Ampasikely , kaominina Antafia Ambotry , Distrika Ambanja
MIFAMENO NY ASA FANJONOANA SY NY FAMBOLENA LOMOTRA
Efa an-taonany maro ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga no manao izao asa fampiroboroboana ny asa fambolena lomotra izao eto Madagasikara, Raha tsiahivina dia lomotra manodidina ny 3000 taonina d’algues sèche no ho tratrarina manodidina ny taona 2030. Ho an’ny androany dia nijery Mivantana ny toerana izay hambolena lomotra izay ataon’ny orinasa Riaka A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert, orinasa noho ny Mampifandray ny asa fanjonoana sy ny asa fambolena lomotra , Mamelona olona maro ny fambolena lomotra satria dia ao anatin’ny ray volana dia mahazo hatrany amin’ny 2 tapitrisa ariary ireo mpanjono, Raha eto amin’ity toerana ity manokana dia mahazo 225 000 isan-kerinandro ireo mpanjono. Ny Tanjona amin’ny ho avy arak’izany dia ny ahafahana manodina azy ireto vokatra ireto eto Madagasikara #MPEB #FAMBOLENA_LOMOTRA #ORINASA_RIAKA #FARITRA_DIANA #AMBANJA.
TOLIARA , FARITRA ATSIMO ANDREFANA
Fizarana zana-trondro maimaimpoana ho an’ireo tanora sy Renimpianakaviana
Tanteraka soamatsara ny fizarana ireo zana-trondro maimaimpoana ho an’ireo tanora sy Renimpianakaviana izay efa nisitraka ny fampiofanana momba ny fiompiana trondro Teto Toliara , miisa 50 izy no hisitraka izany. Hisaorana ny Teo anivon’ny « la bonne fermière » tamin’ny fanomezana ireo zana-trondro Ary Hisaorana ihany koa Isika Tanora izay niarahana nisalahy tamin’ny lamina sy fandaminana rehetra Ho antsika izay te #hisitra #fampiofanana #fiompiana_trondro eto toliara kosa dia manome fotoana antsika afaka roa herinandro dia Efa hanantateraka izany eto an-toerana A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert hanantateraka izany ka dia Efa mampiomana antsika sahady. #Ndao_hampiroboroboantsika_ny_sehatry_ny_fiompiana_trondro.
Hôtel NAMBININA Ambositra, Faritra Amoron’i Mania
Atrikasa fampahafantarana ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa 4F/ASAM
Atrikasa fampahafantarana ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa 4F/ASAM, vatsian’ny #BMZ coopération Allemande vola, iarahana amin’ny Minisitera ny Jono sy ny Toekarena Manga ka ny #ONG_APDRA no manatanteraka ny asa ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania, izay notanterahina ny faha 28 Marsa 2025. Nisy ny fanaovana tombana ny ezaka vita tamin’ny PADM mba hahafahana manatsara ny fomba fiasa amin’ny #4F_ASAM. Ny tanjony tetikasa dia ny fampiroboroboana ny sehampihariana trondro mba ho ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ho fidiram-bola maharitra ho any isam-batan’olona. Izao atrikasa izao dia natrehan’ny Mme VPAN sy Solombavambahoaka 2 voafidy tao amin’ny Distrika ny Ambatofinandrahana sy Manandriana ary ny AP ny solombavambahoaka voafidy tato amin’ny Distrika Ambositra, tao iany koa ny SG any Faritra sy ny Ben’ny Tanàna ao amin’ny Kaominina 28 izay iasan’ny Tetikasa ary ireo solotenany mpiompy trondro sy ireo mpiaramiombonantoka isantsokajiny ao amin’ny Faritra. #MPEB #DRPEB_Amoron_i_Mania #Fampamokarana_ny_Atirano
Fokotany Ambavarano, Kaominina Mahavanona, Distrika ny Antsiranana II, Faritra Diana
Fisokafan’ny Jono Horita 2025 ilany atsinanana Faritra Diana
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny faha 28 Marsa 2025 tao Baie d’antalaha, Fokotany Ambavarano, Kaominina Mahavanona, Distrika ny Antsiranana II izay anatin’ny faritra arovana tantanan’ny Conservation Internationale, ny jono horita ato amin’ny faritra Antsinana ny Diana raha nihidy nanomboka ny 01 Janoary 2025. Ny lehiben’ny Distrika ny Antsiranana II no nitarika ny solontenam-panjakana nandritra izany fotoana izany ary notron’ireo delegasiona hafa avy amin’ny Ministera roa mpiahy dia ny #MEDD sy #MPEB ary ireo olona rehetra misehatra amin’ny fampiasana, fiarovana sy fikobabiana ny harena an-dranomasina sy ny rohivoahary ao aminy. Marihina fa tsara ny vokatra horita tamin’ity taona ity noho ny taona lasa izay ratsy noho ny fandalovan’ny rivo-doza GAMANE. Nisy nahatratra hatramin’ny 102kg ny horita azon’ny mpanjono iray tamin’ity andro voalohany ity. Tsara fantarina fa mbola misy andro maromaro hiasana ireo mpanjono mandritra ity samonta voalohany ity izay mbola alefa miandalana eo ny antotan’isa. #DRPEB_Diana #CI #jono_horita
FORUM DES JEUNES AFRICAINS SUR L’ÉCONOMIE BLEUE #FOJAEB , TOLIARA
J-19 Mialohan’ny hetsika lehibe FOJAEB 2025 izay ho Tanterahina eto toliara ny 17 au 19 Aprily 2025 dia miezaka manakaiky sy mifampizara mivantana amin’ireo tanora eto an-toerana ny ekipan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga izay tarihin’A toa Minisitra MAHATANTE Paubert. Hampahafantarina azy ireo ny maha-zava-dehibe ny hetsika toy izao ho an’ny firenena indrindra ho an’ny ho avin’izy ireo Raha manam-pikasana hisehatra amin’izany lafiny Toekarena Manga izany. Izao ihany koa no hatao hoy A/toa Minisitra dia hahatonga ny zanaky Toliara ho tompony fa tsy ho mpindrana satria hita ao an-toerana avokoa ireo singa ahafahana manatanteraka ity fihaonam-be ity Raha tsy hiteny ny fananany ranomasina Anisan’ny lava indrindra, ireo karazana renirano, ny seranantsambo sns .. #MPEB #FOJAEB2025 #TOLIARA #FARITRAATSIMOANDREFANA
FOJAEB 2025
MANAMPY IREO TANORA ATY AFRIKA AMIN’NY FAMPANAN’ASA IZAY MITODIKA BEBE KOKOA AMIN’NY SEHATRY NY TOEKARENA MANGA
20 andro mialohan’ny fihaonam-ben’ny Tanora mahakasika ny Toekarena Manga eto Toliara dia mitohy hatrany ny famelabelaran-kevitra manodidina ny Fanantaterahina izany niarahana tamin’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert. Nosokajiana manokana ireo Tanora mpianatra ety amin’ny anjery manontolo ahafahan’izy ireo mahalala misimisy kokoa ny maha-zava-dehibe ny hetsika toy izao sy ny tombotsoa entiny amin’ny ho avin’izy ireo eo amin’ny sehatry ny asa. Ankoatr’izay Dia fotoana ihany koa Hampahafantatra an’i izao tontolo izao ireo Zavatra mampiavaka an’iMadagasikara amin’ny sehatry ny Toekarena Manga Marihina hatrany fa Tanora maherin’ny 500 no andrasana andray anjara amin’ity fihaonam-be izay ho Tanterahina aty amin’ny Faritra Atsimo andrefana ity. #MPEB #FORUM_DES_JEUNES_AFRICAINS #MADAGASIKARA
SYSTÈME D’ALERTE PRÉCOCE
FANJONOANA LAVITRY NY LOZA NO TANJONA
Taorian’ny Faritra Androy sy Anôsy dia eto amin’ny Faritra Atsimo andrefana indray no nanantaterahina ny Atrikasa mahakasika ny fampahafantarana an’ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny ranomasina momban’ireo fahaiza-manao sy ireo fitsipika rehetra noraisin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ahafahana mampisy izany fanjonoana tsy misy loza izany eto Madagasikara. Marihina fa i Madagasikara dia anisan’ny Nosy lasibatry ny fiovaovan’ny toetr’andro izay mitarika ny fahabetsahan’ny rivotra sy rivodoza Ary indrindra ny tsioka Atsimo izay matetika mandalo ato amin’ny Faritra Atsimo andrefana raha nambaran’A toa Minisitra MAHATANTE Paubert. Miha-malemy arak’izany ny fahafahan’ireo mponina miatrika izany indrindra ireo mpanjono ka zava-dehibe ny fanamafisana ny fampahafantarana misimisy kokoa azy ireo mikasika ny #Systeme_d_Alerte_Précose (SAP) Izay no mahatongan’ny hery velona rehetra ato amin’ny Faritra Atsimo andrefana izay Mifanome tanana amin’ny ahafahana manamafy ny fiarovantenan’ireo mpanjono. Ezahina ho aparitaka amin’ny Faritra rehetra amoron-dranomasina izao hetsika izao izay Hisaorana an’ny Tetikasa MIONJO amin’ny fanohanana rehetra. #MPEB #SAP #TETIKASA_MIONJO #ATSIMO_ANDREFANA
CCI, Tsimenatse I, Toliara
Fihaonana ho fanamafisana ny fikarakarana ny #FOJAEB
Ny faha 17, 18 sy 19 ny volana Aprily izao no ho tanterahina ao Toliara ny #FOJAEB na ny » 𝐅𝐨𝐫𝐮𝐦 𝐝𝐞 𝐥𝐚 𝐉𝐞𝐧𝐞𝐮𝐬𝐬𝐞 𝐏𝐚𝐧𝐚𝐟𝐫𝐢𝐜𝐚𝐢𝐧𝐞 𝐬𝐮𝐫 𝐥’𝐄𝐜𝐨𝐧𝐨𝐦𝐢𝐞 𝐁𝐥𝐞𝐮𝐞 » na ny Fivoriamben’ny Tanora Panafrikanina momba ny Toekarena Manga andiany faha 2. Tonga any Toliara ny Minisitry ny Jono sy Toekarena izao maraina izao hivory amin’ireo sokajin’olona maro samihafa mba samy hifarimbona hifanome tànana amin’ny fikarakarana sy ny fanatanterahana izany ho tombotsoan’i Madagasikara. Nanamafy ny hambopon’ny rehetra izao fihaonana izao ary nifanome toky ny hifanohana. Fihaonana voalohany natao niaraka tamin’ireo Orinasa miantsehatra amin’ny Toekarena Manga eto Toliara izao natao izao izay notarihin’Atoa Minisitra MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert izay notronin’ireo Mpiaramiasa anaty Kabinetra sy Fitaleovam-paritra any ifotony. #FOJAEB #Economie_Bleue #Jeunesse #Toliara #MPEB
Faritra Boeny Distrikan’i Mahajanga I,Kaominina ambonivohitr’i Mahajanga
Atrikasam-pirenena mahakasika ny Jono lamatra eto Madagasikara.
Manatontosa ny atrikasam-pirenena fakan-kevitra mahakasika ny fitantanana ny jono lamatra eto Madagasikara ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Natomboka androany faha 26 ka hifarana ny faha 28 martsa hoavy izao izany, izay ahitana mpandray anjara marolafy toy ny avy amin’ny fiarahamonimpirenena, ny mpandraharaha, ny mpanjono madinika, ny fikarohana, ny mpiaramombon’antoka ary ny mpitantandraharaham-panjakana foibe sy ny avy amin’ny faritra.Tonga nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy andriamatoa TILAHY Désire Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Tanjona mandritra ity ny fijerena ny fanampahan-kevitra raisina mandritry ny fivoriambe faha 29 ny vaomiera mitantana ny jono lamatra eto anivon’ny Ranomasimbe Indiana (CTOI) izay hatao any la Réunion Frantsa. #MPEB #DRPEB_Boeny #Jono_Lamatra #CTOI #Toekarena_Manga
Fokontany Ampandratokana, Faritra Ihorombe
Nidina ifotony ny Fitaleavam-paritry ny Jono nitondra tantsoroka ara-teknika eo amin’ny fitantanana ny sakafon-trondro
Nidina ifotony ny faha 25 Marsa 2025, ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Ihorombe, tao amin’ny Fokontany Ampandratokana, Kaominina Ambanivohitra Ankily, Distrikan’Ihosy, Faritra Ihorombe. Nitondra tantsoroka ara-teknika eo amin’ny fitantanana ny sakafon-trondro sy ny kalitaon’ny rano izay nampianarina an-dry Masera izay manana olana eo amin’ny kalitaon’ny rano nohon’izy diso maitso loatra. #MPEB #DRPEB_Ihorombe #Fampamokarana_ny_Atirano
