MADAGASIKARA & AFRIKA ATSIMO
HO HAMAFISINA NY FIARAHA-MIASAN’NY FIRENENA ROA TONTA.
Maro ireo Zavatra sy sehatra samihafa izay hitovizan’ny Madagasikara sy ny avy ao amin’ny firenena Afrika Atsimo Raha amin’ny lafiny Toekarena Manga no resahina. Ny 44% ny vokatra avy ao an-toerana ohatra dia ahondrana aty Afrika avokoa ka anisan’ny misitraka izany i Madagasikara. Tonga nitsidika ara-pomba fifanajana tao amin’A toa Minisitra MAHATANTE Paubert arak’izany A/toa Khazamula CHABANE masoivoho an’i Afrika Atsimo eto Madagasikara Anio 10Martsa2025 Teto Ampandrianomby. Nojerena ny ahafahana manamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ka anisan’izany ny mahakasika ny fandriam-pahalemana an-dranomasina, ny ady atao amin’ny Jono tsy manara-dalana sy ny maro hafa . .. Ankoatr’izay Dia Nisy ny fifanakalozana mahakasika ara-tsiansa izay zavatra lehibe eo amin’ny sehatry ny Toekarena Manga.. #MPEB #ECONOMIE_BLEUE #AFRIKAATSIMO.
Maintirano, Faritra Melaky
Fihaonana teo amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Melaky sy ny orinasa Sogediproma
Tontosa ny faha 08 Marsa 2025, ny fihaonana teo amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Melaky sy ny orinasa #Sogediproma izay natrehin’ny Filoha lefitry ny « Plateforme Régionale » ny mpanjono madinika ao Melaky. Nodinihana tao ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta amin’ny fametrahana toerana fanangonam-bokatra sy « chambre froide ». Noresahan ihany koa ny fomba hanampiana an’ireo mpanjono madinika eny an-toerana amin’ny fampitaovan’azy ireo hampandroso ny fihariana jono. Mbola hisy ny fidinan’ny solotena avy ao amin’ny orinasa hamaritra ny toerana hametrahana ny « chambre froide » ao amin ‘ny Faritra. #MPEB #DRPEB_Melaky #jono
SEHATRY NY JONO FARITRA BOENY
DISTRIKA EFATRA NO NAHAZO FAMPITAOVANA
Distrika Efatra ato anatin’ny Faritra Boeny no nisitraka fampitaovana maro avy amin’ny Ministeran’ny ny Jono sy ny Toekarena Manga tamin’ny alalan’ny tamberimbidy amin’ny fifanarahana ara-panjonoana miaraka amin’ny Vondrona Eropeanina Anio 7 Febroary 2025. Anisan’izany ny Distrikan’ny Soalala, Mitsinjo, Mahajanga I, II. Fitaovana ahitana lakana en fibre de verre miisa 5 izay miaro tanteraka ny tontolo iainana miaraka amin’ny Moteur 9cheveau miisa 5 izay anisan’ireo hanaovana ny resaka Jono Madinika , kits de palangre 20 , multi filament 20… Fitaovana manaraka ny fenitra tanteraka no nomena azy ireo entina hanatsarana ny asa fihariany eny an-dranomasina , hiadiana ihany koa amin’ny Tsy fanjarian-tsakafo satria manampy amin’ny fahafahana maka sy manampy ireo ny vokatra alaina an-davanandro. Nanamafy ny eo anivon’ny Vondrona Eropeanina fa Mbola Vonona hatrany izy ireo amin’ireo fiaraha miasa miaraka amin’ny Ministera amin’ny alalan’ny fanohanana ireo mpanjono Nanatrika ny fanolorana izany teny an-toerana Ny solotenan’ny Vondrona Eropeanina miisa 2 , ny sekretera Jeneralin’ny MPEB A/toa Tilahy Desire , ireo solombavam-bahoaka voafidy tao an-toerana sy Distrikan »ny Soalala, Marovoay sns, ireo tale sy mpisehatra amin’ny Jono maro hafa. #MPEB #VONDRONA_EUROPENAINA #APPUI_SECTORIEL #FITAOVAM_PANJONOANA.
Faritra Amoron’I Mania
Fitsidihina nataon’ny tetikasa GIZ
Ny faha 04 Martsa 2025 teo dia tonga tao amin’ny Faritra Amoron’i Mania ny mpitantana ny tetik’asa GIZ maneran-tany izay avy any Allemagne izay miandraikitra ny « Sécurité Alimentaire » sy ny mpandrindra ny GIZ eto Madagascar. Nanao fitsidihana ny fiantraikan’ny asa rehetra izay novatsiany GIZ vola ka notanterahina taty amin’ny Faritra, nisy teo aloha dia ny PADM ary izao indray miditra ny ASAM izay ny ONG APDRA daholo no nanao ny asa taty.Niaraka nidina ifotony tamin’izy ireo ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Tekarena Manga Amoron’i Mania izay notarihin-dramatoa Talem-paritra, ny mpandrindra ny tetik’asa 4F/ASAM sy ny Talen’ny APDRA eto amin’ny Faritra Amoron’i Mania sy ny teknisianina ao aminy. Nizara 2 mazava tsara ny fitsidihana: Toeram-piompiana izay an’Andriamatoa Rakotovao Daniel Andriantsalama, ao amin’ny Fokontany Vohimalaza; Fitsidihina an’Andriamatoa Ndrema Pierre Aloson Jerome Gabriel, Ampanory, Fokontany Andranovory Miezaka izay samy ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambositra II, Distrika Ambositra,Faritra Amoron’i Mania. Nahatsapa ireo mpiompy trondro fa nisy ny fivoaran’ny vokatra noho ny fiarahan’izy ireo niasa tamin’ny tetik’asa APDRA sy ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Joekarena Manga ato amin’ny Faritra tamin’ny alalan’ny fampiofanana sy ny fanjohiana, eo ihany koa ny fahafahana nanamboatra barazy sy lakan-drano ahafahan’izy ireo hiompy trondro izay ahafahana mamatsy toeram-piompiana 40 Ha. Teo iany koa ny fananganana fikambanana eo anivon’ny Kaominina na VMK izay mivondrona ao amin’ny VMR. Mbola mitohy hatrany ny fiarahamiasa eo amin’ny mpamatsy vola ny tetik’asa ary indrindra ny fahatsapany ny ezaka sy ny fivoaran’ireo tantsaha mpiompy trondro. #MPEB #DRPEB_Amoron_i_Mania #GIZ
Kaominina Ambonivohitra Ambatondrazaka,Distrikan’Ambatondrazaka,Faritra Alaotra Mangoro
Fidinana ifotony niarahana tamin’ny Vondrona Eoropeanina
Trano fitehirizam-bokatra sy famokarana laglasy tao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Ambatondrazaka no notsidihan’ny Vondrona Eoropeanina ary Atoa Tale Jeneraly ny Jono sy ny Fampamokarana anaty rano ny faha 04 Martsa 2025 . Efa miodina tsara ny toeram-pamokarana ary manaraka ny fenitra takiana ao anaty fifanarahana. Nodinihana teto ny tombontsoa sy ny vokatra andrasana amin’ny fametrahana ity fotodrafitr’asa ity dia ny fihenen’ny fahaverezan’ny kalitaon’ny vokatra aorian’ny fanjonoana Fotoana ihany koa nifanakalozana sy nanazavana ny sehatra jono an-dranomamy sy ny fiompiana trondro amin’ny ankapobeny.Marihina fa aorin’ny Faritra Alaotra dia ny Faritra Boeny no ho tsidihin’ireto solontenan’ny Delegasiona ny Vondrona Eoropeanina ireto. #MPEB #DRPEB_Alaotra_Mangoro #Appui_Sectoriel #PPSAPS
Kaominina Ambonivohitra Mahajanga ,Distrikan’I Mahajanga,Faritra Boeny
Fitsidihina ny orinasa SOGEDIPROMA
Tonga nitsidika ny orinasa SOGEDIPROMA ny solontenan’ny Vondrona Eropeanina ary ny teo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga notariahan’ny Sekretera Jeneraly ny Jono sy ny Toekarena Manga Atoa TILAHY Désiré anio 06 Martsa 2025 izay marihana fa ny orinasa SOGEDIPROMA dia manana « Agrément » afaka manondrana ny vokatra haza an-dranomasina makany Eropa. Tanjon’ny fitsidihina ny hijerena ny toerana sy ny fitaovana ao anatiny ary ny fomba fiasa izay marihina fa manaraka ny fenitra tanteraka. #MPEB #DRPEB_Boeny #PPSAPS #jono #Toekarena_Manga #SOGEDIPROMA
Boksburg, Afrika atsimo
Fandaniana ny drafitr’asa sy ny teti-bola hatramin’ny martsa 2026
Anisan’ny lahadinika mandritry ny fivoriana faharoa ho an’ny Filan-kevim-pitantanan’ny Ivon-toerana Fandrindrana ny Fanaraha-maso ny Jono ho an’ny Faritra SADC (MCS CC SADC) ny fandaniana ny drafitr’asa sy ny teti-bola hatramin’ny martsa 2026 . Tafiditra ao koa ny toro-lalana hoan’ny fitantanana ny « organigramme », ny politikan’ny fitantanana ny ara-bola sy ireo antonta-kevitra hafa manodidina an’ny fananganana ny Ivon-toerana. Fotoana nihainoana ireo vaovao avy amin’ireo mpamatsy vola, izay hanohana ireo ivon-toerana ihany koa, toy ny AU-IBAR, WWF, GIZ, SIF, Traffic, ILO, FishFORCE. Marihina fa any Boksburg, Afrika atsimo no hanatanterahina ity fivoarina ity nanomboka ny 4 martsa ka hatramin’ny 6 martsa. Madagasikara sy Zambia no mitarika izany. #MCSCC_SADC #MPEB #CSP #AU_BAR #WWF #GIZ #SIF #FishFORCE
Toekarena Manga
Fifampizarana fahalalana tamin’ireo tanora
Tanora miisa 45 mpikambana ao amin’ny « observatoire des jeunes » no nisitraka fahalalana tamin’i Dr Ifesinachi Okafor-Yarwood, mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’i St Andrews any Ecosse omaly 1 martsa teto Ampandrianomby. Manam-pahaizana momba ny toekarena manga sy ny fiarovana an-dranomasina ity mpikaroka Nizerianina ity. Nanasongadiny nandritra izany ireo andry telo fototra amin’ny toekarena manga : ny toekarena, ny tontolo iainana, ary ny fiarahamonina. Nohamafisiny fa mila fahaiza-manao sy fanabeazana ny tanora mba hahafahana mamorona sy manavao amin’ity sehatra ity. Notsindriany koa ny lanjan’ny teknolojia amin’ny fampandrosoana. Anisan’izany ny fampiasana drôna, ny « intelligence artificielle » ary ny teknolojia nomerika. Hita fa manana anjara toerana lehibe amin’ny toekarena manga eto Madagasikara ny jono, satria loharanom-bola sy sakafo ho an’ny mponina izy. Na izany aza dia maro amin’ireo tanora malagasy no tsy an’asa. Manoloana izany dia nanolotra vahaolana izy. Anisan’izany ny fampiroboroboana ny fandraharahana sy ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina sy iraisam-pirenena. « Mila miara-miasa isika, mizara hevitra, ary mampiasa izay eo am-pelatanantsika mba hamahana ny olana » hoy hatrany izy. #MPEB #OdJ #Fifampizarana_Fenahalalana #Tanora_Toekarena_Manga #Fampandrosoana_Maharitra
RESSOURCES
L’économie bleue sur la vague de la durabilité
Les efforts visant l’instauration d’une économie bleue dynamique et durable à Madagascar se poursuivent. Des résultats probants ont été obtenus, mais de nombreux défis restent encore à relever. Selon les spécialistes, l’économie bleue se traduit par l’exploitation de toutes les étendues d’eau maritimes et intérieures et de leurs ressources pour la croissance économique, tout en préservant les écosystèmes. Une définition qui met l’accent sur la conservation des habitats écologiques et des espèces associées, avec une attention particulière à l’exploitation et à l’utilisation durable des ressources au bénéfice de l’économie et des populations locales. Dernièrement, le ministère de la Pêche et de l’Économie bleue de Madagascar, lors de la présentation de son bilan pour 2024, a rappelé ce principe avant de souligner les avancées enregistrées par le pays en matière d’économie bleue. Elles vont des évolutions dans l’aquaculture aux infrastructures, en passant par la lutte contre la pêche illégale et l’accompagnement des acteurs du secteur. Les ambitions pour 2025 ont aussi été mises en avant. Ces perspectives s’orientent vers la modernisation, la formation et la promotion renforcée de l’économie bleue, un secteur qualifié de crucial pour assurer un développement inclusif et durable. Parmi les priorités figurent la production de plus de quarante millions d’alevins et l’installation de mille cinq cents étangs piscicoles. La surveillance maritime devrait aussi être renforcée avec l’acquisition de drones et la mobilisation de vingt-et-une flottilles. À cela s’ajoute la mise en place de mécanismes de financement pour soutenir les entrepreneurs du secteur, la création d’une école des pêches à Faux Cap, dans la région Anosy, et l’établissement d’un atlas maritime. L’économie bleue occupe en effet une place essentielle dans l’économie du pays, contribuant à plus de 7 % de son produit intérieur brut (PIB). Plus de 10 % si l’on inclut les activités portuaires et le tourisme bleu. En 2024, ce secteur a réalisé des progrès notables, avec des exportations halieutiques atteignant 26 541 tonnes, générant 731 milliards d’ariary. On sait en outre que 2 272 permis de collecte ont généré 3,8 milliards d’ariary en redevances, tandis que 122 licences de pêche ont rapporté 30,1 milliards d’ariary. Selon les explications fournies, cette performance repose aussi sur une amélioration des infrastructures et un appui technique renforcé. La Grande Île comptabilise actuellement 11 392 sites aquacoles fonctionnels, soutenus par des programmes de formation et la distribution de 57 144 intrants piscicoles. Plusieurs recommandations émises De leur côté, les partenaires techniques et financiers reconnaissent les efforts consentis par le ministère de tutelle pour booster la croissance du secteur et assurer sa durabilité. Mais ils estiment que le pays peut encore mieux faire. C’est dans cette perspective que le WWF, organisation mondiale de protection de la nature très active à Madagascar depuis des décennies, a émis des recommandations qui devraient structurer l’avenir de l’économie bleue dans la Grande île. Les premières indications sont axées sur la préservation et la restauration des habitats écologiques pour assurer la productivité, l’intégrité et la connectivité des écosystèmes. Précision a été donnée qu’un cadre d’identification des écosystèmes marins et côtiers, des habitats, de la biodiversité et des espèces de Madagascar doit être mis à jour pour renforcer les priorités de conservation. L’ONG note en outre que les actions de gestion et de conservation doivent renforcer et reconnaître les droits des communautés côtières, qui jouent un rôle central dans le développement de l’économie bleue et de la gouvernance locale. Et afin de promouvoir le financement bleu à long terme, il est indispensable de mettre en œuvre des mesures plus strictes visant à prévenir les activités illégales telles que la pêche INN, tout en mettant en œuvre des mesures robustes et de précaution qui protègent les océans contre les impacts écologiques potentiels. Planification de l’espace marin Il est également recommandé de réorienter le financement vers des activités plus durables. « Des mécanismes durables axés sur le financement et le développement du marché améliorent les chaînes de valeur et favorisent les initiatives de financement innovantes », a-t-on souligné avant de noter que les décisions doivent être fondées sur la recherche et la science afin d’améliorer la disponibilité des données et la prise de décision. À savoir cependant que pour faire progresser l’économie bleue durable, Madagascar ne part pas de zéro. Diverses initiatives ont déjà été entreprises. Elles soutiennent, entre autres, l’expansion et la consolidation du réseau d’aires marines protégées et aident à établir des priorités de conservation pour les zones clés de biodiversité identifiées. Rappelons aussi que Madagascar a signé la charte établissant le Centre de coordination du contrôle et de la surveillance de la SADC (Monitoring Control and Surveillance Coordination Centre – MCSCC), dédié à la lutte collective contre la pêche illicite, non déclarée et non réglementée (INN). Outre les principes de l’économie bleue durable, la mise en œuvre de la planification de l’espace marin (MSP) est considérée comme un moyen de maintenir l’équilibre entre la conservation de l’environnement et le développement économique. Celle-ci fait référence à un processus qui prend particulièrement en compte les principes de gestion intégrée basés sur les écosystèmes, les droits de l’homme et le changement climatique. Dans la région Diana, par exemple, une centaine de parties prenantes ont été identifiées et consultées, notamment des institutions gouvernementales, des membres du secteur privé, des acteurs de la société civile. Dans ce cadre, le processus MSP sert de pont entre les communautés et les décideurs politiques, permettant aux représentants des communautés de faire entendre leur voix et de voir leur point de vue pris en compte et traité dans l’établissement de cadres politiques marins. L’économie bleue fait vivre plus de 1,5 million d’habitants à Madagascar. Parier sur l’inclusion Il est aussi fait remarquer que le principe d’inclusion ne concerne pas seulement la gouvernance des océans, il s’applique à tous les aspects. Un exemple qui place les communautés côtières au centre des flux financiers durables sur le littoral de Mahafaly, dans le sud-ouest de Madagascar, avec la culture d’algues, illustre cet aspect. Dans cette partie d’île, les communautés bénéficient d’une formation, d’un renforcement des capacités et
Fokontany Ambony Atsimo, Kaominina Ambanivohitra Ambohibary Sambaina, Distrika Antsirabe II, Faritra Vakinankaratra
« Fianaraha-miasa eo amin’ny mpanjono sy ny mpiompy trondro »
Miditra amin’ny andiany faharoa amin’ny fandrotsahana zanatrondro anaty farihy taona 2025 ny ao Vakinankaratra ankehitriny. Isan’ny nanaovan’ny #koperativa_FIFIMPAVA fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny alalan’ny #tetikasa_FANAINGA+ ny mpiompy trondro iray ao Ambohibary ka nidina nanao ny fandrindrana izany ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Vakinankaratra. Mahavokatra zanatrondro manodidina ny 20000 isan-taona Rtoa Nivo mianakavy ary mitentina hatrany amin’ny 3T isan-taona ny trondro matavy vokariny. Efa 20 taona no nanaovan’izy ireo izao asa izao ary hitany fa tena mahavelona. Zanatrondro karpa miisa 9000 kosa no novidin’ireto mpanjono ireto teto ka haparitaka manerana ny farihy miisa 04 ato anaty ny Faritra Vakinankaratra. #MPEB #DRPEB_Vakinankaratra #Fampamokarana_ny_Atirano
