Hotel Les Roches Rouge, Kaominina Andrenivohitra Mahajanga, District Mahajanga I, Boeny
Atrikasa mikasika ny zaikabe nasionaly momba ny Jono makamba eto Madagasikara sy ny Tetikasa BIODEV 2030.

Notanterahina ny faha 27 sy 28 Febroary 2025 ny atrikasa mikasika ny zaikabe nasionaly momba ny Jono makamba eto Madagasikara sy ny #Tetikasa_BIODEV_2030. Hita nandritra ny atrikasa ny fandinihana sy fankatoavana ny rafitra sy ny fiasan’ny sehatra ifarimbonana hoan’ny Jono makamba maharitra, ny fizarana ny vokatry ny fanadihadiana natao momba ny rafitra politika misy eo amin’ny Jono makamba. Teo ihany koa ny famantarana ny fanavaozana izay hita fa laharam-pahamehana sy ny famaritana faritra manan-danja manokana amin’ny Jono makamba. Tsy adino ny fampiroboroboana ny dinika nasionaly momba ny olana sy ny fomba mety hanatsarana ny Jono makamba. Nandray anjara tamin’ny atrikasa ny #MPEB, #MEDD, #GAPCM, Federasiona ny mpanjono, fiarahamonim-pirenena, seham-pikarohana ary ireo mpiara-miombon’antoka maro samihafa. Atoa Tale Jeneraly ny Jono no nanokatra sy nanome voninahitra ny fotoana ary ny #WWF no nitondra ny tantsoroka.

MAHAJANGA, FARITRA BOENY
FISOKAFAN’NY FANJONOANA MAKAMBA

Ny voalohan’ny volana desambra hatramin’ny faran’ny volana Febroary no mikatona ny fanjonoana makamba Raha ny lalana eto Madagasikara. Ny 01 Martsa kosa no miverina misokatra izany manerana an’i Madagasikara ka any amin’ny Faritra Boeny no nanokafana izany tamin’ity taona ity izay natrehin’A toa Minisitra MAHATANTE Paubert Sy ireo Tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Orinasa lehibe miisa 5 izay mampiasa Sambo miisa 38 no misehatra amin’ny Jono makamba eto Madagasikara ary mampiasa #tantsambo_malagasy maherin’ny 1500 . Marihina fa miasa amin’ny Faritra dimy eto Madagasikara izy ireo . Raha manodidina ny vokatra no resahina dia Anisan’ny seham-pihariana mampidibola betsaka amin’ny kitapom-bolam-panjakana ity seham-pihariana makamba ity satria manodidina ny 3 546 T ny vokatra Makamba azon’izy ireo tamin’ny taona lasa ary 3 065 T kosa ireo vokatra nahondrana ivelan’ny Madagasikara, 481 T no nosakafoanintsika teto an-toerana. Izany rehetra izany Dia nahafahantsika nampidimbola manodidina ny 12 milliards 131M d’ariary Ary ny totalim-bidin’ireo vokatra izay nahondrana kosa dia manodidina ny 105 Milliards/ar . Izao no manaporofo fa mampidibola betsaka ity sehatry ny Toekarena Manga ity Ary manome asa ho an’ireo malagasy maro izay miara-miasa amin’ireo orinasa lehibe ireo . #MPEB #JONOMAKAMBA #MAHAJANGA #FARITRA_BOENY.

Hôtel Eden Blue, Mahé -Seychelles Jono tsy ara-dalàna
Natsangana ny rafitra maharitra hahafahana mametraka ny fanaraha-maso

Notanterahina ny 25 ka hatramin’ny faha 28 Febroary 2025 tao Mahé-Seychelles, Hôtel Eden Blu ny fivoriana faha-3 ao anatin’ny Tetikasa PRSP « Plan de Surveillance Régionale des Pêches » na ny Drafitra Fanaraha-maso, Fisafoana ny Jono, hiarahana amin’ireo firenena ato anatin’ny Vaomeran’ny Ranomasim-be Indiana. Nitarika ny delegasionina malagasy tamin’izany Andriamatoa TILAHY Désiré, Sekretera Jeneralin’ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Nambarany fa olana hiraisana ny Jono tsy ara-dalàna sy tsy voafehin-dalana ka tsara raha mitady vahaolana hiraisana. Anisan’ny antom-pijoroan’ity drafitra ity izany ny taona 2007. Omaly no natsangana ny rafitra maharitra hahafahana mametraka izay fanaraha-maso izay. Maro ireo firenena avy ao Afrika Atsinana no niditra nandray anjara miaraka amin’ny Madagasikara. Anisan’izany Mozambika, Kenya, Tanzania, ary Somalia. Marihina fa maro ny tombotsoa azon’ny Madagasikara ao anatin’ity drafitra ity. Tamin’ny taona 2024 ohatra, dia sambo vahiny roa nanjono tamin’ny fomba tsy ara-dalana tato amin’ny ranomasin-tsika no tratra, noho ny fiaraha-miasa tato anatin’ity drafitra ity. #MPEB #CSP #PRSP #3eme_CM #Seychelles #Peche_INN

MITAO FORECAST
NIHENA HATRAMIN’NY 98% NY TAHAM-PAHAFATESAN’IREO MPANJONO AN-DRANOMASINA

Efatra (4) andro mialoha dia efa mahafantra avy hatrany ny mety ho toetry ny andro ireo mpanjono eny ifotony amin’ny alalan’ny takelaka famantarana mialoha ny toetr’andro na (tableau agro-meteorologique) avy amin’ny Tetikasa #Mitao_Forecast . Tanjona ny hiarovana ny amin’izy ireo amin’ireo loza an-dranomasina mitranga ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro ka handraisan’izy ireo fanapahan-kevitra avy hatrany Miisa 3000 eo ho eo ireo « village des pêcheurs » eto Madagasikara izay samy nametrahana ny « tableau agro météorologie » ka nampihena hatramin’ny 98% ny taham-pahafatesan’ireo mpanjono izay miisa 150 000 eo ho eo Raha eto amintsika. Arak’izany nampiasaina amin’ny takelaka famantarana ireo « code couleur » miisa efatra (maintso, mavo, orange ary ny mena) ka na ireo Zaza 5taona miakatra na ireo vadina mpanjono na ireo tsy mahay mamaky teny dia mahafantatra avy hatrany fa tokony na tsy tokony hivoaka an-dranomasina ireo mpiandrika. Eo ihany koa ny resaka fizahantany izay misy amin’ireo mpanjono mitondra ireo mpizahantany eny an-dranomasina amin’ny lakana (sortie en mer). Hita fa Anisan’ny Tetikasa mipaka mivantana amin’ny fiainan’ny vahoaka eny ifotony ity Tetikasa natsangan’A/toa Toky Sylvestre ity satria tsotra kanefa miaro Ary manampy betsaka amin’ny fihenan’ny taham-pahafatesan’ireo mpanjono. Azo tsapain-tanana ny fahombiazan’izany Tetikasa izany Teto Madagasikara ka ho haparitaka manerana ny Africa izany fahaiza-manaontsika amin’ny fiarovana ireo mpanjono izany. Notanterahina Anio 28 Febroary arak’izany fanaingana amin’ny Fomba ofisialy ny Tetikasa MITAO FORECAST AFRIKA izay natrehin’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert, R/toa Minisitry ny fizahantany Viviane DEWA . #MPEB #MITAO_FORECAST #METEO #SECURITEEN MER #MPANJONO

Tolagnaro, Faritra Anôsy
Atrikasa iraisam-paritra Androy sy Anôsy karakarain’ny Programa AFAFI-SUD.

Notanterahina tao Tolagnaro ny faha 27 Febroary 2025 tao amin’ny Hotely Azura ny Atrikasa iraisam-paritra Androy sy Anôsy mahakasika ny Programa Afafi-Sud izay teo ambany fitarihan’ny Governoran’ny Faritra roa mirahavavy. Natao indrindra ity atrikasa ity hampisehoana ireo asa vitan’ny Programa, ny paikady nentina nametraka ny fampaharetana ny asa ary ny fanolorana ny STD sy CTD fitaovana maro samihafa izay teo ampelantananan’ny programa hoentina manohy sy manaraha-maso sy asa vita sy hanampy azy ireo amin’ny filany. Nisy ihany koa ny fanolorana ireo zava-bita sy vokatra ary ny paikady napetraky ny #GIZ_Prada hanamafisana ny faharetan’ny asa vita. Ny taona 10 Aprily 2018 no nanomboka niasa ny Programme Afafi-sud ary nisahana faritra telo dia ny faritra Androy, Anôsy ary Atsimo Atsinanana ary hifarana amin’ny faran’ny 31 Mars 2025 izao. Tompon’andraikitra sy mpiara-miombon’antoka maro avy amin’ny Faritra Androy sy Anôsy no tonga niatrika sy nanome voninahitra ity atrikasa ity, anisan’izany ny solontenan’ny Tale ny #BACE ary ireo ekipan’ny #Programa_Afafi_Sud. #MPEB #DRPEB

Ivandrika, Faritra Ihorombe
Fitsidihana toerana fiompiana trondro ao amin’ny Fokontany Ivandrika, Kaominina Ambanivohitra Zazafotsy, Distrikan’Ihosy, Faritra Ihorombe no notanterahina ny faha 27 Febroary 2025

Nidina ifotony nijery ilay dobo fanangonan-dranon’orana natao hamatsiana rano ireo tanimbary fiompiana trondro sy ireo dobon-trondro ao an-toerana mandritra ny main-tany, ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Ihorombe. Nisy ihany koa fakana zanatrondro karpa miisa 2000 tao Ivandrika izay naterina tany Anteva, Fokontany Ambinanintelo, Kaominina Ambanivohitra Ambatolahy ka narotsaka tao amin’ny dobon-trondro miendrika ranovory izay iompiana trondro isan-taona ka eritreretina ho vokatra any amin’ny volana Novembre any. Marihina fa mamokatra trondro manodidina ny 700kg eo ity dobo miendrika ranovory ity isan-taona ary efa fanitelony izao natao androany izao. #MPEB #DRPEB_Ihorombe #Fampamokarana_ny_Atirano

FIANGONANA LOTERANINA MALAGASY , SINAODAM-PARITANY AFOVOANY
FIFAMPIZARANA NIARAHANA TAMIN’ATOA MINISITRA MAHATANTE PAUBERT

Nandritra ny fihaonam-be ny FANILO (FAmpandrosoana ANIvon’ny LOterana) sy ATN (Ampiasao ny Talentanao) Teto Antananarivo dia Anisan’ny Liana amin’ny resaka manodidina ny Jono sy ny Toekarena Manga izy ireo Ankoatry ny Sehatr’asa izay hiandreketan’izy ireo eo anivon’ny fiangonana loteranina malagasy. Tsy nisalasala arak’izany izy ireo nangataka an’A/ toa Minisitra MAHATANTE Paubert hifampizara sy hifanakalo hevitra amin’izy ireo mahakasika izany. Efa misy amin’izy ireo ihany no misehatra amin’izany izay nanamafy ny fahaiza-manaony , ireo izay vao hiantsehatra Ary ireo izay Liana te ahafantatra ireo teknika sy ny vokatsoa azo avy amin’ny fiompiana trondro sns . Solontena Mpandrindra FANILO 16 avy amin’ny synodam-paritany samy hafa ary Mpandrindra ATN Faritra 05 no niatrika ny fifampizarana izay mavitrika tamin’ny fandraisana anjara tamin’ny alalan’ireo fanontaniana maro . Hirariana arak’izany fa hampihatra avy hatrany izay lesona azony manodidina ny Toekarena Manga sy fiompiana trondro izy ireo . Anisan’ny Voaresaka tao ny fomba hamadiana ireo loharano ho lasa loharanombola amin’ny alalan’ny Fitrandrahana ireo harena rehetra ao anatin’ny fikajiana ny tontolo iainana . Marihina fa Ny Toekarena Manga dia fitambaran’ny resaka Fanjonoana , fihariana anaty rano , fitanterana an-dranomasina, fizahantany mifandraika am rano, seranantsambo sy ny asa rehetra manodidina azy, angovo Azo avaozina mifandraika am rano , harenan-kibon’ny tany mifandraika am rano , tontolo iainana ahitana ny fanodidinana ny fako sns… #MPEB #TOEKARENAMANGA #JONO #FIFAMPIZARANA.

Fkt Ambinany, Analankininina ary Andatsadrano ; Kaominina Soanierana Ivongo, Distrikan’I Soanierana Ivongo, Faritra Analanjirofo
Fanentanana ifotony ireo Mpanjono tao an-toerana

Ny talata faha 25 Febroary 2025 lasa teo dia nanatanteraka fidinana ifotony tao amin’ny Fkt Ambinany sy Analankininina ary Fkt Andatsadrano izay samy ao anatin’ny Kaominina Soanierana Ivongo ireo Teknisianina avy eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) Analanjirofo izay narahina fampahafantarana sy fanentanana nahakasika lohahevitra maro. Anisan’ny noresahina tamin’izany ny fampahafantarana ireo mpanjono ny mahakasika ny lalàna mifehy ny Jono an-dranomasina, teo ihany koa ny fanentanana ireo mpanjono momba ny fanampoizinana vokatry ny fihinanana haza an-dranomasina amin’ny fotoana mahavoarara izany na ny ICAM « Intoxication par la consommation d’Animaux Marins » satria mbola ao anatin’ny fotoanan’ny andro mafana isika izao. Nofaranana tamin’ny fanentanana ireo mpnajono mba hiroso hatrany eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna ny fanentanana mba hahafahan’izy ireo hisitraka ireo tohana maro avy amin’ny Ministera. Nisy nandritra izao fidinana ifotony izao ny fanisàna ireo lakana izay mbola tsy manana laharana na « plaque d’immatriculation » ary resy lahatra ny rehetra fa hiroso avy hatrany amin’ny fametrahana ireo laharana isan-dakana tsy ho ela ny ekipa avy ao amin’ny DRPEB izay hiaraka amin’ireto mpanjono ireto hanatontosa izany. #MPEB #DRPEB_Analanjirofo# Soanierana_Ivongo #Fanentanana_Ifotony #Mpanjono #ICAM #Lalàna_Jono_andranomasina

Kaominina Ambonivohitra Fianarantsoa, Distrikan’I Fianarantsoa I, Faritra Matsiatra Ambony
Fihaonana teo amin’ny Sampandraharaha ho amin’ny Fangaraharana sy ny ady amin’ny kolikoly (STAC) sy ny DRPEB Matsiatra Ambony.

Taorian’ny Faritra Amoron’i Mania dia nitohy tao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony indray ny fitsidihana nataon’ny Sampandraharaha ho amin’ny Fangaraharana sy ny ady amin’ny kolikoly (STAC) avy eo anivon’ny Ministeran’ ny Jono sy ny Toekarena manga androany faha 26 Febroary 2025. Anisan’ny voaresaka sy nampatsiahivina tamin’izany ireo toetra sy fomba fitondra-tena tokony hananan’ny mpiasa eto anivon’ny Ministera, eo ihany koa ny drafitrasa tokony ho tanterahina hiadiana amin’ny kolikoly ho an’ny DRPEB Matsiatra Ambony ary ny fandinihana ireo tohan-kevitra rehetra ilaina hisorohana sy hiadiana amin’ny kolikoly. Izao no tontosa dia noho ny tantsoroka avy amin’ny Tetikasa PPSPAS izay hiarahana amin’ny Vondrona Eropeanina. #MPEB # STAC# DRPEB_Matsiatra_Ambony #PPSPAS

Ivandry-Antananarivo, Faritra Analamanga
Atrikasa Famaranana ny Tetikasa STAT SANOI ary fanolorana ny « Les Plateformes d’information sur l’Agriculture et la Sécurité Alimentaire et Nutritionnelle ».

Nandritra ny telo taona no nisin’ny tetikasa STAT SANOI izay niarahana tamin’ny Vondrona Eoropeanina nampian’ny FAO izay nanagona ireo antontanisa eo amin’ny sehatry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono. Ankehitriny tapitra ilay tetikasa ary misy ny « plateforme » izay napetraka afahana manana ireo antontanisa rehetra eo amin’ireo sehatra telo ireo. Zava-dehibe ny fananana izany antontanisa izany ahafantarana firy marina ny vokatra ananantsika sy ny fomba izarantsika azy, firy no mbola tadiavina sy ny fomba itadiavana izany. Manampy betsaka amin’izany ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra ka amin’ny alalan’ny finday dia efa fantatra ny zava-misy amin’izao vanim-potoana iainantsika izao hoe aiza no misy vokatra, ny habetsany, ary aiza ireo no alefa. Tsara ny manamarika fa iarahantsika amin’ny avy ao amin’ny Nosy Seychelles, Maurice ary Comore izao tetikasa izao atao izao ary indrindra ilay « Plateforme » izay vao napetraka. Ankehitriny dia antsika ilay « plateforme » ary anjarantsika no mametraka ireo antontanisa ao anatin’izany. Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert moa no nanokatra ity Atrikasa ity tamin’ny fomba ofisialy notronin’Atoa Solotena maharitry ny FAO eto Madagasikara sy Atoa Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Atrikasa notanterahina teny amin’ny Novotel Ivandry-Antananarivo. #MPEB #FAO #STAT_SANOI #antontanisa #Fambolena #Jono