno. #MPEB #JONO #RANO #FAMPITAOVANA #MPANJONO #FARITRA_ANDROY

Faritra Ambovombe Androy
Fivoriana ho famahana ny olan’ny rano aty Atsimo

Atoa Lalaina ANDRIANAMELASOA Minisitry ny Rano, fahadiovana sy fidiovana sy Atoa Paubert MAHATANTE Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga dia tonga eto Ambovombe Androy nitarika fivoriana momba ny famahana ny olan’ny rano ato amin’ny Faritra Androy. Kaominina 13 no voakasika izay ahitana olona manodidina ny 240.000 olona no voakasika mivantana izay manana filana rano 5.000m3 isanandro. Marihina fa ny ranon’ny Mahavelo dia zara raha 26m3 isanandro no sisa omeny raha toa ka mihoatra ny 60m3 teo aloha. Isan’ny vahaolana fohy ezaka natolotr’Atoa MEAH ny fanampiana 05 hafa ireo kamiao citernes izay 03 ihany no sisa mandeha sy ny fanatsarana ny resaka fizarana mba hitovy tsy misy zanak’i kalahafa. Ny fanafangainana ireo asa fanamboarana ny fantsona Mandrare-Sampona, barrage Havelo Mandrare sy ny Efaho ary ny fijerena loharano hafa toy ny ao Antsira ao Antanimora Atsimo. Ny MPEB kosa dia nitondra rano amin’ny kamiao 1.220 bidons jaunes avy any Ifaho izay ho zaraina mivantana amin’ireo Fokontany izay tena voamafy ary mbola miandry ireo 1.300 bidons jaunes ambiny avy any Toamasina izay nalefa sambo. Ireo no ho taterina amin’ny kamiao tsotra ary ho fenoina mivantana eny Mahavelo manditry ny fotoana ilana azy. Mifameno avokoa ny asa atao iarahana amin’ny Mpiaramiombonantoka rehetra toy ny ACF, UNICEF… Nanentana hatrany ireo Minisitra mirahalahy fa mila mifanampy sy mifanohana isika manoloana izao vokatry ny fiovan’ny toetrandro izao ary nanamafy fa tsy mikely soroka ny Fitondram-panjakana eo am-pitadiavam-bahaolana. #Olana_Rano #MEAH_MPEB #ANDROY

Befotoana Akarafantsika,CR Marosakoa, Distrika Marovoay, Faritra Boeny
Fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2025.

Notanterahina ny 10 Janoary 2025 ny Fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2025 ho an’ny Faritra Boeny. Ny loha hevitra tamin’izany dia ny hoe  » Ny ala, antoky ny rano sy ny angovo ». Nandray anjara tamin’izany ny Solombavam-bahoaka Marovoay, ny Governora, lehiben’ny Distrika Marovoay sy Ambato boeny, FDS, STD, PTF, mpanjono, mpianatra marobe ny ekipan’ny DRPEB Boeny ary ireo mponina eny ifotony. #MPEB #DRPEB #Boeny #fambolenkazo #Ala #Rano #Toekarena_Manga #Fiompiana_anaty_rano

Nanisana , Antananarivo Madagascar.
VITA SOAMANTSARA TAO ANATIN’NY FANGARAHARAHANA NY FANDRAFETANA NY ASA REHETRA AMIN’NY FAMPIASAM-BOLA.

Nifarana anio ny fivorian’ny komity miandraikitra ny « appui sectoriel » izay ahitana ireo avy ao amin’ny vondrona Eropeanina Sy Isika eto Madagasikara ,marihina fa tanterahina isan-taona ity Fivoriana ity izay atrehin’ireo avy ao amin’ny CCGP ( Comité consultatif des gestions des pêcheries) , ny firaisamonim-pirenena sns…. Izao no natao ahafahana nandrafitra ireo asa rehetra ho Tanterahina hampiasana ny volan’ny « appui sectoriel » amin’ity taona 2025 ity. Hita tao anatin’izany fa Nisy Fanatsarana ireo asa izay natao tamin’iny taona 2024 iny. Afa-po tanteraka ny roa tonta izay natao tao anaty firalahiana tanteraka ny Fivoriana. Any Toliara Faritra Atsimo Andrefana no hanantaterahana ny Fivoriana manaraka izay hatao ny volana novembre ho avy izao . Tsara tsiahivina ny hampiasaintsika ireo vola ireo Dia ny : • Fanatsarana ny lafiny jono ( fifidianana pirogue fibre de verre , moteur hors-bord, filet….. ) • fampiroboroboana ny fihariana anaty rano (aquaculture) • fitohizany fametrahana ny Zone d’Emergence Piscicole ho fampandehanana izany eraky Madagasikara. • Fijerena manokana ny asan’ny ASH • ny asan’ny sampana panara-maso ny Jono • Ny lafiny fifampitondrana tsara tantana. #MPEB #UE #CommissionMixte #AppuiSectoriel #SociétéCivil #SecteurPrivé

MPEB Ampandrianomby, Antananarivo
Fivoriana savaranonando mialohan’ny hiatrehana ny fivorianan’ny vaomiera iombonana (Commission mixte) hiarahana amin’ny Vondrona Eoropeanina (UE) mahakasika ny fampiasam-bola avy amin’ny fanohanana ny sehatra (Appui sectoriel) araka ny fifanarahana ara-jono (Accord de pêche)

Notanterahana androany faha 03 Janoary 2025 tao amin’ny efitrano malalaka fivorian’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, ny fivoriana savaranonando niarahan’ny Ministera tamin’ireo solontenan’ny firaisamonim-pirenena sy ireo sehatra tsy miankina mialohan’ny hiatrehana ny fivorianan’ny vaomiera iombonana (Commission mixte) hiarahana amin’ny Vondrona Eoropeanina (UE) eto Antananarivo amin’ny herinandro ambony manaraka eo mahakasika ny fampiasam-bola avy amin’ny fanohanana ny sehatra (Appui sectoriel) araka ny fifanarahana ara-jono (Accord de pêche) hiarahana amin’ny Vondrona Eoropeanina. Marihana fa andiany faharoa amin’ny fifanarahana ny amin’ity taona ity izay mitentina 1 100 000€ ka araka ny tapaka dia sehatra miisa dimy no tena hiompanan’ny fandaniana amin’ity taona ity izay mifanaraka amin’ny politikam-panjakana sy ny Ministera dia ny sehatry ny :  Jono (Pêche), Fampiroboroboana anaty rano (Aquaculture), Fahadiovana (Sanitaire), Fanaraha-maso ny jono (Surveillance des pêches), Fitantanana (Gouvernance). Izao no natao dia mba hisian’ny fangaraharana amin’ny fitantanana sy ny fiasan’ny Ministera manoloana ny fiarahamonim-pirenena sy ireo sehatra tsy miankina. Amin’ny ankapobeny tsy ampy lavitra io vola io ary mbola maro ny ezaka tratrarin’ny Ministera fa na izany aza dia ezahana ampifan-danjana ny fandaniana mba hipaka tsara amin’ny vahoaka. #MPEB #UE #CommissionMixte #AppuiSectoriel #SociétéCivil #SecteurPrivé

Toliara, Faritra Atsimo Andrefana :
Fivoriana fanomanana ny « Forum des jeunes africains sur l’Économie Bleue » na « Fivoriam-ben’ny tanora Afrikana momban’ny Toekarena Manga »

Araka ny tapaka nandritran’ny filan-kevitrin’ny minisitra ny faha 18 Desambra 2024 lasa teo dia nankatoavina ny handraisana ny « Forum des jeunes africains sur l’Économie Bleue » na « Fivoriam-ben’ny tanora Afrikana momban’ny Toekarena Manga », ny faha 17-19 Aprily 2025 ho avy izao eto Madagasikara. Arak’izany dia nanatanteraka fivoriana savaranonando ho fampahafantarana sy fanentanana ny fandraisan’anjaran’ny rehetra amin’ny fanomanana sy fanatanterahana izany fihaonana izany ny « Cluster Économie Bleue » notarihan’Atoa Minisitrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, niarahana tamin’ireo avy any ivelany tamin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra (en ligne).  Mpisehatra miisa 500 no antenaina ho avy amin’ity fihaonam-be faha-02 taorian’ny Lomé ity ka 300 amin’izany no hoavy avy any ivelany. Voaresaka nandritra izany fivoriana izany ny : Fitaterana an’ahabakabaka ireo tanora 300 avy any ivelany, Fitaterana an-tanety, Fampiantranoana sy fampisakafoanana azy ireo, Efitrano sy toerana malalaka hivoriana.  Nahavelom-bolo fa samy nandray anjara mavitrika sy naneho ny fahavononany amin’ny soso-kevitra hanatrarana ny tanjona ny mpisehatra tonga tao ka anisan’ny voalaza tao koa ny fanatsarana (fanadiovana, fampihaingoana, fanazavana, fanamboarana lalana, fampandriam-pahalemana) ny Tanànan’ny masoandro. Hisy avy hatrany ny fivoriana voalohany hiarahana amin’ireo Talem-paritra rehetra eto an-toerana ny faha 07 Janoary 2025 izay hotarihin’Atoa Governora. Ny fivoriana manaraka dia ny tapa-bolan’ny Janoary hiarahana amin’ny mpisehatra rehetra amin’ny Toekarena Manga. #MPEB #DRPEBAtsimoAndrefana #ForumDesJeunesAfricains #ÉconomieBleue #TanoraAfrikana #ToekarenaManga

Ambohibao, Antananarivo, Faritra Analamanga:
Fandrotsahana zanatrondro ao amin’ny dobon’ny CIS na ny « Central Intelligence Service »

Resy lahatra fa hiompy trondro ny mpiara-miasa ao amin’ny Sampam-pitsikilovana eto Madagasikara na ny CIS. Dobo mirefy 125m2 no hanombohana azy izay hitarina amin’ny taona ho avy. Nanambara Atoa Tale Jeneraly RAFANOMEZANTSOA Roger fa vonona izy sy ireo mpiara-miasa amin’ny tena handray anjara amin’ny fanaparitahana ny fiompiana trondro eto amintsika ka Zanatrondro miisa 1.000 no narotsaka. Kasaina hanodidina ny 400kg ny vokatra voalohany. Aorian’ny fanitarana dia hahatratra 64.000m2 ny velaran’ny dobo ao amin’ny CIS Ambohibao. Tonga nanatanteraka izany fandrotsahana zanatrondro izany ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga, Atoa MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, sy ireo mpiara-miasa aminy. #Fiompiana_trondro #CIS_Ambohibao #Antananarivo_Analamanga #MPEB

Ankoba, Kaominina Analapatsy, Distrikan’i Taolagnaro, Faritra Anosy:
Fanolorana fitaovam-panjonoana ho an’ireo Mpanarato

Analapatsy dia Kaominina manamorona ranomasina nefa ahitana tsy fanjarian-tsakafo ary ny fambolena atao dia zary raha mamokatra nohon’ny hain-tany. Arak’izany dia mila mifototra bebe kokoa amin’ny resaka jono ny olona aty satria na misy na tsy misy ny orana dia misy harena hatrany ny ao anaty ranomasina toy ny oratsimba (langouste), sihely, valahara sy karazan-trondro hafa… Tonga nanolotra fitaovam-panjonoana eto Analapatsy amin’ny anaran’ny Fitondram-panjakana tarihan’Atoa Filoha hajaina Andry RAJOELINA, ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, notronin’ireo Manam-pahefana aty amin’ny Faritra Anosy ialohavan-dRamatoa Governora. #Fitaovampanjonoana #Lakana_fibre_verre #Moteur_hors_bord #Analapatsy_Taolagnaro #Faritra_ANOSY #MPEB