AMBALAMANGA , NOSY BE , FARITRA DIANA
FITSIDIHANA NY COMPLEXE DE PECHE
Efa miasa tsara ankehitriny ny « complexe de pêche izay Foto-drafitrasa entina hampivoarana Sy hampandrosoana ny tanana Ary indrindra hampiroboroboana ny sehatry ny Jono. Zava-dehibe ny fananana azy ity satria Tsy misy intsony ireo trondro very fa afaka atao ny mitahiry azy ao anatiny Ary Vokatra #madio Sy #mahasalama Sy #vokarakara avokoa no mivoaka ao . Foto-drafitrasa ahitana Machine de glace, toerana hivarotana ireo vokatra , Biraon’ny koperativa izay izy ireo ihany no hitantanana azy sns…. Azo lazaina fa Anisan’ny Foto-drafitrasa Manova ny tantaran’ny Jono manerana an Madagasikara ny fisian’ny fotodrafitrasa toy itony. Nitsidika izany ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert nandritra ny fitsidihany Teto an-toerana. #MPEB #COMPLEXEDEPECHE #AMBALAMANGA #NOSY BE #DIANA
Andranobe , Nosy be , Faritra Diana
Efa Telo taona Teo no eo i Mme Tatie Chris no niompy trondro izay nihitatra tsikelikely izany ka nahafahana nametraka ireo Dobo mirefy 700 metatra toradroa . Manodidina ny 2, 8 taonina kosa ny tombam-bokatra eritreretina anatin’ny « cycle » iray (6 a 7 mois eo ho eo ) .Ahitana Dobo fiompiana zana-trondro ao an-toerana Ary bodo fanalehibiazana ihany koa . Ankoatry ny fiompiana trondro dia ahitana ireo karazana fambolena ihany koa ao an-toerana ,miaraka amin’ireo voankazo fihinamboa samihafa izay manome endrika an’ny tanana sy mifameno ihany koa amin’ny asa Fiompiana trondro Nanararaotra nifampizarana tamin’A/toa Minisitra izy ireo amin’ireo teknika rehetra ahafana mampiakatra sy manatsara hatrany ny vokatra . #MPEB #FIOMPIANA_TRONDRO
FIHAONANA NIARAHANA TAMIN’IREO FILOHAN’NY FIKAMBANAN’NY MPANJONO ETO DIANA
#MPEB #PROJET_RESEA #UICN #REGION_DIANA
Nosy FALY, Baie de Tsimipaika
FISOKAFAN’NY JONO MAHALOKY
NOSY FALY , FARITRA DIANA
Fisokafan’ny fanjonona mahaloky
Tamin’ny 5 ora maraina dia Efa nanainga ireo mpanjono handeha hanjono mahaloky izay Marihina fa Anio 01 Aprily no fisokan’izany raha nihidy nandritran’ny 3 volana . Teny an-toerana niara-dalana tamin’izy ireo hatrany ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert #MPEB #JONO_MAHALOKY #NOSYFALY
NOSY FALY , AMBANJA , FARITRA DIANA
VONDRON’NY MPANJONO ATY AMIN’NY TAPANY AVARATRY NY NOSY : VONONA NY HIFANOME TANANA HISIAN’NY FITANTANANA MAHARITRA
Nanantateraka #fifampizarana sy #fifanakalozan_kevitra niarahan’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert tamin’ireo Filohan’ny fikambanan’ny mpanjono miisa 30 aty amin’ny Faritry Diana izay miara-miasa amin’ny #TetikasaReSea izay tantanin’ny #UICN. Hampiofanina izy ireo hisian’ny fahaiza-mitarika eny anivon’ny fiaraha-monina indrindra ny fiaraha-monin’ny mpanjono . Ankoatr’izay Dia anisan’ny nomen’ireo mpanjono fitokisana izy ireo ka Mila mahafehy izany hai-tarika izany indrindra amin’ny Fiarovana ny tontolo an-dranomasina sy ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary anaty ranomasina mba ho Lovain-jafy. Anisan’ny nampatsiahivan’A/toa Minisitra ny Maha zava-dehibe ny fanajana ireo lalàna mifehy ny Jono eto Madagasikara, ny fanajana ny fitaovam-panjonoana rehetra , ny antony ihany koa mampihena ny vokatra ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro, ireo dina isan-karazany hanatsarana ny tontolon’ny fanjonoana, Nisy ihany koa ny fametrahana ireo fanontaniana izay manitikitika azy ireo amin’ny mahakasika ny asan’ny Ministera sy ny andrasan’ny Ministera amin’izy ireo . #MPEB #PROJET_RESEA #UICN #MPANJONO #FARITRA_DIANA #NOSY_FALY.
Baie de Tsimipaika , Nosy Faly ,Faritra DIANA
Toerana Anisan’ny malaza hatramin’izay amin’ny fanjonoana mahaloky
Toerana Anisan’ny malaza hatramin’izay amin’ny fanjonoana mahaloky ity toerana ity, trondro izay anisan’ny tsara tsiro indrindra . Raha tsiahivina,tamin’ny 3 taona lasa dia mahatratra 30 taonina ny vokatra azo , nidina 18 taonina kosa izany tamin’ny 2 taona nohon’ny Fandalovan’ny rivodoza gamane ka ny taona lasa teo dia niakatra 30 taonina indray. Inoana kosa fa ho amin »ity taona ity dia hitombo mihoatra lavitra amin’ izany raha ny vokatra hita nandritra ny fanjonoana teny an-toerana ho an’ny Andro voalohany fanampin’izay ny habehin’ireo trondro. Hirariana fa hihinana finaritra Isika malagasy satria Mbola ho aparitaka amintsika ity mahaloky ity ,Isika ao analamanga,sava , Vakinankaratra sns… Izao no porofo fa ireo mpanjono dia Anisan’ny mampisakafo ara-pahasalamana ho antsika . #MPEB #MAHALOKY #NOSYFALY
Nosy Faly , Antafiambotry, Distrikan’ny Ambanja , Faritra DIANA
Fizarana marim-pakasitrahana nomena ireo nanaraka Fiofanana mahakasika ny Fitadiavana vahaolana miankina amin’ny natiora niarahana tamin’ny Tetikasa Resea
Ankoatry ny fanokafana ny Jono mahaloky dia nisy ny fizarana marim-pakasitrahana nomena ireo nanaraka Fiofanana mahakasika ny Fitadiavana vahaolana miankina amin’ny natiora mba hitondra vokatra ho an’ny firenena Izay niarahana tamin’ny Tetikasa Resea. Ny fampitaovana ho an’ny fikambanan’ny mpanjono toy ny Vedette hanaovana ny surveillance communautaire avy amin’ny Blue Ventures. Misy ihany koa ireo tady mahazaka hampiasaina eny ampanjonoana avy amin’ny Blue Ventures, ireo kits de surveillance ho an’ny polisin-drano, ny permis de collecte sns… Hisaorana hatrany ireo Mpiara-miombon’antoka sy izay nisalahy rehetra nandritra ny hetsika fanokafana amin’ny fomba ny fanjonoana mahaloky #MPEB #PROJET_RESEA #RESAU_MIHARI #UICN #PROJET_RIAKA #BLUE_VENTURE
NOSY FALY , AMBANJA, FARITRA DIANA
LANONAM-PANOKAFANA NY FANJONOANA MAHALOKY
Nandritra ny 3 volana nanomboka ny 31 décembre hatramin’ny 31 mars no nikatona ny fanjonoana mahaloky ho an’ireo mpanjono eto aty amin’ny Faritra avaratry ny Nosy eto Madagasikara. Notanterahina Anio 31 Martsa ny lanonana fanokafana izany amin’ny fomba ofisialy Raha ny 01 Aprily kosa no mandeha manjono midina an-dranomasina ireo mpanjono. Ny Antony dia ahafahana mampanara-dalana hatrany ireo mpanjono izay misehatra amin’ity mahaloky ity . Hazan-drano Anisan’ny mampidibola ny mahaloky. Nisy kosa anefa ny fanentanana maro samihafa nandritran’izany ahafahana mahazo vokatra maro. Ny firaisankina sy firaisan-tsaina no tena mampiavavaka an’ireo mponina satria izay no ahafahana manatsara sy mahita tombotsoa hoy a/toa Minisitra MAHATANTE Paubert nandritra ny fandraisam-pitenenany. Izao no tanteraka dia nisy ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny sehatra tsy miankina isan-tsokajiny. Marihina fa Hananan’ny Faritra avaratra avokoa ireo harena mampiavaka an’i Madagasikara izay ho lovain’ireo taranaka fara-mandimby. Hisaorana ireo sehatra tsy miankina sy mpiara-miombon’antoka toa ny Projet Resea , blue Ventures, Projet Mihari , UICN , Projet Riaka , C3 sy ireo izay niara-nisalahy tamin’ny Fanantaterahina izany. MAHALOKY ,FIVELOMAKO KA AROVAKO #MPEB #JONO_MAHALOKY #FANOKAFANA #MPIARA_MIOBON_ANTOKA #FARITRA_AVARATRY_NY_NOSY
FARITRA DIANA
FITSIDIHANA IARAHANA AMIN’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert
Mitohy eto amin’ny Faritra Diana indray ny fitsidihana entina hampandrosoana ny sehatry ny Jono sy ny Toekarena Manga izay tarihin’A/oa Minisitra MAHATANTE Paubert. Tonga soa amantsara eto Nosy be ny tenany Anio 30 Martsa 2025 Maro ireo hetsika izay ho Tanterahina anisan’izany ny : FANOKAFANA ny #JONO_MAHALOKY ao #Nosy_Faly Fizarana « Vedette » hanaovana ny surveillance communautaire ao #Nosy_Faly . Fizarana ireo lakana en fibre de verre ho an’ny fikambanan’ny mpanjono ao Nosy Faly. Ary fitsidihana ireo foto-drafitrasa rehetra mifandraika amin’ ny sehatry ny Jono ao Nosy be sy ny ahafahana mampiasa ireo araky ny tokony ho izy . Haharitra 4 Andro kosa ny fitsidihany eto an-toerana. #MPEB #FARITRA_DIANA.
