Faritra Atsimo Atsinanana
Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa GIZ/ASAM

ontosa ny faha14 Martsa 2025 teo ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fanombohan’ny tetikasa ASAM izay hiasa amin’ny Distrika telo amion’ny Faritra Atsimo Atsinanan dia n,y Distrikan’I Farafangana, Vangaindrano ary Vondrozo. Akoatry ny famelabelarana mahakasika ny tanjona, ny fomba fiasa, ny fanolorana ireo ekipa mandrafitra ny tetikasa sy izay mombamomba ny tetikasa dia nisy ny fanotaniana maro naraham-baliny avy amin’ireo mpisehatra amin’ny fiompiana trondro izay nasaina. Ny tetikasa GIZ/ASAM izay tanterahin’ny ONG APDRA dia hisehatra amin’ny fampirobiroboana ny fiompiana trondro mandritra ny 3 taona, 300 ireo mpiompy trondro hisitraka mivantana ity tetikasa ity izay kendrena ho vehivavy ny 30% amin’izany. Ny fampirobiroboana ny fiompiana trondro an-dobo, an-dobo barazy sy an-tanimbary no ho sahanin’ny tetikasa. Nanome voninahitra izao lanonana izao moa ny Governora ny Faritra Atsimo Atsinanana, ny Prefektiora’I Farafangana notronon’ireo ben’ny tanana, ireo sefo Distrika avy amin’ny toerana hiasan’ny tetikasa. #MPEB #DRPEB_Atsimo_Atsinanana #GIZ_ASAM #APDRA

AMBOSITRA ,FARITRA AMORON’I MANIA
TAFAPETRAKA NY ZONE D’EMERGENCE PISCICOLE

Dobo miisa 15 izay afaka mamokatra zana-trondro manodidina ny 1000T/ isan-taona ,toeram-piofanana mazaka olona 50 ho an’ireo izay Liana rehetra aminy sehatry ny fiompiana trondro, toeram-pikotrehana izay afaka mamokatra zana-trondro manodidina ny 5 tapitrisa, « laboratoire » , ny birao fankan-kevitra sns… Ireo rehetra ireo ho hita ato anatin’ity fari-pisandratana ho an’ny famokarana zana-trondro na Zone d’Emergence Piscicole eto Ampivarotan’omby Ambositra ity. Tanjona hatrany ny hampiroboroboana ny sehatry ny Jono eto Madagasikara,hanampiana ihany koa ireo Tanora rehetra tsy an’asa ,hiadiana amin’ny Tsy fanjarian-tsakafo sns.. Manova fiainan’olona iray hoy A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert ny fiompiana trondro nandritra ny fitsidihany , noho izy mampidibola betsaka no asa mahavelona ihany koa. Hirariana arak’izany fa hamatsy zana-trondro manerana ny Faritra amoron’i mania ity toerana ity atsy ho atsy. Fitsidihana ara-teknika no Notanterahina Anio nentina Nijerena ireo pitsopitsony rehetra hanatsarana hatrany ny foto-drafotrasa. #MPEB #ZONE_D_EMERGENCE_PISCICOLE #AMORONIMANIA #AMBOSITRA

Kaominina AMBEROMANGA, Distrikan’ny SOAVINANDRIANA, Faritra ITASY
Nanatanteraka fitsidihana teto amin’ny Kaominina AMBEROMANGA A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE

Nanatanteraka fitsidihana teto amin’ny Kaominina AMBEROMANGA, Distrikan’ny SOAVINANDRIANA, Faritra ITASY A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert nanamafy ny fanentanana amin’ny maha-zava-dehibe ny asa Fiompiana trondro sy ny vokatsoa rehetra azo avy aminy tamin’ireo vahoaka Tamin-kafaliana no nandraisan’ireo vahoaka azy tamin’izany satria voalohany no nisy Minisitra nitsidika ny tananan’izy ireo Raha ity seham-pihariana ity no resahina. Nanotrona azy tamin’izany ny Tale Jeneralin’ny INDDL , ireo Ben’ny tanana , ireo Tompon’andraikitra isan-tsokajiny,sivily sy miaramila. Tanana Anisan’ny manankarena rano Raha eto amin’ny Kaominina Amberomanga, noho izany tsy avela fotsiny fa mila havadika ho loharanombola hiveloman’ny ankohonana tsirairay avy. Tsy natao ho an’ny vatan-dehilahy irery ny asa Fiompiana trondro fa na ny vehivavy dia afaka mamelona ireo vady aman-janany amin’ny alalan’ny Fiompiana izany Rehefa voahafehy tsara ireo teknika rehetra mila Mifanome tanana Isika hoy izy ahafahana mampiroboro ny sehatry ny Jono sy ny Toekarena Manga ao an-toerana. #MPEB #FIOMPIANA_TRONDRO #KAOMININA_AMBEROMANGA #FARITRA_ITASY.

ANKANY ZANDARMARIA ARIVONIMAMO
MANANA FIKASANA HAMETRAKA DOBO FIOMPIANA TRONDRO AN-TOERANA IZY IREO

Ankoatry ny asa sahan’ireo zandarimaria ao amin’ny Ankany misy azy ireo eto Arivonimamo,dia manana fikasana ny hiditra amin’ny sehatry ny fiompiana trondro ihany koa izy ireo. Malalaka ny toerana ahafahana Manao izany raha ny hita nandritra ny fitsidihan’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert teny an-toerana. Nijery ny fomba rehetra ahafahana manao ny fanajariana rehetra ny tenany na ny refin’ireo Dobo na ireo Dobo afaka hapetraka ao an-toerana Ary koa ny fampidirana ny rano. Amin’ny alalan’ny « Forage » kosa no hisintomana rano ho atao anatin’ireo Dobo . Raha ny hita dia Afaka mametraka Dobo lehibe ho fanatavezana trondro izy ireo ary afaka Mbola misy Dobo hafa hiompiana zana-trondro ary fampiterahana trondro izay arakaraky ny refin’ny Dobo ,izy ity ihany koa dia toeram-piamaboly ho an’ny ankizy miisa 60 ao an-toerana. Tanjona ny hametrahana Zavatra maharitra fa tsy mandalo fotsiny izay afaka atao sakafo hanampiana ny ao amin’ny ankany Raha nambaran’A/toa Minisitra

𝗙𝗜𝗢𝗠𝗣𝗜𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗥𝗢𝗡𝗗𝗥𝗢 𝗲𝘁𝗼 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮

Ny 𝑷𝒂𝒏𝒈𝒂𝒔𝒊𝒖𝒔 na gogo na 𝒑𝒐𝒊𝒔𝒔𝒐𝒏 𝒄𝒉𝒂𝒕 na 𝗰𝗮𝘁𝗳𝗶𝘀𝗵 dia ananantsika eto Madagasikara fa anaty ranomasina. Marihana anefa fa maherin’ny 4.100 ny isan’ireo karazany manerantany (ranomamy sy ranomasina). Efa an-taonany maro no niompy gogo anaty ranomamy rizareo avy ao Vietnam, Indonésie, Chine, Bangladesh, Etazonia ary aty Afrika ary manodidina ny 2,3 tapitrisa taonina isan-taona eo ny vokatra manerantany. Ho antsika eto Madagasikara manokana dia ny taona 1950 no nampidirana ny Tilapia (nilotica) ary ny taona 1959 ny karpa raha ahiana ho ny taona 2003 eo no tafiditra teto ny fozaorana (écrevisse). Marihana anefa fa tsy maintsy atao anaty fanarahan-dalana ny fiompiana atao izay tsy maintsy ahazoana fahazoan-dalàna rehefa vita ny fanadihadiana ara-tontolo iainana (étude d’impact environnementale) momba ny fampidirana ilay karazan-trondro (décret MECIE, art.05 sy art. 160 ao amin’ny Code de la pêche et de l’aquaculture loi 2015-053). Mbola tsy nampiditra gogo an-dranomamy na poisson chat na catfish eto Madagasikara kosa ny Minisitera izay zavatra azo atao tsara fa ao anatin’ny fanarahan-dalàna. #Gogo_Poisson_Chat_Catfish #Fiompiana_Trondro #MPEB (Sary indrana)

aominina ambanivohitra Analavory, Distrika Miarinarivo, Faritra Itasy
Fampiofanana fiompiana trondro

Notontosaina ny 12 Martsa 2025 tao amin’ny tranompokonolona Analavory ny fampiofanana fiompiana trondro izay niarahan’ny ekipan’ny DRPEB Itasy sy ny ekipan’ny DA (Direction de l’Aquaculture) avy ao amin’ny Ministera foibe. Niisa 45 ireo olona tonga nanatrika izany ary tena liana tokoa izy ireo ary vonona ny hanaraka ny teknika nomena azy ireo.Izany fiofanana izany dia nialohavan’ny fitsidihina toeram-piompiana iray tao Firavaha Analavory ihany izay nanomezana tantsoroka ara – teknika ho fanampiana an’Andriamatoa Ijoroana amin’ny famokarany zanatrondro sy fanatavezana. #MPEB #DRPEB #Itasy #Fampiofanana #Fiompiana_trondro

Distrikan’ny Taolagnaro, Faritra Anôsy
Fizarana fanampiana ho an’ny mpanjono tra-boina noho ny fandalovan’ny rivodoza Honde

Araka ny toromarika avy amin’ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Atoa MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, dia notanterahina ny faha-12 Martsa 2025 ny fanolorana fotsim-bary 82 gony ny mpanjono tra-boina izay monina ao Itapera, Kaominina Ambanivohitra Mandromondromotra sy Ampanasatomboky-Ste Luce Kaominina Ambanivohitra Mahatalaky, Distrikan’ny Tolagnaro, Faritra Anôsy. Fanampiana avy amin’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga tamin’ny alalan’ny « Appui Sectoriel » na ny tohana hoa n’ny sehatry ny Jono eto anivon’ity Minisitera ity. Nahatsapa ny Minisitera fa voinkava-mahatratra ny tranga toy itony koa rariny raha mifanome tanana ny rehetra ho fanampiana ny mpiray tanindrazana fa indrindra ny mpanjono izay anisan’ny vahoaka marefo noho ny fiovaovan’ny toetrandro. Tonga nanome voninahitra sy nanolotra ireto fanampiana ireto ny Solombavam-bahoaka RATSIMANDRIONA Aida sy ny mpiara-miasa aminy, ny mpiara-miasa ato amin’ny #DRPEB_Anôsy izay natrehin’ny mpanjono sy ny vadiny, ny Sefo fokontany isan-tanàna avy. #MPEB #PPSPAS Toutes les réactions : 156Gaetan Andriamifidy, Mamy Ramarokoto et 154 autres personnes

Mindelo, Cap Vert
Fivoriana faha 04 ny vovonan’ireo Nosy madinika sy/na andalam-pandrosoana Afrikaninana na SIDS, momba ny jono

Notanterahina tao amin’ny Hôtel Ouril tao Mindelo ny faha 06 ka hatramin’ny faha 08 Marsa 2025, izay nosokafan’ Atoa « Ministre de la mer Cap Vert », tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriana. Saika nahatonga solotena avokoa ireo Nosy mpikambana ka anisan’izany Seychelles, Comores, Sao Tomé et Principe, Cabo Verde ary Madagasikara. Tonga nanotrona izany ihany koa ny #FiTI. Ny tanjona dia ny hananan’ireo Nosy rehetra ato Afrika « FEO TOKANA » hiarovana ireo harena anaty rano ananan’izy ireo ka ahafahany misitraka feno ny tombotsoa avy amin’izany ho fampandrosoana ny fireneny tsirairay avy. Nadritra izany, dia navaozina ny birao hitantanana ny vovonana ny roa taona manaraka. Taorian’ny Seychelles dia tapaka fa i Cap Vert no Filoha ary Comores kosa no Filoha lefitra ; nifampizarana ireo paikady momba fampandrosoana ny sehatry ny Jono sy ny Fampamokarana ny e manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro ; nitsidika toerana azo atao modely toy ny « Station crevetticulture artisanale » izay tantanin’olontsotra, sy ny toerana famokarana zanatrondron-dranomasina « Thon » antsoina hoe « NORTUNA » ary ny « Complexe de Pêche », ireo izay tonga nivory. Solotenan’ ny plateforme SIDS eo anivon’ny « Aquaculture Network of Afrika (ANAF)» ihany koa ny MPEB ka nizara ny paikady sy ireo drafitrasa voavolavola teo anivon’izany Tambazotra izany ho modely mba hanatsarana ny an’ity Vovonana SIDS ity. Tsiahivina fa natsangana ny taona 2022 tao Seychelles ity Vononana #SIDS momba ny Jono sy Fampamokarana Anatirano ity ary ny Vondrona Afrikana amin’ny alalan’ny AU-IBAR no manao ny tantsoroka ara-teknika sy ara-bola amin’izany. #MPEB #AU_IBAR #Pêche_et_Aquaculture