Besorohitra Fianarantsoa, Faritra Matsiatra Ambony
Fivoriana niarahana tamin’ireo mpivarotra trondro an-dranomamy sy an-dranomasina anaty trano na « Poissonnerie ».

Toy ny fanao isan-taona dia tontosa ny faha 19 Marsa 2025 ny fivoriana niarahana tamin’ireo mpivarotra trondro an-dranomamy sy an-dranomasina anaty trano na  » Poissonnerie » rehetra ato anatin’ny Distrikan’ny Fianarantsoa l. Natao izao mba handrindrana ny asa eo amin’izy ireo indrindra ny fahazoana ny antotan’isa aram-potoana. Nijerena vahaolana miaraka amin’ny olana sedrain’izy ireo. Nisy ny fanentanana alohan’ny fandraisana andraikitra entitra ho an’ireo izay mandika ny lalàna. #MPEB #DRPEB_Matsiatra_Ambony

MAROALOMAINTY, AMBOVOMBE ANDROY
FIDINANA IFOTONY NIARAHANA TAMIN’NY TETIKASA MIONJO

Nanantateraka fidinana ifotony ho fitsirihana ireo asa fampandrosoana ny seham-pihariana Jono ny Teto anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga izay notarihin’A toa Minisitra MAHATANTE Paubert niaraka tamin’ny mpandrindra nasionalin’ny Tetikasa MIONJO sy ny delegasionina miaraka aminy Ary ny solontena avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena izay mamatsy vola ny Tetikasa. Ho fampiroboroana ny Jono ao an-toerana dia nisy ny fisitrahan’ireo mpanjono ny Tracteur 4×4 (BELARUS) misy « remorque isotherme » lehibe entina eny amin’ny sisin- dranomasina ao an-toerana ahafahana mampiditra ireo vokatra izay manaraka ny fenitra tsara amin’ny fitehirizana ireo vokatra mandritra ny fitanterana azy, izy ity izay manamora ihany koa ny fakana ny vokatra manomboka eny amin’ny fakana azy mandram- pahatonga any amin’ny toeram-pivarotana izany. Mahatsiaro afa-pahasahiranana izy ireo Raha Nolanjaina sy nandehanana tongotra izany Teo aloha . Efa eny an-toerana ihany koa ny Fanampiana ireo fikambanan’ny mpanjono miisa 12 izay nisitraka « fumoir » miisa 11 ,Marihina fa Efa miasa avokoa ireo fitaovana ireo ankehitriny. Ankoatr’izay Dia Efa Nisy ihany koa ireo fampitaovana maro entina hampiasa’izy ireo amin’ny fiainana an-davanandro eny an-dranomasina Nandritra ny fitsidihana dia ho Nisy ny fijerena ny toerana izay hametrahana ny « chambre froide » ho azy ireo izay ahafahana mitahiry ireo vokatra rehetra tsy ho simba Ho fisorohana ny loza an-dranomasina hatrany dia nohamafisin’A/toa Minisitra ny fampahafantarana misimisy kokoa ny mahakasika « Système D’alerte Précoce » izay fiaraha miasa amin’ny orinasa MITAO FORECAST. Mitohy arak’izany ny fanohanana ireo mpanjono izay tohanan’ny Tetikasa entina hanovàna ny farim-piainan’izy ireo ho amin’ny tsratsara Kokoa #MPEB #TETIKASA_MIONJO #BANQUE_MONDIALE #MPANJONO #AMBOVOMBE #FANJONIANA

AMBOVOMBE , ANDROY
VONJY RANO VAKY HO AN’IREO TRABOINA 2000 MAHERY

Kojakoja ao an-tokatrano , sakafo ,akanjo mafana ,sns no natolotra ho an’ireo traboina izay mitoby eny amin’ny Sacré Cœur Ambovombe amin’izao andiany Voalohany izao. alohan’ny hodian’izy ireo amin’ny tokatranony tsirairay avy. Herinandro mahery Teo no nitazomana azy ireo Teto ho fitsinjovana ny ain’izy ireo nandritra ny Fandalovan’ny rivodoza farany Teo. Teny an-toerana ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert no Sady mpiahy ny Faritra Androy nisolotena ny fitondram-panjakana izay tarihin’A toa Filoham-pirenena Andry Rajoelina notron’ireo sampan -draharaham-panjakana eny ifotony . Santatra ambavarano ity hoy ny Minisitra fa Mbola ho avy ny fanampiana hafa ,anisan’izany ny Vary ho zaraina amin’izy ireo sy amin’ny toerana hafa. Hisaorana ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka rehetra Mifanome tanana tamin’ny fikarakarana ireo traboina nandritra izay dimy Andro izay. #VONJYRANOVAKY #AMBOBOMBE

FIAROVANA NY AIN’IREO MPANJONO
NOHAMAFISINA NY FAHALALANA MAHAKASIKA NY « SYSTÈME D’ALERTE PRÉCOCE » SAP.

Ny mpanjono no marefo Voalohany refaha misy ny Fandalovan’ny Andro Ratsy toy izao, very eo amin’ny 2 herinandro na iray volana mihitsy ireo mpanjono satria mijanona an-tanety avokoa hisorohana ny loza an-dranomasina. Anisan’ny asa sarotra ny asa fanjonoana ary mihatra aman’aina raha nambaran’A toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert . Izany indrindra no nanaovana ny atrikasa entina hanamafisana ny fahalalana rehetra mahakasika ny fiarovana ny ain’izy ireo amin’ny alalan’ny fampahafantarana mialoha ny mety ho toetry ny andro na ny « Système d’alerte précoce »niarahana tamin’izy ireo sy ireo sampan -draharaham-panjakana voakasika eny ifotony sy ireo mpiara-miombon’antoka , hampahalalana bebe kokoa ireo an-totambaovao sns… Ny tetikasa MIONJO kosa no manohana izao atrikasa atao izao ,Tetikasa Anisan’ny miasa ho an’ny sehatry ny Jono aty amin’ny Faritra #MPEB #MIONJO #SAP #AMBOVOMBE #ANDROY.

Ambodihady, Ambohimanarina
Voamarina fa tafiditra ao anatin’ny fianakaviamben’ny karaza-trondro atao hoe gogo ilay hita teny an-toerana.

Azo ompiana tsara ny karazan-trondro gogo, na poisson chat na catfish toy ny hita amin’ireo Firenen-dehibe maro manerantany fa atao ao anatin’ny fanarahan-dalàna  » hoy ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Andriamatoa MAHATANTE Paubert. Voamarina fa ao anatin’ny fianakaviamben’ireo trondro ireo ilay karazan-trondro hita tetsy Ambodihady Ambohimanarina ny herinandro lasa teo. Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny ekipan’ny MPEB, ny MEDD, ary ny tetikasa AMPIANA ny faha 17 martsa 2025 teo. Nandritra izany no nitafàna mivantana tamin’ireo mpanarato, ny mpanihika, ny mpiompy trondro ary ny avy ao amin’ny Fokontany. Nohazavaina tao anatin’izany fa azo hoanina tsara io karaza-trondro io. Natao izany mba hanalàna ny ahiahin’ny maro satria tsy dia mahazatra ny olona loatra ny manjifa azy. Nankasitraka ireo tompon’andraikitry ny ministera tonga teny an-toerana ireo fokonolona eny an-toerana noho ny fampahafantarana sy fanazavana nentin’izy ireo. Nambara ry zareo eny ifotony izay notarin-dRamatoa lehiben’ny fokontany fa vonona ny hifanome tànana, hitrandrahana ny lafin’ny mahasoa, sy hiarovana ny mety ho lafy ratsy eo amin’ity sehatra ity. ‎Ireo ekipa marolafy kosa dia manohy hatrany ny fanaraha-maso, mizara ireo torohevitra mahasoa, ary miara-miasa hatrany amin’ny mpikaroka ao anatin’izany rehetra izany mba hafahana mifehy an’izany ara-tekinika ary hamadika azy ho tombon-tsoa azo trandrahina. Nitarika ireo ekipa marolafy ireo, Atoa TILAHY Désiré, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. MPEB# MEDD# Tetikasa_AMPIANA # Fidinana_ifotony # Poisson_chat

AMBOVOMBE,FARITRA ANDROY
FOVORIANA NIARAHANA TAMIN’IREO STD ISAN-TSOKAJINY

Anisan’ny loza voajanahary namely mafy Teto amin’ny Faritra Androy ny rivodoza Jude izay tsy ela akory izay . Betsaka ireo foto-drafitrasa rava , betsaka ihany koa ireo Tsy mana-kialofana ka mifandrimbona ireo Tompon’andraikitra isan-tsokajiny eny ifotony mijery akaiky ireo vahoaka. Nisy arak’izany ny Fivoriana niarahana tamin’ireo sampan-draharaham-panjakana STD , BNGRC , PAM , FAO, sns…. Nentina nifampizarana sy nifanakalozana mahakasika ireo fahasimbana sns.. ahafahana mijery ireo laharam-pahamena amin’ny tokony hanampiana ireo mpiray tanindrazana amintsika Ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga no Sady mpiahy ny Faritra Androy A/toa #MAHATANTE_Paubert no Nitarika ny Fivoriana ,natrehin’ny Governoran’ny Faritra Sy ireo tale sy Tompon’andraikitra isan-tsokajiny. #MPEB #RIVODOZA #AMBOVOMBE #ANDROY

AMBOVOMBE ANDROY
Ny firaisankina no hery, fitsidihan’ny A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga ireo traboina maherin’ny 2000 izay mitoby eto amin’ny Sacré Cœur Ambovombe

AMBOVOMBE ANDROY. Ny firaisankina no hery , izay no azo amehezana ny hafatra izay nataon’A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga no Sady mpiahy ny Faritra Androy #MAHATANTE_Paubert nandritra ny fitsidihany ireo traboina maherin’ny 2000 izay mitoby eto amin’ny Sacré Cœur Ambovombe Anio 17 Martsa 2025. Nambarany fa hiray fo tanteraka amin’izy ireo ny tenany miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra izay tarihin’ny manam-pahefana eny ifotony Ary indrindra ireo mpikambana ao anatin’ny Governemanta manontolo izay Mifanome tanana amin’ny Fanampiana azy ireo Sy ireo traboina hafa rehetra izay nitondra takaitra nandritra ny Fandalovan’ny rivodoza Jude iny Tsara ny manamarika fa betsaka amin’izy ireo no mpanjono sy vadina mpanjono izay simba fananana ka Mila mifanohana Ary tsy mamela azy ireo irery arak’izany ny fitondram-panjakana, ireo olom-boafidy sy mpilatsaka an-tsitrapo . #MPEB #RIVODOZA #JUDE #AMBOVOMBE_ANDROY

TOLAGNARO, FARITRA ANOSY
Nanantateraka fidinana ifotony taorian’ny Fandalovan’ny rivodoza ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, A/toa MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert

Tongasoa eto TOLAGNARO, FARITRA ANOSY A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert hanantateraka fidinana ifotony taorian’ny Fandalovan’ny rivodoza nandalo tato amin’ny Faritra Anôsy sy Androy satria miray fo amin’ireo traboina ny tenany amin’ny maha samy malagasy antsika mila mifanampy ary mifanohana araky ny hafatra napetraky ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Andry RAJOELINA. Ankoatr’izay hanao ny fidinana ifotony niarahana amin’ny #Tetikasa_MIONJO izay Tetikasa miara-miasa akaiky amin’ny Ministera amin’ny fampiroboroboana ny Jono aty amin’ny Faritra Androy-Anôsy , Hisy ihany koa ny atrikasa mahakasika ireo « système d’alerte précoce » ao Ambovombe sy Tolagnaro , hanao ny jeritodika rehetra Hisorohana ny loza rehetra tsy hiverina intsony nandritra ny Andro ratsy Ary farany hijery ireo asan’ny MPEB aty ifotony . Haharitra dimy Andro ny diany aty amin’ny Faritra Androy sy Anôsy . #MPEB #FIDINANA_IFOTONY #TETIKASAMIONJO #ANDROY_ANOSY.

Soanierana Ivongo, Faritra Analanjirofo
Fampitaovana ireo mpanjono

Tontosa ny faha 15 Marsa 2025, ny fampitaovana ireo mpanjono ka Fikambanana miisa 14 avy amin’ny Kaominina miisa 05 anatin’ny Distrikan’ny Fenerivo Atsinanana sy Soanierana no notolorana fitaovana tao Soanierana Ivongo. « Moteur hors-bord » 9,9 Yamaha miisa 02, « Kit solaire » miisa 02, « Bouet couronne » miisa 02, salotra vonjy aina miisa 10, « Congélateur électrique » miisa 11, « Glacière » 25 kg miisa 106, fandanjana miisa 26, arato 6 kg 4 « doigts » miisa 45, « Fut » miisa 06, no fitaovana azon’ireo mpisitraka. Mbola hisy ny trano fampangatsiahana na « Chambre Froide » ho an’ i Soanierana Ivongo, amin’ny alalan’ny Fandaharanasa #AFAFI_Nord izay Vatsian’ny Vondrona Erôpeanina Vola. 90 andro ny Faharetan’ny asa izay ahitana famokarana « Bloc de Glace » 30 T isan’andro. Ho avy ihany koa ny lakana vita « en fibre de verre » sy « cogélateur » mandea amin’ny hery ny masoandro. Ny tanjona dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo ka manantena fa ho tratra izany tanjona izany amin’izao fahazahona tohana ara-pitaovana izao. #MPEB #DRPEB_Analanjirofo #Jono_madinika

MAISON CENTRALE ANKOROMBE AMBOSITRA
TRONDRO HOMPIANA AO AN-TOERANA IHANY NO SAKAFOANIN’IZY IREO

Misehatra amin’ny fiompiana trondro ihany koa ry zareo avy ao amin’ny Maison centrale Ankorombe ka ny trondro hompiana ao an-toerana ihany no sakafoan’izy ireo izay sakafo ara-pahasalamana anatin’ny fanajana ny zon’olombelona. Dobo trondro miisa 9 no hita ao an-toerana izay mamokatra 2500kg hatramin’ny 3000kg Rehefa motambatra. Ao anatin’izany no ahitana Dobo fanatavezana renin-trondro sy fiompiana zana-trondro. Anisan’ny Tanjona ny hampianatra ny Fiompiana trondro ho an’ireo namantsika Voafonja miisa 500 ao an-toerana ka Rehefa vita ny saziny dia afaka mampihatra izany any amin’ny fiaraha-monina misy azy ireo any aoriana any sy hanaparitaka izany . Misokatra amin’ny fiaraha-miasa miasa amin’ireo Ministera hafa arak’izany ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga toy ity fiaraha-miasa miasa miaraka amin’ny Ministeran’ny fitsarana ity. Tonga nitsidika izany teny an-toerana izany A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert niaraka tamin’ireo delegasionina maro teny an-toerana. #MPEB #FIOMPIANA_TRONDRO #AMBOSITRA