Kaominina Andrenivohitra Manakara, Faritra Fitovinagny
Fampiofanana fiompiana trondro
Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny ny #DRPEB_Fitovinagny sy ny Fitaleavana misahana ny fampianarana ara-teknika sy Fanofanana arakasa #DRTFP_Fitovinagny dia olona tsy an’asa 19 no nahazo fampiofanana momba ny fiompiana trondro ny faha 09 Aprily 2025 tao amin’ny Lycée sileny Paul Manakara. Izany dia tafiditra ao anatin’ny hetsika #FIJERY_HAFA izay karakarain’ny #METFP. Roa andro ny faharetany fiofanana ka ny 16 Aprily 2025 izao ny tohiny. Hisy ny fampiharana ankianja mandritra io andro farany io. #MPEB #Fampamokarana_ny_Atirano
FOJAEB 2ème Édition à Toliara du 17-18-19 AVRIL 2025
Fanentanana izay niarahana amin’ny IHSM Toliara.
Ampandrianomby-Antananarivo, Faritra Analamanga
Fanolorana ny Drafitrasa Nasionaly amin’ny ady amin’ny Jono tsy manara-dalàna, tsy voafanambara, ary tsy voafehin-dalàna eto Madagasikara 2025-2029.
Manamafy hatrany ny ezaka amin’ny ady amin’ny Jono tsy manara-dalàna, tsy voafanambara, ary tsy voafehin_dalàna ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Tafiditra anatin’izany fampitomboana ireo sambo ampiasain’ny CSP hanara-maso ny sisin-dranomasin’i Madagasikara. Teo aloha dia sambo roa ihany no nampiasain’i Madagasikara iady amin’izany Jono INN izany, Ankehitriny dia efa tafakatra 23 izany ary mbola hiampy 02 ireo. Anatin’ny fanamafisana ny ady amin’ny Jono INN dia zava-dehibe ny fananana ny Drafitrasa Nasionaly iadiana amin’izany. Notanterahina teny Ampandrianomby Antananarivo ny 07 Avrily 2025 arak’izany ny fanolorana ny Drafitrasa Nasionaly amin’ny ady amin’ny Jono tsy manara-dalàna, tsy voafanambara, ary tsy voafehin-dalàna eto Madagasikara 2025-2029. Mandrafitra ity Drafitrasa Nasionaly ity ireo zavatra mila hatsaraina rehetra iadiana amin’ny Jono INN, ny firesahana ny ho avin’i Madagasikara manoloana ity fitaovana ampiasaintsika ity amin’izao, ny fampisehoana amin’izao tontolo izao fa i Madagasikara dia vonona hatrany ny hiatrika ireo fanamby hatrehantsika indrindra aty amin’ny Faritra misy antsika indrindra miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Nitarika ny fotoana Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert miaraka amin’Atoa Alexander Kefi Solontenan’ny SADC, ary ny Solontenan’ny WWF eto Madagasikara. Marihina moa fa nanampy an’ny Ministera namolavola izao ny WWF. #MPEB #SADC #CSP #Jono #INN #WWF
HETSIKA FANADIOVANA FAOBE
Ho fiaraha-mientana amin’ireo Ministera amin’ny hetsika fanadiovana faobe indrindra ho fiomanana amin’ny fihaonana iraisam-pirenena hatao eto Madagasikara dia nandray anjara tamin’izany hetsika izany ihany koa ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Nodiovina nanomboka teo amin’ny « rond point rocade » Ambohimahitsy ary nifarana teo amin’ny « abris Bus » akaikin’ny tetezana miampita eny Andralanitra. Hetsika izay notarihan’Atoa Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga Atoa TILAHY Désiré ary notronin’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Ministera. #MPEB #Fanadiovana
Antsiranana, Faritra Diana
Fampiofana ireo mpanaramaso ny jono na « Inspecteur de Pêche »
Ho fanamafisina ny ady amin’ny jono tsy ara-dalàna, tsy voafanambara, ary tsy voafehindalana na « pêche INN » eto Madagascar dia nisy fampiofana ireo mpanaramaso ny jono na « Inspecteur de Pêche » izay natao tao Antsiranana tamin’ny alalan’ny Tetikasan’ny #MCSCC , avy ao amin’ny SADC, antsoina hoe “OCEANS VIGILANCE/ Stop Illegal fishing”. Tetikasa izay manampy amin’ny fanovàna maharitra sy fitondrana mangarahara eo amin’ny sehatry ny jono. Notanterahina nandritra ny 04 andro ity fiofanana ity izay nanomboka ny faha 02 Aprily 2025 ka hatramin’ny 05 Aprily 2025, tao amin’ny Hôtel de la poste Antsiranana. Ny #WWF Madagascar sy ny observatoire #FITSINJO no nifanampy nifanome tanana tamin’ny fikarakara ity fiofanana ity. Ankoantran’ny fampihofanana dia nisy ny fitsirihana ireo sambo zay natao teo amin’ny Port, Antsiranana. Mpandray anjara miisa 25 no nahazo fiofanana izay avy amin’ny #DRPEB_Diana, #APMF, ny #Tafika_an_dranomasina, Douane, ny WWF, ny FITSINJO ary ny #CSP avy any Toliara, Morombe, Toamasina, Majunga, Antananarivo, Nosy Be, Taolanaro, Farafangana ary Antsiranana. Marihina fa ity hetsika ity dia mandray anjara amin’ny ezaka ataon’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny jono tsy ara-dalàna, tsy voafanambara ary tsy voafehindalana, izay tafiditra ao anatin’ny Drafi-pihetsika Nasionaly hiadiana amin’ny jono INN (PAN-INN) ho an’ny taona 2025–2029 et Madagasikara. #MPEB
Kaomina Ambonivohitra Toamasina, Distrikan’I Toamasina I, Faritra Atsinanana
Fampitaovana ny mpanjono
Tontosa androany 05 Aprily 2025 ny fanolorana « voile » miisa 30 izay fitaovana hoan’ireo mpanjono madinika eto amin’ny Fokontany Analankininina Hopital bé. Izao fampitapovana izao dia tafiditra anatin’ny fankalazana ny andron’ny Frankofonia ka teny miisa 10 mirakitra ny tontolo iainana an- dranomasina no niaingana ary napetraka tamin’ireo « voile » ireo .Ny mpianatra eo anivon’ny sekoly marolafy misy eto Toamasina no nanao ny fanaingoana izany. Marihina fa fiaraha- miasa eo amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy Toekarena Manga Atsinanana sy ny Alliance Française de Tamatave ary ny Faritra Normandie (France) no nahafahana nanatontosa izao fizarana izao. #MPEB #DRPEB_ATSINANANA #Alliance_Française_de_Tamatave #Région_Normandie_France #Fanentanana_Mpianatra
Fokontany Ampivarotanomby, Kaominina Ambanivohitra Ambositra, Distrika Ambositra
Fitsidihana dobo trondro
Nanao fitsidihana ifotony ny #DRPEB_Amoron_i_Mania nijery ny toeram-piompian’i Atoa Arsène izay misy dobo miisa 08 aty amin’ny Fokontany Ampivarotanomby. Nitondra fanampiana ny fitaleavana ary nanome toromarika ny hanatsarana bebe kokoa ny teknikam-piompiana ary nanao fanjonoana fanarahamaso. Atoa Arsène dia manome sakafo toy ny provandy ny trondro ary manao fanamasahana dobo ihany koa. Manana karazana trondro maro ity mpiompy toy ny Tilapia Nilojica, tilapia fotsy, tilapia bory vava sy tilapia marakely ary karpa. #MPEB #Fampamokarana_ny_Atirano
Ambilobe, Faritra Diana
Fizarana fitaovana ho an’ny tantsaha
Tontosa tao amin’ny antampon- tanànan’ny Distrikan’ny Ambilobe ny faha 04 Aprily 2025, ny lanonana ara- panjakàna fanolorana ny fitaovam- pamokarana ho an’ireo fikambanan’ny tantsaha na ny « Organisation Paysane » miisa 45. Nahazo anjara ny fikambanana mpiompy trondro miisa 02 izay nahitana « Broyeur de provende, Broyeur combiné avec granuleuse, Kit aérateur, projecteurs solaires, Glacières, balances, épuisettes », sns. Marihina fa fitaovana izay novatsian’ny programme #AFAFI_NORD, ary iarahana amin’ny #Tetikasa_MIP/PEA. Nanome Voninahitra izao lanonana izao ny Governora ny Faritra Diana, ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’ny Ambilobe, ny Mpanjakan’i Ankarambe TSIMIARO III, ny Talemparitra sy lehiben’ny sampan-draharahampanjakàna isankarazany, ka anisan’izany ny solontena avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga, tao koa ireo Be ny Tanàna maro, ary ireo avy ao amin’ny AFAFI NORD. Velom- pisaorana ny fitondram-panjakàna sy ny avy amin’ny AFAFI NORD ireo izay nisitraka fampitaovana, ary nanome toky fa hikojakoja sy hampiasa azy ireo arakany ny tokony ho izy. #MPEB #DRPEB_Diana
Ankidonana-Ambatomirahavavy, Distrikan’Arivonimamo, Faritra Itasy
Fitsidihina an’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga
Hitodi-doha any amin’ny Distrikan’Arivonimamo indray Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert rehefa avy namangy ny tapany Avaratry ny Nosy.Arak’izany dia ny fitsidihina ny dobo fiompiana trondro ao Ankidonana-Ambatomirahavavy no nanombohany ny fitsidihina. Ity fiompiana trondro ity izay tohanan’ny tetikasa AMPIANA3. Toerana natolotry ny Kaominina Ambatomirahavavy ho an’ny fikambanan’ny mpiompy trondro FMTA natao hanatavezana Tilapia sy karpa sy famokarana zana-trondro Tilapia miisa hatrany amin’ny 15 000 isam-bolana. Ho fanatsarana ity toeram-piompiana ity mba ahitan’ireo fikambanana vokatra tsara kokoa dia nitondra ny toro-hevitra ara-teknika ho an’ireo mpikambana Atoa Minisitra toy ny toetry ny rano, ny « aménagement de territoire », ny famadihana ny fomba fiompiana anaty fefy mitsingevana. Ity farany izay manampy an’ireo mpiompy hiatrika ny fiovaovan’ny toetrandro izay anisan’ny olana sedrain’izy ireo. Tanjon’ireo fikambanan’ny mpiompy amin’ity toeram-piompiana ity moa ny isintomana mpizahantany sy hanavaona azy ho toerana fanofanana fiompiana trondro ho an’ireo tantsaha liana amin’izany fiompiana trondro izany. #MPEB #DRPEB #ITASY #Tetikasa #AMPINA3 #FMTA #Fiompiana_Trondro
Andrainarivo , Antananarivo
Atrikasa ho fankatoavana ny fitaovana vaovao entina hanaraha-maso sy fanaovana tomban’ezaka amin’ireo TGRH
Manodidina any amin’ny 80 any ny famindram-pitantanana ireo harena sy rohy voahary anaty rano na ny (TGRH) no efa vita izay nafindra tamin’ireo Vondron’Olona Ifotony sy ireo mpanjono. Hatreto dia mbola tsy voafaritra mazava tsara ny mety ho fahombiazan’ny fitantanan’izy ireo izany harena sy rohy voahary izany. Nisy arak’izany ny atrikasa ho fankatoavana ny fitaovana vaovao izay entina hanaovana tombana sy fanaraha-maso ny fahombiazan’ny famindran-mpitantanana ny harena sy ny rohy voahary anaty rano izany izay niarahan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga,ny mpiara miombon’antoka ary ireo solontenan’ny mpanjono, izay notanterahina teny Andrainarivo-Antananarivo ny 03 Aprily 2025. Tanjona amin’izao atrikasa izao ny hampiharana ity paikady vaovao ity mba ho fanatsarana hatrany ny fomba fitantan’ireo mpisehatra eny ifotony ary hampaharitra ireo harena anaty rano ireo. Marihina fa tohana avy amin’ny WWF no nahafahana nanao ity paikady ity ka ny mpanamahay BE LONATANY no nanatanteraka ny asa teny an-kianja. #MPEB #DRPEB #WWF #BE_LONATANY #TGRH #mpanjono_madinika
