Kaominina Ambanivohitra Boanamary, Distrikan’i Mahajanga II
Fanentanana ifotony sy fampitaovana ireo mpanjono madinika.
Nanatanteraka fihaonana tamin’ireo mpanjono ny teo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) Boeny ny faha 25 Martsa 2025 teo tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Boanamary. Maromaro ny fifanakaloazana sy ny fifampizarana natao teto anisan’izany ny fanentanana mahakasika ny lalàna mifehy ny Jono an-dranomasina ,fanentanana mahakasika ny fanajana ny tontolo iainana ny rohy voaary sy ny ala honko,fizarana karatra maha mpanjono ary fizarana fitaovana hoan’ireo mpanjono ara-dalàna toy ny harato,salotra vonjy aina sns. Nanome voninahitra ny fotoana moa ny lehiben’i Distrikan’i Mahajanga II, ny Ben’ny Tanana Boanamary ary ny solotena avy amin’ny DREDD Boeny.Marihina fa ny DELC no nitondra ny tan-tsoroka nahafahana nanatanteraka izao fifampizarana izao. #MPEB #DRPEB_Boeny #DELC #Fampitaovana _Mpanjono #Mpanjono
MADAGASIKARA & IRAN
HO HATSARAINA NY FIFANARAHAM -PIARAHA-MIASA AMIN’NY LAFINY ARA-TOEKARENA
Ampandrianomby,Antananarivo , 26 Martsa 2025 Noraisin’A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert Teto anivon’ny Ministera ny iraka avy amin’ny Masoivohon’i Iran hijery ny ahafahana #manatsara hatrany ny #fiaraha_miasa amin’ny lafiny #ara_toekarena. Marihina fa ny sehatry ny Toekarena Manga dia Anisan’ny kitro hifaharan’ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara. Tafiditra tao anatin’izany ny Fanatsarana ny fihariana anaty rano ( Aquaculture) , ny fomba fanamboarana ireo Sambo Madinika , ny fomba ahafahana miaro sy mijery ny sisin-dranomasin’i Madagasikara amin’ny alalan’ilay drone maritime manoloana ny mety hisian’ny tsy fanaraha-dalàna. Marihina ihany koa fa Efa nisy ny fiaraha-miasa Téo aloha ka aorian’ izao fihaonana izao dia hirariana fa hampiakatra avo ny lafiny ara-toekarena eo amin’ny firenena roa tonta. Ankoatr’izay Dia misy ny fanasana ataon’izy ireo ho antsika avy eto amin’ny Ministera hanatrika ny « Conférence économique Iran-Afrique » andiany fahatelo izay atao ny faha 27 aprily hatramin’ny 1 May 2025 ao Téhéran Ary koa ny 7eme Iran expo 2025 izay atao ny 28 Aprily hatramin’ny 2 May 2025. #MPEB #IRAN #FIARAHAMIASA
𝐅𝐎𝐉𝐀𝐄𝐁 𝟐𝐞̀𝐦𝐞 𝐞́𝐝𝐢𝐭𝐢𝐨𝐧 𝟐𝟎𝟐𝟓
𝐌𝐀𝐍𝐎𝐃𝐈𝐃𝐈𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝟓𝟎𝟎 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐓𝐀𝐍𝐎𝐑𝐀 𝐇𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐘 𝐀𝐍𝐉𝐀𝐑𝐀 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍𝐀 𝐅𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝟓𝟒 𝐀𝐓𝐘 𝐀𝐅𝐑𝐈𝐊𝐀.
I Madagasikara dia anisan’ny firenena ivon’ireo fivoriambe manerantany indrindra aty Afrika amin’ity taona 2025 ka iray ao anatin’izany ity #fihaonam_ben_ny_tanora mahakasika ny #toekarena_manga izay ho tanterahina any Toliara ,faritra Atsimo Andrefana ny 17,18,19 Aprily 2025 ho avy izao . tanora manodidina ny 500 avy amin’ny firenena 54 avy aty Afrika no Andray Anjara amin’izany ao koa ireo manam-pahaizana maro izay hifampizara traikefa ary ireo mpiara- miombon’antoka isan-tokony . Nosafidiana manokana i Toliara noho izy anisan’ny ahitana ranomasina , renirano, seranan-tsambo, fanjonoana Madinika vaventy Ary salatsalany , fiompiana zanga , fambolena lomotra, Ny institut halieutique et des sciences marine eto Madagasikara sy ireo valanjavaboahary anaty ranomasina harovana isan-karazany sy ny maro hafa. Marihina famanodidina 60% n’ny tanora eran’izao tontolo izao dia Afrikanina avokoa. Ahoana arak’izany no ahafahantsika miatrika ny ho avin’ireo tanora ireo na amin’ny lafiny sakafo ,na arak’asa , na maha olona? Izany indrindra no maha-zava-dehibe ny resaka #toekarena_manga amin’ny maha #fanohitra azy ahafahantsika #miatrika_ny_filana rehetra amin’ny maha olombelona antsika tsirairay avy. #MPEB #MJS #OPJEB #TOLIARA #FOJAEB_2025
Ampandrianomby, Antananarivo, Faritra Analamanga
Fihaonana tamin’ny Masoivohon’ny Repoblika Entimbahoakan’i Sina
Noraisin’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert tao amin’ny birao fiasany teny Ampandrianomby androany 24 Martsa 2025 Son excellence Atoa JI Ping, Masoivohon’ny Repoblika Entimbahoakan’i Sina. Nifampiresahan’ny roa tonta nandritra ny fihaonana ny hanatsara hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Sina amin’ny lafiny Toekarena Manga sy ny fanamafisana hatrany ireo fiaraha-miasa hatramin’izay. Hisy ihany koa ny fijerena akaiky ny mahakasika ny lafiny fikarohana, ny fanondranana entana sy fanafarana entana mahakasika ny Toekarena Manga. Amin’ny volana May ho avy izao dia handalo eto Madagasikara ireo avy amin’ny « douanes Chinoises » na ny GACC dia efa miomana sahady manoloana izany isika eto Madagasikara. Fehiny izany dia anisany nahazoanatsika vaovao tsara ny amin’ny hanatsarana ny fiaraha-miasa miaraka ny fandalovan’Atoa Masoivoho eto izao afahantsika manatsara ny sehatry ny Toekarena Manga. #MPEB #CHINE #Fiaraha_miasa #Fanatsarana #Toekarena_Manga
Taolagnaro, Faritra Anôsy
Fanadihadiana mahakasika ny trondro Lamatra na « Thon » eo amin’ny jono madinika sy fametrahana ekipa mpanao fanadihadiana
Notanterahina ny 11 ka hatramin’ny 22 Marsa 2025 lasa teo ny fanadihadiana sy fakàna antontanisa momba ny jono lamatra na » thon » amin’ny alalan’ny jono madinika ato amin’ny faritra Anôsy izay tanterahin’ny ekipa avy amin’ny #DESP na « Direction des Études, de la Statistique et de la Planification » avy amin’ny Minisitera foibe sy ny #DRPEB_Anôsy. Ankoatra izay, dia nisy ihany koa ny fametrahana sampana hanao ny asa fanadihadiana mandritra ny taona mahakasika ireo karazana hazandrano ireo ao amin’ny Faritra Anôsy ka tanàna miisa roa no hametrahana azy dia i Analapatsy sy i Ste Luce izay samy ao anatin’ny Distrikan’ny Taolagnaro. Nomena fiofanana manokana sy nozaraina fitaovana hoentina miasa ireto ekipa ireto toy ny « tablette », « imperméable », « botte de pluie », sy « bloc note », sns. Tontosa izao, dia noho ny finiavan’ny fitondram-panjakàna tamin’ny alalan’ny Ministera ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB, hanaraka ny fepetra izay lany teo anivon’ny vondrona #CTOI. Marihina fa i Madagasikara dia mpikambana feno ao anatin’ity vondrona ity. Tanjona, ny hametrahana fitantanana maharitra sy mirindra ny lamàtra ato anatin’ny fari-dranomasin’ny Madagasikara sy ny Ranomasimbe Indianina.
Antsarorobe, Kaominina Ambanivohitra Anketrakabe Distrika Antsiranana II, Faritra Diana
Fanaovana dobo miisa 07 no andalam- pahavitana raha folo no tanjona ho tratrarina
Taorian’ny fanentanana sy ny fiofanana dia resy lahatra fa hisehatra amin’ny fiompiana trondro Atoa Ruffin mipetraka ao Anketrakabe. Ka avy hatrany dia niroso amin’ny fanaovana dobo. Miisa 07 ny dobo andalam- pahavitana raha folo no tanjona ho tratrarina. Nidina ifotony ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Diana ny faha 22 Marsa 2025, nijery sy nanome toromarika hanatsarana ny fomba fanorenana sy fiompiana trondro amin’ity toerana ity. Izao no atao mba ho fampiroboroboana ny sehapihariana fiompiana trondro any amin’ny Faritra avaratra, hiteraka asa mahavelona sy hanatsarana ny velonten’izy ireo ary hanafoana ny tsy fanajarian-tsakafo. #MPEB #DRPEB_Diana #Fampamokarana_ny_Atirano
Ambanja, Faritra Diana
Atrikasa famolavolana ny fametrahana DINABE Tsimipaika.
Tontosa ny faha 21 Marsa 2025 tao Ambanja ny atrikasa nandrafetana ny Dinabe Tsimipaika taorian’ny fanadihadihana fidinana ifotony tao amin’ny Helodrano Tsimipaika. Ho fampaharetana ny harena an-dranomasina ho lovain-jafy dia tapaka fa nandrafetana Dina ka izay toerana tsy Mbola misy famindrampitantana TGRH sy TGRN ka DINABE TSIMIPAIKA no hampiharina. Ho hentitra ny rehetra amin’ny fampiharana ny lalàna napetraka. Tonga nanatrika ny fivoriana ireo avy amin’ny DREED, #DRPEB_Diana, #CSP, #CirPEB, ny Ben’ny Tanàna voakasika sy Sefo Fokontany. Teo ihany koa ny Fikambanana mpanjono, ny VOI, ny fiaramonim-pirenena. Tsy adino ny ray aman-dreny ara-drazana, ny Mpanjaka ny Ambanja Tsiaraso IV sy Mpanjaka Nosy Be, izay samy mandala ny ny fomba netim-paharazana amin’ny fiarovana ny harena voajanahary. Nararaotina tamin’io atrikasa io ny fampahafantarana ny lalàna sy ny andraikitry ny tsirairay, ny hitantanana ireo harena amorontsiraka sy andranomasina izay sarota fehezina noho ny jono tsy ara-dalàna, ny fampiasana fitaovana tsy manara-penitra, ny tsy fanajana ny fotoana fikatonan’ny jono, ny fifindramonina tsy voafehy,sns. Isaorana ny ONG #Blue_Ventures, angady sy vy nahitana an’izao atrikasa izao. #MPEB
Antananarivo, Faritra Analamanga
Fivorian’ireo Minisitra eo anivon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana mahakasika ny fiahiana ara-tsakafo sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Nandritra ny telo andro no nanatanterahana ny Fikaonan-dohan’ireo Komity mpandrindra ny fivorian’ny Filankevitry ny Minisitra iraisan’ireo Firenena eo anivon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana izay nifantoka tamin’ny famolavolana ireo paikady iraisan’ireo Firenena eo anivon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana amin’ny hampajariana ny fiahiana ara-tsakafo. Izany fikaonan-doha izany ihany koa dia nahafan’ireo Ministra miandraikitra ny sehatry ny Fambolena , ny fiompiana , ny Jono ary ny fanjariana ara-tsakafo niresaka sy nifanakalo hevitra amin’ny hametrahana ny fanamby sy ny paikady hahafahana manatratra ny tanjona amin’ny fahavitantena ara-tsakafo. Androany 21 Martsa 2025 no namaranana izany tamin’ny alalan’ny fivorian’ireo Minisitra eo anivon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana, anisan’ny nanotrona izany moa Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert. Nanohana tamin’ny fanatanterahana izao fihaonana izao ny avy amin’ny FAO, Vondrona Eropeanina ary ny AFD. #MPEB # FAO #UE #COI #AFD #PRESAN #Fahavitantena_ara_tsakafo #fiantohana_ara_tsakafo
TOLAGNARO, FARITRA ANÔSY
FANAMAFISANA NY FAHALALAN’IREO MPANJONO MAHAKASIKA NY « SYSTÈME D’ALERTE PRÉCOCE » SY NY ANDRAIKITRA MANANDRIFY IREO TOMPON’ANDRAIKITRA ENY IFOTONY
Rehefa misy ny andro ratsy dia ireo mpanjono Madinika no tena lasibatraba Voalohany amin’ny loza an-dranomasina. Raha eto amin’ny Distrikan’ny Faradofay dia manodidina ny iray alina izy ireo no misehatra amin’izany ato amin’ny Faritra. Dimy ny rivodoza nisesy Teto Madagasikara hatreto ka ny roa tamin’ireo no tena nahery vaika izay anisan’ny namely ny Faritra Androy sy Anôsy ka zava-dehibe ho azy ireo arak’izany ny fanamafisana ny fampahafantarana mahakasika ny fampahalalana ny mety ho toetry ny andro sy ny toetry ny ranomasina mialoha hisorohana ny loza Ary koa tsy hahatompotrano mihono azy ireo . Eo ihany koa ny Fanatsarana ny fifandraisana mivantana amin’ireo Tompon’andraikitra izay mampita ny vaovao any amin’izy ireo. Tsy fantatra izay hitranga rahampitso ka aleo misoroka mialoha hoy A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert mila fantatra ny anjara asantsika rehetra ary Iza no hiaraha-miasa Ary amin’ny fotoana toy ny ahoana Raha ny nambarany hatrany. Notanterahina Anio 20 Martsa 2025 ny atrikasa nampahafatarina izany ka nanatrika tao avokoa ireo hery velona rehetra misehatra amin’izany . Ny atrikasa izay tohanan’ny tetikasa MIONJO izay miasa aty amin’ny Faritra Anôsy . #MPEB #SAP #TETIKASA_MIONJO #AQUATICSERVICE #TOLAGNARO #FARITRA_ANOSY.
Akoradava, Faritra Anôsy
Nidina ifotony ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Ihorombe nijery akaiky ny fahavitan’ny dobon-trondro namboarin’ny tantsaha
Nidina ifotony ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Ihorombe ny faha 19 Marsa 2025, tao Akoradava, Fokontany Andriandampy, Kaominina Ambanivohitra Andriandampy, Distrikan’i Betroka, Faritra Anôsy. Nijery akaiky ny fahavitan’ny dobon-trondro namboarin’ny tantsaha iray tapa-kevitra hisehatra amin’ny fiompiana trondro taorian’ny fiofanana izay nampanaovin’ny #DRPEB_Ihorombe tao Andriandampy tamin’ny faha 16 Novambra 2024 lasa teo. Nomena toromarika mikasika ny fiompiana trondro an-tanimbary na « rizipisciculture » sy ny fitantanana ny rano ary ny sakafon-trondro ity mpiompy ity. Nisy ihany koa fandrotsahana zanatrondro tilapia miisa 1200 izay narotsaka tao amin’ny dobo mirefy 312m2 (39m x 8m), vokatry ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny #DRPEB sy ny #MPEB ary ny mpiompy trondro ao amin’ny Faritra Ihorombe. #Fampamokarana_ny_Atirano
